Nahatonga ny fiainako harisika ny asan’ny mpitory maharitra
Nataon’i Arthur Gustavsson
TENY an-tampon’ny Himâlaya rakotry ny orampanala no nahatongavan’ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, teo amin’ny ray aman-dreniko, Fred sy Amanda Gustavsson. Tamin’ny 1903 no nitrangan’izany; tao an-kibon-dreniko ahy tamin’izany fotoana izany. Fa inona no nataon’ny ray aman-dreniko teny ambony teny, lavitra dia lavitra an’i Soeda toerana nahaterahany?
Tamin’ny 1880, izy ireo dia nifindra tany Etazonia. Samy nino mafy an’Andriamanitra izy roa. Tany Chicago izy ireo dia nanaraka ny Fikambanan’ny misionera skandinava. Rehefa avy nampiofanina ho tonga misionera izy ireo, dia nalefa tany Baltistan, tany iray any amin’ny farany avaratr’i Pakistan ankehitriny. Kanefa, vetivety dia tsapan’izy ireo fa tena sarotra ny manova ny miozilimana hanaraka ireo fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nanomboka nisalasala mihitsy aza izy raha nety ho tonga loza be aoka izany Andriamanitra ka hanameloka ireny olona be hafanam-po sy mahay mampiantrano vahiny ireny hiaritra fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra iray raha tsy niova finoana izy ireny. Lavitra azy ireo ny nieritreritra fa ny sainy dia teo andalam-panomanana ho amin’ny zavatra tsaratsara kokoa.
Taty aoriana, ny namana iray dia nandefa ho azy ireo avy tany Etazonia, boky iray nanova tanteraka ny fomba fisainany. Izany dia ny boky Le divin plan des âges, natontan’i Charles Russell, prezidan’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany. Novakiany izy io, ary afaka teo ny sarona nanajamba ny masony. Azony mazava tsara fa fahafatesana no tambin’ny ota, fa tsy fampijaliana mandrakizay (Romana 6:23). Hatreo izy dia nanana hafatra fampanantenana hotorina amin’ny olona: hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra.
Fiovan’ny iraka
Teraka tao Shigar, any Baltistan, aho tamin’izany fotoana izany. Fotoana fohy taorian’izay dia teraka koa i Mirjam anabaviko. Nanao fanapahan-kevitra hiasa teo ambany fitarihan’ny Fikambanana Watch Tower ny ray aman-dreniko mba hitory ny fahamarinana vao hitany. Kanefa, nanery azy ireo hiverina tany Soeda ny toe-java-niseho tamin’ny 1908. Rehefa tonga tany Göteborg izy ireto dia nanomboka nitory ny ‘vaovao tsaran’ilay Fanjakana’ tamin’ny naha-“colporteurs”, araka ny niantsoana ireo minisitra manontolo andro tamin’izany fotoana izany (Matio 24:14). Tao anatin’ireo folo taona voalohany tamin’ny asany, izy ireo dia namakivaky in-telo ny tanàna manontolo teo amin’ny faritry ny fanompoany isan-trano isan-trano. Olona maro no nanaiky ny fahamarinana.
Tsaroako ny vehivavy anankiray natao hoe Hanna Gunnarsson; tezitra izy nandre ny raiko niteny taminy fa ny Baiboly dia tsy mampianatra fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, ka nihiaka hoe izy: “Raha tsy manana fanahy tsy mety maty ny tena, tsy aleo mivarina any an-dranomasina!” Nianina fotsiny tamin’ny fitsikiana taminy tamim-pahalemem-panahy ny raiko sady nanome ho azy ilay bokikely hoe Izay lazain’ny Soratra masina momba ny “afobe”. Taty aoriana izy sy ireo zanany vavy dia tonga Vavolombelona. Izay nitranga tamin’io andro io dia nampianatra mba tsy hanaiky ho sanganehana na oviana na oviana, na inona na inona lazain’ny olona.
Raha mbola folo taona aho, ny rahalahy Rutherford dia tonga tany Göteborg mba hanao lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Aiza moa ireo maty?”. Tamin’ny fotoana iray izy dia nanolotra vola 1000$ ho an’iza na iza tamin’ny mpanatrika afaka hanaporofo fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona. Tsy nisy mihitsy na dia iray aza nisetra ilay zava-tsarotra.
Ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra tao anatin’ny fianakaviana
Noho ny ohatra tsara dia tsara nomen’ny ray aman-dreniko ho ahy, vetivety ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra dia nameno ny saiko. Mbola kely mihitsy aho dia nanomboka nandray anjara tamin’ny fitoriana. Nasain’ny raiko nizara taratasy fanasana ho an’ireo lahateny ampahibemaso aho. Tiako fatratra io asa io, ary niaina fisehoan-javatra mitsimbadika maro tsy fahita loatra aho. Indray andro aho dia nitsidika ny vehivavy mpampianatra ahy mba hanasa azy amin’ny lahateny iray. Nolaviny tamim-pangatsiahana ny taratasy fanasako. Gaga loatra aho noho izany ka tafintohina ary nianjera tao ambany tohotra. Nataoko lesona ho ahy izany: nianatra ny hijery ny zava-misy aho. Tsy ho sahala amin’ny hanirian’ny tena azy foana akory ny olona.
Azo lazaina ho tonga tranon’ny mpitory maharitra, izay nandraisan’ny tsirairay avy tombontsoa ny tranonay. Nahatsapa ny naha-zava-dehibe ny asa fitoriana notontosain’i dada sy neny izahay sy ny anabaviko. Noho izany, dia nodiovinay tanteraka ny trano matetika rehefa avy any an-tsekoly izahay, na dia tsy mangataka anay hanao izany aza izy ireo.
Rehefa 16 taona aho dia nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony, ary natao batisa aho tamin’ny 1919 tamin’ny fivoriambe iray natao tany Örebro. Ny taona nanaraka aho dia nasaina hiasa niaraka tamin’ny antokon’olona kely nisy Vavolombelona valo izay nandany hery tao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Soeda. Tamiko, ireo taona lany tao amin’ny sampana ireo no fototry ny fiainana voafehy sy mirindra ho ahy teo amin’ny asan’i Jehovah.
1914: daty iray tsy hadinoina
Elabe talohan’ny 1914, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana anay tamin’izany fotoana izany, dia niandry tamim-pahadodonana io taona io, nihevitra fa ho manokana izy io. Nanantena fitrangan-javatra manokana dieny mialoha izahay satria voalaza tao amin’ireo faminanian’ny Baiboly izany. Mitahiry fahatsiarovana tena mazava ny amin’ny alahady 2 aogositra 1914 aho. Nitarika ny fivoriana tao Göteborg ny raiko raha renay ny mpivarotra gazety iray niantsoantso tany ivelany hoe: “Nanomboka ny ady maneran-tany iray!” Nifampijery ireo rahalahy nanatrika tao amin’ny efitrano. Nanjary zava-nisy ny sasantsasany tamin’ireo zavatra nambaranay momba ny 1914.
Taona voamarika koa ny 1914 ho an’i Johan Petersson. Fotoana vitsivitsy talohan’izay, Ida anabaviny, dia nanome ho azy boky telo nosoratan’ny rahalahy Russell. Nihevitra azy ireo ho nampidi-doza i Johan ka nandoro azy. Henon’i Ida izany ka nampindraminy tamim-pikirizana telo hafa tamin’izany izy. Tamin’izay kosa dia nampiriminy tao anaty vata sarihina iray nihidy lakile izy ireo.
Avy eo dia nipoaka ny ady lehibe. Ren’i Johan nisy nilaza fa niresaka ny 1914 ireo boky. Tamim-pahalianana hahafanta-javatra no nanokafany ny vatany sarihina, namoahany azy ireo avy tao ary namakiany azy. Nisokatra tamin’ny fahamarinan’ny Baiboly ny masony, ary tonga Mpianatra ny Baiboly koa izy. Natao batisa izy tamin’ny 1917, ary i Rosa, zanany vavy, dia nanaraka ny ohatra nomeny tamin’ny 1918. Tamin’ny 1928 izy io dia tonga vadiko malalako sy namako nahatoky teo amin’ny asa ho an’i Jehovah.
Eny an-dalana miaraka amin’ny vaovao tsara
Rehefa nanambady aho, dia nandao ny sampana, ary izaho sy Rosa dia nandany ny volan-tantelinay nanompoana tamin’ny naha-mpitory maharitra. Nandritra ny volana voalohany nivadinay, izahay dia nahazara 4 000 tamin’ilay bokikely hoe Fahafahana ho an’ireo vahoaka.
Volana vitsivitsy monja taty aoriana, dia notolorana fahafahana ho tonga mpitarika ny asa isam-paritany aho, izay antsoina ankehitriny hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany. Izany dia hidika fitsidihana kongregasiona maro manerana an’i Soeda ary avy eo dia any Norvezy. Tamin’izany fotoana izany anefa dia tsy nomanina ny hitondrana ny vadin’ny tena amin’ireny dia ireny. Tsy maintsy tsy eo mandritra ny fe-potoana enina na fito herinandro aho, miala sasatra andro vitsivitsy eo anelanelan’ny dia tsirairay avy. Nifanaiky an-tsitrapo tamin’io fanaovana sorona io izahay ary niaina tamin’izany fomba izany nandritra ny 14 taona.
Inona no nataon’i Rosa nandritra izany fotoana izany? Mpitory maharitra niaraka tamin’ny anabaviko tany Hälsingborg, any Soeda izy. Tamin’izany fotoana izany izy ireo dia tsy maintsy nandeha lalan-davitra tamin’ny bisikileta mba hitsidihana ny faritany, satria midadasika be izy io. Kanefa aoka havelantsika ny vadiko hitantara izany amintsika:
“Tena hafa noho ny ankehitriny ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ireo taona 1930. Nanofa trano fonenana kely anankiray ho an’ny herinandro iray na roa izahay sy Mirjam nandritra ireo fifindrafindran-toerana nataonay isam-paribohitra. Avy eo izahay dia nifindra indray niaraka tamin’ny entanay rehetra nataingina teo ambony bisikiletanay: fitafiana, kaserola ary baoritra feno boky. Mendrika ny nanaovana fiezahana ny fahitana izany!
“Tsy mora foana akory ny nahita trano fonenana iray. Indray hariva, rehefa samy avy nitory irery nandritra ny andro manontolo izahay sy Mirjam dia nifankahita indray tokony ho tamin’ny 8 ora.
“Nanohy ny lalanay tamin’ny bisikileta izahay hatreo amin’ny toeram-piompiana sy fambolena nanaraka nahitanay hazavana. Avy eo dia fantatray ilay trano. Nidobodoboka ny fonay. Niseho ho nanohitra mafy ireo olona nipetraka tao tamin’ny nitsidihanay azy ireo farany. Tamin’ny fandeha niahotra, dia nandroso hatreo amin’ny varavarana i Mirjam ary nanontany an’ilay ramatoa raha afaka nampiantrano anay izy. Akory ny hagaganay sy ny fahamaivamaivananay fa nanasa anay handroso sy hipetraka izy. Fotoana fohy taorian’izay, dia nantsoiny ho ao amin’ny efitrano tsara indrindra izahay, izay nisy latabatra iray nivelatra, feno sakafo be dia be. Sarotra taminay ny nino izay hitan’ny masonay! Rehefa avy nihinana izahay dia nentiny ho ao amin’ny efitrano iray izay nahitana ireo fandriana voamboatra tamin’ny lambam-pandriana tsara indrindra. Talanjona izahay noho izany fiovan-toetra izany.
“Ny ampitso maraina, ireo mpiompy dia nandroso ny sakafo maraina ho anay. Rehefa naniry handoa vola tamin’izy ireo izahay dia nolaviny ny volanay. Nanontany azy izahay raha azonay natao ny hanao fanomezana ho azy ilay boky hoe Fanafahana. ‘Eny tokoa! Tena tianay io boky io, hoy ny navaliny. Nilaza taminay ny vehivavy mpifanolobodirindrina aminay fa nanome ho azy anankiray tamin’io ianareo fony nipetraka tao aminy. Nanampiny fa nankasitrahany be dia be izany.’
“Nampianatra anay io fisehoan-javatra tsy nampoizina io fa tsy fantatra na oviana na oviana ireo vokatra mety hoentin’ny zavatra vita an-tsoratra anankiray monja.”
Nifikitra tamin’ny asan’ny mpitory maharitra
Tamin’ny 1942, dia natsahatra fotoana fohy ny asa fitetezam-paritany, hany ka afaka niverina ho mpitory maharitra niaraka indray izaho sy Rosa. Taty aoriana kely, dia narary ny rainy, ka najanonay ny fanompoana manontolo andro mba hikarakarana azy. Kanefa, raha vao namela anay ny toe-java-niseho, dia noraisinay indray ny asa tianay indrindra: ny asa manontolo andro. Nihevitra ny tenanay ho nifankahita indray tamin’ny zavatra tianay indrindra izahay. Rehefa nody tany an-trano izahay, taorian’ny nandanianay ny andro iray manontolo tamin’ny fitoriana, dia matetika izahay no niteny hoe: “Mendrika ny hanaovana ny sorona rehetra sy ny fiezahana rehetra aterany ny asan’ny mpitory maharitra.”
Ankehitriny izahay dia mpitory maharitra hatramin’ny taona maro any andrefan’i Soeda, izay itorianay miaraka amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Svenljunga. Satria izahay efa mandroso fahanterana, dia tsy manana intsony ny tanjaka nanananay tamin’ireo taonan’ny fahatanoranay, kanefa sambatra izahay afaka naharitra teo amin’ny laharan’ireo mpitory maharitra. Nandany 55 taona tamin’ny asa manontolo andro aho hatramin’izao, ary ny vadiko 48 taona. Kanefa, tsy miaina fotsiny ao anatin’ny fahatsiarovanay izahay, na dia mahatsiaro azy ireny amim-pahafinaretana aza. Na firy na firy taonanay, dia tsy maintsy mibanjina foana hatrany eo anoloana izahay. Ny faniriana maminay indrindra dia ny ho afaka handeha amim-pahatokiana sy amim-panetren-tena miaraka amin’i Jehovah, Andriamanitray, sy ny hanandrana, amin’ny farany, ireo fitahiana mahatalanjona hoentin’ny Fanjakany, dia io Fanjakana torianay manontolo andro io hatramin’ny taona maro aoka izany. — Mika 6:8.
[Sary, pejy 26]
Miara-manompo an’i Jehovah hatramin’ny 58 taona izaho sy ny vadiko.