FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 26-30
  • Mitady vady ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitady vady ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’
  • Nahoana no mitady any an-toeran-kafa?
  • Mamitaka ny fontsika
  • ‘Izay afafy no jinjaina’
  • Miantehera amin’i Jehovah
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’AndriamanitraFifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fototra iray tsara dia tsara ho an’ny fanambadianao
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana Vanona
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 26-30

Mitady vady ve ianao?

“AMIN’NY fifandraisana, fiombonana na fiarahana rehetra, dia tsy misy mahafinaritra kokoa, mahatehotia kokoa ary mahafatifaty kokoa noho izay atolotry ny fanambadiana sambatra.” Izany no lazaina. Tsy mahagaga àry raha misy lehilahy sy vehivavy irery an-tapitrisany maro maniry hahita vady.

Misy mampiasa “ordinateur” mba hahitana vady, ny hafa mizaha ny kintana. Kanefa moa ve tsy fahendrena ny hitodihana any amin’ny Mpamorona, ilay Mpanao ny fanambadiana (Genesisy 2:18-24)? Ny fitiavana sy ny fahendren’Andriamanitra dia mahaforona fototra ampy fahamafisana mba hanekentsika amim-pitokisana tanteraka ireo toroheviny sy fotopoto-pitsipiny izay hanampy antsika hahafantatra hoe toetra inona avy no tokony hotadiavina eo amin’ny vady (Salamo 19:7). Manome antsika izao didy izao ny Tenin’Andriamanitra:

‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’

Nahoana? Satria miahy ny amin’ny hahasambatra antsika mandrakizay Jehovah. Ny torohevitry ny apostoly Paoly mamporisika ny ‘hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany’ dia mifandrindra tsara amin’ny fitondrantenan’ireo mpanompon’i Jehovah taloha; nifidy vady izay nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina koa izy ireny (I Korintiana 7:39; Deoteronomia 7:3, 4). Ny fihetsika toy izany dia mitondra soa maro tsy tokony hohadinoina.

Ohatra, ny vady mpino iray dia afaka manampy antsika tsy hivadika hatrany amin’ny Raintsika tia any an-danitra (jereo Mpitoriteny 4:9-12). Ny mpivady kristiana dia mifampahery, ary afaka miara-misetra amim-pahombiazana fitsapana isan-karazany izy ireo. Rehefa miray saina izy ireo, dia afaka mahatohitra ireo fanerena mety hampahalemy ny fatoram-panambadiana. Koa satria izy mivady mitodika any amin’i Jehovah sy manaraka ireo toroheviny mahatalanjona, dia mora lavitra amin’izy ireo ny mampiravona ireo fahasahiranana sy ny miara-miasa ao anatin’ny firaisan-tsaina fa tsy hifaninana. Noho ny fiezahan’izy ireo amim-pahatsorana mba hanompo an’i Jehovah sy hampifanaraka ny fiainany amin’ireo lalan’Andriamanitra, dia ho vanona ny fanambadian’izy ireo ka hanome voninahitra ny Mpamorona.

Taona vitsivitsy lasa izay, ny vehivavy tanora iray atao hoe Gloria dia niaraka foana tamin’ny zazalahy iray izay nanatrika ireo fivoriana kristiana sy nanome valinteny aza tao amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Notoroana hevitra izy mba tsy hanohy hifanerasera akaiky amin’io lehilahy tsy vita batisa io. Raiki-pitia aoka izany taminy anefa izy ka tsy nanaraka io torohevitra io. Fantany anefa fa tsara izany. Koa indray andro dia nivavaka tamim-pahatsorana tamin’i Jehovah izy ka nangataka ny hanampiany azy tamin’io lafiny io. Tsy ela taty aoriana, dia fantatra fa nanana fitondrantena maloto io zazalahy io, ka nanapaka ny fifandraisany taminy avy hatrany i Gloria. Tamin’ny farany izy dia nanambady tanora kristiana tena tsara. Loholona izy io amin’izao andro izao, ary miaina amim-paharisihana ny fahamarinana ny zanak’izy ireo anankiroa. Mahatsiaro ny lasa i Gloria ka hoy izy: “Noho Jehovah, dia nisoroka zava-manahirana maro aho. Teo ambany fitarihany, dia nandray torohevitra tsara dia tsara mahatonga ahy amin’izao andro izao ho afaka hanana fiainana sambatra miaraka amin’ny vady be fitiavana aho.”

Nahoana no mitady any an-toeran-kafa?

Fa nahoana ny lehilahy kristiana (na ny vehivavy kristiana iray) vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah no handeha hitady vady any an-toeran-kafa? Tsy miaiky ve izy fa fantatr’i Jehovah izay hahatonga antsika ho sambatra ary iriny ny hahasambatra antsika (Ohabolana 3:1-7; Salamo 145:16)? Ary ianao? Inoanao ve fa “Andriamanitry ny fahamarinana” Jehovah? (Salamo 31:5.) Raha izany no izy, azo antoka fa tsapanao fa izy dia manome torohevitra azo antoka, feno fahendrena sy mahasoa foana (Isaia 48:17, 18). Marina tokoa fa ny Raintsika tia any an-danitra dia manome torohevitra amin’ny fikendrena ny hahasambatra antsika mandrakizay; mety ho fohy fijery anefa isika ka tsy hihevitra afa-tsy ny ho avy avy hatrany. Raha mitady vady anefa isika, moa ve isika tsy tokony hihevitra an’io raharaha io any ambadika lavitra ny ho avy avy hatrany? — Salamo 37:11, 29.

Tena mino tokoa ve ianao fa akaiky ilay Fanjakana ka tsy ho ela izy dia handray anjara mba hanadio ny tany? Mahita ny tenanao ao anatin’ilay Paradisa an-tany voambara ve ianao? Sa maniry handray soa faran’izay betsaka amin’ny fandehan-javatra ankehitriny ianao? Moa va ianao mitady vady afaka hanolotra anao fiainana mora sa vady manome ny toerana voalohany ho an’ny fanompoam-pivavahana marina (Matio 6:33)? Raha ny marina, inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanao? Fahendrena ny handinihantsika ny fisainantsika sy ny antony manosika antsika lalina. Avy eo, raha hita fa ilaina izany, dia hanao fiovana isika mba hanalavirana fitondrantena iray izay tsy hahafaly an’i Jehovah. — Jereo Salamo 78:40, 41.

Mamitaka ny fontsika

Manome antsika izao fampitandremana izao ny Jeremia 17:9: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra.” Tokony hotandremantsika àry izy io. Tsara koa ny hitadidiana fa ireo izay tsy miraharaha ny fampitandreman’ny Baiboly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra na ireo fampitandremana omen’ny loholona sy ny kristiana hafa amim-pitiavana dia matetika no mandrotsa-dranomaso sy mahita alahelo be.

‘Fa ahoana no ahafahanareo manantitrantitra izany, hoy angamba ianao; mahalala rahalahy nanambady zazavavy tsy Vavolombelona aho, ary amin’izao fotoana izao izy mivady dia samy manompo an’i Jehovah.’ Marina fa tamin’ny toe-javatra sasany, dia niafara toy izany ny zavatra, ary mahafaly antsika ny hoe “mandeha araka ny fahamarinana” ireo mpivady (II Jaona 4.) Na dia izany aza, dia tsy nankatò ilay kristiana izay nanambady zazavavy tsy vita batisa. Moa ve tsy hipoitra indray izany fitiavana tsy fiankinana izany indray andro any? Moa ve izany kristiana izany tsy ho voan’ny fakam-panahy hieritreritra fa mahalala mihoatra noho Jehovah izay tokony hataony izy ka, ao anatin’ny tarehin-javatra hafa, moa ve izy tsy hanilika ny torohevitry ny Baiboly ka hitoky amin’ny fahendren’ny tenany? Amporisihina isika mba ‘hatoky an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra’. (Ohabolana 3:5.) Izany dia milaza fahavononana hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Tokony ho vonona àry isika ny hampitombo fo mankatò, fo voasedra amin’ny fankatoavana na dia amin’ny zava-madinika aza (Lioka 16:10). Raha tsy mankatò an’Andriamanitra isika, karazan-toetra inona no ampitombointsika? Ilay Vavolombelona tsy ‘nanambady tao amin’ny Tompo’ dia azo inoana fa miaiky izao fa nanao fahadisoana izy tamin’ny fanaovan-javatra araka izay noheveriny, ary nitady ny famelan’i Jehovah izy. Toy izany anefa ve no irinareo hanombohana ny fiainanareo amin’ny maha-mpivady?

Hisy hafa angamba hilaza hoe: ‘Ilay zazalahy iarahako dia nanomboka nianatra ny Baiboly sy manatrika ireo fivoriana kristiana.’ Tsara tokoa izany, kanefa nahoana izy no mianatra? Mba hahazoana vady ve sa mba hianarana hahafantatra an’i Jehovah sy hanompo azy? Mandritra ny vanim-potoam-pifaneraserana, dia mety hampisalasala ny antony manosika lehilahy toy izany. Inona no ho tsapanao aorian’ny fampakaram-bady? Mazava ho azy fa afaka miandry ny hahavita batisa ilay namanao ianao, ka rehefa avy eo dia hametra haingana dia haingana ny datin’ny fampakaram-bady. Raha lazaina amin’ny fomba hentitra, dia ‘manambady ao amin’ny Tompo’ ianao. Kanefa moa ve ianao manao zavatra araka ny hevitra fonosin’io torohevitra io?

Voamarikao ve hoe amin’ny fotoana toy inona ny kristiana iray no atolotra mba handray andraikitra sasany? Ampy ve ny haha-vita batisa azy? Tsia, ny kristiana toy izany kosa dia ‘zahan-toetra aloha’. (I Timoty 3:10.) Afaka manatsoaka fianarana avy amin’izany ve isika? Izany tokoa. Ilaina ny hieritreretana, handinihana sy hihainoana. Eritrereto ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana. Diniho ilay olona, tsy amin’ny maso jamban’ny fahamaimaizana, fa araka ny tena izy. Ary farany, dia mihainoa. Moa ve ilay zazalahy (na ilay zazavavy) miteny amim-pahatsorana amin’ny fiderana an’Andriamanitra amim-pitiavana? Taorian’ny vanim-potoana antonony, moa ve izy nanome porofon’ny fandrosoana kristiana? Ho aloha loatra ny hieritreretana hanao izany zazalahy izany (na izany zazavavy izany) ho vadinao rehefa ho avy nanome porofon’ny tsy fivadihany sy naneho toetra ara-panahy izy. Nanoratra toy izao ny poeta iray:

“Ry zatovovavy isany, ny fianarana amin’ny tantarako

Dia toa izao:

Aza mianina amin’ny fifidianana vady tsara,

Fa fidio koa ny fotoana tsara hanambadiana azy.”

Inona no mety hitranga raha toa ny fonao ka manosika anao handa ireo torohevitra tsara dia tsara sy ireo fanaporofoana araka ny tena izy? Mety ho loza aman’antambo ny vokany. Aza hadinoina fa milaza toy izao ny Baiboly:

‘Izay afafy no jinjaina’

Jereo ny nitranga tamin’i Jacqueline. Nanoro hevitra azy ny loholona iray ny amin’ny fisakaizany tamin’ny zazalahy iray tsy anisan’ny kongregasiona kristiana. Nieritreritra anefa i Jacqueline fa sarotiny loatra ireo anadahiny kristiana, ka tsy nihaino ny torohevitr’izy ireo niorina tamin’ny Baiboly izy. Taty aoriana, rehefa avy nieritreritra ny fihetsiny izy, dia niaiky toy izao: ‘Tsy mijery afa-tsy izay tiana ho hita ny tena, fa tsy izay hitan’i Jehovah na lazainy.” Nanomboka nianatra ny Baiboly ilay zazalahy ary tamin’ny farany dia natao batisa. Telo volana taty aoriana, dia nivady izy ireo!

Nitranga haingana ireo zava-nanahirana. Tsy nanomboka ny volan-tanteliny akory aza izy ireo! Nanjary niharihary tamin’izay ireo toetoetra tsy faniry nananan’ilay zazalahy tsy voamarik’i Jacqueline na tiany tsy hojerena kokoa. Nanonofy fanambadiana sambatra izy, tokantrano misy firaisan-tsaina; mampalahelo anefa fa hafa dia hafa ny tena izy. Taty aoriana, dia voaroaka ny vadiny, ary nandao azy sy ireo zanany kely roa. Hatramin’izao i Jacqueline dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mandresy ireo fahasahiranana ara-toe-karena eo amin’ny fandehan-javatra mikororosy ankehitriny, fa tsy maintsy mitaiza zanaka kely roa koa amin’ny fanomezana izay ilain’izy ireo ara-batana sy ara-piraiketam-po. Inona no nianarany avy amin’izany fanandraman-javatra mangidy izany? “Ny fankatoavana, hoy izy. Na dia toa mafy aza ny torohevitra na hitantsika ho tsy ny tsara indrindra ho antsika, dia tokony hoheverina ho avy amin’i Jehovah izany ka harahina tanteraka.” — Galatiana 6:7; Salamo 86:11.

Jereo ny ohatra hafa iray koa. Nahita ilay ho vadiny tany am-piasany i Maritza. Nasehon’ilay lehilahy taminy ny zavatra atolotr’izao tontolo izao ka tsy fantany; ary tsy hitany ho dia ratsy manao ahoana ireny zavatra ireny. Nahita fianarana sy tsara taiza ilay zazalahy; niresaka tamim-pahiratan-tsaina ny amin’ny foto-kevitra maro izy. Nahazo fampitandremana maro araka ny Baiboly i Maritza, kanefa tsy nisy vokany taminy mihitsy izany; raiki-pitia loatra izy.

Tsy ela dia nanjary dridralava ho an’i Maritza ireo fivoriana kristiana. Tsy namirapiratra tahaka ireo takariva nanaitaitra laniny niaraka tamin’ilay namany nahafinaritra loatra izany. Talohan’ny fampakaram-badin’izy ireo, dia nampanantena azy io fa tsy hanohitra ny hankanesany any amin’ireo fivoriana kristiana izy, ary dia nitana ny teny nataony izy. Nanaiky tsikelikely ho voatanan-javatra hafa anefa i Maritza, hany ka nailiny ho any amin’ny toerana faharoa ireo asany kristiana; tamin’ny farany dia tsy niasa intsony izy.

Ary ireo resaka nahafinaritra nifanaovany tamin’ilay namany? Nitsahatra tsikelikely izany ary tamin’ny farany dia nisaraka taminy ny vadiny ka namela azy niaraka ho irery tamin’ny zanaka efatra, sivy ka hatramin’ny efa-taona. Toy ny nalemy noho ny fandonana i Maritza; telo taona taty aoriana izy vao afaka nieritreritra tamim-pahatoniana izay nitranga sy ny fomba hitarihany ny fiainany. Tsy nitsahatra ny namerimberina toy izao izy: “Ny fahavelomana dia fijaliana.” Tsy nahafa-po azy anefa izany, satria tsaroany ireo taona nahasambatra azy rehefa nandeha nitory izy mba hampahafantatra amin’ny hafa ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ka nankamamy na dia ny rivotra nangatsiatsiaka nifafy tamin’ny endriny aza.

“Toy inona moa ny fanahiana sy ny alahelo tsy ho nahazo ahy raha mba nihaino fotsiny aho!” Nihiaka toy izany izy. Tamin’ny alalan’ny mpiara-mianatra tamin’ireo zanany, dia nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray izy. Velona indray ny fahalianany tamin’ny fahamarinana sy ny fitiavany an’i Jehovah, ary amin’izao andro izao izy sy ireo zanany dia marisika amin’ny asa kristiana. Manoro hevitra amim-pahatsorana toy izao i Maritza ankehitriny: “Mianara manaiky hotarihin’ireo torohevitra omen’i Jehovah anao ary ekeo fa afaka mampiasa olona tsy ho noeritreretinao akory mihitsy izy mba hampahafantarana ny sitrapony.” Izao no nolazain’i Jesosy: “Koa tandremo ny fihainoanareo.” (Lioka 8:18). Eny, mieritrereta, mandiniha sy mihainoa!

Amin’ny fivoriana manaraka ao amin’ny Efitrano Fanjakana, dia mijere manodidina anao. Azo antoka fa ho voamarikao ny mpivady kristiana sambatra maro ka ho tsapanao fa mahita fahafinaretana izy ireny miara-mandany fotoana sy miara-manao zavatra samihafa. Ho hitanao kosa angamba anefa ny mpanatrika irery vitsivitsy satria tsy mpino ny vadiny. Haniry aoka izany izy ireny mba hiaraka aminy ny vadiny! Matetika tokoa izy ireny no tsy maintsy mody haingana any an-trano raha vao vita ny fivoriana ka amin’izany dia tsy mahita ireo resaka sy fiarahana mampandroso amin’ireo rahalahiny kristiana. Vonona ve ianao ny hisetra ny mety hahatongavana ao anatin’ny tarehin-javatra karazan’izany noho ianao tsy nihevitra ny fananarana milaza mba ‘hanambady ao amin’ny Tompo ihany’? Mampiseho fahendrena lavitra ny fanarahana ireo toromarika avy amin’i Jehovah ka amin’izany dia hitsimbin-tena amin’ny vokatra mampalahelo. — Salamo 119:9; Ohabolana 28:26.

Miantehera amin’i Jehovah

Hilaza angamba anefa ianao hoe: “Tsy mahita vady ao anatin’ny kongregasiona aho. Vitsy dia vitsy ny kristiana mitovy taona amiko.” Mety ho izany. Mino mafy ve anefa ianao fa tia ny hahasambatra anao Jehovah? “Izy no miahy anareo.” (I Petera 5:6, 7). Tsaroanao ve ireto teny ao amin’ny Ohabolana ireto: “Ny vady hendry (...) dia avy amin’i Jehovah.” (Ohabolana 19:14). Koa nahoana raha atao ho anisan’ny vavakao ny fanambadiana? — Filipiana 4:6, 7.

Tsarovy Hana izay naniry aoka izany ny hiteraka. Inona no nataony? Namboraka ny tao am-pony tamin’ny fitalahoana tamin’i Jehovah izy, ka natoky azy tanteraka. Rehefa avy eo, dia navelany hanapa-kevitra Andriamanitra. Nahazo valiny nahafinaritra ny vavaka nataony tamin’ny fotoana nety: ny fahaterahan’ny zazalahy iray. — I Samoela 1:9-11, 18-20; Salamo 62:8.

Vitsy dia vitsy angamba ny kristiana mitovy taona aminao ao anatin’ny kongregasionanao, kanefa inona no holazaina ny amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika? Noho ny antony ara-panahy no anatrehantsika fihaonambe toy ireny. Kanefa ireo kristiana manolotra ny fanampiany amin’ny maha-mpiasa an-tsitrapo dia mahita fifaliana miasa ho an’ny hafa sy mihaona amin’ny rahalahy sy anabavy izay manompo an’i Jehovah amin’ny fony rehetra. Mety ho amin’ny fotoana toy izany no hihaonanao amin’ny ho vadinao.

Kanefa, na dia tsy mety hahita vady kristiana amin’izao fotoana izao aza ianao, dia mamboraha ny ao am-ponao amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka ka mangataha aminy mba hanampy anao hanohy hanana fiainan’ny mpitovo madio. Amin’izany koa, dia mampitomboa toetra sy fahaizana izay hahatonga anao indray andro any ho afaka ny ho tonga vady sy ray tsara na reny tsara (Galatiana 5:22, 23). Kristiana maro no nahazo fanampiana tamin’io lafiny io tamin’ny fanombohana ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Misy fomba tsaratsara kokoa noho izany hampiasana ny fotoananao sy ny herinao ve?

Raha maniry hahita vady ianao, aiza no hitadiavanao izany? Aoka ho eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po, eo amin’ireo izay mitovy zava-kendrena aminao eo amin’ny fiainana ka maniry fatratra ny hanompo an’Andriamanitra mandrakizay (II Timoty 2:22)! Ary raha toa Jehovah ka manome fitahiana lehibe anao amin’ny alalan’ny vady iray matahotra azy, dia aoka ny fanambadianao hanome voninahitra an’ilay Andriamanitsika feno fitiavana.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Toy inona moa ny fanahiana sy ny alahelo tsy ho nahazo ahy raha mba nihaino fotsiny aho!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara