Tokony hatao batisa ve ny zaza vao teraka?
Tsy hita ho mpanota velively ilay zazakely. Mba hanasana ny ota anefa no anohizana foana an’io fombafomba nisy hatramin’ny ela io. Mandà intelo an’i Satana sy ny asany ny ray amin’ny batemy. Raisin’ny pretra iray amin’izay ny fitoeran-drano kely iray ka ararany moramora intelo eo amin’ny handrin’ilay zaza vao teraka ny rano amin’ny filazana hoe: “Manao batisa anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina aho.”
EFA ho hatramin’ny roa arivo taona izao no misy zaza vao teraka atao batemy amin’ny fombafomba sahala amin’izany. Mety hilazalaza izany ho fisehoan-javatra mampihetsi-po tokoa ny ray aman-dreny. Kanefa, niandoha avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ve io fanao io? Miaiky ireo teolojiana katolika fa tsy izany. — Jereo ny Nouvelle encyclopédie catholique (anglisy), boky 2, pejy faha-69.
Vakio ny bokin’ny Asan’ny apostoly ao amin’ny Baiboly dia ho hitanao haingana fa teo amin’ireo kristiana voalohany dia tsy nisy natao batisa afa-tsy ireo izay afaka ‘nihaino sy nandray ny teny’ tamin’ny fahazoana ny heviny, ka afaka ‘nibebaka’. (Asan’ny apostoly 2:14, 22, 38, 41, Ny Baibolin’i Jerosalema.) Ho sarotra ny hahafenoan’ny zaza vao teraka iray an’ireo fepetra ireo! Marina fa lazain’ny Baiboly fa nisy mpianakavy manontolo, tahaka ny an’i Kornelio, natao batisaa. Kanefa na dia tao anatin’izany toe-javatra izany aza, ny batisa dia natokana ho an’ireo izay “nandre ny teny” fa tsy ho an’ny zaza vao teraka. — Asan’ny apostoly 10:44-47.
Lovantsofina araka an’Andriamanitra sa araka ny olombelona?
Tsy afaka nanamarina tamin’ny alalan’ny zavatra efa nitranga taloha araka ny Baiboly ny Vatican raha nilaza hoe: “Ny fanaovana batisa zazakely dia heverina ho fitsipika amin’ny lovantsofina nisy hatramin’ny ela dia ela.” Kanefa moa ve io lovantsofina io naorin’i Jesosy Kristy? Tsia, satria tsy nanjary be mpanaraka ny batisan-jaza raha tsy elaela taty aorian’ny nahafatesan’ny apostoly. Tamin’ny faran’ny taonjato faha-2, Tertullien, anankiray tamin’ireo Rain’ny Eglizy, dia nanantitrantitra hoe: “Avelao [ny zaza] ho tonga kristiana rehefa hanjary hahay hahalala an’i Kristy izy ireo.”
Nanambara anefa ny apostoly Paoly fa amin’ny farany ny olona dia ‘tsy hahazaka intsony ny fampianarana marina’. (II Timoty 4:3, Ny Baibolin’i Jerosalema.) Rehefa maty ireo apostoly ka tsy teo intsony mba ‘hisakana’ ireo fanao melohin’ny Soratra Masina, dia nanomboka niditra tao amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana izany fanao izany (II Tesaloniana 2:6). Anisan’izany ny batisan-jaza. Tsy tonga fitsipika anefa io fombafomba io raha tsy tamin’ny taonjato faha-5. Tamin’izany fotoana izany no nidiran’ny fiadian-kevitra nafana nanova ho amin’ny fotoana ho avy rehetra ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Nanomboka ny fiadian-kevitra tamin’ny dia iray nataon’ny moanina anglisy nantsoina hoe Pélage tany Roma. Vaka ilay mpitondra fivavahana noho ny faharatsiana hitany teo amin’ireo nihambo ho kristiana ka nanomboka namporisika ny olona “hanao fiezahana ara-pitondrantena lehibe kokoa”. Nilaza i Pélage fa tsy azon’ny olona natao ny nilaza ny ‘fahotana tany am-boalohany’ ho tompon’andraikitra tamin’ny fahalemeny. “Izay rehetra tsara sy izay rehetra ratsy (...) dia ataontsika fa tsy efa raikitra ao amintsika.” Tsy ela dia noresahina be dia be tao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fampianarana pelaziana.
Tsy naharitra ela anefa izany. Nolazain’ireo filoha ara-pivavahana ho hevitra tsy lanin’ny Eglizy ny fandavany ny fampianarana ny amin’ny ‘fahotana tany am-boalohany’. Ary ny tenan’i Pélage mihitsy no nanome fanaporofoan-kevitra tsy nahy azy ireo tamin’ny fanohanana fanao efa be mpanaraka tamin’izany fotoana izany, dia: ny batisan-jaza. Ny eveka iray natao hoe Augustin dia nahita izany toerana izany ho fiovaovan-kevitra miharihary. ‘Raha tokony hatao batemy ny zaza, hoy ny fanontaniany, inona no iafaran’ireo tsy vita batemy? ‘Natao ny fanatsoahan-kevitra toa nifandrindra fa ireo izay tsy vita batemy dia hiharan’ny lelafon’ny afobe. Rehefa noraisina io fanatsoahan-kevitra io, dia namita azy toy izao i Augustin: Raha tena voaheloka tokoa ny zaza tsy vita batisa, ahoana no anazavana io sazy io afa-tsy amin’ny alalan’ny ‘fahotana tany am-boalohany’?
Nirodana ny fampianaran’i Pélage. Taty aoriana, ireo fampianarana pelaziana dia nambaran’ny konsilin’ny Eglizy tafavory tany Carthage fa nanohitra ny finoana. Nampidirina tao amin’ny fivavahana katolika toy ny fiaiken-keloka ny amin’ny ‘fahotana tany am-boalohany’. Tamin’izay ny Eglizy dia nampitombo fanovana maro be indray miaraka — matetika no an-tery — mba hamonjena olona avy amin’ny ‘lelafon’ny afobe’. Ny batisan-jaza izay fanaom-bahoaka dia nanjary fiasana famonjena ofisialy, dia fiasana holovan’ny protestantisma.
‘Eo am-bavahadin’ny afobe’
Niteraka fanontaniana nahasakodiavatra ny fampianaran’i Augustin: Ahoana no nahafahan’ny Andriamanitra fitiavana iray nandefa zazakely tsy manan-tsiny hijaly any amin’ny afobe? Moa ve ireo zaza vao teraka tsy vita batisa hiaritra fijaliana tahaka ireo mpanota tsy mibebaka? Sarotra tokoa tamin’ireo teolojiana ny nanome valiny. Nanambara toy izao i Vincent Wilkin, pretra katolika: “Ny sasany nanolotra ireo zanany izay tsy nahazo batemy ho amin’ny herin’ny lelafon’ny afobe, ny hafa nino fa tsy lanin’ny lelafo izy ireny fa nafanaina fotsiny mandra-pahatongany hararirary noho ny hafanana; ny hafa koa nanao izay hahamaivana indrindra araka izay azo atao izany fahararirariana izany raha heverina amin’ny toerana toy ny afobe (...). Ny sasany nametraka azy ireny tao amin’ny paradisa an-tany irayb.”
Ny tsangan-kevitra be mpanaraka indrindra anefa dia niharihary ho ilay nilazana fa ny fanahin’ireo zaza maty tsy vita batisa dia mitoetra ao amin’ny limby. Ny dikan’io teny io ara-bakiteny dia hoe “sisiny” (toy ny sisiny na moron-tongotr’akanjo) ary manondro faritra heverina fa eo am-bavahadin’ny afobe. Mety dia mety amin’ireo teolojiana ny hevitra ny amin’ny hoe limby. Mba mampihena ahay ny zava-mahatsiravina amin’ny fahitana zaza mijaly izany.
Sahala amin’ny tsangan-kevitra rehetra eritreretin’ny olona anefa, dia misy tsy fifandraisan-kevitra amin’ny momba ny limby. Nahoana no tsy misy firesahana ny amin’izany ao amin’ny Soratra Masina? Moa ve ny zazakely afaka mivoaka avy ao amin’ny limby? Ary nahoana ny zaza vao teraka tsy manan-tsiny no tokony ho any amin’io toerana io aloha? Takatra ny mahatonga ny Eglizy tsy hanadino ny hilaza fa ny limby “dia tsy fampianarana ofisialin’ny fivavahana katolikac”. — Nouvelle encyclopédie catholique.
Nirehitra indray ny fiadian-kevitra
Nandritra ny taonjato maro, ireo katolika dia nifikitra indrindra tamin’ny fiheveran’i Augustin ka ‘nitsimbina tamin’ny limby’ ireo zanany tamin’ny fanaovana batemy azy. Noraisina indray tamin’ny fomba nanaitra anefa ny fiadian-kevitra ny amin’ny batisan’ny zaza vao teraka nanomboka tamin’ireo taona 1950. Nisy mpivaofy teny katolika nanomboka nisalasala mafy ny amin’ny hoe niandoha avy amin’ny Baiboly io fanao io. Ny hafa koa nanaiky fa na ny hevitra momba ny afobe nananan’i Augustin na ny limby dia tsy azo ekena.
Tamin’ny voalohany anefa ireo filoha ara-pivavahana mpitana ny nahazatra dia tsy nety niova hevitra. Tamin’ny 1951, ny papa Pie XII dia nanao lahateny teo anoloan’ny antoko-mpampivelona. Nohantitranteriny indray ny finoana fa “tena ilaina tanteraka no ho ao anatin’ny fankasitrahana amin’ny fotoana ahafatesana, mba hahavonjy”, ka namporisika ireo mpampivelona izy mba ho ireo mihitsy no hankalaza ny fombafomba amin’ny batemy rehefa toa azo inoana fa madiva ho faty ny zaza vao teraka iray. Nananatra azy ireo toy izao izy: “Amin’ny toe-javatra miseho toy izany, dia aza manadino ny miantsoroka io asa fiantrana io.” Tamin’izany fomba izany ihany koa, tamin’ny 1958 ny Vatican dia nanome izao fampitandremana hentitra izao: “Tokony hatao batisa haingana araka izay azo atao ny zaza.”
Na dia tao aza izany rehetra izany, dia natao indray ny fiadian-kevitra taorian’ny konsily Vatican II nalaza. Tsy nampoizina mihitsy fa ny Eglizy dia nanandrana nanampy ny hevitry ny mpitana ny fomba mahazatra sy ny tia fahalalahana. Namoaka didy ny konsily fa ‘nilaina tanteraka ny batisa mba hahazoana famonjena’. Nahaliana anefa fa ny famonjena dia azo nomena koa ireo olona izay tsy mahalala tsy fidiny ny filazantsaran’i Kristyd”.
Noho izany, dia nahitsin’ny Eglizy tamin’izay ny fombafomba amin’ny batisan-jazakely. Ankoatra ny fanovana hafa, hatramin’izao ireo pretra dia nanana fahafahana handa ny batemy raha toa ny ray aman-drenin’ilay zaza ka tsy nanome toky fa hanome azy io fanabeazana katolika. Narian’ny Eglizy ve tamin’ny farany ny fampianaran’i Augustin? Nihevitra izany ny sasany ary nanomboka nanontany tena ny amin’ny ilàna hanao batisa ny zaza vao teraka.
Tamin’izay ny Vatican dia namoaka ilay lahatsoratra hoe “Toromarika momba ny batisan-jazakely” izay nanambara toy izao: “Ny Eglizy dia (...) tsy mahalala fomba hafa ankoatra ny batemy mba hiantohana ho an’ny ankizy kely ny fidirana ao anatin’ny fahasambarana tanteraka mandrakizay.” Nahazo baiko ireo eveka mba “hamerina ho amin’ny fanao mahazatra iray izay (...) nety ho nihataka tamin’izany”. Fa inona no iafaran’ny zazakely maty tsy vita batisa? “Tsy afaka ny hanankina azy ireny amin’ny famindrampon’Andriamanitra ny Eglizy.”
Ny batisan’ny zaza vao teraka sy ny zanakao
Izany rehetra izany dia tsy isalasalana fa tsy maintsy hahatonga katolika tso-po maro ho very hevitra tokoa. Na dia ao aza ny fampianaran’ny Eglizy, ny sasany angamba mihevitra foana fa ny batisa dia manome fiandohana tsara ho an’ny fiainana ara-pivavahan’ny zaza iray fara faharatsiny. Izany tokoa ve no hita? Izao no nolazain’ny reny katolika iray: “Manana zanaka kely dia kely roa samy efa vita batisa fony vao zazakely aho ary tsy mahita sombim-pahatsaram-pitondrantena eo aminy mihitsy; raha ny marina, dia ho ny mifanohitra amin’izany no hitranga.”
Tsy ny batisa akory no manampy zaza iray hahazo finoana. Raha ny marina, ny fanao toy izany dia mifanohitra amin’izao didin’i Jesosy izao: “Mandehana àry ka manaova mpianatra (...) manao batisa azy.” (Matio 28:19, MN). Tsy misy heviny ny batisa raha tsy efa ampy taona mba ho mpianatra ilay atao batisa. Marina fa amin’ny batisan-jaza. Kanefa moa ve Jesosy tsy nanameloka ireo ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra azy’? — Matio 15:6.
Noho izany, ny Baiboly dia mamporisika ny ray aman-dreny mba hanazatra ireo zanany amin’ny raharaha ara-panahy “hatry ny fony vao zaza”. (II Timoty 3:14-17.) Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihevitra ho zava-dehibe ny fananaran’ny Baiboly milaza mba hitaizana ny zanaka “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, MN.) Matetika izy ireo dia miantsoroka izany amin’ny fanarahana fandaharam-pianarana ny Baiboly tsy tapaka ao anatin’ny fianakaviana. Ny ray aman-dreny toy izany dia manazatra ny zanany hanatrika sy handray anjara amin’ireo fivoriana kristiana (Hebreo 10:24, 25). Mamporisika azy ireny izy hanao “fanambarana ampahibemaso” ny finoany (Romana 10:10, MN). Rehefa ela ny ela, ireo zanany dia mety ho voatosika ho azy hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ao amin’ny rano ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra. Mifanaraka amin’ny Soratra Masina izany fomba fanao izany ary misy heviny lavitra sy mahafapo lavitra noho ny fitandremana fombafomba fanaraka eo amin’ny zaza vao teraka iray tsy mahazo izany.
Raha toa ny zanaky ny kristiana iray ka maty alohan’ny hahavitan’ny batisany, ireo ray aman-dreniny dia tsy tokony hatahotra ny handorana azy ao amin’ny afobe na ny hitoerany ao amin’ny limby. Ampianarin’ny Baiboly tokoa fa tsy mahalala na inona na inona ny maty (Mpitoriteny 9:5, 10). Afaka mahita fampaherezana àry ny ray aman-dreny amin’ny fampanantenan’i Jesosy ilazana ny “handrenesan’izay rehetra ao anatin’ny fasana fahatsiarovana ny feony ka hivoaka izy ireo” mba hiaina ao amin’ny Paradisa voaorina indray (Jaona 5:28, 29, MN; Lioka 23:43, MN). Io fanantenana miorina amin’ny Baiboly io dia mampahery lavitra noho ireo lovantsofin’olombelona miovaova sy mahavery hevitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly, dia miharihary fa ny teny hoe “mpianakavy” dia tsy mahafaoka ny ankizy kely. Ohatra, ny Titosy 1:11 dia miresaka ny amin’ny mpivadi-pinoana “mampivadika mpianakavy maro”. — Jereo koa I Samoela 1:21, 22.
b Nanipy hevitra kosa i Augustin fa ho an’ny ankizy tsy vita batisa dia “hotakina ny malefaka indrindra amin’ny sazy rehetra”.
c Rehefa nilaza ny limby ho “angano pelaziana” ny synodan’ny Eglizy tamin’ny taonjato faha-18, ny papa Pie VI dia namoaka didy nanameloka an’io synoda io ho nanohitra ny finoana. Na dia tsy nankasitraka tamin’ny fomba feno ny tsangan-kevitra momba ny limby aza ny didin’ny papa dia niaro izany.
d Tad Guzie, teolojiana katolika, dia nanambara fa ny toerana vaovao noraisin’ny Eglizy dia “fahavoazan-tsaina amin’ny fomba fanamasinana tsy dia misy fotony akory ilazana fa ny batemy amin’ny rano dia dingana voalohany ho amin’ny famonjena ny ankizy kely kanefa izany mahaforona ny dingana farany amin’ny fitohitohizan-javatra ho an’ny hafa rehetra”.
[Tabilao, pejy 7]
Tantaran’ny batisan-jaza
Daty (am.fan.ir.) Fisehoan-javatra
teo amin’ny 193 ․ Niaro ny batisan’olon-dehibe
i Tertullien
253 ․ Nanambara ny konsilin’i Carthage fa
‘tokony hatao batisa ny zaza
raha vao teraka’
412-417 ․ Niady hevitra ny amin’ny ‘fahotana
tany am-boalohany’ i Pélage
sy Augustin
417 ․ Nomelohin’ny konsilin’i Carthage ho
fanoherana ny finoana ny hevitr’i
Pélage. Nanjary fampianarana
voaorina ao amin’ny fivavahana
katolika ny batisan-jaza.
1201, 1208 ․ Nanohana an-tsoratra ny batisan-
jazakely ny papa Innocent III
1545-1563 ․ Notononin’ny konsilin’i Trente ny
“fanomezan-tsiny mafy” an’izay
rehetra milaza fa tsy ilaina ny
batisan-jaza
1794 ․ Ny didin’ny papa iray, Auctorem
fidei, dia nanameloka ny synoda
jansenista izay nanizingizina fa
fanoherana ny finoana ny limby
1951 ․ Nosoritan’ny papa Pie XII ny ilàna
ny batisan-jaza tamin’ny
famporisihana mpampivelona hanao
an’io fombafomba io rehefa
ilaina maika dia maika izany
1958 ․ Namoaka didy ny Vatican fa ‘tokony
hatao batisa aloha be araka
izay azo atao ny zaza’
1963-1965 ․ Nanambara ny konsilin’i Vatican
faharoa fa mety ho azo ny famonjena
na dia tsy vita batisa aza. Nandidy
ny hanitsiana ny fombafomba
fanaovana batisa ny zazakely izy
1980 ․ Nohamafisin’ny Vatican ny fanao ho
fanaovam-batisa ny zaza vao teraka
tamin’ny filazana fa ‘tsy mahalala
fomba hafa noho io izy mba
hidiran’ny ankizy kely ao amin’ny
fahasambarana tanteraka mandrakizay’