FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/8 p. 4-7
  • Mahasoa anao ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahasoa anao ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly sy ny fitondrantena
  • Ny Baiboly sy ny toe-karena
  • Ny Baiboly sy ny fahasalamana
  • Loharanom-pahendrena Ambony Kokoa
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Boky Iray Azo Ampiharina eo Amin’ny Fiainana Maoderina
    Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
  • Ny Baiboly — Mpitari-dalana Azo Ampiharina ho An’ny Olona Maoderina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/8 p. 4-7

Mahasoa anao ny Baiboly

“RY olombelona, efa naseho anao izay tsara”, hoy ny nosoratan’ny lehilahin’Andriamanitra iray, 2 700 taona mahery izay (Mika 6:8). Nefa moa ve ny Baiboly ‘tsara’ na mahasoa antsika amin’izao androntsika izao?

“Ny Baiboly dia nosoratana taloha elan’ny nahalalana na inona na inona ny amin’ny psykolojia amin’ny andro ankehitriny sy ny fiovaovam-pitomboana ‘psychosexuel’, hoy ny nambaran’ny dokotera Chesen. Na dia tsara fikasa tokoa aza ny mpanoratra azy, dia tsy afaka nihevitra izany anton-javatra lehibe izany izy ireo. Na dia izany aza, ny amin’ny raharaha momba ny fitondrantena sy (na) didy, ny Baiboly sy ireo mpilaza ny heviny dia manan-javatra be dia be holazaina.”

Angamba ho azo raisina io fanambarana io raha toa ka vokatry ny fisainan’olombelona ny Baiboly. Araka ny nomeraontsika tamin’ny 1 jolay anefa, dia tsy tenin’olombelona ny Baiboly, fa an’Andriamanitra. Tsy azo atao tsirambina izany zava-misy lehibe izany. Nahoana? Satria ny fahalalana an’Andriamanitra, mifanohitra amin’ny an’ny olombelona, dia tsy voafetran’ny fotoana sy ny toe-javatra miseho; tsy mety hiovaova koa izy io. Amin’ny maha-Mpamorona ny olombelona azy, dia fantatr’Andriamanitra tanteraka ny nanaovana antsika sy izay mahasoa antsika indrindra. Manantitrantitra araka ny marina toy izao àry ilay apostoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — II Timoty 3:16, 17.

Inona àry no holazaina ny amin’ireo fiovana lehibe nitranga tamin’ny androntsika ankehitriny? Moa ve tsy heverina mandrakariva fa miaina amin’ny fotoana malalaka kokoa sy mazava kokoa isika? Moa ve ny fitambaran’olona amin’ny ankapobeny tsy nanapaka gadran’ny lovantsofina maro? Marina izany, kanefa na dia ao aza ny fahalalana mitombo sy ny lazaina fa “fahafahana” vaovao, dia tsy niova ny fototry ny zavatra ilain’ny olombelona sy ny toe-tenany. Tsy miova foana isika ao anatintsika ao. Voatosika foana isika hihinana, hisotro, hatory, hiteraka sy hivavaka, toy ny nataon’ireo razambentsika. Mbola mila fitiavana sy firaiketam-po foana isika, ary maniry ny ho sambatra. Mila manana fiainana misy heviny foana isika.

Ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia mifanaraka amin’izany zavatra ilaina izany. Ambonin’izany, ireo fampianarana araka ny Baiboly dia natao hahasoa antsika, na dia amin’ny andro ankehitriny izao aza. Ambonin’izany, ireo vokatra azo amin’ny fanarahana ireo torohevitry ny Baiboly dia ambony noho izay rehetra mety ho azo amin’ny alalan’ny fomba hafa. Aoka hodinihintsika fohy ny hoe ahoana no ihariharian’izany fanantitranterana izany fa marina amin’ny lafin’ny fitondrantena, ny toe-karena sy ny fahasalamana.

Ny Baiboly sy ny fitondrantena

Ny anankiray amin’ireo fiovana lehibe indrindra amin’ny androntsika ankehitriny dia mahakasika ireo fiheverana momba ny fitondrantena. Nisy fanao noheverina fa naharikoriko taloha nanjary azo nekena. Tsy halavirin’ny vahoaka intsony ireo vehivavy manana zazasary. Manao fampielezan-kevitra ankarihary ho an’ny ‘zony’ ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy. Be dia be no mihevitra fa tsy misy mihitsy olona omen-dalana himenomenona na hitsabaka amin’ny firaisan’ny olon-dehibe roa mifanaiky. Ary maro no mandà ireo fitsipika ao amin’ny Baiboly amin’ny filazana izany ho viktoriana.

Kanefa ireo fitsipika ao amin’ny Baiboly dia naorin’Andriamanitra taloha elan’ny taonjato faha-19, andron’i Victoria, mpanjakavavin’i Angletera. Ary mbola miharihary fa tsara ihany izany ho an’ny olona. Tsy isalasalana fa azo atao ny mahatsapa izany rehefa heverina ny vokatra mampalahelon’ny “fitsipi-pitondrantena vaovao”: fisondrotana tsy misy toy izany eo amin’ny isan’ny fisaraham-panambadiana, fanalana zaza tsy tambo isaina, fielezan’ny fananana anaka eo amin’ny zatovovavy ary karazan’aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy maro be tsy misy toy izany. Izany zava-manahirana izany dia andaniam-bola be, mandreraka ary mety hitarika ho amin’ny fahafatesana aza. Moa ve tsy ho fiheverana ny zavatra tena misy kokoa ny hanarahana ireo torohevitra omen’ny Baiboly momba ny maha-lahy sy maha-vavy, ny fahadiovana sy ny tsy fivadihana amin’ny vady? — Ohabolana 5:3-11, 15-20; Malakia 2:13-16; Hebreo 13:4; I Korintiana 6:9, 10.

Mariho indrindra fa marina aoka izany io fanamarihana io araka ny hita amin’ny aretina iray monja toy ny asehon’izao tatitra izao, navoaka tao amin’ny New York Times: “Manohy miely tsy azo tohaina ny SIDA ao anatin’ireo antokon’olona misetra loza, fa tsy any ivelany, hoy ny dokotera David Sencer, tompon’andraikitra amin’ny fahasalamana ho an’ny tanànan’i New York. (...) Ny antokon’olona misetra loza dia ny lehilahy manambady lehilahy sy ny sady lahy no vavy; ireo mpandray zavatra mahadomelina amin’ny lalan-dra; ireo mandray ra avy amin’olona voa, ary izay miray amin’ny voan’ny SIDA na ireo zanany.”

Rehefa tsorina, inona no atoron’ny fahaiza-mitsara zavatra: minitra vitsivitsy misy fahafinaretana tsy ara-dalàna ve, izay matetika arahin’ny tahotra sy ny fitebitebena, sa fieritreretana madio sy fanajan-tena? Inona no mitondra fifaliana sy fahafahampo maharitra: fifandraisana fohy mety hisy vokany mampangitakitaka ve sa fanambadiana mendri-kaja miankina amin’ny fototra mafy orina, araka ny anoroan’ny Baiboly azy?

Ny Baiboly sy ny toe-karena

Vitsy ny olona mitady ao amin’ny Baiboly, fanafodin’ireo zava-manahirana ara-toe-karena. Kanefa, ireo izay manaraka izany fitsipika izany, mandrakariva dia tsy sahirana kokoa manao izay hahazoana ireo ilaina eo amin’ny fiainana. Ahoana izany?

Matetika ny olona dia mandanilany tsy amin’ny antony ny tapany lehibe amin’izay azony. Izay manaraka ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly dia hitahiry izany vola izany ka ho afaka hanokana azy ho amin’ny zava-kendrena mendri-kaja. Ohatra, ny fanaranam-po amin’ny zavatra misy alikaola dia fanao izay mitarika matetika ho amin’ny fahantrana. Zara raha vao naharay ny karamany ny olona an-tapitrisany maro, dia lasa mankany amin’ny trano fisotroana na mividy zava-pisotro misy alikaola. Amin’ny toe-javatra maro izy dia mandao ireny toerana ireny tsy manan-kandoavana ny faktiorany na hanomezana sakafo ampy ho an’ny ankohonany. Indraindray izy ireny dia tsy maintsy misambo-bola mba hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana. Amim-pahendrena no anamelohan’ny Baiboly ny fisotroana tafahoatra; manasa ho amin’ny fahalalana onony izy. — Ohabolana 23:20, 21, 29, 30; I Timoty 3:2, 3, 8.

Toy izany koa ny amin’ireo izay manana fahazarana mifoka na manaram-po amin’ny zavatra mahadomelina. Andaniam-bola be loatra ireny fahazarana ireny! Ary sarotra ialana loatra izany! Mampiseho zavatra tokoa izao taratasy izao, nalefa ho an’i Joyce Brothers mpandinika toe-tsaina ary navoaka tao amin’ny New York Post: “Nanomboka nampiasa ‘cocaïne’ aho ho filalaovana ary satria be dia be tamin’ireo namako no nitroka izany tamin’ny faran’ny herinandro. Tena naka ny toeran’izay rehetra tsara teo amin’ny fiainako izany ary sarotra dia sarotra tamiko ny nijanona. Roa ny zanako ary raiki-tahotra aho rehefa mieritreritra fa raha tsy avelako haingana ny zavatra mahadomelina, dia hijaly noho izany izy ireo. Lavo indroa isan’andro aho. Bokan’ny trosa aho, ary mamoifo.”

Nanoratra toy izao ny vehivavy hafa iray koa mpampiasa zavatra mahadomelina: “Samy nahomby izahay mivady teo amin’ny asanay ary mampiasa ‘cocaïne’ hatramin’ny telo taona. Nahafinaritra izany tamin’ny voalohany, kanefa ankehitriny dia mihamanintona izany. Raha ny marina dia manapaka ny fiainanay rehetra ny zavatra mahadomelina. Raiki-trosa izahay izao, satria andaniam-bola be ny fahazaranay. Samy nanao ‘dia’ tena ratsy fiafara izahay mivady. Amin’ny andro sasany izahay dia tsy mitsahatra ny mahita zavatra tsy misy.”

Ny paraky na sigara koa dia mitondra fahavoazana ara-toe-karena ho an’ireo andevoziny, na dia kely kokoa aza ny fahavoazan’izy ireny. Nanambara toy izao ny tatitra iray vao haingana tao amin’ny gazety Modern Office Technology: “Araka ny famotopotoram-pirenena navoaka tsy ela izay, ny tsy mpifoka mitady asa dia afaka manantena kokoa ny horaisina noho ny mpilatsaka mitovy fahaizana, kanefa mifoka. Ny fandinihana nifototra tamin’ny fanadinadinana ny prezidà lefitra sy ny filohan’ny mpiasa ao amin’ireo fikambanana lehibe indrindra any Amerika, (...) dia nampiharihary fa ny ankamaroan’ny mpiasa ankehitriny dia tia kokoa ireo mpitady toerana tsy mifoka.” Noho ny antony inona? Araka ny nasehon’ny fandinihana iray nambara tao amin’ny Kongresy amerikana, ny sigara na paraky dia mampitombo ny vola atokan’ny firenena ho an’ny fahasalamana, rehefa isaina ny fandaniana ara-pitsaboana sy ny fatiantoka amin’ny famokarana, eo amin’ny 65 lavitrisa dôlara isan-taona, ka izany dia mampiseho 2,17 dôlara [eo amin’ny 150 ariary] isaky ny fonosan-tsigara lafo!

Eny, mahazo fanampiana eo amin’ny lafiny ara-toe-karena ny olona iray, na dia amin’ny fanarahana fotsiny aza izao torohevitra ao amin’ny Baiboly izao: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy.” (II Korintiana 7:1). Ary marina koa izany amin’ny olona izay, mba hanarahana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia mifady ny karazam-pilokana vola rehetra (Isaia 65:11, 12; Lioka 12:15). Afa-tsy izany koa, ireo izay manaraka izany fotopoto-pitsipika izany dia ankasitrahan’ny mpampiasa azy tokoa noho ny fanaovany ny marina, ny tsy fivadihany ary ny faharisihany miasa, ary tsy isalasalana fa izy ireny no horaisina voalohany sy hesorina farany. — Kolosiana 3:22, 23; Efesiana 4:28.

Ny Baiboly sy ny fahasalamana

Rehefa heverina amin’ny fandrosoana lavitra vitan’ny fitsaboana amin’izao andro izao, moa ve lany andro ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly? Talanjona ireo mpanao fikarohana nahatsapa fa hentitra sy araka ny toetr’andro aoka izany ny Baiboly raha ny amin’ny raharaha momba ny fitsaboana sy ny fahasalamana, na dia nosoratana tamin’ny fotoana nanjakan’ny finoanoampoana aza izany ka tsy nahalalana firy na tsy nahalalana na inona na inona ny amin’ireo fomba ara-pitsaboana ankehitriny, na ny amin’ny otrik’aretina koa aza.

Mazava ho azy fa be dia be ny zava-manahirana ara-pahasalamana na dia ao aza ny siansa ara-pitsaboana ankehitriny. Mirakitra torohevitra tsara indrindra anefa ny Baiboly raha ny amin’ny fahasalamana. Araka ny efa nomarihintsika, amin’ny fanarahana ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, isika dia miaro tena amin’ny fanao tena manimba ny tenantsika. Manampy amin’ny fanatsarana ny fahasalamantsika ara-tsaina koa izany. Miaiky ny Baiboly fa misy vokany eo amin’ny vatana ny fisainana sy ny fihetseham-po (Ohabolana 14:30). Ampanalaviriny antsika àry ny eritreritra sy ny fihetseham-po mety hanimba antsika ary ampiany isika hanolo izany amin’ny toetra manorina sy mampandroso.

Mariho ny torohevitra omena ao amin’ny Efesiana 4:31, 32, manao hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka.” Soritan’ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ny hialana amin’ny toetra ratsin’ny tena sy ny hitafiana ny toetra kristiana vaovao sy tsara (Efesiana 4:20-24; Kolosiana 3:5-14). Ampiany isika haneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN], fahalemem-panahy, fahononam-po.” (Galatiana 5:22, 23). Ny Baiboly dia manome sakafo mahasoa azon’ny saina sy ny fo ivelomana mba hahitana fiadanana. — Ohabolana 3:7, 8; 4:20-22; Filipiana 4:6-8.

Afa-tsy izany koa, ireo izay manaraka ny didy ao amin’ny Baiboly dia tsy mitsabaka amin’ny fanaovana heloka bevava, ny tabatabam-bahoaka, ny fikomiana na zavatra hafa miteraka fahavoazana ara-batana. Manana fieritreretana tsara izy ireny, ka izany dia manampy azy be dia be hitana toe-tsaina sambatra sy fahasalamana ara-batana tsara (I Petera 3:16-18). Ambonin’izany, ireo izay mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly dia manana fiainam-pianakaviana feno hafanana, ampoky ny soa sy sambatra, sy fifandraisana milamina amin’ny hafa.

Mahasoa tokoa ny Baiboly ho an’ny androntsika. Hita ny porofo eo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro izay mampihatra amim-pahatsorana ny fotopoto-pitsipiny. Ary afaka manampy anao koa ny Baiboly. Manasa anao àry izahay hitsapa ireo fampianarany eo amin’ny fiainanao. Hahafaly ny Vavolombelon’i Jehovah ny hampiseho aminao hoe amin’ny fomba ahoana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara