Nampifanaraka ny fiainako tamin’ny lalan’i Jehovah aho
Nataon’i Arthur Worsley
TSY nahita masoandro hatramin’ny hateloana izahay; nisafoaka ny rivotra sy ny ranomasina. Nanaramorona ny tanjona Hatteras izahay, dia tanjona nalaza ratsy any Caroline Avaratra, ka nitodi-doha ho any Bahamas, faritany tokony hanaovanay ny asa fitorianay. Tamin’ny novambra 1948 no nitrangan’izany. Efatra izahay no teny an-tsambo: misionera telo nahazo diplaoma avy any amin’ny Sekolin’i Galaad (Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower) sy ny tenako. Nanomboka nanontany tena izahay raha ho tody soa aman-tsara.
Izaho no nitana ny familiana ny Sibia, sambo kely 18 metatra an’ny Fikambanana Watch Tower. Teo amin’ny ilan-tsambo ankavanana, dia nisy feo sahala amin’ny an’ny etona nifantsitsitra nampahafantatra anay nisy elanelam-potoana, ny amin’ny fahatongavan’ny onja lehibe iray, ary kotsa izahay rehefa nitosaka teo aminay izany. Nafatotra tamin’ny fehinkiboko ny mahazakan-tsambo ary naraikitra tamin’ny masom-by fihazonan-tsambo teo amin’ny tokotaniny. Rehefa nisosa nanaraka ny nalehan’ny rivotra ilay sambo dia nidridroka toa nitory alahelo ny fampandehanan-tsambo, ary nidradradradra tamim-pisafoahana izany rehefa nisosa nanohitra ny rivotra ny sambo.
Tao amin’ny efitra lehibe indrindra i Stanley Carter sy Ron Parkin, teo ambanin’ny tokotanin-tsambo: tena tsy nahazaka ranomasina izy ireo. Fa i Gust Maki kosa, rahalahy eo amin’ny dimampolo taona vao nosoloako toerana teo amin’ny familiana, dia trotraka izy. Talohan’ny handraisana ny toerany, dia nanomana fisotro natao tamin’ny atody nokapohina sy siramamy ary laodivia aho ary nilaza tamin’i Gust ny toerana hahitany izany. Taorian’izay aho dia tsy nahita azy intsony efa ho nandritra ny adiny folo.
Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny fahatsiarovana ho nanirery tsapako tamin’io alina io raha mbola nifofofofo ny rivotra ka niady tamin’ny familiana nanohitra aho, sady nanantena fa mafy tsara ny mahazakan-tsambo namatotra ahy. Fa ahoana no nahatongavako tamin’izany?
Ny fahatanorako tany Angletera sy tany Kanada
Tao amin’ny tafika an-dranomasina britanika ny raiko, ary tafaraka tamin’ny mpiady an-dranomasina sy ny miaramila hafa foana aho. Rehefa maty tampoka ny reniko, dia nalefa hianatra ho tantsambo aho. Tamin’ny 1923, teo amin’ny faha-16 taonako, dia nitety izao tontolo izao tamin’ny sambo fianarana aho.
Raha mbola tany Singapour aho, dia nampahafantatra ahy ny rahalahiko fa nanambady indray ny raiko ary niorim-ponenana any Alberta, any Kanada, izao ny fianakaviana. Tamin’ny 1924 àry dia nankany amin’ny fianakaviako izay nonina tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana 130 hektara tany akaikin’i Lethbridge aho. Araka ny filazan’ny Fiheveran-draharaha ara-barotra, io tanàna io dia tany “atsimon’i Alberta, tany mafanan’ny voa mivolom-bolamena”, ka marina tanteraka izany.
Fitsidihana nanova ny fiainako
Toa hadinon’ny Fiheveran-draharaha ara-barotra anefa ny nilaza ny amin’ireo ririnin’ny tany malalaka be. Nisy fotoana nahalatsaka ambanin’ny – 30 oC ny hafanana. Indray andro namirifiry aoka izany, nandritra ny ririnina 1926-1927, dia niditra tao an-tokotaninay ny Ford tranainy iray tao anatin’ny rahon-tsetroka ary nijanona nientanentana akaikin’ny trano araka izay azo natao. Rehefa nasaina hisotro kafe mafana sy mofomamy kely ilay mpamily dia nanazava taminay fa tapaka noho ny antontan’orampanala ny lalana ka tsy fantany marina izay nisy azy. Nomenay fanazavana avy hatrany izy, avy eo dia nanomboka niresaka Baiboly taminay izy. Nomeko iray dôlara izy ho takalon’ny boky Délivrance sy bokikely fito.
Koa satria lasa niantsena tany an-tanàna ny ray aman-dreniko, dia navadibadikay, dia izaho sy ny rahalahiko, kelikely ireo boky. Nampiriminay tao amin’ny fitehirizam-boky daholo ireo nony avy eo ary, noho izahay tokony hikarakara ny biby fiompy, dia hadinonay izy ireo. Niverina tao an-tsaiko tsy tapaka anefa ny sasany tamin’ireo zavatra novakiko. Indraindray aza dia nifoha aho tamin’ny alina ka nieritreritra izany. Tamin’ny farany, dia tapa-kevitra aho ny hijery hoe inona marina no noresahin’ireo boky ireo.
Noraisiko araka ny kisendrasendra ny bokikely iray: Ny Fiverenan’ny Tompo no lohateniny. Nandrasako ny handehanan’ny olona rehetra hatory, ary dia novakiko ilay bokikely tamin’ny fitadiavana ny andininy tsirairay avy tao amin’ilay Baiboly nanananay. Sady nahagaga no nahafaly ahy izany fanazavana izany. Ny ampitso maraina ihany, teo amin’ny fisakafoana, dia nanomboka “nanao fanambarana” tamin’ireo mpianakaviko aho. Na dia tsy niraika tanteraka aza izy ireo, dia tsy nihena ny hafanam-poko.
Niezaka hitory aho
Nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower aho, ary nampiarahiko tamin’ny taratasiko ny anarana sy ny adiresin’ireo toeram-piompiana teny amin’ny manodidina. Nangataka aho ny mba handefasana amin’izy ireo ny bokikely Ny Fiverenan’ny Tompo. Taty aoriana, dia lasa nankany amin’ireny mpiompy sy mpamboly ireny aho mba hahalala izay heviny ny amin’io bokikely io. Nahagaga ahy ny fihetsiny nankahala. Nilaza tamiko toy izao, ohatra, ny sasany: ‘Tsy tokony hitsabaka amin’izany raharaha izany ny zazalahy toa anao’, na hoe: ‘Avy amin’ny Russellistes izany. Atao an-tranomaizina ireny olona ireny any Etazonia.’
Diso fanantenana aho, nefa tsy niala. Nanafatra ny boky rehetra natontan’ny Fikambanana Watch Tower sy boky fanampiny vitsivitsy ho azoko ampindramina olon-kafa aho. Namaky aho raha vao afaka nanao izany, ary noeritreretiko ny fomba hahafahako hampahafantatra amin’ny hafa izay nianarako. Nampahafantatra ahy ny Fikambanana fa ny kongregasiona na “ecclésia” akaiky indrindra dia tany amin’ny 160 km tany Calgary, ka lavitra loatra izany mba hanatrehako ireo fivoriana.
Tamin’ny 1928, dia niala tao an-trano aho mba hiasa ho an’ny tenako, ary nahavoly tany 65 hektara sady nanome ny ampahefatry ny vokatra isan-taona ho an’ny tompon-tany. Tamin’ny desambra 1929, tamin’ny fotoam-pialan-tsasatro, dia nankany amin’ny raiko sy ny renikeliko izay niorim-ponenana tany Vancouver, any Colombie britanika, aho. Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavako, dia tonga tao am-baravarana ny vehivavy iray mba hanolotra boky natontan’ny Fikambanana Watch Tower. Nampahafantariny ahy ny toerana nivorian’ny Mpianatra ny Baiboly (antsoina ankehitriny hoe Vavolombelon’i Jehovah), ary ny alahady nanaraka dia nandeha an-tongotra valo kilaometatra aho tamin’ny orambe mba hanatrika fivoriana.
Nahafinaritra tokoa ny niaraka tamin’olon-kafa nitovy fankafizana ny Baiboly tamiko. Ny herinandro nanaraka, dia niaraka tamin’ny antokon’olona hitory isan-trano aho, ary taty aoriana aho dia nanohy nandray anjara tamin’io asa io isan-kerinandro. Tamin’izay no tonga Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 janoary 1930. Izany dia nanasa ireo izay naniry izany handray anjara amin’ny asa atao ao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn antsoina hoe Betela. Nanolotra ny tenako aho, ary akory ny hagagako fa nasaina ho tonga aho. Nila fotoana kelikely aho mba handaminana ny raharahako, ary teo anelanelan’izany dia natao batisa aho. Tonga teto amin’ny Betela aho tamin’ny farany ny 13 jona 1930.
Miasa ao amin’ny Betela aho
Voatendry ho ao amin’ny fiasana famonosam-boky aho ary tamin’ny farany dia niasa tamin’ny mpanjaitra, milina iray fanambàrana ny vohon’ny bokikely. Nampihetsi-po ahy ny fandraisana anjara tamin’ny famoahana ny bokikely Ny Fiverenan’ny Tompo, ilay nitarika ahy hanova ny fiainako. Rehefa avy eo, dia nanambatra an’ilay bokikely vaovao hoe Ilay Fanjakana, fanantenana ho an’izao tontolo izao, aho.
Tamin’ny jolay 1931 aho, dia nanatrika voalohany, fivoriambe iray tany Columbus, any Ohio. Fisehoan-javatra nanan-tantara re izany! Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny tehaka nirefodrefotra rehefa nanambara ny mpandahateny fa hatramin’izao dia hitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. Naseho, rehefa avy eo, ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, fanantenana ho an’izao tontolo izao. Nohazavainy ny antony nifidianana an’io anarana io. Taty aoriana, dia nomenay an’io bokikely io ny tompon’andraikitra rehetra ara-tafika, ara-politika, ara-bola sy ara-pivavahana. Notendrena hanao izany koa ny tenako teo akaikin’ny Betela, tao amin’ny faritany iray any Brooklyn sy any Governor’s Island.
Eo akaikin’ny Betela indrindra ny seranan’i New York, ary noho izaho nahalala tsara ny sambo, dia nitory tsy tapaka nanaraka ny fefiloha fijanonan’ny sambo aho. Indray andro, ny kapitenin’ny lakambe fitondrana entana iray dia nanambara tamin-katezerana toy izao tamiko: “Tsy ilaina ny manandrana mivarotra amiko ireo boky ireo. Efa ananako ny hany tena milaza ny marina ny amin’ny Baiboly.”
“Azonao atao ve ny mampiseho izany ahy?” hoy aho nanontany azy.
Nentiny teo amiko ny boky hoe Fitondram-panjakana efa tonta be ary hoy ny fanazavany tamiko: “Nalaiko tao anaty onibe io ary nohamainiko. Io no boky tsara indrindra tamin’izay rehetra novakiko.”
Nasehoko taminy fa ireo boky natolotro azy sy ilay efa nananany dia nitovy mpampanonta. Niova tanteraka ny fihetsiny tamin’izay ary niara-nandany fotoana tsara nifanakalozan-kevitra izahay.
Tamin’izany fotoana izany, dia azo lazaina hoe vitsy ny olona nandray anjara tamin’ny asa fitoriana, koa nampiasainay ny fomba azo natao rehetra mba hampahafantarana ny vaovao tsara amin’ny olona alohan’ny Hara-Magedona. Anankiray monja ny kongregasiona tao amin’ny tanànan’i New York. Amin’izao fotoana izao dia miisa ho 300 mahery ny kongregasiona ao ary eo amin’ny 30 000 ny mpitory. Faritany maro aza no voatety isam-bolana.
Ny rahalahy Rutherford, mpiasa tsy nety sasatra
Prezidàn’ny Fikambanana i Joseph Rutherford nandritra ireo iraika ambin’ny folo taona voalohany laniko tao amin’ny Betela. Matetika aho no gaga noho ny asa be dia be notontosainy. Tsy vitan’ny hoe nanoratra ny ankamaroan’ireo bokintsika momba ny Baiboly izy fa nanao lahateny maro koa sy nitarika ady ara-pitsarana, nefa noheveriny manokana koa ireo raharaha mahakasika ny fianakavian’ny Betela nisy mpikambana 200 tamin’izay.
Ohatra, tamin’ny 1932 dia nanapa-kevitra izy fa nilaina ny hamokarantsika ihany sakafo bebe kokoa, indrindra fa ny hena. Nalaminy àry ny fanorenana tranon’akoho teo amin’ny 6 hektara tao amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana tany Staten Island. Nisy fomba nahalalany fa nanana fahalalana sasany tamin’ny fiompiana akoho aho. Izany no antony niarahako nandany faran’ny herinandro maromaro taminy mba hanaovana planin’ireo tranon’akoho sy handrefesana ny tany hanorenana izany.
Tamin’ny anankiray tamin’ireny fitsidihana ireny, dia toa velom-panahiana aoka izany ny rahalahy Rutherford. Rehefa afaka kelikely, dia nanangona ny herim-poko rehetra aho mba hanontaniana azy raha nisy zavatra tsy nandeha ary raha afaka nitondra fanampiana ho azy aho. Nampahafantariny ahy anefa fa tsy nisy azoko natao ho azy. Raha nanohy nanatona ny zaridaina izahay, dia hoy izy tamiko: “Azonao antoka fa isaky ny miasa amin’ny foto-kevitra lehibe aho, dia misy fahasahiranana mahazo ahy. Amin’izao fotoana izao aho dia manomana lahatsoratra iray ho anisan’ireo lehibe indrindra ao anatin’izao taona faramparany izao.” Tena gaga aho noho ny niresahany ny amin’izany tamiko, satria azo lazaina hoe vao haingana aho no tao amin’ny Betela.
Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana ny olon’i Jehovah dia naharay fanontana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra sy 1 septambra 1932. Izy io dia nirakitra foto-kevitra misy fizarana roa nitondra ny lohateny hoe “Ny fandaminan’i Jehovah”, izay nampiharihary fa nifanohitra tamin’ny Soratra Masina ny fifidianana ireo loholona. Niteraka fahatairana sasany ireo lahatsoratra ireo, kanefa nahaforona dingana iray amboniny ho amin’ny fitarihana teokratika tsara kokoa.
Tamin’izany fotoana izany ny rahalahy Rutherford dia tojo fanoherana mafy avy amin’ireo izay nanandrana nisakana azy tsy hiteny tao amin’ny radiao. Nahay niady anefa izy ka tsy niaiky fa resy mihitsy teo anoloan’ireo fahavalony ara-pivavahana.
Fitomboan’ny fanoherana sy fahafatesan’ny rahalahy Rutherford
Nitombo ny fanenjehana nandritra ireo taona 1930. Tany Alemaina nazia, dia maro ireo nirahina ho any amin’ny toby fitanana sy novonoina noho ny finoany. Tany Etazonia aza ny rahalahy sasany dia nohosorana “goudron” sy nampitafina volom-borona; ny hafa noterena hitelina tseroka. Noravana ny fananany ary noroahina hiala tany an-tsekoly ireo zanany.
Nandritra ny taona 1941, dia nanomboka niharatsy ny fahasalaman’ny rahalahy Rutherford, kanefa mbola nanana hery nahatalanjona ihany izy ary niantsoroka foana ny fitarihana ny asa. Ho antsika izay nahalala azy tsara, dia tena niharihary tokoa ny fiharatsian’ny fahasalamany. Nihanahia aoka izany izy, hany ka nitsinkafona tao anaty akanjony. Na dia teo am-piharatsiana ara-batana aza anefa izy, dia mbola natsilo aoka izany foana ny sainy. Tsy nihena mihitsy ny hafanam-pony ho an’ny fahamarinana sy ny zotom-pony ho amin’ny fanambarana ny anaran’i Jehovah.
Indray andro, teo amin’ny faran’ny fararanon’ny 1941, dia nampahafantariny ny fianakaviana taorian’ny sakafo maraina fa tsy maintsy hisy fandidiana lehibe hatao aminy. Niteny tamin’ny fomba nampahery aloha izy, ary dia namarana tamin’izao teny izao: “Raha izany no sitrapon’Andriamanitra, dia hahita anareo indray aho. Raha tsy izany, dia fantatro fa hanohy ny ady aho.” Nanganohano ny mason’ny mpianakavy rehetra. Tsy hitanay intsony izy. Tamin’io andro io ihany izy dia lasa nankany Californie izay nahafatesany ny 8 janoary 1942.
Tao anatin’ireo taona ny rahalahy Rutherford dia nanohana fanafihana nahery vaika maro, kanefa tsy nampiraika anay izany fiampangana izany, dia izahay izay niara-niasa taminy ka nandre azy saika isan’andro nanome anay fampianarana ara-panahy tamin’ny fanompoam-pivavahana maraina. Fantatray izy noho izay tena maha-izy azy: Vavolombelon’i Jehovah iray. Inona no hanampy izany?
Tombontsoa vaovao
Tonga prezidà i Nathan Knorr, ary fotoana fohy taorian’ny nanendrena azy, dia niantso ny sasany taminay ho ao amin’ny biraony izy. Nohazavainy taminay fa ny Fikambanana dia nikasa ny haniraka indray ny sasany amin’ireo solontenany hitsidika ireo kongregasiona, ary nanontany anay izy raha tianay ny handray anjara amin’io asa io. Nanaiky aho ary nanomboka ny asa fitetezam-paritany tamin’ny 1942. Nantsoina hoe “mpikarakara ireo rahalahy” izahay, ary taty aoriana dia “mpikarakara ny fizaran-tany”.
Tamin’ny may 1948, tamin’ny fivoriamben’ny distrika natao tany Houston, any Texas, dia nampiantso ahy ho ao amin’ny biraony ny rahalahy Knorr. Rehefa nanontany ahy ny amin’ny asa tao amin’ilay faritra izy ka nanadina ny amin’ny fahasalamako, dia nanontany ahy hoe: “Mikasa ny hanambady ve ianao?”
Raha ny marina, dia tsy afaka namaly tamim-pahatsorana tanteraka aho na eny na tsia. Nilaza taminy toy izao àry aho: “Nieritreritra izany hatramin’ny fahadimy taonako aho, ry rahalahy.” Namela ahy tsy handroso loatra izany. Nohazavain’ny rahalahy Knorr tamiko tamin’izay fa nividy sambo kely ny Fikambanana, ka nanontany ahy izy raha ho tiako ny ho misionera miaraka amin’io sambo io.
Tamin’izany, tamin’ny novambra 1948 no nahatongavako teo amin’ny familiana ny Sibia tamin’ilay alina nisy tafiodrivotra lehibe, nanaraka ny moron-dranon’ny tanjona Hatteras.
Ny fitoriana tao amin’ireo nosy
Tonga tany Bahamas izahay rehefa afaka andro vitsivitsy. Nahita olona tia mampiantrano vahiny aoka izany sy nangetaheta ny fahamarinana izahay tany. Nanao fanambarana teo amin’ireo nosy lehibe indrindra rehetra izahay, ary ny sasany dia voatsidika imbetsaka nandritra ireo fito volana laninay tany. Rehefa avy eo izahay dia nankany amin’ireo nosy Vierges, ary nitory tao amin’io fitambara-nosy io.
Tao Saint-Martin izahay indray hariva raha nanatona ahy ny ben’ny tanàna, na mpitondra ny nosy, ka nilaza tamiko hoe: “Vao tapa-bolana izay, raha nitsangantsangana tao an-tanàna aho, dia tsy ho nandre firesahana afa-tsy vehivavy sy adin’akoholahy. Na aiza na aiza alehako anefa ankehitriny, ny olona rehetra dia tsy miresaka afa-tsy ny amin’i Jehovah sy ny Baiboly. Nanao asa tsara ianareo olon’i Jehovah ka misaotra anareo aho.”
Nanana tombontsoa aho nanao ny lahateny tamin’ny Fahatsiarovana, ny voalohany natao tao amin’ny nosy Saint-Vincent. Taorian’izany, dia nanao izao fanamarihana izao ny vehivavy iray: “Ho tian’Atoa Brown aoka izany ny hihaino ity lahateny ity, kanefa lavitra loatra ny fonenany.” Natorotoro ahy ny lalana tokony harahina mba hahitana ny vohiny, ka lasa vao maraina aho ny ampitso.
Tsy arabe no hita fa lalana tany fotsiny. Nandeha nandritra ny ora maro aho tamin’ny fanontaniana ny lalako indraindray. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro, rehefa sasatra aoka izany aho, dia nanatona ny toerana malaladalaka kely tao anaty hazo nisy trano bongo nitsitokotoko. Nanapa-kevitra ny ho ao amin’ny anankiray tamin’izy ireny aho ka hiala sasatra tao. Rehefa nanatona kokoa aho, dia nahita izao soratra izao teo ambonin’ny varavarana: “Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nanjavona toy ny tamim-pahagagana ny havizanako.
Rehefa afaka kelikely taty aoriana, dia nandalo ny lehilahy iray ka nanontany ahy raha nisy zavatra azony natao ho ahy. “Ahoana no ahafahako mifandray amin’ireo olona nanorina an’io efitrano kely io?” hoy ny fanontaniako.
“Anisany aho”, hoy ny navaliny ahy.
Nanazava taminy aho fa avy amin’ny Sibia, kanefa toa tsy nisy dikany firy taminy izany. Koa nanampy teny toy izao aho: “Fantatrao tsara, ny sambon’i Jehovah.” Rehefa nandre izany izy, dia nentanin-kafaliana. Rehefa afaka kelikely dia nohazavainy tamiko ny fomba nanorenana ilay efitrano.
“Rehefa mankany Trinite aho, hoy izy tamiko, dia misy Vavolombelona miresaka ny fahamarinana amiko. Rehefa tafaverina aho, dia mba manazava indray kosa izany zavatra izany amin’olon-kafa.” Nanontany ahy izy raha hanaiky ny hanao lahateny aho.
“Hahafaly ahy ny hanao izany”, hoy ny navaliko azy. Dia nitsoka ny anjombona izy. Saika avy hatrany dia hipoka ny efitrano kely, ary nisy aza olona nitsangana teo anoloan’ny varavarankely. Nanao ny lahateny aho, ary nanaraka izany ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, fianarana notarihina tamin’ny fomba tonga lafatra; taorian’izany, dia nasain’ilay rahalahy hisakafo tany aminy aho. Rehefa nadiva hilentika ny masoandro, dia nilaza taminy aho fa tokony handeha. Ny sasany nanatitra ahy tany amin’ny lalana akaiky kokoa. Rehefa nandao ahy izy ireo, dia mbola tsy maintsy nanao kilaometatra maromaro aho mba hahatongavana hatrany amin’ny sambo. Soa ihany fa nahafinaritra ny alina.
Tafaverina eto amin’ny Betela
Ny fivoriambe lehibe natao tany amin’ny Yankee Stadium dia natao tamin’ny 1950. Ireo misionera niaina teny amin’ny Sibia dia nasaina ho amin’izany. Raha mbola tany New York aho, dia nasaina hanao indray ny asa fitetezam-paritany tany Etazonia. Taona vitsivitsy taty aoriana, dia narary aho ka nantsoina hiverina tao amin’ny Betela.
Indray andro, dia nanazava ny rahalahy Knorr fa nila misionera betsaka ny any Afrika, ary dia nanipy hevitra taminy aho mba handefa ahy ho any. Nampahatsiaroviny ahy anefa ny taonako sy ny nampidirana ahy imbetsaka tany amin’ny hopitaly, ka nilaza tamiko izy fa ho tsaratsara kokoa ny hijanonako tao amin’izay nahafahako nahazo fitsaboana raha nila izany aho.
79 taona aho izao, ary eo amin’ny 56 taona eo ho eo no laniko tamin’ny asa manontolo andro. Toy inona moa ny fifaliana nanomboka io asa io tao anatin’ny fahatanorako! Rehefa tafaverina avy any amin’ny fivoriana na ny asa aho, dia matetika no mipetraka ao amin’ny efitranoko mampiadana eto amin’ny Betela ary tsaroako ireo fisehoan-javatra nitranga nandritra ireo 60 taona lasa. Tena voatahy tokoa aho tamin’ny fampifanarahana ny fiainako tamin’ny lalan’i Jehovah.
[Sary, pejy 23]
Rehefa nitory tany Alabama aho tamin’ny 1934, dia nanakalo boky fianarana Baiboly tamin’ny akoho.