Ny fitomboan’ny aina: fivoarana miandalana sa fandraisan’Andriamanitra anjara?
“BE kojakojany mahagaga.” Toy izany no ilazalazan’ny revio Science News ny fandaharam-pananana anaka ao amin’ny vehivavy. Tsy mety hiteraka ny aina irery anefa ny atody avy ao amin’ny faritra fitoerany ao amin’ny vehivavy. Mba hisehoan’ny aina, dia ilaina ny hikambanan’ny “spermatozoïde” avy amin’ny fandaharam-piterahan’ny lahy amin’ny votoatin’ilay atody. Fa inona no ataon’ilay “spermatozoïde” mba hitomboan’ilay atody? Fanontaniana mbola mahavery hevitra ireo mpahay siansa izany.
Mipetraka ny fanontaniana hafa iray koa amin’ireo izay mino ny fivoarana miandalana na evaolisiona: raha nivoatra ny faritra fiterahan’ny lahy sy ny vavy, ahoana no nety ho nitomboan’ny aina talohan’ny fiforonan’ireo faritra roa ireo tanteraka.
Tsy mijanona eo ny zava-mahatalanjona ny amin’ny fiterahana. Tsy mety ho hita afa-tsy amin’ny fitaratra fanalehibeazana ny zavatra momba ny fandovan-toetra voarakitra ao anatin’ny atody novokarina iray. Kanefa, araka ny asehon’ny profesora Frair sy Davis ao amin’ny bokiny hoe Fanaporofoan-kevitra ho fanohanana ny famoronana (anglisy), izany dia mitovy amin’ny “fanazavana voarakitra ao anatin’ny fitehirizam-boky lehibe maromaro”. Hoy ny teny nanampiny: “Tsy misy mihitsy ohatra hafa ny amin’ny fanakelezan-javatra azo ampitahaina akaiky na lavitra amin’io.” Io fitehirizam-boky amin’ny endriny nohakelezina io dia mibaiko ny fitomboan’ny faritra rehetra amin’ny tena, anisan’izany ny antsipiriany toy ny lokon’ny maso sy ny volo.
Aoriana kelin’ny fahavokarana, dia mizara roa ny sela, ka ireo indray dia tonga efatra ary dia toy izany hatrany mandra-pahazo sela maro be. Ny fisarahan’ny sela dia fitomboana fikambanan’ny sela an-tapitrisany maro. Izany fisehoan-javatra izany dia mahatonga hieritreritra ozinina iray ho nizara roa feno ho azy ka ny fitaovany mitovy dia hanome zavatra sahala, satria hiverimberina foana izany fitomboana izany. Tsy tapitra hatreo anefa ny fahagagantsika.
Misy sela samy hafa bika manomboka miseho: selan-kozatra, sela-nofo, selan-koditra mbamin’ny karazan-tsela hafa rehetra mahaforona ny tenan’olombelona. Zava-miafina ny tsy fitovian’ireo sela, ary zava-miafina hafa iray koa ny fandaminana ny sela. Araka ny filazan’ny Science Digest, dia “tsy misy mihitsy olona mahalala amin’ny fomba azo antoka hoe nahoana ny sela sasany no voalamina mba hahaforona voa iray, ny hafa hahaforona aty ary dia toy izany hatrany”. Rehefa nahatratra ny fitomboany tanteraka ny tenan’olombelona dia voaforon’ny sela iray hetsy lavitrisa.
Araka ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, ny fiainan’olombelona dia nivoatra avy tamin’ny tenan-javatra bitika dia bitika. Mifanohitra amin’ny olombelona anefa, ny ankamaroan’ny tenan-javatra bitika dia bitika dia iray ihany no niteraka azy. Mitombo amin’ny tenany ihany izy ireny. Ahoana no nety ho nivoaran’izany karazam-pitomboana izany amin’ny fiovaovan-javatra sarotra kokoa mitaky ny hisian’ny roa hiteraka? Araka ny porofoin’ny soratra voafefy ao amin’ny pejy eo aloha, dia mahatsiaro fahasahiranana sasany ireo evaolisionista amin’ny famaliana izany fanontaniana izany.
Izany fitsambikinana lehibe izany dia voazava amin’ny alalan’ny “famoronana ny fampitomboana misy faritra miavaka mahatonga azy”. Ny mpahay siansa sasany anefa dia manana herim-po milaza ny tsy fifanarahan’izy ireo. Ilay mpampianatra atao hoe Jaap Kies, avy ao amin’ny oniversite any Cap, atsy Afrika Atsimo, dia niresaka ny amin’ny “fanombantombanana mahatafintohina”.
Iray ihany ny fanazavana mahafapo ny amin’ny fitomboan’ny aina: izany dia fanomezana avy amin’ny fahendrena tsy hita lanin’ny Mpamorona, dia Jehovah Andriamanitra. Araka ny ambaran’ny Baiboly, “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony”. — Jakoba 1:17.
[Efajoro, pejy 3]
Izay eken’ireo evaolisionista momba ny fitomboana
“Tsy fantatsika tanteraka ny antony farany mahatonga ny maha-lahy sy maha-vavy; nahoana no tsy maintsy ateraky ny firaisan’ny foto-javatra roa eo amin’ny lahy sy ny vavy ny manana aina vaovao fa tsy amin’ny alalan’ny ‘parthénogénèse’ [fitomboana amin’ny alalan’ny anankiray ihany] (...)? Fanontaniana mbola tena tsy fantatsika tanteraka izany.” — Charles Darwin, 1862.
Ny revio Science News tamin’ny 8 septambra 1984 dia nanampy teny toy izao ny amin’izany famakafakana izany: “Mbola azo atao ny milaza zavatra toy izany amin’izao androntsika izao.”
Ao amin’ny sasintenin’ilay boky hoe Ny amin’ny lahy sy ny vavy sy ny evaolisiona (anglisy), dia nanambara toy izao ilay profesora atao hoe George Williams: “Io boky io dia nosoratana tamin’ny fiaikena fa ny fahabetsahan’ny fitomboana avy amin’ny faritra miavaka eo amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’ireo zavamaniry sy biby ambony dia manohitra ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona amin’ny ankapobeny.”
Ao amin’ny bokiny hoe Ny evaolisiona ny amin’ny lahy sy ny vavy (anglisy), ny profesora John Maynard Smith dia manolotra “drafitra ny amin’ny niandohan’ny lahy sy ny vavy”. Milaza mazava toy izao izy: “Io no drafitra tsara indrindra azoko atolotra.” Nofaranany toy izao ny teniny: “Tsy afaka milaza aho fa tena matoky izany fanazavana izany.”
“Ny amin’ny lahy sy ny vavy no zava-manahirana lehibe indrindra ateraky ny evaolisionisma. (...) Ny sasantsasany amin’ireo raharaha lehibe indrindra ateraky ny evaolisionisma dia toa saika tsy noheverina mihitsy (...). Ny lehibe indrindra, ny maharitra indrindra ka tsy azo odian-tsy hita dia izao: nahoana no misy ny amin’ny lahy sy ny vavy?” — Ny sangan’asan’ny natiora (anglisy); nataon’ny profesora Graham Bell.