Ny fandosiran’ireo kristiana nankany Pela
TAMIN’NY taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, Jesosy Kristy dia nananatra ireo mpianany mba “handositra ho any an-tendrombohitra” rehefa ho hitan’izy ireo ‘voahodidin’ny miaramila Jerosalema’. (Lioka 21:20-24.) Fa taiza izy ireny no nandositra raha ny marina? Ilay mpandinika ny zavatra any Atsinanana sady mpanoratra frantsay atao hoe Ernest Renan dia mamaly amin’izao teny izao: “Ny toerana nofidin’ireo filohan’ny fitambaran’olona [kristiana] ho fialofana lehibe indrindra ho an’ny Fiangonana nandositra dia Pela, anankiray tamin’ireo tanàna tany Dekapolisy, teo akaikin’ny moron’i Jordana ankavia, tao amin’ny toerana mahafinaritra iray nanerinerina teo amin’ny lafiny iray, tambonin’ny tany lemaka Gora manontolo, ary teo amin’ny lafiny hafa, tambonin’ny hantsana nikorianan’ny riaka ny fanambaniny. Tsy azo natao ny nanao fisafidianana nety kokoa noho izany. Tao anatin’ny fikomiana i Jodia, Idiome, Pere, Galilia; Samaria sy ny moron-tsiraka dia feno fikorontanana (...); Sytopolisy sy Pela tamin’izany no tanàna roa nialanalana akaiky indrindra an’i Jerosalema. Pela, noho ny toerany tany andafin’i Jordana, dia tokony hilamina lavitra noho Sytopolisy, tonga ny anankiray tamin’ireo toeram-piadian’ny Romana. Tanàna afaka i Pela, sahala amin’ny toerana rehetra tany Dekapolisy (...). Ny fialofana tao dia fiaikena tamin’ny fomba ambony ny tahotra ny fikomiana [jiosy] (...). Tao amin’io tànana nanohitra ny nataon’ny Jiosy io ny Fiangonana tany Jerosalema no nanana ny fialofany nandritra ny fanaovana fahirano nahatsiravina.”