Ahoana no azon’ny Ray aman-dreny ‘ampandrosoana’ ny ankohonany?
“Amin’ny fahendrena no handrosoan’ny ankohonana, ary amin’ny fahazavan-tsaina no hiharihariany ho mafy orina.” — OHABOLANA 24:3, MN.
1. Inona no tena lehibe mba hahatonga ny fianakaviana iray ho mafy orina?
TAMIN’NY fandinihana natao vao haingana, dia nanontaniana ny olona maherin’ny 550 izay ny raharahany dia ny manampy ireo fianakaviana, mba hilaza izay mampiavaka ny fianakaviana mafy orina iray. Ny fahaiza-miresaka sy mihaino no niverimberina matetika indrindra. Manazava amintsika ny antony i Dolores Curran, izay nanao izay famotopotorana izany: “Izany no hery famokarana mamelona ny fikarakarana ny hafa, ny fanomezana, ny fizarana, ka mahatonga ho afaka hiharihary. Raha tsy mihaino amim-pahatsorana ny tena ary raha tsy milaza ny fihetseham-pon’ny tena, dia tsy azo atao ny hifankahalala. Tonga hotely ilay trano ka ny mponina ao aminy dia manao zavatra toy ny milina fa tsy manandrana manao izay hahafantarana sy hanomezana fahafahampo ny ilain’ny hafa.” Tsy afaka ny ho mafy orina tokoa ny fianakaviana iray raha tsy mifampiresaka be dia be ny mpianakavy.
2, 3. a) Mahita fahasahiranana inona moa na dia ny tokantrano kristiana sasany aza? b) Araka ny Ohabolana 24:3, 4, inona no mety hanampy anao hanorina fianakaviana matanjaka? d) Inona avy no fanontaniana tsara hovaliana?
2 Raha tsy mifanakaiky anefa ny mpianakavy, dia mety hitarika ho amin’ny zavatra ratsy dia ratsy izany. Ohatra, nanontaniana ny anankiray tamin’ireo sampana afrikan’ny Fikambanana Watch Tower ny amin’ny antony mahatonga ny tanora kristiana sasany hiala amin’ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly. Izao no navaliny: “Ilay raharaha, amin’ny ankapobeny, dia mampiseho fahalemena miavaka, (...) tsy mahay mihaino ny ray aman-dreny ary tsy mahay mifanazava amin’ireo zanany. Ray aman-dreny maro no tsy manana fifandraisana tena amim-pifankazarana amin’ireo zanany.” Mazava ho azy fa lafiny iray monja izany — na dia tena lehibe aza — amin’ilay zava-manahirana; ny fankatoavana sy ny fitiavam-pivavahana no mbola mitana ny toerana voalohany ihany na ho an’ny tanora na ho an’ny olon-kafa rehetra (Romana 14:12; I Timoty 6:6). Aoka hodinihintsika koa ny Ohabolana 24:3, 4 (MN ). Izao no vakina ao: “Amin’ny fahendrena no handrosoan’ny ankohonana, ary amin’ny fahazavan-tsaina no hiharihariany ho mafy orina. Ary amin’ny fahalalana no hahatonga ireo efitrano anatiny ho feno ny zavatra sarobidy sy mahafinaritra rehetra.”
3 Tokony hampiasa fahendrena, fahazavan-tsaina ary fahalalana ianao mba hahatongavana amin’ny fifankazarana ilaina, indrindra fa amin’ireo zatovo. Ahoana anefa no hahatongavana amin’izany? Ahoana no hanalavirana ny fisakanana tsy nahy ny fifampiresahana (jereo Ohabolana 14:1, 12)? Ambonin’ny zavatra rehetra, ahoana no azonao ampandrosoana fianakaviana iray izay miorina tsara ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina? Zavatra be dia be no mitaky avy aminao, fotoana sy fikarakarana, hany ka manontany tena angamba ianao hoe amin’inona no tokony hanombohanao. Ny toetra voalohany, ny fahendrena, dia mety hanampy anao hanorina izay tokony hitana ny toerana voalohany.
Mamera zavatra homena ny toerana voalohany amim-pahendrena
4. Inona no zavatra tena tokony homen’ny fianakaviana kristiana iray toerana voalohany?
4 “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo (Salamo 111:10). Zava-dehibe ny hahatsapanao tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny hametrahanao ny fanompoam-pivavahana aminy eo amin’ny toerana voalohany. Ny renim-pianakaviana iray dia nanazava ny fomba nahombiazan’izy mivady tamin’ny fitaizana ireo zanany roa lahy teo amin’ny asan’i Jehovah: “Nofenoinay ny fahamarinana ny fiainanay, ka namonjy ny fivoriambe rehetra izahay, niomana ho amin’ireo fivoriana sy nanatrika izany, ka ny fandraisana anjara tsy tapaka tamin’ny fitoriana no lafiny iray tamin’ny fiainanay.” Nanampy teny toy izao ny vadiny: “Tsy lafiny iray monja tamin’ny fiainanay ny fahamarinana, fiainanay mihitsy izany. Nihodinkodina nanodidina izany ny zavatra hafa rehetra.” Moa ve ny fianakavianao tena manome koa ny toerana voalohany ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
5. Nahoana moa ny ray aman-dreny kristiana no mila fahaiza-mandanjalanja?
5 Hanamafy ny fatoranareo ny fitoriana miaraka amin’ny fianakaviana. Kanefa, ny ilain’ireo zanakao manokana dia mitaky ny hanomezanao azy ireny amin’ny fotoananao sy ny firaiketam-ponao. Noho izany antony izany, dia ilaina ny maneho fahaiza-mandanjalanja mba hamerana ny hoe fotoana toy inona no azonao atokana amin’ny fitoriana sy amin’ireo andraikitrao eo anivon’ny kongregasiona, mba hahafahana koa mikarakara ‘ny ankohonanao’ eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-piraiketam-po sy ara-nofo. Tokony ‘hianatra haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranonao aloha’ ianao. (I Timoty 5:4, 8.) Mba hanampiana manokana ireo raim-pianakaviana hanatratra ny fifandanjana eo amin’ireo adidy ara-pianakaviana sy ireo adidy amin’ny fanompoany, dia nanome izao fananarana izao ny La Tour de Garde tamin’ny 15 janoary 1960: “Aoka homentsika ny lanjany na ny halehibeny ilaina ny tombontsoan’ny fianakaviantsika. Azo antoka fa tsy tian’i Jehovah ny olona iray hanokana ny fotoanany rehetra amin’ny asan’ny fivoriambe, amin’ny fanampiana ireo rahalahiny sy namany hahazo ny fiainana, nefa tsy horaharahainy koa ny famonjena ny fianakavian’ny tenany. Ny vady aman-janany no andraikitry ny lehilahy iray voalohany indrindra.”
6. Loza inona no tokony hohalavirin’ireo ray aman-dreny, ary ahoana no azony anaovana izany?
6 Mba hiantsorohana izany andraikitra izany, dia tsy ny isan’ny ora lany iarahana amin’ireo zanakao no zava-dehibe fa ny fomba ampiasanao izany. Mampalahelo ny mahatsapa fa ny ray aman-dreny sasany dia voatana aoka izany noho ny asany eo anivon’ny kongregasiona, ny asa iray mahavariana na ny fananana ara-nofo, hany ka na dia rehefa ao anatin’ny fianakaviana aza izy ireny dia any an-toeran-kafa ny sainy. Matetika, rehefa misy loza mitranga ao an-tokantrano vao takany ny ilàna hametra zavatra vaovao tokony homena ny toerana voalohany. “Ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) mandefitra, mora alahatra.” (Jakoba 3:17). Izany fahendrena avy any ambony izany dia hanampy anao hizara ny fotoananao sy ny fiheveranao araka ny mety mba hanarahana ny didin’i Jehovah rehetra.
Manome fahendrena ny tsorakazo sy ny anatra
7. Ahoana no azo ampiharana amin’ny fomba mandaitra ny Ohabolana 29:15?
7 Ny tsy fileferana loatra ampiharina amin-katsaram-po mba hiarovana fotopoto-pitsipika marina dia mampiseho amin’ireo zanakao fa miahy ny amin’izy ireny ianao. Ny fileferana loatra dia miteraka ao amin’ny tanora, fanahiana sy faniavana. “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena.” (Ohabolana 29:15; 22:15). Mba hahazoam-bokatra tsara, “ny tsorakazo sy ny anatra” dia tokony hampiarahina amin’ny fitiavana. Ny fifehezana ampiharina amin’ny fomba mafy loatra, na ao anatin’ny fahatezerana, dia mety hahakivy zanaka. “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Ny ‘tsorakazon’ny’ fifehezana dia milaza, ankoatra ny zavatra hafa, fanasaziana ara-drariny; fampiasana amin’ny fomba ratsy ny “tsorakazo” anefa ny fanomezana fepetra mafy loatra, ny fanakianana tafahoatra na ny fampietrena ny zanaka; ary matetika izany no mety hanimba ny fatokiany tena sy ny fitokisany anao: ‘hamoy fo izy’.
8. Hazavao ny hoe nahoana ny “anatra” no mahafaoka zavatra mihoatra noho ny fanasaziana.
8 Samy ilaina anefa “ny tsorakazo sy ny anatra”. Ny anatra dia mihoatra noho ny sazy fotsiny: izany dia mitaky ny hanomezana fanazavana mba hampiaikena olon-kafaa. Ny teny hebreo nadika hoe “anatra” dia adika koa hoe “teny havaly [fanaporofoan-kevitra manohitra, MN”]. (Salamo 38:14.) Noho izany, ny tena anatra dia milaza fa maniry sy afaka hanome fanazavana ny tena, mba hahafahan’ilay zanaka mahatakatra ny antony manosika anao. Ireo bokin’ny Fikambanana Watchtower dia mivaofy foto-kevitra, indraindray nosoratana manokana ho an’ny tanora, izay mety hanampy anao hanolotra ho an’ny zanakao, fanaporofoan-kevitra mafy orina mampiseho hoe nahoana ny fanaovan-javatra toy izao na izao no ratsy. Ampiasainao amin’ny fomba feno ve izany fahalalana atolotra anao izany?
Fahaiza-manavaka mba hipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa
9. Inona moa no atao hoe fahaiza-manavaka, ary nahoana no zava-dehibe izany?
9 Toetra tena ilaina amin’ny fifampiresahana koa ny fahaiza-manavaka. Ny fototenin’ny teny hebreo nadika toy izany dia teny iray izay ny dikany dia hoe “mamantatra amin’ny”, “manavaka”. Ilaina ny hananana fahiratan-tsaina, ny tsy hiatoana amin’ny ivelan-javatra fotsiny fa ny handalinana; izany dia toetra manakaiky ny fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy ny fangorahana. — I Petera 3:8.
10. Noho ny tsy nijanonana tamin’ny ivelan-javatra fotsiny, ahoana no azo nanalavirana fifanolanana lehibe iray tamin’ny andron’ny Baiboly?
10 Hita ao amin’ny Josoa 22:9-34 ny ohatra araka ny Baiboly iray izay mampiseho ny vidin’ny fahaiza-manavaka. Nanorina alitara lehibe ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’i Manase — izay nomena ho lova ny tany atsinanan’i Jordana. Koa satria nihevitra ireo foko hafa fa nisy fivadiham-pinoana, dia niomana izy ireo hanasazy izay toa tena finiavana nandika ny lalàn’Andriamanitra (Levitikosy 17:8, 9). Talohan’ny hanaovan-javatra, dia nirahin’izy ireo ny solontena izay tokony hiresaka amin’ireo foko roa sy sasany (Ohabolana 13:10). Ny fifanakalozan-kevitra dia mampiharihary fa ilay alitara dia tsy naorina mba hanaterana fanatitra, fa noho ny “tahotra” kosa. Koa satria nosarahin’i Jordana tamin’ireo foko hafa ireo foko roa sy sasany dia natahotra mafy sao ireo taranany ho avy hesorina amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ilay alitara dia hampiasaina ho fahatsiarovana maharitra, ho “vavolombelona”, hanaporofo fa anisan’ny olon’Andriamanitra koa izy ireo. Niteraka fitsimbadihan’ny tarehin-javatra izany fanazavana izany. Fahazavana vaovao hafa no nomena ny amin’izay toa fahotana mahamenatra. Noho ireo foko hafa ireo ‘nahatsindry fo’, dia afaka namantatra ny tena tarehin-javatra izy ireo, ary izany dia nahatonga ho afaka hahatakatra ny fihevitry ny hafa. — Ohabolana 14:29.
11. Tamin’ny ahoana moa ny raim-pianakaviana iray no naneho fahaiza-manavaka?
11 Manandrana mampiseho fahaiza-manavaka ve ianao rehefa mahita fahasahiranana ny amin’ny zanakao? Ohatra, ny zazalahy iray anisan’ny fianakaviana kristiana iray dia nanjary nisafoaka tamin’ny olona rehetra rehefa nody avy nianatra. Hoy ny fitantaran’ny rainy: “Tsy nety nilaza ny antony nampisafoaka azy toy izany izy. Tamin’ny voalohany, dia nieritreritra aho fa noho izy nikomy fotsiny no nanaovany izany, voamariko anefa taty aoriana fa nangina izy rehefa niresaka taminy ny amin’ny sekoly aho. Tamin’izay, dia nifanakalo hevitra naharitra izahay ka hitako fa, noho izy fohy loatra tsy araka ny taonany, dia naneso azy ireo ankizy niara-nianatra taminy. Nanome toky azy aho tamin’ny filazana taminy fa takatro tsara fa mafy tokoa ny entina toy izany, rehefa avy eo, dia nanome azy torohevitra azo ampiharina vitsivitsy aho mba hanampiana azy hisetra io fitsapana io.” Vetivety dia niseho ho nahafinaritra kokoa ilay zazalahy.
12. Nahoana moa ireo taona vitsivitsy maha-zatovo no sarotra ho an’ny ankamaroan’ny tanora, ary inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny?
12 Moa ve ny tenanao ho naneho faharetana toy izany tamin’ny zanakao? Amin’ny lafiny toy ny sekoly, ny fisehoana ara-batana, ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny filana horaisina dia mety hisy fitaomana lalina eo amin’ny tanora, indrindra fa ny zatovo. Tao amin’ilay boky hoe Fotoana maha-zatovo (anglisy), dia hita izao fanambarana izao: “Amin’ny toe-pitomboan’olombelona rehetra, dia ny fotoana maha-zatovo no mafy indrindra. (...) Ireo zatovo izay misalasala ny amin’ny tenany sy tsy nahita fanandraman-javatra, dia mahatsiaro ho ambany eo amin’izao tontolo izao tia fifaninanana, tsy manana fangoraham-po. Tsy mahay manaiky ny fietrena sy ny tsy fahombiazana izy ireo, fa mamaly amin’alahelom-po sy fanahiana lalina.” Izany fihetseham-po mahasakodiavatra izany dia mety hanimba ny fitondrantenan’ny zanaka (jereo Mpitoriteny 7:7). Amin’ny fanorenana fifandraisana akaiky amin’ny zanakao ihany no mety hahatakaranao ny fototry ny zava-manahirana, ka ho afaka hamantatra ny fomba tsara indrindra hanampiana azy.
13. a) Inona no mety ho vato misakana ny fifampiresahana? b) Nahoana moa ny ray aman-dreny no tokony hampihatra amim-paharetana ny Ohabolana 20:5? Hazavao amin’ny alalan’ny ohatra ny valinteninao.
13 Sarotra amin’ny tanora maro ny milaza ny tahotra mahazo azy. Noho izany, raha mamboraka zavatra aminao ny zanakao, dia halaviro ny valinteny tsy voahevitra, izay mety handratra azy, toy ny hoe: ‘Izay ihany ve? nataoko ho zava-dehibe.’ ‘Ny manahirana aminao dia...’ ‘Ahoana no nahafahanao nanao izany tamiko?’ ‘Ka inona no tadiavinao? Na ahoana na ahoana, dia mbola zaza ianao.’ (Ohabolana 12:18). Indraindray dia hilaina ny hitarihana ny tanora hiresaka, indrindra fa raha sarotra ilay raharaha. “Izay manan-tsaina” dia haharitra amin’ny fiezahany ‘hanovo’ amin’ny loharanom-pihetseham-pon’ilay zanaka (Ohabolana 20:5). Nisy kristiana nahamarika fa ny zanany vavy dia nanomboka tsy nety nanao raharaha tao amin’ny fianakaviana. Nanandrana namantatra bebe kokoa ny amin’izany izy, nefa tsy nisy vokany. Naharitra izy ireo. Mitantara izay nitranga ilay reny: “Tamin’ny farany, indray andro, dia niara-nipetraka taminy teo am-parafara aho, nosakambiniko izy ary nanontaniako indray izay tsy nety. Nanomboka nitomany izy ary nilaza tamiko hoe: ‘Tsapako tsara fa tsy tianareo ny miaraka amiko, ary toy izany koa ny hafa; koa mipetraka irery araka izay azoko atao aho.’ Tamin’ny voalohany, dia te-hilaza aho hoe: ‘Mahatsikaiky tanteraka izany!’, kanefa nifehy tena aho; nianina tamin’ny fihainoana azy namboraka ny tao am-pony aho.” Ny ray aman-drenin’io zazavavy io dia nanome toky azy fa manana toerana lehibe eo amin’izy ireo izy ka taty aoriana dia niahy ny amin’ny tsy hahasakodiavatra azy teo anivon’ny tokantrano. Nandresy ny fahasahiranana izy io, ary ankehitriny izy dia mpitory manontolo andro sambatra.
14. Nahoana moa no tsy ampy ny fifanakekezan’ny mpianakavy amin’ny lafiny ara-piraiketam-po?
14 Zava-dehibe ny hampiray akaiky ny fianakaviana iray, ary nisy aza tsy mpino nahomby tamin’io lafiny io. Raharaha hafa anefa ny fanorenana fianakaviana matanjaka eo amin’ny lafiny ara-panahy, izay mitoetra ao amin’ny fifankazarana amin’i Jehovah, ka tafaray noho ny teniny. Mba hahatongavana amin’izany, dia ilaina ny hanaovan-javatra mihoatra noho ny ho akaikin’ireo zanakao eo amin’ny lafiny ara-piraiketam-po.
Ampitomboy ny fahalalan’izy ireo
15. Fahalalana inona no tena lehibe, ary nahoana?
15 “Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” (Ohabolana 24:4). Izany zavatra sarobidy izany dia tsy harena ara-nofo akory; ankoatra ny zavatra hafa, izany dia tsy fananana ahiahy eo amin’ny lafiny ara-panahy, fitiavana voamariky ny fahafoizan-tena, tahotra amim-pitiavam-pivavahana sy finoana omen’ny fahalalana an’Andriamanitra. Amin’izany no maha-ampoky ny soa ny fiainam-pianakaviana iray (Ohabolana 2:5; 15:16, 17; I Petera 1:7). Ny fahalalana an’Andriamanitra dia hanome ho an’ireo zanakao ny hery anaty izay hahatonga azy ireo ho afaka hahatohitra ireo tetikadin’i Satana feno hafetsena indrindra. Izao tokoa no ambaran’ny Ohabolana 24:5: “Be hery ny lehilahy hendry, eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana.” Tokony hampianarinao tsara ny zanakao anefa izany fahalalana izany, mba hidiran’izany ao amin’ny fony. — Deoteronomia 6:6, 7; I Jaona 2:14.
16. a) Inona no tsy maintsy tokony hataonao mba hahatonga ny fahalalana an’Andriamanitra ho tafiditra ao am-pon’ny zanakao? b) Inona no ilaina hatao mba hahatonga izany tena hahasoa ireo zanaka tokoa?
16 Ny anankiray amin’ireo fomba mandaitra indrindra mba hampianarana ny Tenin’Andriamanitra an’ireo zanakao dia ny fananana fianaram-pianakaviana tsy tapaka izay mamporisika azy ireo hanaiky mihitsy ny fahamarinana. Ny rain’ny ankizy efatra izay nahomby tamin’io adidy io, dia nanambara toy izao: “Ny fianaram-pianakaviana dia mamorona rivo-piainana mety, ary manao izay hahatonga ny sain’ny ankizy handray ny fianarana. (...) Rehefa manomboka manitsy ankizy iray ianao, avy hatrany izy dia manana fihetsika manohitra; kanefa raha afaka miara-midinika ny amin’ilay raharaha amin’ny fotoana tsy misy tokony hanoherany ianareo, toy ny mandritra ny fianaram-pianakaviana, dia afaka manantena kokoa ny handraisany ny fanaporofoan-kevitrao ianao.” Mba hahatonga izany hahasoa ny zanaka tokoa anefa, dia ilainao ny manahaka ny apostoly Paoly izay nanoratra hoe: “Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina hianareo.” (Romana 1:11). Ankasitrahana indrindra ny fanomezana iray rehefa afaka mampiasa azy ilay mandray azy, rehefa tena misy vidiny aminy izany. Koa tsoahy avy amin’ny foto-kevitra jerenareo ireo foto-javatra mihatra amin’ny zanakao.
17. a) Inona no mety hahatonga ny fianaram-pianakaviana iray ho sady hahaliana no hahitana fianarana? b) Manana fanipazan-kevitra hafa azo omena ve ianao?
17 Afa-tsy izany koa, dia tokony hataon’ny ray aman-dreny izay hahafantaran’ny mpianakavy rehetra hoe amin’ny firy no hatao ny fianarana ary inona no hodinihina. Ny ray aman-dreny sasany dia mampiasa fiasana azo jerena toy ny sarintany na tabilao, mba hanasoritana ny foto-kevitra ianarana. Ny hafa manomana fialana hetaheta hosotroina aloha na aorian’ny fianarana; ary aorian’izany, indraindray izy ireo dia miresaka amin’ireo zanany ny amin’ny fahasahiranana tao anatin’ny andro na ny herinandro (manolotra fanipazan-kevitra hafa ny faritra voafefy ao amin’ny pejy eo aloha). Aoka indrindra ianareo tsy ho tapatapaka amin’ny fianaram-pianakavianareo! Maro ny ray aman-dreny tsy maintsy manao fiezahana lehibe mba hanomezana sakafo sy fialofana ho an’ireo zanany; mbola zava-dehibe kokoa anefa ny hanomezan’izy ireo azy ireny “ny rononom-panahy tsy misy fitaka mba [mba hitomboan’ireo zanatsika] ho amin’ny famonjena”. — I Petera 2:2; Jaona 17:3.
18. Inona no hanampy anao hampandroso ny fianakavianao?
18 Ilaina ny fotoana sy ny fahaizana mba hanaovana ny fianakavian’ny tena ho zavatra voaorina ara-panahy mafy. Manàna àry fahavononana ny hamboly ireo toetra ilaina amin’ny fifampiresahana, mba hanakekezana hatrany an’ireo zanakao. Aoka tsy hisy na inona na inona hisakana anao tsy haka ny fotoana ilainao mba hanatanjahana ny fianakavianao noho ny fahendrena, ny fahaiza-manavaka sy ny fahalalana. Mivavaha ho an’ireo zanakao, miaraha mivavaka amin’izy ireo koa, amin’ny fahafantarana fa Jehovah ihany no afaka mitondra fahombiazana ho an’ny fiezahana ataonao mba hampandrosoana ny fianakavianao. — Salamo 127:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny Hebrew and English Lexicon nataon’i John Parkhurst, io teny io dia avy amin’ny matoanteny iray izay ny dikany dia hoe ‘mampiseho mazava, milaza ny zava-mitranga, manaporofo, mampiseho amin’ny alalan’ny antony na ny fanaporofoan-kevitra miharihary na mampiaiky’. Araka ny Old Testament Word Studies nataon’i William Wilson, ny dikan’io matoanteny io dia hoe: “manaporofo.”
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no azon’ny fahendrena anatanjahana ankohonana iray, ary inona no mety hanampy ny zanaka iray hamboly izany?
◻ Ahoana no andraisan’ny fahaiza-manavaka anjara amin’ny fanorenana fifampiresahana tsara eo anivon’ny fianakaviana?
◻ Nahoana no tena lehibe ny fahalalana an’Andriamanitra?
◻ Inona no mety hahatonga ny fianaram-pianakaviana iray hahaliana?
[Efajoro, pejy 24]
FIANARAM-PIANAKAVIANA AHITANA FAHOMBIAZANA
Ahoana no tokony hitarihana ny fianarana?
Ataovy hatrany izay hisian’ny rivo-piainana tsy mihenjana, nefa feno fanajana. Halaviro ny fanaovan-javatra mandeha ho azy; aza henjana loatra. Mametraha fanontaniana amboniny; mampiasà fanoharana mba hampieritreritra tsara sy mba hitandreman’ny tsirairay avy. Tsory ny foto-kevitra raha ilaina izany. Tsara kokoa ny tsy hifidianana an’io fotoana io mba hitreronana ireo zanakao; ho tsaratsara kokoa angamba ny hanaovana izany manokana.
Inona no tokony hianarana?
Fidio araka izay ilain’ny fianakaviana. Manaraha ny toe-javatra miseho. Mety ho fanomanana ny fianarana isan-kerinandro Ny Tilikambo Fiambenana izany. Azonao atao ny mijery raharaha iray manokana, ohatra, mifandray amin’ireo fahasahiranana hitan’ny tanora any an-tsekoly, ny filalaovana fitia, ny asa ivelan’ny fianarana, ny fanatanjahan-tena sy ireo fironana maloto. Mampiasà lahatsoratra na boky mamelabelatra ireo raharaha ireo. Ho azonao atao ny hizara ny fotoana fianarana mba hahafahana mandinika foto-kevitra isan-karazany.
Amin’ny fotoana toy inona no tokony hatao ny fianarana, ary maharitra toy inona?
Afaka manapa-kevitra ny amin’izany ny filoham-pianakaviana rehefa avy niara-nidinika tamin’ny mpianakavy ny amin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo, sy amin’ny fiheverana ny fetran’ny herin’izy ireo. Tokony hoheverina ny taona sy ny fahafahan’ny ankizy mampifantoka ny sainy. Raha mbola kely ny ankizy, dia ho tsara kokoa angamba ny hianarana imbetsaka ao anatin’ny herinandro, nefa tsy haharitra loatra. Izany no ataon’ny sasany. Mijanona eo amin’ny latabatra izy ireo aorian’ny sakafo hariva ka manomboka mianatra kely. Ny zava-dehibe dia tsy ny faharetan’ny fotoana, fa ny hatsaran’ny fotoana iaraha-mandany.
Ahoana no hanohinana ny fon’ny zanakao?
Amporisiho ilay ankizy hamaly amin’ny fomba fiteniny. Mametraha fanontaniana amim-pahaiza-mandanjalanja mba hahafantarana izay tena heveriny ny amin’ilay foto-kevitra. Afaka manontany azy toy izao ianao: “Ahoana no lazain’ireo tanora ao amin’ny sekolinao? Heverinao ve fa marina ny azy?” Na: “Ahoana no hanazavanao amin’ny mpiara-mianatra iray ny antony tsy ijangajangantsika? Heverinao ve fa mba hahasoa antsika tokoa izany? Nahoana?” Mitandrema mba tsy hamaly mafy loatra rehefa milaza ny heviny ilay ankizy, mba tsy hisalasalany hilaza amim-pahamarinana izay heviny. Omeo fotoana hamaliana ny tsirairay avy, mba ho azo tsara ireo hevi-dehibe.