‘Araho tsara ny diany’ — Amin’ny fomba ahoana?
“TSY ho tratrako na oviana na oviana ny fahatanterahan’i Jesosy, na toy inona na toy inona isan’ny vavaka hataoko na fisahiranako.” Sivy amby valopolo isan-jaton’ny olona nanontanian’ny revio U.S. Catholic no nanaiky an’io fanambarana io. Marina tokoa fa mety ho toa tsy araka ny tena izy ny fitadiavana hanara-dia an’i Kristy, indrindra fa rehefa heverina ny sary nataon’ireo Fiangonana ny aminy. Nanambara toy izao ny katolika iray: “Raha fintinina, ny fiheverako an’i Jesoa dia olona mafana fo, feno fitiavana, be fahamoram-panahy, mandefitra ary tsy manantena zavatra be loatra avy amiko. Rehefa mankany amin’ny eglizy anefa aho, dia asandratra amim-pitiavam-pivavahana ho Andriamanitra aoka izany Jesoa, hany ka mahatsiaro tena ho kely dia kely aho noho ny tsy fahatanterahako.”
Ao amin’ireo Filazantsara anefa Kristy dia tsy “asandratra amim-pitiavam-pivavahana ho Andriamanitra”. Porofoiny fa Jesosy dia teraka, tsy tao anatin’ny fianakavian’ny andriana, fa ny an’ny mpiasa. Mpandrafitra ny ray nitaiza azy. Na dia voafetra aza ny fahalalantsika ny amin’ny fahazazan’i Jesosy, ny fitrangan-javatra iray tao amin’io vanim-potoana amin’ny fiainany io dia mampiharihary zavatra aoka izany. Rehefa feno roa ambin’ny folo taona i Jesosy dia nentin’ireo ray aman-dreniny nankany Jerosalema falehany isan-taona ho amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. Tamin’io fandehanana io i Jesosy dia variana tao amin’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny Soratra Masina, hany ka lasa tsy niaraka taminy ny fianakaviany. Mazava ho azy fa velom-panahiana Josefa sy Maria raha nahita azy hateloana taty aoriana tao amin’ny tempoly, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy”. Ary ambonin’izany, dia “talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany”. Alao sary an-tsaina ny fisehoan-javatra: vao roa ambin’ny folo taona monja izy ary hainy, tsy ny nametraka fanontaniana lalina sy araka ny fanahy ihany, fa ny nanome valiny mampiseho fahiratan-tsaina koa. Tsy isalasalana fa nandray anjara tamin’izany ny fanabeazan’ny ray aman-dreniny azy. — Lioka 2:41-50.
Raha tanora ianao, azonao atao ve ny manaraka ny ohatra nomen’i Kristy? Tsy isalasalana mihitsy ny amin’izany, satria ny tenan’i Kristy mihitsy no namela ho anao “ohatra hotahafina mba hanarahanao tsara ny diany”. — I Petera 2:21, MN.
Ny fahatanorana dia fotoana mety mba hahazoana fahalalana fototra ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny. Marina fa ny hafa angamba mandany fotoana be dia be amin’ny famakiana bokin-tsary sy amin’ny fijerena televiziona. Fa nahoana kosa ianao no tsy hanaraka ny dian’i Jesosy izay, raha mbola vao zaza, dia nahita fahafinaretana tamin’ny fianarana hahalala an’i Jehovah? Noho izy tia ny zavatra ara-panahy, dia ‘nitombo saina Jesosy’. (Lioka 2:52.) Mety ho toy izany koa ny aminao.
Aoka hohazavaintsika amin’ny alalan’ny ohatra ny resatsika: Tao amin’ny sekoly iray atsy Afrika atsimo, dia nanontaniana ny mpampianatra iray raha afaka nanaporofo izy fa marina ny Baiboly. Niaiky izy io fa nihoatra noho ny fahaizany izany? Tamin’izay ny zazalahy iray, Vavolombelon’i Jehovah, no nanambara tamim-pahasahiana hoe: “Haiko ny manaporofo fa marina ny Baiboly.” Ahoana no hataony? Nitadidy fanazavana nianarany tao amin’ny nomerao vao haingana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izy. Araka izany, rehefa avy nahazo lalana hiteny izy dia nanazava faminaniana iray voarakitra ao amin’ny toko faha-2 amin’ny bokin’ny Daniela. Talanjona ny iray kilasy rehefa nasehony fa ilay faminaniana dia nanambara ny fiakarana sy ny fianjeran’ireo herim-panjakana nisesy, sy ny handravan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy ireo amin’ny farany. Io famelabelarana io dia niteraka fifanakalozan-kevitra nafana nahafahan’ilay Vavolombelona tanora namaly fanontaniana maro.
Tonga mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy
Ny fahalalana sy ny fahafantarana ny Baiboly azon’i Jesosy tao anatin’ny fahatanorany dia nanosika azy taty aoriana hanatanteraka asa lehibe iray. ‘Nanatona an’i Jaona i Jesosy mba hataony batisa.’ Tonga ny fotoana hiantsorohany ny andraikiny amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra. Tamin’ny batisany no nisehoany tamin’ny Rainy mba hanao ny sitrapony. — Matio 3:13-15.
Ny kristiana koa dia manana adidy hanahaka an’i Kristy amin’ny fanekena hatao batisa. Ny batisa dia marika masina, famantarana ivelany mampiseho fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny tena. Alohan’ny hanekena hiasa ho an’ny lehibe na ny fikambanana iray, dia fantarina ireo zavatra sy fepetra takiny, ary matetika izany no miafara amin’ny fanaovana sonia fifanarahana. Tsy manan-kery anefa io fifanarahana io raha tsy misy sonia. Toy izany koa ny batisa: mampanan-kery ny fanolorana ny tenantsika ho an’Andriamanitra izany. Toy ny hoe milaza sahala amin’izao toa an’i Jesosy isika: ‘Inty aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!’ (Hebreo 10:7). Amin’izany fanaovan-javatra izany no ahatongavantsika ho mpanompon’Andriamanitra, ho minisiny. — II Korintiana 3:5, 6.
Mazava ho azy fa, sahala amin’ny nataon’i Jesosy, dia tokony hikatsaka fahalalana fototra ny amin’Andriamanitra ianao, voalohany indrindra. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia afaka manampy anao amin’izany, ary koa ireo zanakao, amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly voalamina.
Nomeny ny toerana voalohany ny fanompoana
Taorian’ny batisany i Jesosy dia nandia vanim-potoana nifadiana hanina, nisaintsainana sy nivavahana. Azo antoka fa izany dia nanomana azy ho amin’ny fakam-panahy hihatra aminy. Natolotr’i Satana Devoly azy ny fanapahana eo amin’ny “fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao”. Toy inona moa ny fiainana nety ho nananan’i Jesosy raha nanaiky ny fanoloran’ny Devoly izy! Tsapan’i Kristy anefa fa ho nihelina ihany izany fiainana izany. Nolaviny avy hatrany ny fanoloran’ny Devoly; taty aoriana dia “nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:2, 8-10, 17). Mandra-pahatapitry ny fiainany teto an-tany, dia minisitry ny Fanjakan’Andriamanitra manontolo andro i Jesosy.
Toy izany koa amin’izao andro izao, ny kristiana iray dia tsy hamela an’izao tontolo izaon’i Satana hahasodoka azy ka hahatonga azy hanao ny asa iray na ny raharaha tsara karama iray ho ny zava-kendrena eo amin’ny fiainany. Rehefa nanasa ireo mpianany voalohany hanaraka azy tokoa i Jesosy, “dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy”. (Marka 1:17-21.) Moa ve àry ho fahendrena ny hanekena ho voaray ao anatin’ny fandriky ny zava-kendren’izao tontolo izao? Amin’izao andro izao i Jesosy dia mibaiko an’ireo mpianany mba ‘hitory ny vaovao tsaran’ny fanjakana’. (Matio 24:14, MN.) Marina fa angamba ianao tsy maintsy mikarakara ny fianakavianao, na miantsoroka andraikitra karazany hafa. Vavolombelon’i Jehovah maro be àry no manararaotra ireo takariva sy ireo faran’ny herinandro mba hiantsorohana ny andraikitra hitory izay adidin’ny kristiana. Ny sasany aza afaka mandamina ny fotoanany mba hanaovana izany manontolo andro.
Tatsy Afrika Atsimo, ny zazalahy iray dia nikasa ny ho any amin’ny oniversite rehefa hiala amin’ny fianarana. Rehefa avy nanamarika ny fanolorany tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anefa izy, dia nahatsiaro fa nanana adidy hanomboka ny fanompoana manontolo andro. Ny rainy izay tsy Vavolombelona, dia nanohitra izany aloha. Rehefa natao anefa ny fifanakalozan-kevitra, tamin’ny farany izy dia nanaiky ny hiasan’ny zanany lahy ao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika Atsimo.
Rehefa avy nandany sivy taona feno fahasambarana tao izy dia nanambady ary tonga mpitory manontolo andro niaraka tamin’ny vadiny. Taty aoriana, dia niteraka iray izy ireo. Na dia izany aza dia nangataka tamin’i Jehovah izy ireo mba hanampy azy hijanona ho mpitory manontolo andro. Tsaroan’izy ireo ny fampanantenan’i Jesosy fa raha misy mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany, dia ‘hanampy ho azy izany rehetra izany [ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana]’. (Matio 6:33.) Niharihary fa marina ireo teny ireo. “Niaina tamin’ny fomba tsotra izahay nandritra izany taona rehetra izany, hoy ny fitantaran’io ray io, kanefa nanome ho an’ilay zanakay vavy trano nahafinaritra sy izay nilainy teo amin’ny lafiny ara-nofo.”
“Malemy fanahy sady tsy miavona am-po”
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
Rehefa nahavita fahagagana izy, rehefa namoaka demonia, ohatra, dia tsy nilaza izany ho avy amin’ny tenany izy, fa niaiky an-karihary hoe nahatanteraka zavatra toy izany noho “ny Fanahin’Andriamanitra”. (Matio 12:28.) Ary na dia afaka nitana ny sain’ireo mpihaino azy aoka izany aza izy, hany ka “talanjona ny olona tamin’ny fampianarany”, dia tsy nitady ny voninahitry ny tenany izy (Lioka 4:32). Tsy izany velively! Nilaza mazava toy izao foana izy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” — Jaona 7:16.
Amin’izao androntsika izao, ny kristiana marina dia miezaka maneho fanetren-tena tahaka izany. Ohatra, rehefa mampianatra olon-kafa izy ireny dia tsy manintona ny saina ho amin’ny tenany. Mailaka kosa izy ireny ny hilaza fa avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany ny fahakingany, satria ny zava-kendreny dia ny hampita ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. “Inona no anananao, izay tsy noraisinao?”, hoy ny fanontanian’ny apostoly Paoly. — I Korintiana 4:7.
Ny fanetren-tenan’i Jesosy koa dia miharihary amin’ny nahavononany handeha an’arivony kilaometatra maromaro, tsy tamin’ny kalesy, fa an-tongotra, mba hiantsorohana ny anjara asany tamin’ny naha-mpitory mpitety faritany. Indray andro dia sasatra aoka izany izy sy ireo mpianany ka nahatsapa fa nila ny ‘niala sasatra kely’. Rehefa tonga anefa ny olona maro be, noanan’ny fampaherezana ara-panahy, dia hadinon’i Jesosy ny havizanany ka “nampianatra azy zavatra maro Izy”. — Marka 6:31-34.
Tatsy Lesotho, ao Afrika, ny minisitra mpitety faritany iray Vavolombelon’i Jehovah (antsoina hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany) sy roa amin’ireo namany dia naneho toe-tsaina toy izany vao haingana. Nandeha nandritra ny 22 ora izy ireo namakivaky faritra iray be tendrombohitra mba hitsidika kristiana nitokana vitsivitsy. Sasatra noho ny dia ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany ka nanapa-kevitra ny hiala sasatra ny ampitso. Be dia be aoka izany anefa ny olona tonga nitsena azy sy nametraka fanontaniana taminy, hany ka na dia tao aza ny fahasasarany dia nitsangana izy ka nampianatra ireo olona ireo ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Nampahery aoka izany ny fandraisan’izy ireo, hany ka nahatsiaro tena ho novalian-tsoa be dia be ireto mpandeha sasatra noho ny fiezahany.
Aoka isika hanahaka azy!
Mamporisika antsika ny apostoly Paoly mba ‘hijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’. (Hebreo 12:2.) Ny fomba iray fanarahana ny fananarany dia ny famakiana tsy tapaka ireo Filazantsara sy ny fisaintsainana ny amin’ireo lafiny azontsika anahafana an’i Kristy. Ohatra, naneho herim-po i Jesosy rehefa nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana fatra-panamarin-tena, na dia fantany aza fa nankahala azy sy hamono azy ireo (Matio 23:1-36; 26:3, 4). Tony sy nahafehy tena hatrany izy rehefa nisy namely azy (I Petera 2:23). Tamin’ny fampianarany, dia naneho fahatakarana ny toe-tenan’olombelona izy ary afaka naneho fahamarinana lalina tamin’ny fiteny tsotra.
Ny talentan’i Jesosy niavaka indrindra anefa dia ny fitiavany. “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Nomeny refiny vaovao aza ny teny hoe fitiavana tamin’ny fampianarana antsika mba ho tia ireo fahavalontsika. — Matio 5:43-48.
Ohatra tampony ho antsika tokoa i Jesosy! Tsy mora akory ny manahaka azy, ary angamba isika tafintohina indraindray. Aoka anefa tsy ho ketraka mihitsy isika (Galatiana 6:9). Olona an-tapitrisany maro tokoa no miezaka hanahaka an’i Jesosy ka mahavita izany. Tsy isalasalana mihitsy fa anisan’izany ny olona nanome anao an’ity gazety ity ka ho faran’izay faly hanampy anao koa hanaraka ny dian’i Jesosy, sy hanaraka TSARA izany.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Na dia fony mbola kely aza i Jesosy dia naneho fahalianana lalina tamin’ny raharaha ara-panahy. Manahaka azy ve ianao amin’io lafiny io?
[Teny notsongaina, pejy 6]
Naleon’i Kristy ny fanompoana toy izay raharaha iray teo amin’izao tontolo izao.