Ny Apokalypsy: Inona moa izany?
“NY APOKALYPSY!” Inona no eritreretinao rehefa mandre ireo teny ireo? Mieritreritra ny andro Fitsarana farany ve ianao? Sa ny fandripahana olona maro be? Ny ady lehibe fahatelo ve? Ny faran’izao tontolo izao ve? Raha tonga ao an-tsainao ny sary toy izany, dia fantaro fa tsy irery akory ianao amin’izany. Manao sary manjombona ny amin’ny ho avin’ny olombelona ny siansa sy ireo fiasana fampitana hevitra. Mahagaga àry ve raha toa olona maro be no mampifandray ny apokalypsy amin’ny fanafoanana ny taranak’olombelona amin’ny loza aman’antambo iray?
“Amin’izao andro izao ny apokalypsy dia tsy fampisehoana araka ny Baiboly fotsiny; manjary zavatra mety hisy tena heverina izany.” Izany no teny fampiomanana notononin’i Javier Pérez de Cuellar, sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, tao amin’ny kabary fanokafana iray. “Mbola tsy nihilangilana toy izao mihitsy isika eo anelanelan’ny loza aman’antambo sy ny mbola fahavelomana, teo amin’ny tantaran’olombelona.” Inona no nasiany fitenenana? Ny fifandonan’ireo hery noklehera hateraky ny fitomboan’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana ankehitriny. Mba hanamafisana ny fampitandremany tao amin’ny O.N.U., dia nambarany fa “mpahay siansa eo amin’ny 500 000 maneran-tany no mampiasa ny fahaizana hikarohana fitaovam-piadiana be kojakojany kokoa sy mahafaty kokoa”.
Mahatsapa ny tarehin-javatra ankehitriny koa ny olon-kafa. Nilaza i Hans Jonas, mpampianatra filozofia efa tsy miasa intsony tany amin’ny New School for Social Research fa ny natahorany indrindra dia “ny apokalypsy mahatonga hatahotra ny karazan-kery tsy voafehy eo amin’ny fandrosoana ara-teknika”. Heveriny fa ny apokalypsy dia mety ho ny “fahalaniana, ny fandotoana sy ny fahafoanan’ny planeta, ary koa ny fandrahonan’ny fandringanana tampoka amin’ny alalan’ny baomba ataomika”.
Nanao izao fanambarana izao karazan’izany ilay mpanoratra tantara atao hoe Golo Mann: “Tsy afaka ny hanana ady lehibe hafa iray isika. Tsy mety ny teny hoe ady. Tokony hofoanantsika ny fitenenana hoe ‘Ady Lehibe Fahatelo’ ka apokalypsy na fandringanana no holazaina ho solony.” — Die Zeit any Hambourg, 30 aogositra 1985.
Eny, miaiky ny olombelona fa madiva handringan-tena izy. Kanefa moa ve izy no hanapoaka ny apokalypsy? Tsy izany, araka ny filazan’ny Baiboly. Antitranteriny fa “Jehovah Andriamanitra Tsitoha”, fa tsy ny olombelona, no ‘hanimba izay manimba ny tany’. (Apokalypsy 11:17, 18, MN.) Noho izany, raha takatrao ny atao hoe apokalypsy araka ny fiheveran’ny Baiboly, dia hanana fahatsinjovana ho avy vaovao tanteraka sy mahafinaritra lavitra ianao.
Ny tena atao hoe apokalypsy
Mahita filazalazana ny amin’ny apokalypsy isika ao amin’ny taratasy iray nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesaloniana. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory (...), ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay raha hiseho [amin’ny fisehoana na apokalypsy] Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana [fandringanana, MN] mandrakizay.” — II Tesaloniana 1:6-10.
Ny apokalypsy àry dia ny fisehoan’i Jesosy ao anatin’ny vanim-potoan’ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21.) Araka ny filazan’i W. Vine (ao amin’ny An Expository Dictionary of New Testament Words), ny teny grika hoe apocalupsis dia mahakasika ny “fotoana hahatongavan’i Jesosy Kristy Tompo mba hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra”. Ao amin’ny toerana hafa, ny Baiboly dia miantso izany fisehoana na apokalypsy izany hoe “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-Magedona. — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21a.
Marina fa araka ny hitantsika, mifandray amin’ny apokalypsy, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “fahoriana”, ny “famaliana” sy ny “sazy”. Resahiny koa anefa ny amin’ny “fanamaivanana” ho an’ireo tsy manan-tsiny izay niaritra fahoriana. Mampanantena antsika ny Tenin’Andriamanitra fa “rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy ny fanahy”. (Salamo 37:10.) Araka izany, ny apokalypsy dia hanamaivana ny olombelona amin’izay rehetra mety ho fitaoman-dratsy. Ho an’ireo olona tso-po, izany dia ho fiovana ho amin’ny toe-piainana tsaratsara kokoa fa tsy fisehoan-javatra tokony hatahorana.
Noho izany, dia tsy hanafoana ny zavatra rehetra ny apokalypsy fa hitondra fanafodiny marina ho an’ireo zava-manahirana ny olombelona. Moa ve tsy mahafinaritra anao sy ny ankohonanao ny eritreritra hoe hiaina ao anatin’ny fotoana vaovao, fotoan’ny rariny sy ny fiadanana ary ny fahasambarana?
Kanefa manakaiky ny apokalypsy resahin’ny Baiboly ve isika? Raha eny, moa ve isika manana fomba famantarana marina ny ora tokony hahatongavany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa ilay lahatsoratra momba an’i Megido, ao amin’ny pejy faha-21 ka hatramin’ny 24 amin’ity gazety ity.