Aoka isika hilahatra ho anisan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika
“Fa raha izaho kosa, dia handeha amin’ny tsy fivadihako aho. (...) Eo amin’ny vahoaka tafangona no hisaorako an’i Jehovah.” — SALAMO 26:11, 12, MN.
1, 2. a) Ahoana no anaovan’ny fivavahana sasany ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana mpianatra? b) Fomba fampianarana inona avy no nampiasain’i Jesosy (Matio 11:28-30)?
TAMIN’NY 1985, dia lehilahy sy vehivavy 189 800 no natao batisa ho fanamarihana ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah mba ho vavolombelony kristiana. Izany dia mampiseho batisa 520 isan’andro amin’ny ara-keviny. Inona àry no nanosika ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy ireny hanao izany fanapahan-kevitra izany? Moa ve izy ireny nanatrika fihaonambe iray, nihaino mpitory teny iray mampiasa fihetsehampo ary rehefa avy eo dia nanapa-kevitra noho ny fihetseham-po fa hanolo-tena ho an’i Kristy? Toy izany no fitrangan-javatra ao amin’ny fiangonana protestanta sy evanjelika sasany. Toy izany ve anefa no anaovan’i Kristy mpianatra?
2 Raha dinihintsika tsara ny fomba nitorian’i Kristy ampahibemaso, dia ho tsapantsika fa tsy nampiasa ny fihetseham-pon’ireo mpihaino azy izy. Ohatra, moa ve izy nitady izay hanohinana azy ireny tamin’ny alalan’ny hira rodobe? Nampiasa tamim-pahakingana ny fahalalana ny toe-tsain’ny olona ve izy mba hanaovana izay hahatsiarovany ho meloka ka hitarihana azy hanome vola? Mifanohitra lavitra amin’izany, ny fomba fampianarany dia nampieritreritra sy nampisaina ny olona. Ireo mpihaino azy, izay Jiosy ny ankamaroany, dia efa nanana fahalalana sasany ny Soratra hebreo. Azony natao àry ny nampieritreritra azy ireny nifototra tamin’izany sy nitarika azy ireo hanaiky azy ho Mesia. — Matio toko faha-5 ka hatramin’ny toko faha-7; Lioka 13:10-21.
3. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanararaotra ny fihetseham-po i Paoly rehefa nampianatra?
3 Toy izany koa, Paoly izay noheverin’ny sasany ho mpandahateny tsy kinga loatra, dia nampiasa ny fahaizan’ny mpihaino azy manjohy hevitra (Asan’ny apostoly 20:7-9; II Korintiana 10:10; 11:6). Izao no nosoratany: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. (...) Fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina [“meteza hiova eo amin’ny fomba fijerinao”, Le Livre, fanontana, Farel], hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:1, 2.
4. Inona avy moa no dingana tokony hatao alohan’ny hanaovana batisa amin’ny rano mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah?
4 Toy izany koa amin’izao andro izao. Ireo olona atao batisa dia nianatra ny Soratra Masina sy namakafaka izany talohan’ny hanaovana ny dingana tena lehibe, dia ny batisa amin’ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano (Asan’ny apostoly 17:11, 12). Tsy atao maimaika akory ny fanapahan-kevitr’izy ireo, tsy atao noho ny fihetseham-po akory izany. Mifanohitra lavitra amin’izany, alohan’ny hanekena hanao batisa azy dia mamonjy tsy tapaka ireo fivoriana kristiana izy mba hahazoana fahalalana marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasana heveriny hotanterahina amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Hebreo 10:25). Ireny olona ireny dia efa mandray anjara tsy tapaka sahady amin’ny fanompoana kristiana mba hampahafantarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny mpiara-belona aminy (Asan’ny apostoly 5:42; I Korintiana 9:16). Avy eo, ao anatin’ireo herinandro mialoha ny batisany, dia dinihiny amim-pitandremana miaraka amin’ny loholon’ny kongregasiona maromaro ny fanontaniana mihoatra ny 120 momba ny fitondrantena sy ny fampianarana kristiana mbamin’ny andinin-teny maromaro ao amin’ny Baiboly. Izany rehetra izany, dia mba hahatongavana ho mpanompo tsy mivadika sy ankasitrahan’Andriamanitra alohan’ny batisany. — Asan’ny apostoly 8:34-36a.
Ny tsy fitoviana entin’ny batisa
5. Iza moa no tahafina rehefa atao batisa ny tena?
5 Inona àry no ataon’ny olona manaiky hatao batisa? Voalohany indrindra, dia fantatra ho miray hevitra amin’ny lehibe indrindra amin’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika rehetra velona teto an-tany izy, dia: Jesosy Kristy. Nanome ohatra koa ny tenany rehefa natao batisa teo amin’ny faha-30 taonany (Lioka 3:21-23). Taty aoriana izy dia nandidy ireo mpianany hampianatra sy hanao batisa maneran-tany (Matio 28:19, 20). Nefa moa ve nilaza izany fa ny mpianatra dia tokony hanao batisa an-jamba na iza na iza, tsy misy fiheverana ny fitondrantenany?
6, 7. a) Inona no takina amin’ny tena mpianatr’i Kristy iray? b) Inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe fahamasinana?
6 Nanome ny fomba fijery tsara ny apostoly Petera rehefa nanoratra hoe: “Aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’ ” (I Petera 1:15, 16). Fa inona no dikan’ny hoe ‘masina’ amin’ny kristiana iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra?
7 Araka ny filazan’i Vine (ao amin’ny Expository Dictionary of New Testament Words), ny teny grika hagios (nadika hoe “masina”) “dia manana ho heviny voalohany ny hoe tafasaraka (...) ka, noho izany, ao amin’ny Soratra Masina, dia manana heviny ara-pitondrantena sy ara-panahy hoe tafasaraka amin’ny ota, noho izany dia voatokana ho an’Andriamanitra”. Ny mpahay teny grika hafa iray dia nilaza fa ny hoe masina dia “sahala amin’Andriamanitra amin’ny fotopotony”. Izany fahalalana tsara ny hevitry ny teny hoe “masina” izany dia mandidy ny hisian’ny fitsipi-pitondrantena ambony dia ambony ho an’izay rehetra maniry hatao batisa mba ho kristiana marina. Izany fitsipika izany dia ny an’ny tsy fivadihana; ny tsy fivadihana anefa dia ‘ny fifikirana tsy azo hozongozonina amin’ny fahatsaram-pitondrantena’ — amin’ny kristiana dia amin’ireo fahatsaram-pitondrantenan’i Kristy. — Jaona 17:17-19; 18:36, 37.
8. a) fitsipi-pitondrantena inona avy no nanjaka tao anatin’ny kongregasiona kristiana voalohany? b) Manaja izany fitsipika izany ve ny fivavahana lazaina fa kristiana? Hazavao ny valinteninao amin’ny alalan’ny zava-nitranga teo an-toerana.
8 Ny tena kongregasiona kristiana dia nanantitrantitra foana ny amin’ny tsy fivadihana sy niaro ny fahadiovany. Tamin’izany no nandidian’i Paoly an’ireo kristiana voalohany mba hitsahatra ‘tsy hiharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny ary tsy hiara-mihinana akory amin’ny toy izany. (...) Esory aminareo ilay mpanao ratsy.’ (I Korintiana 5:9-13; II Jaona 10, 11). Moa ve ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nampihatra tamin’ireo mpiangona ao aminy izany fitsipika ambony mampiavaka ny tsy fivadihana izany? Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manaiky ho anisan’ny mpikambana ao aminy, marisika na tsia, olona izay manao tsy tapaka izao karazam-pahotana na fahadisoana lehibe rehetra izao. Ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia tsy manome lalana velively ny hisian’ny fileferana loatra toy izany. — Jereo Jeremia 8:5, 6, 10.
9. Inona moa no manosika olona maro hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa?
9 Noho ireny fitsipi-pitondrantena ambony voadininy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireny indrindra no mahavoatosika ny olona tia ny fahamarinana sy ny tsy fivadihana hanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao (Habakoka 3:18, 19). Voamariny ny tsy fitoviana hentitra dia hentitra eo amin’ny fitondrantenan’ireo fivavahana mifikitra amin’izao tontolo izao sy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina fa ny ankamaroan’olona dia tsy miraharaha ny fanompoam-pivavahana madio (1 Petera 4:3, 4), kanefa ireo izay tia ny tsy fivadihana dia an’arivony maro no mitodika any amin’ny fahamarinana. Ary dia asehony ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fifikirany amin’ireo fitsipi-pitondrantena omeny rehefa manaiky hatao batisa amin’ny rano izy ireo. — Jereo Marka 1:10; Jaona 3:23; Asan’ny apostoly 8:36.
Ny tsy fivadihana miorina amin’ny fitiavana sy ny fiaretana
10. Inona no ilaina mba hahafahana mandeha ao anatin’ny tsy fivadihana?
10 Misy fandaniana amin’ny tsy fivadihana. Nampiseho mazava izany i Jesosy rehefa nanasa ireo mpihaino azy ho tonga mpianany. “Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany [“aoka havelany ny tombontsoany manokana”, The New English Bible] sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy [hatrany, MN ].” (Marka 8:34). Ny hoe mandeha amin’ny tsy fivadihana kristiana dia milaza tsy mivantana fitsapana sy fahafoizan-tena, toy ny hita tamin’i Kristy, satria mitovy ny fahavalontsika, dia Satana (Efesiana 6:11, 12). Ilaina àry ny fiaretana mba hanarahana an’i Jesosy “hatrany”. Noho izany antony izany, ny fanolorana ny tena ho an’Andriamanitra dia tsy fanapahan-kevitra tokony hataotao foana; tsy tokony ho haitraitra izany. Ny sasany niala tamin’ny fahamarinana volana vitsivitsy na taona vitsivitsy taorian’ny batisany. Ahoana no azo anazavana izany?
11. Nahoana ny sasany no tsy naharitra tao amin’ny lalan’ny tsy fivadihana?
11 Mety ho nikasa ny hatao batisa teo ambanin’ny fihetseham-po izy fa tsy nandinika tsara. Ny hafa angamba nanantena ny handray tombontsoa avy hatrany tamin’izany ka nanolo-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny tsy fieritreretana afa-tsy ny tenany ary vetivety. Na inona na inona antony, dia nafoiny ny fifandraisana mafy notanany tamin’i Jehovah. Tsy ‘nibanjina’ an’i Jesosy Kristy, Ohatra tokony halaina tahaka, izy ireo (Hebreo 12:1, 2). Noho izany, dia nihena ny fitiavany an’Andriamanitra ary tsy naharitra ny tsy fivadihany. Fa nahoana ny fitiavana an’Andriamanitra no dia zava-dehibe toy izany? Satria izany no hany fototra mafy orina mba hanoloran-tena maharitra ho an’i Jehovah. — Marka 12:30, 31; I Jaona 4:7, 8, 16; 5:3.
Aoka hotombanantsika ny vidin’ny tsy fivadihana
12. fihetsika mampiseho fahendrena inona no tokony harahina alohan’ny hanaovana batisa ny tena?
12 Jesosy dia tsy namporisika ny mpianany hanaraka azy an-jamba tsy misy fanombanana ny vidiny. Nomeny azy ireo izao torohevitra izao: “Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” Ny olona malina rehetra dia mandanjalanja amim-pitandremana izay hataony amin’ny ho avy. Tokony ho azony antoka ny antony manosika azy alohan’ny hanekena ny andraikitra rehetra entin’ny fanoloran-tena sy ny batisa kristiana. Nasehon’i Jesosy tokoa izay nety ho voalaza tsy nivantana tamin’izany rehefa namarana ny teniny toy izao izy: “Izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” — Lioka 14:28-33.
13. Koa satria ny fitiavana no toetra tena lehibe mampiavaka ny fampianaran’i Jesosy, inona moa no tiany holazaina tamin’ny hoe “mankahala” ny mpianakavin’ny tena (Matio 22:37-40)?
13 Ny fanolorana ny tenantsika ho an’i Jehovah dia mitaky ny hanaovantsika ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana mahafaoka ny fanahintsika rehetra. Tsy azontsika atao ny mamela olona na iza na iza na fananana na inona na inona handresy ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Noho izany antony izany no nilazan’i Jesosy hoe: “Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” (Lioka 14:26). Fa inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara ny amin’ny hankahalana ny mpianakavin’ny tena ary hatramin’ny tena mihitsy aza izy? Noho izy nampianatra ireo mpianany ho tia ny fahavalony, tamin’ny heviny ahoana no nampiasany ny teny hoe mankahala (Lioka 6:27, 35)? Eo ny teny hoe fankahalana dia manana heviny indrindra ny amin’ny fitiavana latsaka kokoa. — Jereo Matio 12:46-50.
14. Manao ahoana moa ny fihetsiky ny sasany amin’ireo havana aman-tsakaizan’ny olona iray rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah io (Jaona 15:18, 19)?
14 Azo antoka fa rehefa tonga kristiana Vavolombelon’i Jehovah ny olona iray dia tsapany avy hatrany hoe iza no tena sakaizany. Ny sasany handositra azy na hanalavitra azy noho izy niala tamin’ny fivavahany taloha, na dia tsy tena manaraka fivavahana mihitsy aza izy. Nampanantena anefa i Jesosy fa ho voaonitra izany fatiantoka izany, tamin’ny filazana hoe: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao (...) ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Marka 10:29, 30.
15. Nahoana moa ny sasany no manamavo ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Indraindray izay manolo-tena ho an’Andriamanitra ka miditra ao amin’ny lalan’ny tsy fivadihana dia mamoy ny fitiavan’ny olon-kafa (I Korintiana 4:12, 13). Nahoana? Satria hatramin’izao izy dia manaraka fivavahana iray tsy heverina ho “mendri-kaja”. (Jereo Marka 2:15, 16.) Rehefa dinihina tokoa dia tsy fanao ny ‘mandeha isan-trano mba hanembantsembana ny olona sy hiresaka fivavahana aminy’. Tsy fanao ny mankany an-tranomaizina mba hifikirana hatrany amin’ny fialanalanan’ny tena ny amin’ny raharaha momba ny fanindrahindram-pirenena na ny fitiavan-tanindrazana (Jaona 18:36). Tsy fanao koa ny mandà fampidiran-dra mba hanarahana ny fieritreretan’ny tena voataizan’ny Baiboly, na dia mampieritreritra ny olona maromaro aza ny fielezan’ny SIDA ankehitriny. — Jereo Asan’ny apostoly 15:28, 29; 17:6, 7; 24:5.
16. Ahoana no anampiana antsika tsy hivadika hatrany?
16 Ety sy ahitam-pisedrana ny lalan’ny tsy fivadihana kristiana, kanefa isika manana fanampiana azo raisina foana (Matio 7:13, 14). Izany no antony nanoratan’i Paoly hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Mety ho azontsika izany hery izany amin’ny alalan’ny vavaka tsy tapaka, amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiarahana amin’ny kongregasiona kristiana. Amin’ny maha-kristiana vita batisa vonona ny hitana ny tsy fivadihana antsika, dia afaka ny tsy hivadika hatrany isika noho ny hery izay omen’Andriamanitra antsika. — Efesiana 4:11-13; 6:18; Salamo 119:105.
Ireo soa entin’ny fitondrantena mampiseho tsy fivadihana
17. Inona avy moa no soa mety ho azo rehefa atao batisa ny tena?
17 Mitondra soa maro ho an’izay manao azy ny dingana amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Voalohany indrindra, dia atolony azy ny fahafahana hanao fanompoana lehibe kokoa sy mampitombo fahalalana kokoa. Ny kristiana vita batisa koa dia ho afaka hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy, ka amin’ny toe-javatra sasany izany dia mitarika ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona na manokana, misionera, mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny distrika, sy amin’ny asa ao amin’ny Betela (Jereo ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-26). Ireo rahalahy vita batisa dia manana fahatsinjovana ny hanompo ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona amin’ny maha-mpikarakara momba ny asa, ary rehefa mandeha ny fotoana, amin’ny maha-loholona. Mba handraisana izany soa rehetra izany anefa, dia ilaina ny hahafenoana fepetra tena lehibe: ny tsy fivadihana. — I Timoty 3:1-10.
18. Amin’ny heviny ahoana moa ny fiainantsika amin’ny maha-kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra no tokony hisy heriny eo amin’ny manodidina antsika?
18 Amin’ny fananana fiainana tsy mivadika, ny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia manome vokatra tsara izay misy heriny mahasoa eo amin’ny manodidina azy. Izay manahaka amim-pahatokiana tokoa an’i Kristy dia tonga lehilahy vady sy ray tsaratsara kokoa na vehivavy vady sy reny tsaratsara kokoa (I Petera 2:21; Efesiana 5:21-33; 6:4). Ireo tanora dia mitana fifandraisana mafy orina kokoa amin’ny ray aman-dreniny, ny mpampianatra azy sy ireo loholona ao amin’ny kongregasiona (Titosy 2:6, 7). Ny kristiana vita batisa rehetra dia tonga mpiray monina tsaratsara kokoa, mpiasa na mpampiasa tsaratsara kokoa (Matio 22:39; Efesiana 6:5-9; Titosy 2:9, 10). Sahala amin’ny Kristy, ny kristiana tsirairay avy dia tokony ho namana mampahery ho an’ny hafa. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” — Matio 11:29.
19. Soa lehibe hafa inona koa moa no entin’ny fanolorana ny tena ho an’Andriamanitra?
19 Ny fanoloran-tena sy ny batisa anefa dia mitondra ho antsika soa lehibe hafa iray koa: fifandraisana milamina amin’ny Mpamorona, fifandraisana mitondra fiadanan-tsaina ho antsika. Nanome izao torohevitra izao i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7.
20. a) Miorina amin’inona moa “ny fiadanan’Andriamanitra”? b) Fahafahana hanao inona moa no atolotra izay rehetra atao batisa?
20 Mba hanandramana “ny fiadanan’Andriamanitra”, dia tokony ho takatra tsara koa ny ohatra sy ny soron’i Kristy. Izany fahalalana momba an’i Jesosy izany dia mitarika olona be dia be hibebaka amim-pahatsorana sy hiova fitondrantena tokoa, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ‘hiverina’ raha ny amin’ny fahotana (Asan’ny apostoly 3:19, 20). Ny tsirairay avy amin’izy ireny, rehefa nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia manantitrantitra toy izao, sahala amin’ny mpanao salamo: “Fa raha izaho kosa, dia handeha amin’ny tsy fivadihako aho. (...) Eo amin’ny vahoaka tafangona no hisaorako an’i Jehovah.” (Salamo 26:11, 12, MN ). Izay rehetra atao batisa amin’ny rano ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra dia milahatra ho anisan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika maneran-tany (I Petera 2:17). Ambonin’izany, dia ‘mihazona ny tena fiainana’ izy, dia ny fiainana mandrakizay ampanantenain’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. — I Timoty 6:19; Titosy 1:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 jona 1985 anglisy, pejy faha-29 ka hatramin’ny 31, dia nilazalaza ny fomba tsara fanao amin’ny batisa ary nanome ireo fanontaniana roa apetraka amin’ireo mpilatsaka eo am-pifaranan’ny lahateny momba ny batisa.
Inona no havalinao?
◻ Inona moa, tamin’ny voalohany, no nanintona ireo kristiana voalohany ho amin’ny fahamarinana nampianarin’i Kristy sy ireo apostoly?
◻ Amin’ny ahoana moa ny fahamarinana no mahakasika ny kristiana tsirairay avy sy ny kongregasiona?
◻ Tokony hiorina amin’inona moa ny tsy fivadihana?
◻ Inona moa no tiana holazaina amin’ny hoe manombana ny ho vidin’ny tsy fivadihana?
◻ Inona moa no soa raisin’ny kristiana tsy mivadika?
[Efajoro, pejy 26]
Ireo tombontsoa atolotry ny fanompoana manontolo andro
Mpitory maharitra mpanampy: mpitory vita batisa izay manokana 60 ora isam-bolana amin’ny fitoriana fara fahakeliny.
Mpitory maharitra mandavantaona: mpitory vita batisa izay manokana 90 ora isam-bolana amin’ny ara-keviny.
Mpitory maharitra manokana: mpitory vita batisa izay mandany 140 ora isam-bolana amin’ny fanompoana fara fahakeliny; mandray fanampiana kely izy ho amin’ny fandaniana tena ilaina. Mandrakariva ny mpitory maharitra manokana dia alefa any amin’ireo antokon’olona mitokana na kongregasiona kely.
Misionera avy ao Galaad: mpitory vita batisa nandray fiofanana tao Galaad, Sekoly fianarana Baiboly an’ny fikambanana Watchtower, ho amin’ny asa any an-tany hafa. Mandany 140 ora isam-bolana ho amin’ny fanompoana koa izy.
Mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny distrika: mpiandraikitra mpitety faritany izay mankany amin’ireo kongregasiona na fizaran-tany mba hanatanjaka ireo rahalahy amin’ny fanompoana sy amin’ireo fivoriana. Manokana ora maro amin’ny fitoriana izy ireny.
Asa ao amin’ny Betela: izany dia ataon’ireo minisitra manontolo andro ao amin’ireo sampana sy fanontam-pirintin’ny fikambanana Watch Tower maneran-tany.
[Sary, pejy 24]
Ny batisa dia mampiditra ho amin’ny fanompoana...
[Sary, 25]
... ataon’ny kristiana tsy mivadika.