“Ireo zava-manahirana ara-pitsarana ateraky ny fampidiran-dra”
“NY VAO HAINGANA indrindra, ary angamba ny mampidi-doza indrindra amin’ireo aretin’ny taonjato faha-20 dia ny SIDA.” Tamin’ireo teny ireo no nilazalazan’ny dokotera L. Laskey (tranainy amin’ireo manam-pahaizana ao amin’ny fikambanana Genentech) ny zava-manahirana nahatonga hanao fiaraha-midinika ny 19 sy 20 septambra 1985 tany Washington, any Etazonia.
Azo inoana fa fantatrareo ny nampifandraisana ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquis) sy ny zavatra vita tamin’ny ra mbamin’ny fampidiran-dra. Izany no nohazavain’ilay fandaharana tamin’izao teny izao:
“Tsy tsaroanay mihitsy izay zava-manahirana ara-pahasalamana hany ka niteraka fiadian-kevitra sy tahotra toy izao teo amin’ny vahoaka maro be. Tena mety ho avo roa heny ny isan’ny voan’ny SIDA ao anatin’ny taona hanaraka ary mety hahakasika Amerikana hatramin’ny iray tapitrisa [mbamin’ny olona tsy tambo isaina any amin’ny tany hafa]. Noho izany, ny SIDA dia mety hiteraka zava-manahirana maro mifamatotra amin’ny andraikitra ara-pitsarana.”
Mpitsabo, mpahay lalàna sy mpiasa ao amin’ny fitehirizan-dra eo amin’ny 200 no nivory tamin’ilay fiaraha-midinika momba “Ireo zava-manahirana ara-pitsarana ateraky ny fampidiran-dra”. Tamin’ny ankamaroany, ny asan’izy ireo na ny raharahany dia nisy fifandraisana tamin’ny fampidiran-dra. Tonga tamin’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro. Aoka hojerentsika ny fanambarana sasany nataon’ireo mpandahateny.
Ny zavatra nitana ny saina indrindra dia ny amin’ny mety hielezan’ny SIDA amin’ny alalan’ny ra sy ny mety hahavoa ara-pitsarana ireo izay ny asany dia ny fanangonana, ny fanaovana “analyse” na ny fivarotana ra. Io zavatra mitana ny saina farany io dia niharihary mazava tamin’ny lahateny voalohany izay namelabelatra ny amin’ny ‘fandaminana, ny toe-karena sy ireo fitsipika amin’ny fandaharana mifehy ireo fitehirizan-dra’. Nisy hatramin’ireo taona 1600 ireo fitsipika ankehitriny, hoy ny dokotera P. Schmidt. Ilay mpitsabo frantsay atao hoe Denis dia tafiditra ‘tao amin’ny ady ara-pitsarana nisokatra noho ny fahadisoana tamin’ny asa, ny voalohany teo amin’ny tantaran’ny fampidiran-dra’, izay natao satria nisy nanome “ran-janak’ondry ho an’ny zazalahy iray, ka maty noho izany izy io”. Mbola ilaina ihany ve ny fitsipika? Nanaiky toy izao i Schmidt: “Heveriko fa be dia be ny zavatra tsy fantatra. Ny fampidiran-dra fotsiny anefa dia efa zava-tsarotra lehibe havaozina isan’andro. Ao amin’ity tany ity dia intapitrisa isam-bolana ny fanandraman-javatra amin’ny ‘immunologie’ (fandinihana ny amin’ny fiarovan-tena voajanahary amin’ny otrik’aretina) sy ny ‘epidémiologie’ (fandinihana ny amin’ny areti-mifindra), matetika tsy nisy ohatra ara-pitsarana.”
Taty aoriana, ny dokotera Paul Ness (avy any amin’ny hopitaly Johns Hopkins) dia namelabelatra ny foto-kevitra hoe “Ireo loza entin’ny fampidiran-dra”. Notombanany fa ao anatin’ny “antsasa-kadiny dia tena sarotra ny hahatanisa ny loza rehetra avy amin’ny fampidiran-dra”. Nanam-pikasana tokoa izy ny hampiseho “diapositive” izay, sahala amin’ny soratra apetaka amin-javatra, dia nilaza hoe: “Tandremo, izany no loza entin’ny fampidiran-dra”, ary nitanisa “zava-manahirana samy hafa teo amin’ny 50 izy”. “Fantatro anefa, hoy ny nanampiny, fa tsy ho feno mihitsy io lisitra io”.
Nanambara ny dokotera Johanna Pindyck fa ny ‘aretin’aty “non A non B” no mafy indrindra amin’ireo zava-manahirana mitranga aorian’ny fampidiran-dra tsy maintsy setraintsika amin’ny lafin’ny fampidiran-dra’. Io karazana aretin’aty io dia “toa hoe avy amin’ny ‘agents viraux’ roa, kanefa mbola tsy ny tena karazany. Hatramin’ny taona maromaro, 10 ka hatramin’ny 15 taona raha kely indrindra, no andinihana izany, kanefa mbola tsy hita ny mahatonga azy”. Momba ny fitsapana tsara indrindra azo ampiasaina mba hamantarana io aretin’aty io ao amin’ny ra, dia nanome izao fanazavana izao i J. Pindyck: “Holazaiko fa azo inoana ho 10 isan-jato amin’ny tahirin-dra ankehitriny no anaovana ny fitsapana, na angamba aza latsaka kely.”
Rehefa niara-nidinika ny amin’ny SIDA ny dokotera Pindyck mbamin’ny mpitsabo hafa dia nanambara ny fanantenana fa ny fitsapana famantarana mahazatra izao dia mahatonga an’ireo fitehirizan-dra ho afaka hisoroka saika amin’ny fomba feno “ny fifindran’ny SIDA amin’ny alalan’ny famindrana zavatra avy amin’ny ra”. Mety hisy ve izany? Nanantitrantitra ny dokotera Laskey taty aoriana kely fa ireo fitsapana ankehitriny dia ‘andaniam-bola be tsy misy toy izany, mampidi-doza ny fanamboarana azy ary tsy marina foana ny vokatra aterany’. Inona no holazaina ny amin’ny fomba novelabelarina vao haingana kokoa izay hitany fa tsara kokoa? Notononiny ny fanandramana natao tamin’ny marary voan’ny SIDA na ny fitambaram-pisehoan’aretina mitovitovy amin’ny SIDA. Teo amin’ny maro tamin’izy ireny, ny fitsapana dia tsy nampiharihary fa voan’ny SIDA izy ireo. ‘Toa tsy nisy na dia iray aza [tamin’ireo fitsapana] nampahita’ ny SIDA, hoy izy.
Takatrao amin’izany ny hoe nahoana no olona be dia be no mikasa ny hitahiry ny ran’ny tenany na tsy hanaiky afa-tsy ny an’ny namany na ny havany iray. Naseho ho nanohitra ny fanao toy izany anefa ny dokotera Joseph Bove (avy ao amin’ny hopitalin’i Yale-New Haven), satria, hoy ny fanazavany, handaniam-bola be izany ary hitarika amin’ny tsy fahampian’ny ra hampiasaina. Hoy ny teny nanampiny: “Ny anankiray amin’ny antony lehibe indrindra mahatonga voina aorian’ny fampidiran-dra mahafaty dia ny fahadisoam-pitondrana amin’ny fanomezana ra ratsy sokajy ho an’ny olona iray. Saikatra aho ny (...) hilaza fa amin’izao taona 1985 izao, amin’ny haitao (technologie) rehetra azontsika ampiasaina, ny ‘ordinateurs’ ananantsika sy ny sisa rehetra, dia tsy afaka manome ra sokajy tsara ho an’ny marary voakasika isika. Ary ny marina, dia tsy atao foana izany, ary amin’izany no amonoana olona.”
Nanan-javatra betsaka tokony holazaina momba ireo zava-manahirana ara-pitsarana àry ireo mpanao lahateny. Ahoana no azon’ny fitehirizan-dra iray iarovan-tena amin’ny fitoriana amin’ny fitsarana atao noho ny fahadisoana tamin’ny raharaha? Rehefa azo atao izao ny mampiasa fitsapana, raha mampiharihary ny fisian’ny “anticorps” mpanohitra ny SIDA ao amin’ny ran’ny mpanome izany, moa ve ny fitehirizan-dra tokony hampitandrina izay nandray ny ran’io olona io tao anatin’ireo taona teo aloha? Nilaza toy izao ny dokotera Schmidt (tonian’ny fitehirizan-dra iray “Manohitra ny hampitandremana aho amin’izao fotoana izao. Manao izay tokony hataontsika isika, ary tsy mihoatra noho izany.” Tokony hangataka amin’ny mpitsara iray ve mba handidiany ny hampidiran-dra amin’ireo izay mandà izany, toy ny Vavolombelon’i Jehovah izay manao toy izany noho ny antony ara-pivavahana?
Ny dokotera William Dornette dia niresaka ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny lahateniny nitondra ny lohateny hoe “Ny fanaovana tsirambina sy ireo zava-manahirana momba ny andraikitra”. Nohazavainy fa ny anankiray amin’ireo antony andavan’ny Vavolombelona ny ra dia “ilay toko ao amin’ny Genesisy [9:3, 4]. Izao no voalaza mazava ao: ‘Nomeko anareo (...) izy rehetra. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.’” Hatraiza no mety io toerana io, ary zo ara-dalàna inona no ananan’ny Vavolombelona mba handavana ny ra?
Dornette, dokotera amin’ny fitsaboana nefa koa amin’ny lalàna, dia nilaza hevitra toy izao: “Hatramin’ny taona maro dia maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia heverina ho antokon’olona hafahafa tsy mahalala izay ataony, satria ‘Izaho ao amin’ny fikambanana ara-pitsaboana — ny dokotera — dia mahafantatra ny zavatra rehetra’. Tokony ho tsapantsika voalohany indrindra fa tia fivavahana aoka izany izy ireny. Faharoa manaraka izany, dia olom-pirenena amerikana izy ireny (...). Fahatelo, manana zo tanteraka izy ireny ny hanaraka fivavahana iray, ary maniry hitsabo tena izy (...). Manohana ny fikarakarana ara-pitsaboana izy ireo. Ary heveriko fa tokony hanaja ny zon’izy ireo hanaraka amim-pahalalahana ny fivavahany amin’ny maha-isam-batan’olona isika.” Izao no teny nanampiny: “Ny fanaovana fitsaboana tsy eken’ny marary dia fanamparam-pahefana. Ny fampidiran-dra tsy eken’ny marary dia fanamparam-pahefana (...). Rehefa mahazo fandavana amim-pahatsiarovan-tena avy amin’ny marary iray mahalala izay ataony isika, dia tsy mety hahita intsony ny andraikitsika tsaraina eo anatrehan’ny fitsarana.”
Nanipika ny amin’io hevitra io i Susan Lentz, mpanao lalàna, tamin’ny filazana hoe: “Zava-dehibe ny hahatakarana fa tsy tena misy heviny ny fanekena amim-pahatsiarovan-tena raha tsy ekena fa izany dia milaza tsy mivantana, tsy ny zo hanaiky ihany, fa ny zo handa koa.” Nolazainy nanaraka izany fa “tao anatin’io taona io ihany, ny fanapahan-kevitra roa na telo [nataon’ny fitsarana] dia nanamafy ny zon’ny marary Vavolombelon’i Jehovah handa ny fampidiran-dra. Nofaranany toy izao ny teniny: “Koa satria izay rehetra rentsika hatramin’ny indray andro sy tapany momba ny SIDA sy ireo zava-manahirana mifamatotra amin’izany manjary mihamampanahy, fara faharatsiny ao an-tsain’ny vahoaka, ireo zava-manahirana mifandray amin’ny fandavana dia mety hihamaro koa.”
(Hisy fanazavana hafa hahasoa momba ny SIDA, havoaka ao amin’ny Réveillez-vous! amin’ny 22 aprily 1986.)
[Efajoro, pejy 26]
Moa ve ireo marary afaka matoky ny fitehirizan-dra iray mba hamantarana ny ra voaloton’ny SIDA? Nanambara toy izao vao haingana ny dokotera Myron Essex, manam-pahaizana momba ny biolojian’ny homamiadana any amin’ny ‘faculté’ ara-pitsaboana any Harvard: “Faran’izay tsy azo inoana fa izany fitsapana izany dia mampiharihary [ny ra voaloto amin’ny] 90 isan-jato mahery amin’ny toe-javatra, ary holazaiko fa raha tsara indrindra dia 75 ka hatramin’ny 80 isan-jato. Ho gaga tokoa aho raha tsara kokoa noho izany ny vokany.” — The New York Times, 4 oktobra 1985.
[Efajoro, pejy 27]
“Ny fitsapana vaovao, nekena ho ara-dalàna sy nampiasain’ny fitehirizan-dra rehetra dia tsy mahita afa-tsy ny ‘anticorps’ mpanohitra ny virus HTLV-III amin’ny SIDA. Mampalahelo fa tsy fantany ny olona mitondra ny virus mamparary amin’ny SIDA kanefa mbola tsy namoaka ‘anticorps’ mpiady amin’io virus io (...). Noho izany, amin’ireo tokony ho iray tapitrisa mitondra virus mahatonga SIDA, dia vitsivitsy ihany, nefa mifono zava-dehibe, no mbola tsy hampiseho ‘anticorps’ mpiady amin’ny virus amin’ny fitsapana mahazatra fampiasa any amin’ireo fitehirizan-dra.” — Sanford Kuvin, dokotera, Jerosalema, 17 novambra 1985.