Mahità fahasambarana, tohano ny ory
“Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; fa endrey ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory!” — OHABOLANA 14:21.
1, 2. Inona no nitranga tamin’ny fianakaviana telo tany Philippines, ary mitarika antsika hametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
RAHA nanatrika fivoriana kristiana ny fianakaviana telo tany Philippines, nonina tao amin’ny provans’i Pangasinan, dia namoy ny tranon’izy ireo, ravan’ny haintanàna. Rehefa tafaverina izy ireo dia tsy nanana na inona na inona hohanina intsony ary tsy nanam-pialofana. Rehefa nandre ny loza aman’antambo ny kristiana sasany dia dodona ny hitondra sakafo ho azy ireo ary nanao fandaharana mba hisy mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona hampiantrano ireo fianakaviana ireo. Ny ampitso maraina, dia nisy kristiana tonga nitondra volotsangana sy fitaovana fanorenana hafa. Nanaitra ny sain’ny manodidina tokoa izany fitiavan-drahalahy izany, ary voatohina aoka izany koa ny fon’ireo fianakaviana telo ireo. Ravan’ny afo ny tranon’izy ireo, nefa mbola tao ihany ny finoany sy ny toetra kristiana hafa ary nohatanjahina aza noho ny fihetsika feno fitiavana nasehon’ireo rahalahiny. — Matio 6:33; jereo I Korintiana 3:12-14.
2 Tsy mampahery ve ny toe-javatra karazan’izany? Izany dia manatanjaka ny finoantsika ny hatsaram-pon’ny olona ary indrindra fa ny herin’ny tena kristianisma (Asan’ny apostoly 28:2). Fantatsika ve anefa ny antony araka ny Baiboly manosika antsika “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”? (Galatiana 6:10.) Ary ahoana no mety ho azontsika anaovana betsaka kokoa eo amin’ny lafiny manokana?
Ohatra tsara dia tsara
3. Afaka matoky ny amin’inona isika raha ny amin’ny fomba ikarakaran’i Jehovah antsika?
3 Milaza amintsika toy izao i Jakoba mpianatra: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony.” (Jakoba 1:17). Marina tanteraka izany, satria Jehovah manome be dia be mba hahasambatra antsika ara-panahy sy ara-nofo. Inona anefa no omeny ny toerana voalohany? Ny zavatra ara-panahy. Araka izany, dia nomeny antsika ny Baiboly mba handraisantsika soa amin’ny fitarihana ara-panahy sy hananantsika fanantenana. Ny fototr’izany dia ny fanomezan’ny Zanany izay ny sorony dia mahatonga antsika ho afaka hahazo ny famelan’Andriamanitra sy hanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay. — Jaona 3:16; Matio 20:28.
4. Nahoana moa no miharihary fa mihevitra koa izay ilaintsika ara-nofo Andriamanitra?
4 Miahy ny amin’ny hahasambatra antsika ara-nofo koa Jehovah. Niresaka ny amin’io raharaha io tamin’olona tao amin’ny tanànan’i Lysitra fahiny ny apostoly Paoly. Tsy mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina izy ireny, kanefa tsy azony nolavina fa ny Mpamorona dia ‘manisy soa antsika, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho antsika sady manome taon-jina ka mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny apostoly 14:15-17.) Noho ny fitiavany, Jehovah dia manome izay ilaintsika ara-panahy sy izay ilaina amin’ny fiainantsika ara-batana. Tsy heverinao ve fa izany dia manao azy ho ilay “Andriamanitra finaritra”? — I Timoty 1:11.
5. Inona no mety ho fantatsika avy amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny?
5 Ny fifandraisana notanan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny dia manazava tsara ny fiheverany amim-pandanjalanjana na, izay ilaina ara-panahy, na ny toerana ara-nofon’ireo mpivavaka aminy. Nomeny Lalàna aloha ny olony. Tokony hanao kopian’io Lalàna io manokana ireo mpanjaka isiraelita, ary nivory ara-potoana ny vahoaka mba hihaino ny famakiana izany (Deoteronomia 17:18; 31:9-13). Ny Lalàna dia nanomana ny amin’ny hisian’ny tabernakely na tempoly mbamin’ny mpisorona nanolotra fanatitra, mba hahafahan’ny vahoaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ireo Isiraelita dia nivory tsy tapaka tamin’ireo andro firavoravoana ara-panahy, izay nanamarika isan-taona ny fanompoam-pivavahan’izy ireo (Deoteronomia 16:1-17). Noho izany rehetra izany, ny Isiraelita dia afaka isam-batan’olona ny hanan-karena teo imason’Andriamanitra.
6, 7. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tao amin’ny Lalàna fa niahy ny amin’ny ilain’ny Isiraelita ara-batana izy?
6 Ny Lalàna anefa dia nahitana koa taratry ny fiahian’Andriamanitra ny toe-piainan’ireo mpanompony ara-batana. Angamba izany mahatonga anao hieritreritra ny amin’ny lalàna sasany nomena ny Isiraely momba ny fitandremam-pahasalamana sy ireo fandaharana tokony hatao mba hamerana ny areti-mifindra (Deoteronomia 14:11-21; 23:10-14). Tsy tokony hohadinoina koa ireo fandaharana manokana nataon’Andriamanitra mba hanampiana ny mahantra sy ny ory. Nety ho tonga nahantra ny Isiraelita iray noho ny faharatsian’ny fahasalamany na taorian’ny loza aman’antambo toy ny haintrano na ny tondra-drano. Tao amin’ny Lalàny àry, dia niaiky Jehovah fa tsy hitovy eo amin’ny lafiny ara-toe-karena ny rehetra (Deoteronomia 15:11). Tsy nianina tamin’ny fangorahana noho ny fahorian’ny mahantra sy ny ory anefa izy. Nataony izay hanampiana azy ireny.
7 Alohan’ny zavatra rehetra, ireny olona ireny dia hila sakafo. Koa nandidian’Andriamanitra ny hanomezan-dalana ireo mahantra teo amin’ny Isiraely mba hitsimpona teny an-tanimboly sy tanin’oliva ary tanimboaloboka (Deoteronomia 24:19-22; Levitikosy 19:9, 10; 23:22). Ireo fandaharana nataon’Andriamanitra dia tsy namporisika ny Isiraelita ho kamo na hivelona amin’ny fiantran’ny vahoaka, kanefa izy ireny afaka niasa. Ny Isiraelita nitsimpom-bokatra dia tsy maintsy nanao fiezahana, angamba nandany ora maro teo amin’ny hainandro nivaivay mba hahazoana ny sakafo tao anatin’ilay andro. Tsy tokony hohadinoina fa nomen’Andriamanitra tamim-piheverana toy izany izay nilain’ireo mahantra. — Jereo Rota 2:2-7; Salamo 69:33; 102:17.
8. Namporisihina hanao inona isam-batan’olona moa ny Isiraelita ho an’ireo rahalahiny (jereo Jeremia 5:26, 28)? b) Inona no tsapantsika raha ampitahaintsika amin’izay fahita amin’izao andro izao izay notakin’Andriamanitra tamin’ny Isiraelita?
8 Nosoritan’i Jehovah koa ny tena fiheverany ireo ory tamin’ny fanaovana fanambarana sasany toy ny voatantara ao amin’ny Isaia 58:6, 7. Tamin’ny fotoana toa nifadian’ny Isiraelita sasany afa-po tamin’ny tenany hanina, dia nanambara toy izao ilay mpaminanin’Andriamanitra: ”Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny (...) handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin’ny namanao hianao?” Amin’izao andro izao, ny sasany dia miaro izay ho azo antsoina hoe faritra mampiadana azy. Vonona izy ireny ny hanampy ireo sahirana raha tsy mitaky fahafoizan-tena manokana mihitsy avy aminy ihany izany na tsy miteraka fatiantoka ho azy ireny mihitsy. Toe-tsaina hafa tanteraka noho izany no asongadina ao amin’ireo teny notononin’Andriamanitra tamin’ny alalan’Isaia. — Jereo koa Ezekiela 18:5-9.
9. Inona no nanoroan’ny Lalàna hevitra ny amin’ny fampisamboram-bola, ary fihetsika nanao ahoana no namporisihan’Andriamanitra mba haseho?
9 Afaka nampiseho ny Isiraelita iray fa niahy an’ireo rahalahiny nahantra izy tamin’ny fanekena hampisambo-bola azy. Afaka nanantena ny handray zanabola izy rehefa nampisambo-bola olona naniry hanangana na hanitatra raharaham-barotra. Noraran’i Jehovah kosa anefa ny fakana zanabola tamin’ny rahalahy nahantra iray, satria noho ny famoizam-pony, dia nety ho voan’ny fakam-panahy hanao ratsy izy io (Eksodosy 22:25; Deoteronomia 15:7, 8, 11; 23:20, 21; Ohabolana 6:30, 31, MN ). Ny fihetsik’Andriamanitra eo anoloan’ny ory dia tokony hampiasaina ho ohatra ho an’ny olony. Manana izao fampanantenana izao aza isika. “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” (Ohabolana 19:17). Tsapanao ve izany: izany dia toy ny fampisamborana an’i Jehovah amin’ny fananana toky fa hahazo valisoa be dia be.
10. Rehefa avy nijery ny ohatra nomen’Andriamanitra isika, inona avy moa no fanontaniana azontsika apetraka amin’ny tenantsika?
10 Tokony hanontany tena toy izao àry isika rehetra: Heveriko ho zava-dehibe ve ny fomba fiheveran’Andriamanitra sy fitondrany ireo ory? Moa ve aho naka fianarana avy amin’ny ohatra tanteraka omeny ary moa ve aho miezaka manaraka izany? Afaka mandroso ve aho raha ny amin’ny maha-araka ny endriny ahy amin’io lafiny io? — Genesisy 1:26.
Taha-dray
11. Tamin’ny ahoana moa ny fiahian’i Jesosy no nifanitsy tamin’ny an’ny Rainy (II Korintiana 8:9)?
11 Jesosy Kristy dia ‘famirapiratan’ny voninahitr’i Jehovah sy endriky ny tenany indrindra’. (Hebreo 1:3.) Tsy maintsy ampoizina àry ny hanomezany taratry ny fiahian’ny Rainy ny olombelona izay mihevitra ny fanampoam-pivavahana marina. Izany tokoa no nataony. Nasehon’i Jesosy fa ny fahantrana tokony hitadiavana fanafodiny dia ny fahantrana ara-panahy voalohany indrindra. Hoy izy: “Sambatra izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 5:3, MN; jereo Lioka 6:20). Nanambara toy izao koa Kristy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Koa ny nahalalana azy indrindra dia tsy tamin’ny fahagagana nataony na tamin’ny naha-mpanasitrana azy, fa tamin’ny naha-Mpampianatra azy (Marka 10:17-21; 12:28-33). Jereo amin’izany ny voasoratra ao amin’ny Marka 6:30-34. Nitady toerana nitokana i Jesosy mba hialana sasatra. Tamin’izay izy no ‘nahita vahoaka betsaka tahaka ny ondry tsy nanana mpiandry’. Nanao ahoana ny fihetsiny? “Nampianatra azy zavatra maro Izy.” Nanao izay rehetra azony natao izy mba hitondrana ho an’ireny olona ireny izay nilain’izy ireny indrindra, dia: ny fahamarinana izay hahatonga azy ireo ho afaka ny ho velona mandrakizay. — Jaona 4:14; 6:51.
12. Inona no azontsika ianarana ny amin’ny fihetsik’i Jesosy aharihary ao amin’ny Marka 6:35-44?
12 Niahy indrindra ny amin’izay nilain’ireo Jiosy nanetry tena tamin’ny ara-panahy i Jesosy, nefa tsy nanakimpy ny masony tamin’izay nilain’izy ireny ara-nofo izy. Asehon’ny fitantaran’i Marka fa mailaka ny hanavaka ny sakafo ara-batana nilain’izy ireo i Jesosy. Nanipy hevitra aloha ireo apostoly mba handefasana ny olona handeha “hividy hanina”. Tsy nankasitrahan’i Jesosy anefa izany hevitra izany. Koa nanolo-kevitra ireo apostoly ny haka tapany tamin’ny vola nananan’izy ireo mba handehanana hividy sakafo. Nofidin’i Jesosy kosa ny hanao ny fahagagana fantatra tsara tamin’ny namahanany lehilahy 5 000, niampy ireo zaza amam-behivavy, tamin’ny sakafo mofo sy hazandrano. Hisy angamba hieritreritra fa tsy sarotra tamin’i Jesosy ny nanome tamin’ny fomba mahagaga izay nilain’izany vahoaka izany. Tsy tokony hohadinoina anefa fa nihevitra tamim-pahatsorana ireny olona ireny izy ary nanao zavatra araka izany. — Marka 6:35-44; Matio 14:21a.
13. Inona moa no porofo hafa ny amin’ny fiheverany ny hahasambatra ny olona, nomen’i Jesosy?
13 Azo inoana fa novakinao ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara izay mampiseho fa tsy ny mahantra ihany no noheverin’i Jesosy fa olon-kafa ory koa. Nanampy ny marary sy nalahelo izy (Lioka 6:17-19; 17:12-19; Jaona 5:2-9; 9:1-7). Tsy ireo marary sendra teo anilany ihany no nositraniny. Indraindray izy dia nankany amin’ilay marary mba hitondra fanampiana ho azy. — Lioka 8:41-55.
14, 15. a) Nahoana moa isika no mahazo matoky fa nantenain’i Jesosy ny hanarahan’ireo mpianany fihetsika tahaka ny azy? b) Inona avy no fanontaniana tsara raha apetratsika amin’ny tenantsika?
14 Kanefa moa ve ireo izay afaka nanao zavatra tamim-pahagagana ihany no tokony hiahy ny amin’izay nilain’ny kristiana (na ny olona nitady ny fahamarinana) nahantra na ory? Tsia. Tokony hiahy ny amin’izany ny mpianatr’i Jesosy rehetra ka hanao zavatra hifanaraka amin’izany. Ohatra, nanarin’i Jesosy toy izao ny lehilahy nanan-karena iray izay naniry hahazo ny fiainana mandrakizay: “Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao.” (Lioka 18:18-22). Nanome izao torohevitra hafa izao i Jesosy: “Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa hianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” — Lioka 14:13, 14.
15 Mpianatr’i Kristy ny mpianatra iray. Ny tsirairay avy amintsika àry dia tokony hanontany tena toy izao: Manao ahoana ny fanahafako ny fihetsika sy ny asa nataon’i Jesosy ho an’ny mahantra, ny ory sy ny malahelo? Azoko atao ve ny milaza amim-pahamarinana tanteraka tahaka ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” — I Korintiana 11:1.
Paoly: ohatra iray ny amin’ny olona sambatra
16. Nihevitra ny amin’ny inona indrindra moa ny apostoly Paoly?
16 Mety ny hiresahana ny amin’i Paoly mifandray amin’io raharaha io, satria ohatra faka tahaka koa izy. Araka ny tokony hampoizina, dia izay nilain’ny mpiara-belona taminy teo amin’ny ara-panahy no noheveriny talohan’ny zavatra rehetra. Izy dia ‘iraka solon’i Kristy, mangataka hoe: “Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.” ’ (II Korintiana 5:20). Ny asa manokana nanirahana an’i Paoly dia ny fitoriana sy ny fanatanjahana ireo kongregasiona teo amin’ny tsy Jiosy. Izao no nosoratany: “Notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an’ny tsy voafora aho.” — Galatiana 2:7.
17. Ahoana no ahafantarantsika fa niahy koa ny amin’ny ilain’ny kristiana teo amin’ny ara-nofo i Paoly?
17 Nefa noho i Paoly nilaza fa nanahaka an’i Kristy ny tenany, moa ve izy niahy (sahala amin’i Jehovah sy Jesosy) ny amin’ny fahoriana sy fahasahiranana ara-batana nahazo ireo namany teo amin’ny fanompoam-pivavahana? Aoka havelantsika hamaly izy. Izao no lazainy ao amin’ny Galatiana 2:9: ‘Notoloran’i Jakoba sy Kefasy [Petera] ary Jaona ny tànana ankavanan’ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa izahay.’ Ao amin’ny andininy manaraka, dia izao no teny nanampiny: “Ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.” (Galatiana 2:10). Takatr’i Paoly àry fa na dia apostoly sy misionera nanana andraikitra teo anoloan’ny kongregasiona maro aza izy, dia tsy tokony ho sahirana loatra ka tsy hihevitra izay hahasoa ireo rahalahiny sy anabaviny ara-batana.
18. Iza moa ireo “malahelo” azo inoana fa nasian’i Paoly fitenenana ao amin’ny Galatiana 2:10, ary nahoana no azo antoka fa tsy maintsy ho nisy fiahiana ny amin’izy ireny?
18 Azo inoana fa ny “malahelo” resahiny ao amin’ny Galatiana 2:10 dia kristiana jiosy avy tany Jerosalema sy Jodia indrindra. Taona vitsivitsy talohan’izay, dia “nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany” (Asan’ny apostoly 6:1). Araka izany, dia sady nilaza i Paoly fa apostolin’ireo firenena izy, no nampiseho mazava fa tsy nanadino na iza na iza izy tao amin’ny fianakaviambe kristiana (Romana 11:13). Taminy, ireto teny manaraka ireto dia nilaza tsy nivantana koa fiahiana ireo rahalahy tamin’ny lafiny ara-batana: “Mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra. Ary raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena.” – I Korintiana 12:25, 26.
19. Inona no porofo ananantsika fa Paoly sy ny kristiana hafa dia tena nanao zavatra ho fiahiana ny mahantra?
19 Rehefa nijaly noho ny fahantrana, ny mosary na ny fanenjehana ireo kristiana tany Jerosalema sy Jodia, dia nisy kongregasiona tany lavitra nandray anjara. Marina fa tamin’ny vavaka nataony izy ireo dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hanohana sy hampahery ireo rahalahiny sahirana, kanefa tsy nianina tamin’izany izy ireo. Nanoratra i Paoly fa “efa sitrapon’i Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ny olona masina any Jerosalema”. (Romana 15:26, 27.) Ireo kristiana nanome fanampiana ara-bola toy izany ho an’ireo rahalahiny ory dia ‘nanan-karena tamin’ny zavatra rehetra ka nandroso tamin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaorana an’Andriamanitra’. (II Korintiana 9:1-13.) Moa ve tsy nahatonga azy ireo ho sambatra izany?
20. Nahoana moa no afaka ny ho sambatra ireo kristiana izay nanome fanampiana ho an’ny “malahelo”?
20 Ireo rahalahy izay nanome tamin’ny volany ho an’ireo ‘malahelo tamin’ny olona masina tany Jerosalema’ dia nanana antony amboniny nahasambatra. Ireo fanomezana nataony mba hikarakarana ny ory dia nanampy azy ireny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Azo atao ny mahatakatra ny antony amin’ny fiheverana fa ny teny grika nadika hoe “fiantrana” ao amin’ny Romana 15:26 sy ao amin’ny II Korintiana 9:13 dia manana heviny indrindra hoe “mariky ny firahalahiana, porofon’ny firaisan-tsain’ny mpirahalahy, na fanomezana mihitsy aza”. Ampiasaina izy io ao amin’ny Hebreo 13:16 izay milaza hoe: “Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.”
Ho sambatra ve isika?
21. Ho famaranana, inona no hahatonga antsika ho sambatra?
21 Tamin’ny fiaraha-midinika, dia hitantsika ny porofo araka ny Baiboly fa nikarakara ny ory Jehovah Andriamanitra, Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly. Voamaritsika fa izy ireo dia samy niaiky fa ilaina ny hikarakara voalohany indrindra izay ilain’ny hafa ara-panahy. Marina koa anefa fa nasehon’izy ireo tamin’ny fampiharana fa niahy ny mahantra, ny marary sy ny ory izy ireo. Afaka ny ho sambatra izy ireo tamin’ny fitondrana fanampiana ara-nofo ho an’ny ory. Tokony ho hafa noho izany ve ny amintsika? Mananatra antsika i Paoly mba “hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ” – Asan’ny apostoly 20:35.
22. Lafiny inona avy amin’io raharaha io no mbola mendrika ny hoheverintsika?
22 Manontany tena toy izao angamba anefa ianao: Inona no azoko atao manokana? Ahoana no mety hahafantarako hoe iza no tena sahirana? Ahoana no azoko itondrana fanampiana nefa tsy hamporisika ho kamo, dia fanampiana amim-pahamoram-panahy sy mora ampiharina izay mihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa, sady mitana fifandanjana tsara eo amin’io karazana asa io sy ny adidiko kristiana hampiely ny vaovao tsara? Ny lahatsoratra manaraka dia hamelabelatra ireo fanontaniana ireo, ka hamela anao amin’izany hahita fahasambarana lehibe kokoa ihany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mariho fa ny tenan’i Jesosy koa aza dia tsy menatra na niavonavona loatra ka hoe nanda ny fanampiana ara-nofo natolotra azy. — Lioka 5:29; 7:36, 37; 8:3.
Voamarikao ve?
◻ Ahoana no anaporofoan’Andriamanitra fa mihevitra izay ilaintsika ara-panahy sy ara-batana izy?
◻ Inona no mampiseho fa noho ny fiahiany ny hanampy ny olona, dia tsy nianina tamin’ny fampianarana azy ireo ny fahamarinana i Jesosy?
◻ Inona moa no ohatra navelan’i Paoly raha ny amin’ny fihetsika tokony harahina eo anoloan’ny mahantra?
◻ Rehefa avy nijery ny ohatra nomen’i Jehovah, Jesosy sy ny apostoly Paoly ianao, inona no mety hoheverinao fa ilaina hatao?
[Sary, pejy 13]
Ireo loholona sy ireo kristiana hafa dia tokony hanaraka ny torohevitra nomen’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:13, 14.