Ny ho avinao: iza no afaka milaza mialoha ny amin’izany?
RAHA mora ny manandrana milaza mialoha ny amin’ny ho avy, dia hafa noho izany ny fanaovana filazana marina mialoha izay hitranga. Manjary tsy ilaina aza izany rehefa tsy marina, ireo faminaniana, araka ny asehon’ireo ohatra eto akaiky tsy azo lavina.
Hatramin’ny andro taloha, dia miezaka ny olombelona mamantatra izay tehirizin’ny ho avy ho azy. Amin’izao andro izao koa, ny ankamaroantsika dia ho tia ny hahita ny ho avy. Mba hahatongavana amin’ny fahalalana ireo fisehoan-javatra ho avy, dia nanandrana fanao be dia be ny olombelona. Ohatra, nitady famantarana ny ho avy tao amin’ny tenan’olombelona izy, tamin’ny fandinihana ny toetoetry ny endriny, ny bikan’ny karandohany sy ireo tsipika amin’ny tanany. Nandinika ny biby izy: ny fihetsiky ny totozy sy ny bibilava, ny fanidin’ny vorona ary na dia ny fomba fitsaingoky ny akoholahy iray ny voambary miparitaka eo amin’ny tany aza. Ny sasany nampiasa, ankoatra ny zavatra hafa, ny baolina kristaly, ny karatra filokana, ny kodiakely, na ny faikan-kafe koa na ny ravin-dite eo amin’ny fanambanin’ny kaopy iray. Maro karazana toy ny firenena sy ny fanao ary ny fotoana ny fomba, nefa miafara amin’ny zavatra iray ihany: ny tsy fahombiazana.
Misy Iray mahay maminany ny ho avy tsy misy diso anefa. Tsy iza izany fa Jehovah Andriamanitra. Tsy manam-paharoa Jehovah satria “manambara ny farany hatramin’ny voalohany”. Na dia mbola eo am-pahatanterahany fotsiny aza ny fisehoan-javatra, dia hain’Andriamanitra ny manambara ny ho fiafarany. Eny, hainy ny mampahafantatra ny ho avy amin’ny olona, tsy andro vitsivitsy mialoha monja, fa taonjato maro mialoha! — Isaia 46:10.
Noho izany, raha mitady izay hahalalana ny ho avy ianao, dia tsy voatery hoe ho very maina foana izany. Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, tokoa, dia mamelabelatra ho antsika ireo ambangovangony. Araka ny filazany, inona àry raha ny marina no miandry ny olombelona?
[Sary, pejy 3]
“Tsy hanidina na oviana na oviana ireo milina ‘mavesatra noho ny rivotra’.” — Lord Kelvin, matematisiana sady fizisiana britanika, prezidàn’ny Fikambanam-panjakana tany Londres, tany amin’ny 1895a.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo teny nalaina ireo dia avy amin’ilay boky hoe Araka ny filazan’ireo manam-pahaizana manokana (anglisy), nataon’i Christopher Cerf sy Victor Navasky.
“Izay rehetra maniry hanandrana haka sary an-tsaina ny ho fiainana amin’ny 1960 dia tokony hitadidy ao an-tsaina aloha fa azo lazaina hoe tsy hisy vidiny mihitsy ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana.” — John Langdon-Davies, mpanao gazety britanika sady anisan’ny Fikambanam-panjakan’ny tantaran’ny toetra na fandrosoan’ny olombelona, tamin’ny 1936.
“Io no fitaovana goavana mampiseho hadalana indrindra namboarintsika. (...) Tsy ho afaka hipoaka mihitsy io baomba io, ary miresaka amin’ny maha-manam-pahaizana manokana ny amin’ny zavatra mety mipoaka ahy aho.” — Tatitra nataon’ny amiraly William Leahy ho an’ny prezidàn’i Etazonia Harry Truman momba ny volavolan-kevitra amerikana ny amin’ny nahavitana baomba ataomika iray, tamin’ny 1945.
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. National Archives