Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny lehilahy manankarena tsy mba nanankarena ny amin’Andriamanitra ‘nalain’iza’ moa ny fanahin’ilay lehilahy?
Tsy nanisy fitenenana ny amin’ny zavaboary olombelona na anjely akory i Jesosy. Ao amin’ny Lioka 12:20 izy dia mampiasa teny tsy voafaritra tsara “halaina aminao (on te réclame)” mba hilazana fotsiny izay hitranga amin’ilay lehilahy.
Hita io fanazavana io ao amin’ny Lioka 12:16-21. Ilay lehilahy nanankarena resahina dia tsy afapo tamin’ny fananana ara-nofo ampy azy anefa. Nanohy nihevitra aoka izany ny raharahany izy mba hampitomboana ny hareny. Nofaranan’i Jesosy toy izao ny teniny: “Fa Andriamanitra kosa nanao taminy [tamin’ilay lehilahy nanankarena] hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra.”
Mampiasa ny endriny iharana ny fandikan-teny vitsivitsy; “Amin’ity alina ity ihany dia halaina aminao indray ny fanahinao.” (Segond, Synodale, Kuen). “Amin’ity alina ity ihany dia halaina aminao ny fisianao!” (Chouraqui). Kanefa, ny teny hebreo nitenenan’i Jesosy ny teny grika nanoratan’i Lioka, dia mampiasa endriny tsy voafaritra amin’ny persona fahatelo. Ny teny grika amin’ny Lioka 12:20 dia adika ara-bakiteny hoe: “Amin’ity, ny alina, ny fanahy anao, alainy (ils demandent) avy aminao.” Amin’ny persona fahatelo milaza maro ny matoanteny. Noho izany, dia tsy nanaraka ny endriny iharana, tsy ilaina, toy ireo ohatra notononintsika, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao mbamin’ny fandikan-teny hafa fa mandika ilay fitenenana amin’izao fomba izao: “Halaina [On (...) réclame].”
Na ahoana na ahoana, dia hitandrina isika mba tsy hahatonga hevitra amin’ny antsipiriany hampiala antsika amin’ny fampitandremana mazava nomen’i Jesosy ny amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Tsy nolazain’i Jesosy ny fomba hahafatesan’ilay lehilahy nanankarena, nambarany fotsiny fa tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa dia hamoy ny fanahiny, na ainy izy tamin’io alina io. Fa ahoana no nitsaran’Andriamanitra an’ilay lehilahy? Isika rehetra dia mety hanaiky ho voatanan’ny faniriana hanatsara ny toerantsika ara-nofo ary, sahala amin’io lehilahy nanankarena io, dia tsy hanankarena ny amin’Andriamanitra. Mamelona toe-tsaina tia fitsiriritana izao tontolo izao ara-barotra. Na dia ireo olona manana fikambanana manamarika tarehim-bola tombanana ho an-tapitrisany maro dôlara, marka, ariary sy ny toy izany aza, ka noho izany dia mahazo tombony be, dia mety ho voan’ny fakam-panahy hitady bebe kokoa: mpiasa, raharaha, tombony, rendrarendra, vola bebe kokoa. Mbola mety ankehitriny toy ny tamin’ny fotoana nametrahana azy ny fanontanian’i Jesosy manao hoe: “Ka ho an’iza izay zavatra noharìnao?” — Lioka 12:20.