Tadidinao ve?
Nankamaminao ve ny vidin’ireo nomerao vao haingana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana eo amin’ny fampiharana? Jereo raha tadidinao ireto hevitra manaraka ireto:
◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa boky iray ho an’ny olona rehetra ny Baiboly?
Vao teo am-boalohany ny Baiboly dia nihevitra ny ho avin’ny olombelona tamin’ny ambaratonga maneran-tany (Genesisy 1:28). Noreseny ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana rehetra, ny fanindrahindram-pirenena sy ireo antony miteraka fisaratsarahana mitambesatra amin’ny olombelona. Miantefa amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra izy io ary mampiseho ny tany ho fonenana midadasika ho an’ny taranak’olombelona rehetra (Asan’ny apostoly 17:26).
◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireto teny ireto: “Raha tsara [tsotra, MN ] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra”? (Matio 6:22.)
Ny teny hoe “tsotra” dia avy amin’ny teny grika iray izay manondro indrindra tsy fifantohan’ny saina na fifikirana afa-tsy amin’ny fikasana iray ihany. Amin’ny fandraisana ho zava-kendrena ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hiezaka isika hanao zavatra mifanaraka amin’ny vaovao tsara be voninahitra momba ilay Fanjakana, amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika.
◻ Milaza inona moa ny hoe Jehovah dia mahefa ny zavatra rehetra sy mahalala ny zavatra rehetra?
Hoy Jehovah tamin’i Abrahama: “Izaho no Andriamanitra Tsitoha.” (Genesisy 17:1). Hain’i Jehovah atao ny mampiasa ny maha-tsitoha azy na ny fahaizany hahefa ny zavatra rehetra, mba handresena izay rehetra mety ho vato misakana ny fanatanterahana ireo fampanantenany sy ireo fikasany. Tanteraka koa Jehovah amin’ny fahalalana sy ny fahendrena, mahalala ny zavatra rehetra izy. Amin’izany, dia afaka mahita mialoha izay tiany ho hita mialoha izy. Noho ireo toetra roa ireo no tsy mety hahitany tsy fahombiazana (Isaia 14:24).
◻ Ahoana no azontsika anehoana fanetren-tena rehefa mivavaka ampahibemaso ho an’olon-kafa isika?
Afaka manome taratry ny fanetren-tena isika amin’ny toetry ny feontsika, amin’ny tsy fananana mihitsy fiovam-peo be fombafomba sy amboamboarina. Tsy tokony handidy na oviana na oviana an’i Jehovah mba hanao zavatra sasany isika. Tokony hivavaka aminy mifanaraka amin’ny sitrapony kosa isika, ary ny fitenintsika dia tokony ho voamariky ny fanajana sy ny fahamendrehana foana, ka hampiharihary fa ekentsika amim-panetren-tena ny fahakelezantsika (Matio 6:5; Isaia 66:2).
◻ Ahoana no azon’ny kristiana iray itanana fihetsika manorina rehefa enjehina?
Tsy tokony havelany mihitsy ny sainy handinidinika hevitra mandrava. Ilainy kosa ny hisaintsainana izay nataon’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah hafa tamin’ny fotoam-pisedrana. Nanana finoana sy fitokisana tanteraka an’i Jehovah izy ireny, natoky fa ho afaka ny hanangana azy amin’ny maty sy hamaly soa azy izy (Apokalypsy 2:10). Sahala amin’izy ireny, ny kristiana miaritra fanenjehana dia afaka mitadidy mazava ao an-tsainy ny fanantenana ny fandehan-javatra vaovao sy marina ampanantenain’i Jehovah antsika (jereo Hebreo 12:2).
◻ Tamin’ny raharaha lehibe inona moa no niray hevitra ry Hus sy Wycliffe ary Luther?
Niray hevitra daholo izy rehetra fa ny Tenin’Andriamanitra no tokony homena toerana voalohany, na manao ahoana na manao ahoana hevitry ny olona. Ireo kristiana voalohany dia nanana koa izany fiheverana voazava izany satria izy ireo nampianarin’ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy (Asan’ny apostoly 5:29; Jaona 17:17).
◻ Moa ve ny volon-koditra mainty avy amin’ny fanozonan’Andriamanitra an’i Kanana sy ny taranany?
Tsia; ny mainty hoditra dia tsy avy amin’i Kanana akory fa avy amin’i Kosy sy Pota angamba. Tsy nisy voaozona anefa na dia iray aza tamin’ireo zafikelin’i Noa roa ireo (Genesisy 9:24, 25; 10:1, 6).
◻ Inona moa no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy mba hankahala ny mpianakavin’ny tena ary hatramin’ny tena koa aza (Lioka 14:26)?
Tian’i Jesosy ny hilaza fa, oharina amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fifikirantsika amin’i Kristy, ny fifandraisantsika amin’ny mpianakavintsika dia mety hitovy amin’ny fankahalana (jereo Matio 12:46-50).
◻ Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no hoe “Tompon’ny Sabata”, araka ny fitenenana hita ao amin’ny Matio 12:8?
Nanisy fitenenana ny amin’ny Fanjakany arivo taona ho feno fiadanana i Jesosy. Io Sabata lehibe io, dia ny Fanjakan’i Kristy, dia hanamaivana ny olombelona amin’ny fahoriana sy ny fampahoriana rehetra.
◻ Nahoana moa no tsy fahendrena loatra ny hameran’ny ankizy irery ihany ireo ho zava-kendreny eo amin’ny fiainana?
Voafetra loatra ny fanandraman-javatra efa hitan’ny ankizy ka tsy ho hain’ny tenany ihany ny hilazalaza izay ho zava-kendreny eo amin’ny fiainana. Raha tsy ny ray aman-dreniny no manampy azy hifidy zava-kendrena, dia hisy olon-kafa hanao izany. Mety ho mpiara-mianatra izany na mpanolo-tsaina mitarika ho amin’ny asa. Azon’ny ray aman-dreny kristiana atao ny manampy ireo zanany hanana zava-kendrena mifanaraka amin’ny fitiavan’izy ireo ny zavatra ara-panahy.