Tandremo ny vavanao!
METY haranitra sy handringana toy ny fitaovam-piadiana izy io. Mety hiharihary fa malefaka toy ny tantely sy mampitony toy ny balsama koa anefa izy io. Mety ho loharanom-piainana izany ary mety hitarika fahafatesana. Toy izany no ilazalazan’ny Baiboly ny anankiray amin’ny fahaizan’ny olombelona: ny teny. — Ohabolana 12:18; 16:24; 18:21.
Amin’izany, dia tsy mahagaga raha nanambara toy izao i Solomona: “Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; fa izay vavana dia haringana.” (Ohabolana 13:3). Laza very, fahasosorana, fihenjanan’ny fifandraisana, ary loza ara-batana aza, izany rehetra izany dia mety ho vokatry ny teny atao amin-kadalana. Azo antoka anefa fa irinao ny ‘hiaro ny ainao’. Amin’ny fomba ahoana avy àry no azonao ianarana hitandrina ny vavanao, mba tsy hahitana fandringanana?
“Ny teny maro...”
Ny fomba tsotra iray dia ny tsy firesahana be loatra. Angamba ianao mahalala eo amin’ny manodidina anao, lehilahy iray na vehivavy iray toa mahita zavatra holazaina foana momba ny foto-kevitra rehetra. Mahasosotra indraindray ny olona toy izany! Izao no ambaran’ny Baiboly: “Ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana” ary “maro teny ny adala”. (Ohabolana 15:2; Mpitoriteny 10:14.) Mazava ho azy fa tsy milaza akory izany hoe adala daholo ny olona be resaka rehetra, na hendry daholo izay rehetra vitsy teny. Tsy azo lavina anefa fa mampidi-doza ny firesahana foana. Izany no hazavain’ny Ohabolana 10:19 amin’izao teny izao: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.”
Misaintsaina alohan’ny hamaliana
Ny fomba hafa iray koa fitandremana ny vavanao dia ny fieritreretana alohan’ny hitenenana. Rehefa tsy mieritreritra izay holazainy ilay milaza hevitra dia mety hanimba tena sy hanimba ny hafa koa. Nanambara toy izao ny mpanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra.” — Ohabolana 12:18.
Ny bokin’i Jakoba ao amin’ny Baiboly dia mampiseho amin’izao teny izao fa tena mety hampidi-doza ny teny tsy voahevitra: “Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo [Gehena, MN ] izy.” — Jakoba 3:5, 6.
Ny teny hoe Gehena dia avy amin’ny anaran’ny lohasahan’i Hinoma, izay nitatra tany atsimo sy tany atsimo andrefan’i Jerosalema. Tamin’ny fotoana sasany teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, dia nisy afo novelomina foana tao mba handoroana ny fakofako tao amin’ilay tanàna, ka izany dia nahatonga ny Gehena ho famantarana mety ny amin’ny fandringanana tanteraka. Fa amin’ny heviny ahoana moa ny lela iray avela tsy ho voafehy no mety ‘harehitry ny Gehena’? Ny olona iray izay milaza lainga, izay mampiely fampianarana manala baraka an’Andriamanitra na mampiasa amin’ny fomba ratsy hafa ny lelany, dia mety hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra sy hampanary izany ny hafa. Ka inona no ho vokany? Ny fandringanana mandrakizay! Ohatra, izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny Fariseo: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.” — Matio 23:15.
Manome antsika izao torohevitra azo ampiharina izao àry ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” (Ohabolana 15:28). Aleo lavitra mieritreritra tsara izay holazainao toy izay handefa teny mety hanimba mora foana.
“Teny atao amin’izay andro mahamety azy”
Ny fitenenana amin’izay andro mahamety azy koa dia fomba hafa iray fitandremana ny vavan’ny tena. Nanao izao fanamarihana izao i Solomona: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy: (...) ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7). Rehefa hita ho sasatra ny vadinao aorian’ny andro lava niasana tsy ara-pivavahana na lany tamin’ny raharahan-tokantrano, tena ilaina ve ny hifidianana izany fotoana izany mba hampitambesarana aminy zava-manahirana na fangatahan-javatra tsy dia manao ahoana? Angamba izany ‘andro tokony hanginana’.
Etsy andaniny koa, dia “ao ny andro itenenana”. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 15:23: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” Moa ve ianao mahalala olona itambesaran-java-manahirana sy fahasahiranana? Moa ve ny teny fampaherezana lazaina amin’ny fotoana mety tsy ho izay ilainy indrindra?
Tsy diso ny fahafahana hampahery ny hafa mihitsy Jesosy Kristy. Izao indray andro no nolazainy tamin’ireo mpianany: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely.” Manampy teny toy izao ny fitantarana: “Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana. Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’i Jesosy, dia niala avy teny amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.” Araka ny fiheveran’ny vahoaka, izany fotoana izany dia azo antoka fa toa nety tanteraka hanaovana teny fampaherezana. Raha ny amin’i Jesosy sy ireo mpianany anefa, dia toa tsy nety velively ny fotoana. “Ary nony niala [avy tao an-tsambokely] Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.” (Marka 6:31-34). Eny, nitandrina ny vavany i Jesosy. Fantany ny hoe tamin’ny fotoana toy inona izy no tokony hiteny ary tamin’ny fotoana toy inona no tokony hangina. — Jereo Matio 26:63; 27:12-14.
Ianao koa dia afaka mianatra mitandrina ny vavanao. Miezaha manokana manalavitra ny firesahana be loatra. Mitandrema tena amin’ny teny tsy voahevitra mety hanimba ny lazanao sy ny an’ny hafa. Ary jereo ny fotoana hahafahana mampahery ny mpiara-belona aminao amin’ny alalan’ny “teny atao amin’izay andro mahamety azy”. Hanampy anao ‘hiaro ny ainao’ ny fomba fanao toy izany. — Ohabolana 13:3.
[Sary, pejy 23]
Moa ve ianao mirona hanapaka ny tenin’ny hafa, na misalovana tsy amin’ny antony foana amin’ny resaka?