FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/12 p. 3
  • Manaraka ny dian’ilay Mpamonjy ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaraka ny dian’ilay Mpamonjy ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona Tsara Fotsiny ve i Jesosy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Araho Hatrany ny Dian’i Jesosy Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • ‘Araho Akaiky ny Diany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/12 p. 3

Manaraka ny dian’ilay Mpamonjy ve ianao?

NY ANANKIRAY amin’ireo fomba tsara indrindra fanajana olona dia ny fanahafana azy. Matetika ny zanaka no manahaka ireo ray aman-dreniny. Ny zatovo angamba haka tahaka mpanan-talenta malaza, ny olon-dehibe haka tahaka mpitondra ambony eo amin’ny raharaha ara-barotra na ara-politika. Firy anefa ny olona manandrana manahaka ilay lehilahy nalaza indrindra teo amin’ny Tantara, dia Jesosy Kristy?

Vao haingana foana izay, ny fitsapana nataon’ny fikambanana Gallup dia nampiharihary izao: “Amerikana valo tamin’ny folo no nanantitrantitra fa nanao fiezahana sasany izy ireo mba hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy.” Roa ambin’ny folo isan-jato monja no nanambara fa niezaka araka izay rehetra azony natao izy ireo ho amin’izany’.

Fa nahoana moa Jesosy no mendrika hotahafina kokoa noho ny olona be fahefana hafa? Voalohany indrindra, araka ny nasain’ny “encyclopédie” iray (The World Book Encyclopedia) nomarihina, Jesosy Kristy dia azo inoana fa nanan-kery lehibe indrindra teo amin’ny olombelona noho ny manana aina hafa rehetra”. Nifanohitra tamin’ny olon-kafa be fahefana anefa, Jesosy dia tsy niainga hanafika nitarika tafika iray mba hahazoana fanovana an-tery. Tsy niankina tamin’ny fampielezan-kevitra nandaniam-bola be izy, araka ny ataon’ireo mpitory ny filazantsara fantatra tsara ankehitriny. Tsy nanohana antoko ara-politika iray koa izy. Ny herin’ny hafatra nentiny sy ny fomba nilazany izany ihany no nahataona. — Matio 7:28, 29; Jaona 7:46.

Jesosy dia nitaona ny olona hanao fiovana nahagaga teo amin’ny fiainan’izy ireo, teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena. Olon-kafa iza no nampihatra fitaomana mahasoa teo amin’ny olona maro be toy izany? Afa-tsy izany koa, mpitondra olombelona hafa iza no ho azo lazaina fa “masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota”? (Hebreo 7:26.) Tonga lafatra àry ny ohatra nomen’i Jesosy — ka tsy azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny olon-kafa rehetra nety ho hita teto an-tany.

‘Nefa moa ve afaka manaraka ohatra toy izany ny olona iray malemy sy tsy tanteraka?’ hoy ny fanontanian’ny sasany. Tao amin’ny bokiny hoe Esquisse de l’Histoire universelle, ilay mpanoratra tantara atao hoe H. G. Wells dia nanamarika fa hatramin’ny voalohany ny olona dia nisalasala ny hanaraka an’i Kristy. “Satria (...) ny fiheverana [an’i Kristy] ho zavatra, hoy izy, dia fidirana ao amin’ny fiainana iray hafahafa sy mampanahy, fialana amin’ny fahazaran’ny tena, fifehezana ny fomba sy fironan’ny tena, fiaingana hikatsaka fahasambarana mila tsy ho azo inoana.” Namarana ny teniny toy izao i Wells: “Inona no mahagaga raha amin’izao andro izao aza io Galiliana io [Kristy] dia lehibe loatra ho an’ny fontsika kely loatra?”

Tena marina ve izany? Marina fa tsy ho azo atao ny hanahaka an’i Kristy tanteraka. Nanoratra anefa ny apostoly Petera fa Kristy dia ‘namela fianarana mba hanarahantsika [tsara, MN ] ny diany’. (I Petera 2:21.) Mariho fa tsy nilaza izy hoe ‘mba hanarahantsika “tanteraka” ny diany’, fa ‘mba hanarahantsika “tsara” ny diany’. Karazana ohatra inona àry no navelan’i Jesosy ho antsika? Ahoana no azontsika anahafana azy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara