Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanao asa soa i Jesosy tamin’ny sabata
EO amin’ny lohataonan’ny taona 31 isika izao. Volana vitsivitsy no lasa hatramin’ny fotoana nandehanan’i Jesosy avy any Jodia ho any Galilia ka niresahany tamin’ilay vehivavy Samaritana teo akaikin’ny fantsakana iray.
Rehefa avy nampianatra be dia be nanerana an’i Galilia i Jesosy, dia niainga indray ho any Jodia izao, ary tany izy, dia nitory tany amin’ireo synagoga. Raha oharina amin’ny fiheverany ho zava-dehibe ny fanompoan’i Jesosy tany Galilia, dia kely ny resahin’ny Baiboly ny amin’ny asa nataony tany Jodia tamin’io fitsidihana io sy nandritra ireo volana laniny tany taorian’ny Paska tamin’ny taona lasa. Araka ny tena hita, ny fanompoany dia tsy noraisina tsara toy ny tany Galilia tany Jodia.
Tsy ela i Jesosy dia nandray ny lalana nankany Jerosalema, tanàna lehibe indrindra tany Jodia, mba hankalaza tany ny Paska taona 31. Eo akaikin’ny vavahadin’ondry, dia misy farihy iray antsoina hoe Betesda, nalehan’ny marary sy jamba ary mandringa maro be. Nino izy ireo fa nety ho sitrana rehefa niditra tao anatin’ny ranon’ny farihy rehefa nisamboaravoara izany.
Sabata ny andro, ary hitan’i Jesosy teo akaikin’ilay farihy ny lehilahy iray narary hatramin’ny 38 taona. Noho ny fahatsapany fa niaritra ny aretiny hatramin’ny ela be izy io, dia nanontany azy toy izao i Jesosy: “Te-ho sitrana va hianao?”
“Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy, hoy ny navaliny; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.”
Dia hoy i Jesosy taminy: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.” Tamin’izany teny izany, dia sitrana avy hatrany ilay lehilahy, nandray ny fandriany ary nandeha!
Rehefa nahita azy anefa ny Jiosy, dia niantso azy hoe: “Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao hianao.”
Hoy ny navaliny azy ireo: “Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.”
“Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Nihataka i Jesosy noho ny vahoaka ka tsy afaka nahafantatra ny anarany ilay lehilahy nositraniny. Taty aoriana anefa dia tafahaona tao amin’ny tempoly izy sy Jesosy ka fantatr’ilay lehilahy hoe iza ilay nanasitrana azy.
Dia lasa izy nanatona ny Jiosy mba hilaza tamin’izy ireo fa Jesosy no nanasitrana azy. Rehefa nandre izany ny Jiosy dia nanatona an’i Jesosy. Noho ny antony inona? Nirin’izy ireny ve ny hahafantatra hoe avy aiza ny fahefany hanatanteraka izany zavatra nahatalanjona izany? Tsia; mba hanomezan-tsiny azy noho ny nanaovany izany asa tsara izany tamin’ny sabata. Ary dia nanenjika azy aza izy ireo! Lioka 4:44; Jaona 5:1-16.
◆ Hafiriana eo ho eo no lasa hatramin’ny nitsidihan’i Jesosy farany an’i Jodia?
◆ Nahoana no nisy olona maro nankao amin’ilay farihy antsoina hoe Betesda?
◆ Inona no fahagagana nataon’i Jesosy tao amin’io farihy io, ary nanao ahoana ny fandraisan’ny Jiosy izany?