FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/11 p. 4-7
  • Velona ve ny maty? Izay lazain’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velona ve ny maty? Izay lazain’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famitahana hita hatraiza hatraiza
  • Tsy mety maty ve ny fanahinao?
  • ... Hisy fifohazana ve?
  • Hanontany ny sasany fa...
  • Inona no tokony hatao?
  • Aoka isika haneho finoana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Tokony Hatahotra ny Maty ve Ianao?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/11 p. 4-7

Velona ve ny maty? Izay lazain’Andriamanitra

NIAINGA avy ao amin’ny tanàna iray atsy Afrika Atsimo ny fiaramanidina fizahan-tany iray, nitodi-doha ho any amin’ny tanàna hafa iray tany amin’ny 400 kilaometatra eo ho eo. Tao anatiny ny mpamily iray sy ny zanany vavy 12 taona. Tamin’ny fidinana mafy, dia potika ilay fiaramanidina. Maty ireo olona roa tao anatiny.

“Jehovah irery ihany no mahalala izay tsapako, ny alahelo, ny famoizana nasehon’izany ho ahy ary ny ady tsy maintsy nataoko”, hoy Babette, vady sy renin’ireo niharan-doza, raha nahatsiahy izany izy. Ahoana no nahazakany izany fitsapana izany? “Tsy nitsahatra nivavaka aho mba hahazoana herim-po sy hery hiatrehina izany, hahafahana manampy olon-kafa ao anatin’ny toe-javatra toy izany.” Nahita fampaherezana lehibe koa i Babette tamin’izay nolazain’Andriamanitra ny amin’ny toetry ny maty sy ny fanantenana fananganana ny maty.

Inona no lazain’Andriamanitra ny amin’ny maty? Izao no avalin’ny Baiboly: “Ny maty tsy mahalala na inona na inona mihitsy.” (Mpitoriteny 9:5, Jérusalem, fanontana 1978). Tsy mahalala na inona na inona àry ny maty. Tsotra fotsiny toy izany. Koa nahoana ny ankamaroan’olona no mino ny mifanohitra amin’izany. Satria izy ireny voan’ny fitaka iray lehibe dia lehibe nanerana ny tany hatramin’ny ela be.

Famitahana hita hatraiza hatraiza

Ny zavatra rehetra dia nanomboka tamin’ny lainga voalohany. Ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly dia manome filazana ara-tantara amin’ny andinindininy momba izany. Izao no azo vakina ao: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Eo Jehovah Andriamanitra dia niresaka tamin’ny lehilahy voalohany, Adama. Aoka izao hampitahaintsika io andinin-teny io sy ny Genesisy 3:1-4, izay ahitana an’i Satana miresaka amin’ny alalan’ny bibilava iray, manosika an’i Eva tsy hankatò an’Andriamanitra amin’ny filazana hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” Nanohitra an’Andriamanitra àry Satana. Izany no lainga voalohany, tonga “rain’ny lainga” izy. — Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9.

Tena maty tokoa anefa Adama sy Eva, toy izany koa ny olon-kafa an-davitrisany maro. Ahoana no nandraisan’i Satana, mpandainga, izany? Tamin’ny fampielezana taty aoriana ny hevitra ilazana fa na dia maty aza ny tena, dia misy zavatra mbola velona ihany. Taty aoriana izany dia nanjary fampianaran’ireo fivavahana fahiny ary noraisin’ny filozofia grika. Noho izany antony izany no mahatonga ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy ho saika hita hatraiza hatraiza. Ho an’ny maro izay mino fa velona any ho any ireo havan-tsy foiny efa maty, dia angamba hevitra mampahery izany. Mipetraka anefa ny fanontaniana tena lehibe iray: marina ve io hevitra inoana io?

Tsy mety maty ve ny fanahinao?

Ny teny hoe “tsy fetezana ho faty” dia hita intelo ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’ny Soratra grika kristiana ihany. Ny fandinihana ireo andinin-teny ahitana azy dia mampiharihary zavatra iray: tsy efa raikitra ao amin’ny olombelona akory ny tsy fetezana ho faty.

Aoka hojerentsika, ohatra, ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny I Timoty 6:15, 16, izay iantsoana an’i Jesosy hoe “ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo (...); Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana”. Tamin’ny ahoana i Jesosy no hafa noho ireo “mpanjaka” sy “tompo” hafa rehetra? Tamin’ny hoe tsy mety maty izy, kanefa tsy toy izany kosa ireo.

Marina fa ny tsy fetezana ho faty dia ampanantenaina an’ireo anisan’ny mpianatr’i Kristy izay voantso hiara-hanjaka aminy any an-danitra (I Petera 1:3, 4). Araka izany, ao amin’ny I Korintiana 15:53, 54, dia izao no vakintsika: “Fa (...) ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa (...) mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: ‘Ny fahafatesana noresena ka levona.’ ” Mariho anefa fa ‘tafina’ ny tsy fahafatesana. Izany dia valisoa natao ho an’ny kristiana mahatoky nofidina fa tsy lovan’ny olombelona rehetra.

Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia tsy milaza akory fa manana fanahy (âme) ny olombelona na nomena fanahy izy. Izao kosa no lazainy: “Dia namorona ny olombelona tamin’ny vovoky ny tany Jehovah Andriamanitra ary nitsoka fofonaina tao am-bavorony, dia tonga fanahy velona ny olona.” (Genesisy 2:7, MN; jereo I Korintiana 15:45). Tsy mitovy tanteraka ny hoe tonga sy ny hoe manana. Tsy hisy handa mihitsy fa zavatra roa tsy mitovy ny hoe tonga alika sy manana alika! Toy izany koa, ny hoe tonga fanahy dia tsy mitovy amin’ny hoe manana fanahy.

Imbetsaka no vakina ao amin’ny Baiboly fa mety maty ny fanahy, ka izany dia mampiseho mazava fa tsy mandray ny tsy fetezana ho faty ho fanomezana daholo akory ny olombelona rehetra. Ohatra: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20). “Ary izay [ny fanahy, MN ] rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.” — Asan’ny apostoly 3:23.

Koa satria tsy manana fanahy tsy mety maty isika, inona no mitranga rehefa maty isika? “Matory” isika, satria ny sorom-panavotan’i Kristy dia manolotra antsika fanantenana fananganana amin’ny maty (I Korintiana 15:22). Rehefa maty Lazarosy, dia hoy Jesosy: “Handeha hamoha azy aho.” Avy eo dia nanome izao fanazavana izao izy: “Maty Lazarosy.” (Jaona 11:11-14). Paoly koa dia niresaka ny amin’ireo izay “matory ao amin’ny fahafatesana”. (I Tesaloniana 4:13, 14, MN; II I Korintiana 15:20.) Kanefa raha matory ny maty...

... Hisy fifohazana ve?

Alao sary an-tsaina ity fisehoan-javatra hafa dia hafa ity: vahoaka tafangona teo anoloan’ny lavabato iray tany Betania, any akaikin’i Jerosalema. Tany Jesosy niaraka tamin’i Maria sy Marta, dia ireo anabavin’i Lazarosy vao maty ka napetraka tao anaty lavabato iray voahidy vato ny fatiny. “Esory ny vato”, hoy ny baikon’i Jesosy. Nanohitra toy izao i Marta: “Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.” Taorian’ny vavaka fohy anefa, dia niantso toy izao i Jesosy: “Ry Lazarosy, mivoaha! Ary dia nivoaka i Lazarosy (Jaona 11:38-44)! Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fahagagana sy ny fifalian’ny vahoaka, indrindra fa Maria sy Marta?

Raha velona i Lazarosy nandritra ireo efatra andro ireo, moa ve izy tsy ho niresaka ny amin’izany tamin’ny olona rehetra. Tsy misy mihitsy anefa fitantarana manambara izay nety ho nitranga nandritra ny fotoana nahafatesany. Izany koa dia voamarin’ny Baiboly izay manambara hoe: “Tsy mahalala na inona na inona mihitsy ny maty.” — Mpitoriteny 9:5, Jérusalem, fanontana 1978.

Tsy maningana akory ny ohatra ny amin’i Lazarosy. Tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Naina i Jesosy indray andro dia nifanena tamin’ny laharam-pandevenana: vonona ny handevina zazalahy iray ny olona. Hoy Jesosy: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Ary inona no nitranga? “Dia niarina ny maty sady niteny.” (Lioka 7:11-17). Eo indray koa, dia aoka isika hametraka izao fanontaniana izao: moa ve ilay zazalahy niresaka ny amin’ny toerana iray halehan’ny olona rehefa maty izy? Tsia, satria miharihary tokoa fa tena maty izy.

Jesosy, Paoly, Petera, Elia sy Elisa dia nandray anjara tamin’ny fananganana maty iray fara fahakeliny. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo izay maty taloha nanisy fitenenana ny amin’ny mety ho fiainana aorian’ny fahafatesana.

Izany fahagagana mahatalanjona izany dia santatry ny hany fomba hahafahan’ny ankamaroan’olona hiaina indray: ny fananganana ho amin’ny fiainana eto an-tany eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy Jesosy: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny [feoko]; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29). Ho fotoana hahatalanjona tokoa izany ho an’ireo izay hanana tombontsoa hiaina mandritra izany arivo taona izany eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy efa antomotra izao (Apokalypsy 20:4, 6). Ny fanantenana fananganana ny maty mihitsy dia porofo fa tsy mety ho sady velona ny maty. Mba hahatonga ny fiainana haverina amin’ny olombelona, dia tokony hafoy aloha izany.

Hanontany ny sasany fa...

Ny olona manao azy ho tsindrian-javatra sy ny hafa koa dia milaza fa miteny amin’izy ireny ny maty. Ahoana marina ny amin’izany? Manaporofo ve izany fa velona ny maty? Tsia! Kinga tokoa Satana, izy io dia mpamitaka mahery izay matetika no “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava”. (II Korintiana 11:14.) Izy sy ireo demoniany dia matetika no mampiasa ny fahefana ananany ‘hampiova endrika’ mba hanaovana izay hinoana fa fanahin’ny olona efa maty izy ireny. Noho izany antony izany no nahatonga ny lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraely hanambara tsy misy fihambahambana toy izao: ‘Ny mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra (...) na mpanontany amin’ny maty (...) dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah.’ (Deoteronomia 18:10-12). Nilaza koa Jehovah fa ireo izay manaraka spiritisma dia “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”, fa haringana. — Galatiana 5:19-21; Apokalypsy 21:8a.

Inona no holazaina ny amin’ireo izay milaza ho nahita toe-piainana nanakaiky ny fahafatesana? Moa ve ireo fisehoan-javatra hitany manaporofo fa ny fanahy dia mandao ny vatana amin’ny fotoana ahafatesana? George Gallup, izay mikarakara ny fitsapan-kevitra any Etazonia dia nihevitra io raharaha io ary namoaka ny vokatra azony tao amin’ny Fidirana ho ao amin’ny tsy fahafatesana (anglisy). Ireo mpitsabo sy ireo mpahay siansa nadinina dia nampiseho fisalasalana ny amin’ny maha-marina ny fitantarana nataon’ireny olona ireny. Nanambara toy izao ny biofizisiana iray: “Izany no mitranga rehefa ao anatin’ny toe-javatra tsy ara-dalàna ny saina (...). Ny atidoha dia faritra amin’ny tena be kojakojany tokoa izay mety hamitaka anao raha entinao amin’ny fomba ratsy; jereo izay mitranga amin’ny zavatra mahadomelina mampahita zavatra tsy misy.” Araka ny hevitry ny mpitsabo aretin-tsaina iray, “ireny fitantarana ireny dia avy amin’ny fahitan’ny eritreritra fotsiny na ny fahitana zavatra tsy misy”. Araka ny filazan’ny mpahay siansa amerikana iray, “ireny fahitan’ny eritreritra fotsiny ireny dia avy amin’ny fahatairan’ny saina mafy”.

Gallup dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa ireo fitantaran’olona nahita toe-piainana nanakaiky ny fahafatesana “dia tsy mahaforona velively izay ho azo heverina fa porofon’ny tsy fahafatesan’ny fanahy na ny fiainana aorian’ny fahafatesana”. Hoy ny teny nanampiny: “Izany dia mety ho fisehoan-javatra anatiny fotsiny izay mitranga tanteraka ao an-tsain’olona voan’ny aretina ara-batana.” Araka ny heviny ihany, ny mpandinika ara-pivavahana sasany dia hahita amin’izany fisehoan-javatra izany, “lafiny iray amin’ny tetikadin’ny demonia natao hamitahana olombelona”. Mbola marina ihany izay nohantitranterin’i Jehovah efa ela be izay: “Ny maty tsy mahalala na inona na inona mihitsy.” — Mpitoriteny 9:5, Jérusalem, fanontana tamin’ny 1978.

Inona no tokony hatao?

Tokony ho maodimaody ianao raha ny amin’ny hevitra na ny fampianarana izay miankina amin’ny laingan’i Satana voalohany hoe: “Tsy ho faty tsy akory ianareo.” (Genesisy 3:1-5). Manaiky ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra ilazana fa rehefa maty ny olona iray, “amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. (Salamo 146:4.) Ekeo koa ny fanantenana fa ny maty izay matory amin’izao fotoana izao, dia hatsangana amin’ny maty. Izany dia hitranga eo ambany fanapahana be voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra, angatahin’ny maro amin’ny vavaka. Amin’izay dia hisy “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. — Asan’ny apostoly 24:15, MN; Matio 6:9, 10.

Ilay vehivavy farary noresahin’ny lahatsoratra voalohany dia faly nahafantatra izay lazain’Andriamanitra momba ny maty sy ireo fanahy demonia mpamitaka. Nofoanany ny ody nataony fiaro mbamin’ny zavatra hafa nisy fifandraisana tamin’ny fanahy ratsy, hany ka rehefa afaka andro vitsivitsy dia nihatsara kokoa izy. Amin’izao fotoana izao izy dia manampy olon-kafa hanafa-tena amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny demonia.

Ilay vehivavy kristiana namoy havan-tsy foy roa tamin’ny lozam-piaramanidina dia nahazo fampaherezana tamin’izao hevitra izao: koa satria tsy mahalala na inona na inona ny maty, dia tsy misy intsony ny fotoana ho azy ireo. Amin’izy ireny àry, amin’ny fotoana manaraka ny nahafatesany, dia mifoha ao anatin’ny paradisa an-tany iray eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireny! Fifaliana ho an’io vehivavy kristiana io ny manampy olon-kafa hahafantatra fa tsy ho ela dia ‘hofafan’i Jehovah ny ranomaso amin’ny tava rehetra’. (Isaia 25:8.) Tsy andriny izay hahaveloman’ireo olon-tiany indray, noho ny fananganana ny maty.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo koa ilay bokikely hoe Les esprits invisibles — Sont-ils bons ou malfaisants? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara