Fanontanian’ny mpamaky
◼ Tsy manaiky ny mpifoka sigara ho ao amin’ny laharany ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa moa ve izy ireo manana fihetsika hentitra toy izany eo anoloan’ireo tendan-kanina?
Tsy mankasitraka ny fampiasana ny paraky na sigara ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny antony araka ny Baiboly, ary mifototra amin’ny Soratra Masina koa izy mba hanamelohana ny hatendan-kanina.
Inoany fa mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny fampiasana paraky na sigara. Andevozin’ny “nicotine” ny mpifoka. Ambonin’izany, ny fifohana setroka dia fanaovan-javatra tsy araka ny natiora. Mandoto ny tena ny paraky na sigara, miteraka zava-manahirana ara-pahasalamana ary efa nanafohy fiainana maro tokony ho nampiasaina hiderana an’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, ny mpifoka sigara dia mandoto amin’ny fomba mampidi-doza ny rivotra fohin’ny hafa, ka izany dia azo antoka fa tsy fampisehoam-pitiavana ny mpiara-belona amin’ny tena. — II Korintiana 7:1; Romana 12:1; Marka 12:33.
Fa inona no holazaina ny amin’ny hatendan-kanina? Manameloka tsy misy fihambahambana ny tendan-kanina, dia ireo tsy mahalala onony amin’ny fihinanana na voan’ny fahalianan-kanina be ny Baiboly. Raha toa ny zanaky ny Isiraelita iray ka “mpandany sy fileony [tendàna sy mpimamo, MN]” tsy mibebaka, dia tokony hovonoina ho faty izy (Deoteronomia 21:18-21). Araka ny bokin’ny Ohabolana, dia tandindomin-doza lehibe izay “misakaiza amin’ny mpandany harena [tendàna, MN]” (Ohabolana 28:7; 23:20, 21). Manimba koa ny hatendan-kanina noho ny antony hafa iray: ampiomanina isika fa ny “mpierina [ny olona manana faniriana mihoapampana, MN]” dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra (I Korintiana 6:9, 10; jereo I Petera 4:3; Filipiana 3:18, 19). Ireo mpiandraikitra kristiana dia tokony ‘hahonom-po’, tsy ho “kamo be tenda” mihitsy. (Titosy 1:8, 12.) Zava-dehibe tokoa izany, hany ka nisy mpiandraikitra nesorina tamin’ny raharahany noho izy tsy nahafehy tena teo amin’ny lafin’ny fihinanana.
Voatery miaiky anefa izahay fa tsy mora akory ny mamantatra hoe amin’ny fotoana toy inona ny olona iray no manjary tendàna. Araka ny natiora sy ara-dalàna ny hihinanana (fa tsy mba toy izany kosa ny fifohana setro-tsigara). Etsy andaniny koa, ny hatavezana dia tsy hoe tsy maintsy mariky ny hatendan-kanina akory: tena mety ho tendan-kanina koa ny olona mahia iray. Tsy ny hatavezana akory no melohin’ny Baiboly fa ny fihinanana tafahoatra izay mety hitarika na tsia ho amin’ny hatavezana.
Ny hatavezan’ny olona sasany dia avy amin’ny tsy metimety amin’ny gilandy na ny aretina. Araka ny filazan’ny profesora Judith Rodin anefa, “dia 5 isan-jato amin’ny hatavezana ihany no avy amin’ny aretina”. Afa-tsy izany koa, dia mety hisy hanana fironana nolovana hihavaventy. Ny amin’izany, dia nanambara toy izao ny dokotera William Bennett: “Olona vaventy maro be no mitana ny lanjany kanefa mitovitovy amin’ny an’ny olona manana lanja antonony ihany ny zavatra haniny (...). Tsy mitovy ny fomba fiovan’ny sakafo ao amin’ny tenan’izy ireo.” Misy aza mpahay siansa mieritreritra fa rehefa mihinana kely kokoa ny olona vaventy tsy ara-dalàna iray, dia mihena ny herin’ny fiovan’ny sakafo ao amin’ny tenany, hany ka miadana kokoa ny fandorany ny “calories”. Kanefa, na dia tsy tendàna aza ny olona matavy iray satria tsy fatra-pihinan-kanina loatra, dia mety hilainy ny hanaraka tsara kokoa ireo torohevitr’Andriamanitra.
Ohatra, ny kristiana dia tokony hamboly fifehezan-tena, anisan’izany ny eo amin’ny lafin’ny fihinanana (Galatiana 5:22, 23; II Petera 1:5-8). Ny apostoly Paoly dia nananatra ny kristiana hitondra tena toy ny mpihazakazaka izay “mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”. Ny tenany koa aza dia ‘nanisy mafy ny tenany ho mangana ka nanandevo azy mba tsy holavina’. (I Korintiana 9:24-27.) Mety hila ny ‘hanisy ny tenany ho mangana’ ny olona matavy iray amin’ny famerana ny habetsahana sy ny karazan-tsakafo azony hanina sy ireo fotoana ary ny fomba tokony hihinananya.
Mety hampidi-doza ny hatavezana. Misy tatitra manaporofo fa izany dia mety hiteraka fitomboan’ny tosidra, fisondrotan’ny “cholestérol”, aretin’ny olon-dehibe be siramamy, homamiadana isan-karazany, aretim-po sy aretin’ny “vésicules”, aretin’ny tonon-taolana sy zava-manahirana amin’ny lalan-drivotra. “Eo amin’ny olona izay mihoatra 20 isan-jato ny lanjany, dia mihoatra ampahatelon’ny ara-keviny ny habetsahan’ny maty; eo amin’ireo tafahoatra 30 ka hatramin’ny 50 isan-jato ny lanjany, ny habetsahan’ny maty dia 50 ka hatramin’ny 100 isan-jato ambonin’ny ara-keviny.” (The New York Times, 27 febroary 1985). Misy fitantarana sahala amin’izany avy any Angletera sy Alemaina ary Italia manamafy izany filazana izany.
Ny kristiana dia maniry amim-pahatsorana ‘ho tia an’i Jehovah amin’ny fony rehetra, ny fanahiny [na ainy] rehetra, amin’ny sainy sy ny ‘heriny’ rehetra’. (Marka 12:30.) Rehefa tonga amin’ny fahalalana ny kristianisma izy ireo, dia be dia be no mitsahatra tsy mifoka mba hiarovana ny fahasalamany sy ny ainy. Moa ve ny kristiana tsy tokony hiahy toy izany koa ny amin’ny hoe ny sakafo tafahoatra dia mety hanimba ny fahasalamany sy hanafohy ny fiainany izay natolony ho an’i Jehovah?
Ny sasany mihinana bebe kokoa rehefa mahatsiaro tena ho ketraka, diso fanantenana, manirery na sosotra. Marina fa ny maha-kristiana akory tsy mahavoaro antsika tanteraka amin’ny fihetseham-po toy izany. Tsy tokony hitady fampaherezana amin’ny fihinanana mihoatra noho ny ilaina anefa ny kristiana fa afaka mitodika any amin’Andriamanitra sy ireo rahalahiny. Ny amin’izany, dia vakio ireo teny voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:6, 7, 11-13. Misy aza mpahay siansa mino mafy fa mirona avy hatrany ho vaventy ny olona sasany, miaiky fa misy fanafodin’izany. Soritany ny maha-zava-dehibe ny tsy hihinanana zavatra be menaka loatra sy ny hampiasana ny vatana kokoa. Aoka homarihintsika fa any amin’ny faritra maro, ireo kristiana izay mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana isam-baravarana, dia voatarika handeha sy hiakatra tohatohabato, ka tsara dia tsara ho an’ny fahasalamany izany. Paoly koa dia ‘nisasatra sy nikely aina’ tamin’ny fanompoana. — II Korintiana 11:26, 27.
Araka izany àry, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mankasitraka ny hatendan-kanina noho izay lazain’ny Baiboly ny amin’izany. Na manao ahoana na manao ahoana havaventiny, dia miezaka izy ireny mba ‘hahafehy tena amin’ny zavatra rehetra’, anisan’izany ny lafin’ny fihinanana. Ny antony manosika azy ireo lehibe indrindra dia tsy ny faniriana hanaraka lamaody iray, fa ny hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy ny ho kristiana marisika sy ankasitrahan’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny habetsahana: amin’ny fihinanana kely kokoa isaky ny misakafo. Ny karazan-tsakafo: amin’ny fanalavirana ny sakafo ratsy karazana be tavolo, ny “sodas”, ny zava-mamy sy ny menaka toy ny dibera sy ny diloilo; amin’ny fanarahana fitandremana ara-tsakafo mahasalama sy voalanjalanja. Amin’ny fotoana toy inona: amin’ny tsy fitsaingotsaingohana eny anelanelan’ny sakafo na miafina. Amin’ny fomba ahoana: amin’ny fihinanana miadana kokoa.