FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/1 p. 22-24
  • ‘Tiava ny namanao’ — inona no fomba mahasoa indrindra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tiava ny namanao’ — inona no fomba mahasoa indrindra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasaina amin’ny inona ny volanao?
  • Aoka isika hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy
  • Nahoana no mahasoa tokoa ny hitoriana
  • Tiavo amin’ny fomba mety ny namanao
  • Voatosika Hanao Zavatra toa An’i Jesosy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • “Nangoraka ... i Jesosy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Fanomezana Mahafaly An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/1 p. 22-24

‘Tiava ny namanao’ — inona no fomba mahasoa indrindra?

INONA no tsapanao rehefa mahita ny sasany amin’ny mpiara-belona aminao ao anatin’ny fahantrana tanteraka ianao? Inona, ohatra, no irinao hatao eo anoloan’ny sarin’ankizy maty noana? ‘Mahatsapa fangorahana aho, hoy angamba ianao, ary maniry hanampy azy ireny aho.’ Ny vola be omena isan-taona ao amin’ny fanaovana asa soa sy ireo birao fanaovana vonjy rano vaky dia porofo fa olona maro no mitovy fihetseham-po amin’izany.

Mendrika hoderaina ny fanatanterahana asa tsara toy izany ho an’olona sahirana, indrindra fa rehefa heverina ny didin’i Jesosy mba hitiavana ny namana tahaka ny tena (Matio 19:19). Olona tso-po maro no mino fa ny fomba mahasoa indrindra mba hanehoany fitiava-namana dia ny fanorenana sy ny fikarakarana hopitaly, sekoly, ny fanolorana fanomezana ho amin’ny antony tsara sy ny fanaovana asa ara-tsosialy samihafa. ‘Voafintina amin’izany ny kristianisma, hoy angamba izy ireny, amin’ny fanampiana toy izao, raha miteny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy: ‘Tsy isalasalana fa mahasoa kokoa izany noho ny fanokanana ny fotoana sy ny herin’ny tena hitoriana isan-trano toy ny ataonareo.’

Izany anefa ve no izy? Inona no fomba ilaina indrindra sy mahasoa indrindra maharitra mba hitiavana ny naman’ny tena?

Ampiasaina amin’ny inona ny volanao?

Raha mikasa ny hanome vola ianao mba hanohanana antony tsara, dia mety ny hanontanianao tena hoe: ‘Hatraiza no handraisan’ireo olona heverina fa hampiana amin’ny fanomezako, soa?’ Ny famotopotorana natao tamin’ny 1978 tamin’ireo fanangonam-bola 15 lehibe indrindra ho amin’ny asa fiantrana any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina, ohatra, dia nampiharihary fa tamin’izany fotoana izany ny lany tamin’ny fitantanana sy ny fizarana dia teo amin’ny 42 isan-jaton’ny vola niditra rehetra tamin’ireny asa ireny.

Rehefa nanamarina ny kaonty fitsitsiana ho an’ny “zaza atsangana” enina any Bolivie ny mpiasa ao amin’ny televiziona, dia nahita fa 6 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny fanomezana nalefan’ny ‘ray aman-dreniny nanangana azy’ tao amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina no nampidirina tao amin’ny kaontiny any amin’ny trano fametraham-bola. Ny mpitondra tenin’io fikambanana io anefa dia nanda ny fiampangana ho mamitaka tamin’ny fanaporofoana fa ireo mety hanome dia nampiomanina mazava fa ireo ankizy dia tsy handray afa-tsy eo amin’ny ampahatelon’ny fanomezana avy amin’ireo ‘ray aman-dreniny’. Ny sisa, rehefa avy nampiasaina ho amin’ny fandaniana amin’ny fitantanana, dia hampiasaina ho amin’ny antony ara-panabeazana sy ara-pitsaboana.

Mazava ho azy fa fanta-bahoaka ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ireo fanomezana. Izany no hita tamin’ny fandaharam-pampianarana natao mba hiatrehana ny mosary vao haingana tatsy Afrika. Tany Etiopia, noho ireo zava-manahirana ara-politika, ny ankabetsahan’ny sakafo dia tsy tonga tany amin’ireo izay nila izany, ary indraindray ireo sakafo nomena dia toa hoe namidy — lafo be tsy nisy toy izany — fa tsy nozaraina maimaimpoana.

Ilay boky nosoratan’i Carl Bakal hoe Ny fiantrana any Etazonia (anglisy) dia manome izao fampitandremana izao: “Noho ny antony mendrika, dia tsy anontaniana mihitsy ny fomba nandaniana ny vola. Tsy iriko ny hitsaharan’ny olona tsy hanao fanomezana. Heveriko fotsiny fa ilaina ny hanontanian-tena, satria atao an-jamba aoka izany ny fanomezana.” Miharihary fa tsy fahendrena ny hanaovana fanomezana an-jamba, ary sarotra ny hihevitra izany ho mahasoa.

Aoka isika hanaraka ny ohatra nomen’i Jesosy

Mazava ho azy fa mampalahelo izany toe-javatra izany, kanefa moa ve izany manamarina ny fandavana tsy hanohana anton-javatra mendrika toy izany? Rehefa dinihina, moa ve Jesosy tsy nanasitrana ny marary sy namahana ny noana tamin’ny fomba mahagaga, ka nanome tamin’izany, ohatra halain’ny kristiana amin’izao andro izao tahaka?

Marina fa nangoraka i Jesosy rehefa nahita olona sahirana. Andinin-teny valo no manantitrantitra izany ao amin’ny Baiboly. Andinin-teny roa no miresaka ny amin’ny filana sakafo (Matio 15:32; Marka 8:2), telo ny amin’ny ilàna fanasitranana ara-batana (Matio 14:14; 20:34; Marka 1:41), ary anankiray ny amin’ny ilàna fampaherezana noho ny fahafatesan’olo-malala (Lioka 7:13). Ireo andinin-teny roa hafa anefa dia manisy fitenenana ny amin’ny zavatra ilaina mbola mahadodona kokoa ihany. Izao no ambaran’ny Matio 9:36: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Ary izao no tantarain’ny Marka 6:34: “Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.”

Raha ny marina, na dia nanosika an’i Jesosy hikarakara ny olona teo amin’ny lafiny ara-panahy aza ny fitserany ny olona, ny nitana ny sainy indrindra dia ny fanolorana azy ireny ny fanampiana ara-panahy tsy noheverin’ireo mpitondra ara-pivavahana azy ny fitondrana izany (jereo Matio toko faha-23). Izy dia “Mpiandry Tsara”, ilay vonona ny hahafoy “ny ainy hamonjy ny ondry”. (Jaona 10:11.) Noho izy nanome ny toerana voalohany indrindra teo amin’ny fiainany ho an’io asa fitoriana io — fa tsy ho an’ny asa ara-tsosialy, ho an’ny fanorenana hopitaly na ho amin’ny fitantanana birao fanaovana vonjy rano vaky — dia azony natao ny nilaza toy izao tamin’i Pilato taty aoriana: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” — Jaona 18:37.

Na dia nomen’i Jesosy an’ireo apostoliny aza ny fahefana hanatanteraka fanasitranana mahagaga, dia tsy nanisy fitenenana ny amin’izany izy rehefa nanome azy ireo ny toromariny farany talohan’ny hiakarany ho any an-danitra. Nandidy azy ireo toy izao izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Mazava àry fa ny asa lehibe indrindra dia ny ‘fanaovana mpianatra (...), manao batisa azy (...), mampianatra azy’. — Matio 28:19, 20.

Nahoana no mahasoa tokoa ny hitoriana

Mahasoa ny fitoriana satria manampy ny olona hanaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, ka izany dia mahatonga azy ireny hisoroka zava-manahirana hahatonga azy hahantra. Ohatra, raha toa ny olona iray manaraka ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly momba ny asa sy ny fihetsika tokony harahina eo anoloan’ny fananana ara-nofo, izany dia mety hanampy azy tsy ho latsaka ao anatin’ny fahantrana (Ohabolana 10:4; Efesiana 4:28; I Timoty 6:6-8). Na koa, raha manaraka ireo torohevitra omen’ny Baiboly ny olona iray momba ny fampiasana zavatra mahadomelina ary raha mihevitra ireo fitsipiny ara-pitondrantena izy, dia mety hanatsara ny fahasalamany izany ka hiantoka ho azy, fiainam-pianakaviana sambatra kokoa.

Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny Iogoslavy iray 35 taona monina any amin’ny Repoblika federalin’i Alemaina. Niaiky toy izao izy: “Teo amin’ny faha-18 na 19 taonako, dia efa tonga fatra-pitia alikaola aho. Teo amin’ny faha-20 taonako, dia nisotro “schnaps” iray litatra ary fara fahakeliny labiera iray kesika [20 famarana labiera] isan’andro aho. Intelo aho no nampidirina tany amin’ny hopitaly mba hanandramana manasitrana ahy tamin’ny fahazarako, kanefa tsy nahay nanampy ahy ireo mpitsabo. Raha nandray 1 300 marks isam-bolana aho [mitovy amin’ny 42 000 ariary], dia zara raha nitondra tapany kely tany an-trano ho an’ny fianakaviana aho.” Ireo teny nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah taminy tamin’ny fitoriany no niteraka tao amin’io lehilahy io, faniriana ny hampifamatotra fatorana mafy kokoa amin’ny Mpamorona azy. “Noho ny vavaka, hoy izy nanohy ny teniny, dia afaka nahomby aho tao amin’izay tsy nahombiazan’ireo mpitsabo.” Mora ny maka sary an-tsaina ireo vokatra tsaran’izany teo amin’ny fiainam-pianakaviany.

Marina fa tsy hahalamina ny zava-manahirana rehetra akory ny fitoriana. Mahasoa anefa izany satria mitondra fanantenana. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia azo antoka fa ho voalamina daholo ny zava-manahirana rehetra. Ao i Jesosy dia hanao fahagagana amin’ny lafiny ara-nofo ho an’ny velona rehetra, fa tsy ho an’ny vitsivitsy monja. Tsy hitondra fanamaivanana mihelina ireo soa homeny fa haharitra, ho mandrakizay raha lazaina daholo ny zavatra rehetra (jereo Jaona 17:3). Araka izany, amin’ny fomba maharitra, dia ny asa fampianarana ny olona haneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy sy ireo fandaharana avy amin’izany no hahasoa azy ireny indrindra.

Fandaminana ara-pivavahana maro ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana no mieboebo noho ny “asa soa” ataon’izy ireny amin’ny fikarakarana marary, mahantra sy ory. Ho tsara kokoa anefa ny hanokanan’izy ireny fotoana misimisy kokoa hanolorana fanampiana ara-panahy toy ny nataon’ny tenan’i Jesosy. Sahala amin’ireo mpitondra ara-pivavahana tamin’ny taonjato I, dia nataon’izy ireny ambanin-javatra ny asa nanirahana lehibe indrindra. Angamba nameno sakafo ara-nofo ny vavonin’ny mahantra vitsivitsy izy ireny, kanefa ny sainy sy ny fony dia navelany ho noanan’ny fahamarinana (jereo Amosa 8:11). Angamba izy ireny nanome vola mba hanampiana ireo mahantran’ny firenena, kanefa tsy nanambara “tamin’ireo firenena ny vaovao tsara ny amin’ny haren’i Kristy tsy takatry ny saina”, na ny amin’ny Fitondram-panjakana na Fanjakan’Andriamanitra (Efesiana 3:8, MN ). Angamba ireo misionerany nanampy ny mponina any amin’ny tany tsy mandroso hahay hampiasa kokoa ny angadin’omby, kanefa tsy notarihiny izy ireny “hanefy ny sabany ho fangady (...) ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka”. — Isaia 2:4.

Tiavo amin’ny fomba mety ny namanao

Raha mampifantoka ara-drariny ny fiezahantsika ho amin’ny fanampiana ara-panahy isika, dia mazava ho azy fa izany akory tsy manafaka antsika tsy hanome fanampiana ara-nofo, na ho an’olona manokana na ho an’ny antokon’olona, rehefa ilaina izany ka afaka manao izany isika. Tokony hanana faniriana ny hanahaka ireo kristiana voalohany isika (jereo Asan’ny Apostoly 11:27-30). Rehefa tena ilaina izany na rehefa mitranga ny loza aman’antambo, dia tokony ho mailaka isika ny hanaraka ny torohevitr’i Paoly amin’ny ‘fanaovan-tsoa amin’ny olona rehetra’, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana’. (Galatiana 6:10.) Mba hahazoana antoka fa manao soa lehibe indrindra, mandrakariva dia ny tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manao zavatra. Ary satria ny Vavolombelona mandray anjara amin’ny fanampiana toy izany manao azy an-tsitrapo, dia tsy misy ny fandaniana amin’ny fitantanana.

Rehefa manampy ny hafa eo amin’ny lafiny ara-nofo anefa ny kristiana dia tsy ho tiany mihitsy ny hanadino ny adidiny lehibe indrindra, dia: ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina. Io Fanjakana io dia hanaisotra tsy ho ela eo amin’izao tontolo izao ny aretina rehetra, ny fahantrana sy ny fahoriana. Mahafinaritra tokoa izany hoe afaka manampy olona ho tonga amin’ny fiainana eo amin’ny tontolo iray tsy hahavoatery intsony hanonona ny teny hoe “fangorahana”! Mahita fomba hitiavana ny namanao mahasoa kokoa noho izany ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara