FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/4 p. 27
  • ‘Tsy hahaleo anao ireny’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tsy hahaleo anao ireny’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Hahaleo An’Andriamanitra Ireo Miady Aminy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Enjehina, nefa sambatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Tsy maintsy ambara ireo fitsaran’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/4 p. 27

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

‘Tsy hahaleo anao ireny’

TANY amin’ny tany iray any Amerika afovoany, dia lehilahy 15 nitam-piadiana no nitondra an-keriny Vavolombelon’i Jehovah roa tany ivelan’ny tranony ka nitarika azy hanatona antokon-dehilahy 75 nirongo langilangy sy karazan-tsabatra. Nanompa ny Vavolombelona ireo ary rehefa avy eo dia nanolotra azy tamin’ny antokon’olona hafa nisy lehilahy 350 nitam-piadiana toa azy ireo koa. Nandrasany izay hatahoran’ireo rahalahy roa sy hialany amin’ny fialanalanany kristiana amin’ny fiarahana amin’ny antokony mpisafo (Isaia 2:4). Niorina mafy hatrany anefa ireo Vavolombelona ka tsy nety nandray anjara tamin’ny raharaha ara-tafika. Nampidirina an-tranomaizina àry izy ireo, kanefa mpikambana maro amin’ny Fiangonana hafa no nanaiky lembenana ka lasa tany amin’ireo havoana niaraka tamin’ny antoko-miaramila mpisafo.

Ny ampitso, ny sasany tamin’ireny lehilahy ireny dia nitondra an’ireo rahalahy tany an-tanàna mba hanadinan’ny filohany azy. Teny an-dalana ireo mpiambina dia nilaza tamin’ireo rahalahy fa niharan’ny fanasana atidoha izy ireo. Namaly toy izao ireo Vavolombelona: “Tena marina fa nosasana ny atidohanay. Ankehitriny izahay dia tsy manisy ratsy na iza na iza; tsy mpangalatra izahay, na mpimamo, na mpijangajanga.” Rehefa nandre azy ireo nanazava ilay filoha, dia nampiseho fahamoram-panahy tamin’izy ireo ka nidera azy tamin’ny filazana taminy hoe: “Raha tahaka anareo ny olona rehetra, dia ho hafa ny zavatra rehetra (...). Enga anie ka hiaro anareo Jehovah Andriamanitrareo!” Taorian’izany dia nafahana ireo rahalahy.

Nahoana no enjehina ny kristiana tsy tia ady sy tsy azo tsinina izay manaja ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra raha ny amin’ny rariny? Ny antony dia satria “tsy naman’izao tontolo izao” izy ireo ary tsy mandray anjara amin’ny raharahany ara-politika (Jaona 17:16). Endrey ny fahamaivamaivanana mahafantatra fa na dia miady amin’ireo mpanompon’i Jehovah aza Satana sy izao tontolo izao tarihiny, dia tsy haharesy izy ireo (Jeremia 1:19)! Niharihary fa marina izany tao amin’io tany io, ary ilay filoha noresahintsika terỳ ambony dia tokony hoderaina noho ny nahatakarany ny toeram-pialanalanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

◻ Izao toe-javatra manaraka izao, nitranga tany amin’ny tany iray atsy Afrika izay anasiana fepetra amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny alalan’ny lalàna, dia manazava tsara ny fahamarinan’ny tenin’i Jeremia. Taorian’ny nilazalazana ireo fahasahiranana hitan’ireo rahalahy izay miezaka hanampy ny olona hahafantatra tsaratsara kokoa ny fikasana mahatalanjon’i Jehovah, dia manampy teny toy izao ny fitantarana: “Noho ny toeram-pialanalanana tanan’ny olon’i Jehovah, dia maro amin’ireo rahalahintsika no atao an-tranomaizina, matetika amin’ny sazy misesy maromaro. Velezina mafy izy ireny, kapohina, ary ampiasana fanerena izy mba hitarihana azy amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa handika ny fieritreretany kristiana. Indray mandeha ny rahalahy iray dia nokapohina tamim-pahasiahana. Noho izy tsy nivadika hatrany, dia nikasa ny hamono azy ho faty ny miaramila vitsivitsy. Rehefa nahare ny teti-dratsin’izy ireo ny manamboninahitra ambony iray, dia nisalovana manokana ka namindra azy mangingina tany amin’ny tanàna hafa iray. Tamin’izany no nahavonjy ny ain’ilay rahalahintsika.”

Izany fanenjehana izany dia tsy nahasakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hitory ny vaovao tsara araka ny nandidian’Andriamanitra azy (Matio 24:14). Manohana azy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny Jehovah ka mitahy azy noho ny tsy fivadihan’izy ireo. Nilaza toy izao koa ny fitantarana avy any amin’io tany any Afrika io: “Na dia tao aza ny toe-piainana faran’izay sarotra, toy ny hanoanana, ny aretina, ny ady an-trano mafy sy ny fanenjehana, dia nitombo 17 isan-jato ny isan’ny mpitory amin’ny ara-keviny.” Nitombo 21 isan-jato ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, ary 21 isan-jato tamin’ny mpitory rehetra no nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny volana aprily 1984.

Araka izany, dia sambatra ireo rahalahintsika rehefa enjehina. Mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah izy ireny ary mahatsiaro izao tenin’i Jeremia izao: “Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” — Jeremia 1:19.

[Sary, pejy 27]

Manohana an’ireo Vavolombelony enjehina Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara