“Ho tiana ny hamakian’ny rehetra azy!”
TAMIN’IREO teny ireo no nampitan’ny lehilahy iray taminay ny fanehoany fankasitrahana noho ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Ny taratasiny dia manome taratry ny fihetseham-pon’olona an-tapitrisany maro izay, rehefa avy nijery ireo valiny omen’io boky 256 pejy misy sary io an’ireo fanontaniana momba ny fiandohana sy ny zava-kendren’ny fiainana eto an-tany, dia nihevitra azy ho tsy azo tombanana.
Io boky io, navoaka tao amin’ireo fivoriamben’ny distrika nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taona lasa tany amin’ny tany samihafa, dia naely an-tapitrisany maro tamin’ny fiteny maro. Miaraka amin’ny porofo ara-tsiansa sy ara-baiboly, izy io dia nanampy ny olona hanaiky ny fisian’ny Mpamorona iray izay manana fikasana mahatalanjona ny amin’ny olombelona.
“Mora azo”
Voasoratra amin’ny fomba mora azo io boky io. Nanao izao fanamarihana izao tokoa ny taratasy iray: “Tiako ny milaza fa nanaitra ny saiko mafy ilay bokinareo. Saina mamotopototra tsara inona no hahatohitra ny fandrindran-kevitrareo tsy azo sakanana? Mendri-piderana ny fahombiazanareo nanao an’io foto-kevitra lalina io ho mora azo, ka tena fahombiazana izany rehefa heverina amin’ny fitambaram-pahalalana voangona ao amin’io boky io.”
Niray hevitra tamin’izany ny evaolisionista taloha iray izay nahazo fampiofanana ara-tsiansa ka nilaza hoe: “Ankona aho noho ny fahazavana sy ny herin’io boky vaovao io. Amin’ny bokin-tsiansa rehetra novakiko, araka ny hevitro, dia io no mamela hankamamy indrindra ny hasoan’ny fiainana. Feno dia feno izy io eo amin’ny fiheverana ara-tsiansa sady amin’ny faritra mety ho azon’ny maro be.”
Nanambara toy izao ny hafa iray: “Manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia sangan’asa io boky io. Mitambatra ao amin’ny fomba mahafinaritra aoka izany ny sary sy ny teny, hany ka na dia ireo olona tsy voasinton’izany karazam-poto-kevitra izany aza dia ho sodokan’ny fahatsorany sy ny fomba fanoratra azy fohy. Ny fahamendrehana sy ny fanajana ampiharihariana ny fahamarinana ao dia hamaly tsy misy fihambahambana sy amin’ny fomba tsy azo lavina, ny fanontaniana apetraky ny lohateny.”
Manampy amin’ny fanohinana ny fo ireo sary
Momba ireo sary ao amin’io boky io, dia nanoratra toy izao ny olona iray: “Tsy ho hay mihitsy ny hisaotra anareo noho io boky kanto io. Tena zava-kanto ireo sary.”
Tsy asan’ny mpanan-talenta fotsiny anefa ireo sary. Mampianatra sy manamafy ireo fanaporofoan-kevitra ao amin’ny soratra izany. Mampiseho izany ny taratasin’ny fianakaviana iray: “Ireo sary sy ny fahatsoran’ilay boky dia nanampy ireo mpianakavinay izay sahirana mahatakatra ny lafiny ara-tsiansa.” Nirakitra izao fanamarihana izao ny taratasy hafa iray: “Mahasoa tokoa ireo sary sy teny nalaina eny an-tsisiny mba hahazoana sy hitadidiana ireo hevitra.”
Ny toko faha-19, “Ny Paradisa ho eto an-tany tsy ho ela”, dia nanohina indrindra an’ireo mpamaky. Nanoratra toy izao ny fianakaviana aostraliana iray momba ireo sary ao amin’io toko io: “Mampihetsi-po lalina izy ireo. Nanandrana naka sary an-tsaina ny tenanay tao amin’ny Paradisa izahay mianakavy. Ny fiainana ao amin’ny Paradisa hiasana mandrakizay ho an’i Jehovah dia azo antoka fa mendrika ny fiezahantsika rehetra tokoa. Nahalatsa-dranomaso anay ireo sary.”
Nanoratra toy izao ny olon-kafa iray: “Araka ny fitadidiako, dia io no boky kanto indrindra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay. Rehefa tonga teo amin’ny pejy faha-243 aho ka nahita ny sarin’ilay zazavavy kely miaraka amin’ny tigra, dia nitomany.” Nilaza toy izao koa ny hafa iray: “Nitomany aho rehefa namadibadika azy. Nitomany noho ny hafaliana aho.” Nitantara toy izao ny hafa iray koa, monina any Kanada: “Nipararetra tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny foko ary feno ranomasom-pifaliana ny masoko.”
Tsy isalasalana fa mahalala olona izay hahita soa amin’ny fananana ny boky Création ianao. Nahoana raha andefasanao ho fanomezana amin’io izy ireny? Jereo ao amin’ny pejy manaraka ny azonao atao amin’izany.