FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/11 p. 22-26
  • Nitahy ny fanapahan-kevitro Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitahy ny fanapahan-kevitro Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Vanim-potoam-panapahan-kevitra hafa
  • Fandrosoana ara-panahy
  • Fahasahiranana nandritra ireo taona nisian’ny ady
  • Asa tao amin’ny Betela
  • Batisan’ny raiko
  • Fanambadiana
  • Tany an-tany hafa sy fiverenana tao amin’ny Betela
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asako aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Nampianarin’i Jehovah Hatry ny Fahakeliko Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/11 p. 22-26

Nitahy ny fanapahan-kevitro Jehovah

Nataon’i Samuel Friend

TAMIN’NY JOLAY 1952 aho dia nihira isaky ny asabotsy hariva tao amin’ny fampisehoana mozika tiam-bahoaka “country-western” tany Little Rock, any Arkansas, Etazonia. Ny fandaharana naharitra ora telo dia nankasitrahan’ny mpijery nanatrika tokoa, nefa koa ny olona an’arivony maro izay nihaino izany nampitaina tamin’ny alalan’ny radiao KLRA izay 50 000 watts ny heriny. Nitranga izany talohan’ny nampidirana ny televiziona tany atsimon’i Etazonia.

Indray takariva, rehefa avy nanao fampisehoana iray aho, dia nisy lehilahy iray nitady mpanao fampisehoana vaovao ho an’ny fakana feon’ny fikambanana mpandray feo MGM (Metro-Goldwyn-Mayer) nanatona ahy. “Ho tiako ny hihiranao ho anay”, hoy izy tamiko. Avy hatrany izy dia nanolotra tamiko fifanekena amin’ny fakana feo hahazoam-bola be tokoa. Nanambara izy fa nanatrika fampisehoana hatramin’ny herinandro vitsivitsy ary nihevitra fa nanana ho avy azo antoka tamin’ny hirahira aho.

Rehefa namaly azy aho fa tsy nahaliana ahy ny fanolorany, dia gaga aoka izany izy. Nanazava taminy aho fa ny antony nihirako dia mba hahafahanay mivady fotsiny manao ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro, ka tsy tiako ny hiditra bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny fampisehoana.

Taty aoriana, tamin’io taona io ihany, dia nampidirina tao Arkansas — tany Little Rock mihitsy ny televiziona. Ny mpanao ny fandaharana dia nangataka ahy mba ho mpanolotra ny zavatra alefa voalohany, fampisehoana zavatra isan-karazany. Faly aho nanaiky an-tsitrapo ny fanolorany, ary nanazava taminy aho fa ho tiako tokoa ny hiasa ao amin’ny fandaharana, nefa amin’ny fotoana tapatapany. Nilaza tamiko izy fa hanome valiny ahy aorian’ny fandaharana fanokafana.

Nahitana fahombiazana tokoa io fandaharam-panokafana io. Nanolotra an-tsehatra mpanan-talenta aho ary nanao hirahira sasany koa ny tenako. Rehefa avy eo, dia nanontany an’ilay mpanao fandaharana aho raha afaka nanao raharaha tamin’ny fotoana tapatapany. “Tsia, tsy amin’ny fotoana tapatapany no itadiavako anao, hoy ny navaliny ahy, fa amin’ny fotoana feno. Noho ny fahafantarana fa tsy hiova hevitra izy akory, dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra aho. Marina fa nanintona ahy ny fahatsinjovana ny handray anjara amin’ny fanombohana ny fandaharana voalohany amin’ny televizionan’i Arkansas. Tena tsy azo natao anefa ny nampitaha izany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra Raintsika any an-danitra manontolo andro. Nolaviko àry izay natolotra ahy.

Taorian’ny fampisehoana, dia niresaka ny amin’izany tamin’i Jean vadiko aho, ary niray hevitra tanteraka tamiko izy. Tamin’io takariva io, fantatrareo ve izay hitako tao amin’ny vatakely fasiana taratasy nony tafaverina tao an-trano aho? Fanasana mba hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany, izany hoe mba hitsidika ireo kongregasionan’ny olon’i Jehovah mba hanatanjaka ara-panahy ireo mpikambana ao aminy. Tena tsapako fa nitahy ny fanapahan-kevitro Jehovah.

Vanim-potoam-panapahan-kevitra hafa

Efa tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra hafa karazan’izany aho. Rehefa niala tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Mount Ida, any Arkansas, izahay sy Fred rahalahiko, dia niaraka tamin’ny antoko-mozika “western”, ny “Texas Rangers”, izahay. Tamin’ny faran’ireo taona 1930, dia nandeha nandritra ny telo taona teo ho eo niaraka tamin’io antokon’olona io tany amin’ny fanjakana maro any Atsimo aho. Ny orikesitray dia nahazo fanolorana hahazoam-bola be avy amin’ny fikambanana tany lavitra dia lavitra, tany Chicago ohatra. Nahazo ny loka voalohany izahay tamin’ny fifaninanan’ny fanjakan’i Mississippi sy Arkansas, ary tamin’ny fifaninanana iray nampanaovin’ny fanjakan’i Arkansas dia nahazo ny lokan’ny mpihira tsara indrindra aho. Nanana asa nahabe fanantenana ary aho.

Niroaroa anefa ny saiko. Tao anatin’ireo taona 1920, fony mbola zaza aho, ny fianakavianay dia nifankahalala tamin’ny solontenan’ny Fikambanana Watch Tower. Raha ny marina, rehefa nandalo tao amin’ny faritra nisy anay, tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy any andrefan’i Hot Springs, any Arkansas, ireny minisitra mpitety faritany ireny (nantsoina hoe “pèlerins”) dia zatra ny nilasy tao aminay. Tian’ny fianakavianay aoka izany ny mihaino azy ireny ary tamin’ny ankapobeny dia nekeny izay nampianarin’izy ireny.

Nitombo nanana fahalalana fototra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry aho. Rehefa zatovo aza aho dia niresaka tamin’ireo sakaizako ny amin’ny zavatra nohazavain’ireny minisitra mpitety faritany ireny sy izay novakinay tao an-trano tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Anankiray tamin’ireny sakaiza ireny i Floyd Garrett. Niara-nianatra izahay teo afovoan’ireo taona 1930. Nanaiky izay nasehoko azy i Floyd. Tamin’ny farany izy dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ary tamin’ny 1940 izy dia tonga minisitra manontolo andro. Amin’izao andro izao izy dia manompo amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany.

Tamin’ny fotoana nanaovako fitetezam-paritany niaraka tamin’ny orikesitra, dia nosoratan’ny raiko tamiko izay nolazain’ireo rahalahy mpitety faritany rehefa nandalo tao an-tranonay, tany ambanivohitra, izy ireny. Avy eo, tamin’ny faran’ny taona 1938, raha mbola tany Jackson, any Mississipi, izahay, dia nasaina aho hihaino lahateny iray noraisina feo nitondra ny lohateny hoe “Mamenoa ny tany” nataon’i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, tao amin’ny fivoriambe iray natao tany Londres, any Angletera. Izany dia tena namelona ny fahalianana kely nasehoko ka tsy novelomiko intsony hatramin’ny ela. Fantatro fa tokony hanao fanapahan-kevitra aho. Tamin’ny taona nanaraka, dia niala tamin’ny orikesitra aho ary niverina tany an-tranoko, tany Arkansas.

Fandrosoana ara-panahy

Hatramin’izay ny mozika, toy ny fanjonoana sy ny fihazana, dia nitana toerana faharoa teo amin’ny fiainako. Nifono heviny lehibe kokoa ho ahy ny zavatra ara-panahy rehefa nanomboka nikatsaka ilay Fanjakana aloha aho (Matio 6:33). Noho ny fiheverako an’i Jehovah ho persona tena misy tokoa hatreo, dia niriko mafy ny hanompo azy. Nanolo-tena ho azy aho, ary natao batisa ny 27 novambra 1939 tao amin’ny rano mangatsiaka amin’ny renirano kelin’i Arkansas iray. Natao batisa ny reniko fotoana fohy taorian’izay.

Nividy fiarakodia efa nampiasaina 11 taona aho tamin’ny vidiny 50 dôlara, ary tamin’ny novambra 1940, teo amin’ny faha-23 taonako, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra aho tany ambanivohitr’i Arkansas. Andro nahafinaritra loatra izany! Nanana zava-kendrena hentitra teo amin’ny fiainana aho ary nahatsapa ny fanohanan’i Jehovah; izany no zava-dehibe indrindra.

Tamin’izany fotoana izany, dia tsy zavatra mora akory ny nitady olona azo ampitahaina amin’ny ondry tao amin’ireny faritra ambanivohitra nanodidina ny Hot Springs ireny. Ny familiana fiarakodia teny amin’ny lalana tsy vita “goudron”, ny firobohan-drano kely rehefa mita na ny fandehanana teny amin’ny lalana mamovoka sy tsy azon’ny fiara aleha mba hahatrarana ireo trano mitokana, izany rehetra izany dia nitaky fiezahana be dia be. Natakaloko voankazo, anambazaha, vantotr’akoho, atody, hanina ambifotsy, ets., ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Mihetsi-po foana aho rehefa mahatsiaro ireny fotoana ireny.

Fahasahiranana nandritra ireo taona nisian’ny ady

Rehefa niditra tao amin’ny Ady Lehibe Faharoa i Etazonia tamin’ny 1941, dia nisy firehetan’ny fanoherana amin’ny ankapobeny napoaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny toeram-pialanalanana notanan’izy ireo (Isaia 2:4). Nipoaka ny tabatabam-bahoaka ho fanoherana azy ireo nanerana ilay tany, ary Vavolombelona tanora an’arivony maro no nampidirina an-tranomaizina. Na dia nandray soa tamin’ny fanakilasiana 4-D tamin’ny naha-minisitra ara-pivavahana aza aho, dia nahita fanoherana mafy niseho hatramin’ny fahatandindomin-doza ny fiainako mihitsy.

Nanambana basy ahy ny lehilahy iray ary nandidy ahy hoe: “Mivoaha eto miaraka amin’izay, raha tsy izany dia hitifitra aho!” Fantany ho Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa tonga tao an-tranony. Tsy ilaina ny milaza mazava fa lasa tsy nisy fisalasalana aho. Taty aoriana, ny olona iray niara-nianatra Baiboly tamiko dia nampitandrina ahy fa reny nisy nilaza hoe ny lehilahy iray nonina tany atsinanan’ilay tanàna dia nikasa ny hamono hahafaty ahy raha tonga tao an-tranony aho.

Volana vitsivitsy taty aoriana, dia tonga tao amin’io faritany io aho rehefa nanasa ahy hiditra tao an-tranony ny vehivavy iray; natomboko àry ny fandefasana tamin’ny fonografy ny lahateny momba ny Baiboly noraisina feo, nataon’ny rahalahy Rutherford. Teo am-pihainoana, dia tonga ny vadiny ary nitsangana teo anelanelan’ny varavarana sy izaho izy ka namoaka ny antsiny. Nanontaniany ahy izay nataoko, nefa tsy navelany hanome fanazavana aho. “Hanaiky hiarahaba saina na hiady ao amin’ny tafika ve ianao?” hoy izy tamiko, nanetsiketsika ny antsiny nanandrify ahy. Tonga tao an-tsaiko avy hatrany ny fampitandreman’ilay sakaizako ka nanontany tena aho ny amin’izay tokony havaliko.

“Inona no ho tsapanao, hoy ny nambarako tamin’ilay lehilahy nanetsiketsika ny antsiny, raha ampangaina ho manohana ny nazisma ianao?” Tamim-pahatezerana, dia hoy ny teny nanampiko: “Tsy momba an’i Hitler toa anao aho. Ny hany mahaliana ahy dia ny manampy ny olona hahazo ny hevitry ny Baiboly.” Tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia nampitony an’ilay lehilahy ny valinteniko, ka afaka nandeha tsy naninon-tsy naninona aho. Rehefa nandeha aho dia nisaotra an’i Jehovah noho ny niarovany ahy sy ny nanaovany tao am-bavako ny teny nety.

Indray mandeha koa dia nandefa ny lahateny araka ny Baiboly noraisina feo aho ho an’ny olona iray raha nahamarika fa nisy zavatra tsy netinety. Nihenjana ny endriny ary nanjary hatsatra mihitsy aza. Nanohy nihaino anefa ilay lehilahy. Rehefa vita ny fihainoana, dia nanontaniako azy tsy niraika ny heviny. Nisalasala izy ary tamin’ny farany dia namaly ahy hoe: “Tamin’ny voalohany dia noheveriko ho avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tiako hovonoina ianao.” Nidera azy aho noho ny nihainoany talohan’ny nitsarana ary, taorian’ny namelana toriteny vita an-tsoratra ho azy, dia nandao azy aho. Ho fantany amin’izany hoe iza aho, kanefa aorian’ny handehanako ihany.

Nisy kongregasiona vaovao noforonina tany Bonnerdale nahabe ahy. Nijanona ho mpikarakara ny antokon’olona na ny kongregasiona tao aho nandritra ny roa taona ary hitako nitatra ilay antokon’olona ka nanjary niisa ho mpitory 17. Taorian’izany, dia nangataka ahy ny mpiandraikitra mpitety faritany ho any Hot Springs mba ho mpiandraikitra an’io kongregasiona io. Izany no nataoko tamin’ny 1942. Nampitombo be dia be ny fandrosoako ara-panahy ny fiarahana tamin’ireo rahalahy matotra sy be taona kokoa izay tao.

Tamin’izany fotoana izany Jehovah dia nanome izay nilaiko tamin’ny fomba maro. Indray andro dia tsy nanana vola 5 dôlara handoavana ny hetra fandoa isan-taona amin’ny fiarakodiako aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho ny amin’izany, ary rehefa avy eo dia nandeha nanao ny fanompoana. Tamin’io maraina io dia nisy nanome ahy fanomezana 5 dôlara indrindra!

Asa tao amin’ny Betela

Tamin’ny 1944, dia nirahina hanao ny asan’ny mpitory maharitra manokana tany Joliet, any Illinois, aho. Raha mbola tany aho, ny lahatsoratra iray momba ny asa ao amin’ny Betelan’i Brooklyn dia nivoaka tao amin’ny Informateur (antsoina ankehitriny hoe Ny fanompoana ilay Fanjakana). Tapa-kevitra ny hilatsaka aho ary nekena izany.

Fony aho tonga tao amin’ny Betela tamin’ny martsa 1945, dia 230 monja no isan’ny mpianakaviny tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana, kanefa maherin’ny 2 500 ny isany amin’izao andro izao. Nandritra ny dimy taona aho dia nahita fifaliana niasa tao amin’ny sampan-draharaha isan-karazany, anisan’izany ilay mikarakara ny kongregasiona. Avy eo, indray andro, dia nampanantsoin’ny rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana, ho ao amin’ny biraony aho.

“Nifidy anao izahay mba hitondra ny WBBR, foiben’ny radiaon’ny Fikambanana”, hoy ny nambarany tamiko. Noheveriko ho izaho no diso fihaino.

“Tsy haiko tanteraka ny mikarakara foiben’ny radiao iray”, hoy ny navaliko azy.

“Zatra ny nandalo tao amin’ny radiao ianao, sa tsy izany?” hoy izy nanontany ahy tamin’izay.

“Hafa dia hafa anefa izany!” hoy ny fanoherako.

Namporisika ahy ny rahalahy Knorr mba hanaiky io andraikitra io ka nanome toky azy aho fa hanao araka izay farany azoko atao. Tena zava-tsarotra tsy maintsy noresena izany, nefa koa fifaliana sy tombontsoa. 90 mahery tamin’ny mpianakavin’ny Betela no tsy maintsy nandray anjara tamin’ireo fandaharana nalefa isan-kerinandro. Ny fandaharana vaovao dia ho voaforon’ny 65 isan-jato eo ho eo amin’ny mozika, anisan’izany ny 15 minitra natokana isan-kerinandro ho amin’ny hirahirako. Ny fotoana sisa dia nampiasaina mba hanaovana lahateny araka ny Baiboly, fianarana ny Baiboly sy mba hamaliana fanontaniana momba ny Baiboly. Nampiasaina koa ny fomba hafa mba hamelabelarana ireo fampianaran’ny Baiboly ary nomena ny filazana sy ny fanazavana momba ny filaminam-bahoaka.

Batisan’ny raiko

Nandritra ny lohataonan’ny 1950, rehefa naka fialan-tsasatra aho, dia nanana fifaliana lehibe dia lehibe nanao batisa ny raiko! Hatramin’ny 27 taona izy dia namaky ireo bokin’ny Fikambanana, kanefa nilainy ny taona maro mba hanekena amin’ny fomba feno fa Jehovah dia mampiasa fandaminana iray izay amin’ny alalany no izarany ireo fahamarinany (Matio 24:45-47). Nisy aza fotoana tsy ninoany an’Andriamanitra. Fa nahoana?

Rehefa maty i Jim rahalahiko tao amin’ny faha-13 taonany, dia nanizingizina ny pretra fa tao amin’ny afobe nivaivay izy satria tsy anisan’ny Eglizy iray. Ankona noho izany ny raiko. Dia nanontany tena izy hoe: “Koa nahoana aho no hivavaka amin’ny andriamanitra iray lozabe, mpamono olona?” Noheveriny fa tao amin’ny Baiboly izay nolazain’ilay mpitory teny. Nanjary tsy nino an’Andriamanitra àry izy. Nahita ny finoany an’Andriamanitra indray anefa izy rehefa nisy Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah) nifanakalo hevitra taminy voalohany ka nampiaiky azy fa tsy toeram-pijaliana akory ny afobe fa fasana iombonan’ny olona.

Fanambadiana

Tamin’ny 1952, dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra hafa iray koa aho. Tapa-kevitra ny hivady izahay sy Jean Mylton, anabavy mpitory maharitra be zotom-po tokoa. Rehefa nisy nanontany an’i Jean hoe inona no volavolan-keviny momba ny ho avy, dia nohazavainy taminy fa tsy azo natao tamin’izany ny nitondra ny vadin’ny tena tao amin’ny Betela ka noho izany dia hiainga amin’ny maha-mpitory maharitra izahay ho any Little Rock, any Arkansas. “Fa ahoana no ahafahanareo ho any, kanefa tsy manana na inona na inona eo amin’ny lafiny ara-nofo ianareo?” hoy ny fanontanian’io olona io.

Marina izany, tsy nanam-bola be izahay satria nanao ny asa manontolo andro hatramin’ny 12 taona aho, ary Jean hatramin’ny 7 taona. Nanipy hevitra tamiko io olona io mba samy hiasa manontolo andro aloha izahay roa mandritra ny enimbolana mba “hividianana fiarakodia sy hananana tahiry eo amin’ny 600 dôlara eo”. Rehefa niresaka tamiko ny amin’izany i Jean, dia hoy aho taminy: “Tsy fantatsika akory raha tsy ho vitantsika — mbola tsy nanandrana isika. Raha hita fa ilaina izany, dia hampitsahatra ny asantsika isika any aoriana mba hiasa; tokony hanandrana aloha isika.”

Toy inona moa ny hagaganay fa ho fanomezana noho ny fampakaram-badinay, dia nahazo fiarakaodia iray sy vola 600 dôlara indrindra izahay. Fantatr’i Jehovah fa nilainay izany, ary nomeny izany zavatra izany satria tapa-kevitra ny hijanona tao amin’ny asa manontolo andro izahay. Nijanona ho mpitory maharitra izahay nandritra ny volana vitsivitsy, avy eo, tamin’ny 1953, dia nasaina nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany izahay. Tamin’ny taona nanaraka, dia nasaina hanaraka fianarana tao Galaad, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, izahay. Rehefa nahazo ny diplaomanay izahay sy Jean dia nandeha tao anatin’ny faritry ny asan’ny distrika nandritra ny roa taona.

Tany an-tany hafa sy fiverenana tao amin’ny Betela

Tamin’ny 1957, dia niasa tany Pasco, tany amin’ny fanjakan’i Washington, izahay, rehefa nentin’ny mpitondra taratasy ho anay ny taratasy iray nalefa nazava avy any amin’ny biraon’ny prezidà. Niala tsiny tamin’ireo rahalahy teo nifanao fotoana ho amin’ny asa aho, ary nankany amin’ny efitra hafa izahay sy Jean mba hanokatra ilay taratasy. Nasaina ho any Meksika izahay, ka tany dia tokony hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny sampana aho. Ankona aho! Tsy nahay teny espaniola izahay, ary tsy nahafanta-javatra firy aho momba ny fomba fitondrana sampana. Nametraka ny fitokisanay tamin’i Jehovah anefa izahay, ka tena nilaina izany. Nidadasika ny asa ary nisy asa fandaminana lehibe tsy maintsy notanterahina; feno finiavana ireo rahalahy teo an-toerana ka nitahy ny fiezahan’ny rehetra Jehovah.

Tamin’ny 1965, rehefa avy nandany taona vitsivitsy tany Meksika izahay, dia nanana tombontsoa indray aho nanatrika tao amin’ny Sekolin’i Galaad, tany New York. Rehefa nahazo diplaoma aho, dia nahazo fanendrena anay vaovao izahay: ho ao amin’ny asan’ny fizaran-tany tany Guatemala. Nanan-java-nanahirana ara-pahasalamana sasany i Jean, ka tsy ela taorian’izany dia niverina teto Etazonia izahay ka teto aho no nanohy ny asa fitetezam-paritany. Nanaraka izany, nandritra ny taona maromaro dia nampianatra tao amin’ny kilasin’ny Sekolin’ny fanompoana ilay Fanjakana ho an’ny loholona aho, kilasy izay ny tsirairay avy taminy dia naharitra tapa-bolana. Farany, tamin’ny 1977 izahay dia tafaverina teto amin’ny Betelan’i Brooklyn, izay anananay tombontsoa lehibe manompo hatramin’izay.

Amin’izao andro izao, rehefa 69 taona aho, dia afaka milaza fa nahita fifaliana nandray tombontsoa maro ho an’izay tsy mendrika akory tao amin’ny asa manontolo andro nandritra ireo 45 taona lasa. Afaka manantitrantitra aho fa tsara Jehovah ary mitahy be dia be ireo mpanompony. Jean vadiko izay niaraka tamiko tamim-pahatokiana nandritra ireo 34 taona farany, dia fitahiana lehibe indrindra ho ahy. Fantatro fa afaka mitahy ny kely sy ny lehibe Jehovah ary velom-pankasitrahana azy aho noho ny nitahiany ahy dia izaho “kely”. (Salamo 115:13.) Izao no fanapahan-kevitro sy faniriako: ny hijanona amin’ny asan’i Jehovah Andriamanitsika lehibe feno fitiavana, ary izany dia na inona na inona toerana anendreny ahy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana azy.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Inona no ho tsapanao, hoy ny nambarako tamin’ilay lehilahy nanetsiketsika ny antsiny, raha ampangaina ho manohana ny nazisma ianao?”

[Sary, pejy 23]

Sam Friend, teo am-piandohan’ny raharahany ara-mozika (eo ankavanana amin’ny sary).

[Sary, pejy 24]

Manolotra Ny Tilikambo Fiambenana i Sam Friend ao amin’ny arabe iray any Hot Springs, any Arkansas, tamin’ny 1942.

[Sary, pejy 26]

Sam Friend sy Jean vadiny amin’izao andro izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara