Fanandroana tao anatin’ireo synagoga hoe?
Ny Revion’ny arkeolojia ara-baiboly (angl.) tamin’ny may/jona 1984 dia nilaza ny amin’ny fahitana rafi-bato iray tena tsara tahiry, tamin’ireo fikarohana natao teo amin’ny toerana nisy ny synagoga tranainy iray. Io toerana io dia hita any amin’ny faritra antsoina hoe Hammath Tiberias, eo amoron’ny ranomasin’i Galilia. Tombanana ho teo anelanelan’ny taonjato faharoa sy ny taonjato fahadimy amin’ny fanisan-taona iraisana tany ho any ilay soson-tany nokarohina. Milaza indrindra ilay lahatsoratra hoe: “Manjaka ny fisafotofotoana hafahafa eo amin’ireo manam-pahaizana raha ny amin’ny fanondroana ny daty nisian’ireo synagoga tranainy.”
Nefa amin’ny ahoana moa no maha-manokana an’io rafi-bato io? “Mampiseho ny andriamanitra grika Hélios [ny andriamanitra-masoandro] voahodidin’ny zodiaka [antokon-kintana 12 izay toa falehan’ny masoandro amin’ny taona iray] izy io. (...) Miseho ao anatin’ny fehy iray manodidina ny faribolan’i Hélios ireo mariky ny volana 12.” Taorian’ny fandinihana nataony raha notontosain’ny Jiosy iray na ny tsy Jiosy iray ilay taozavatra, ny mpanoratra ilay lahatsoratra dia nilaza hoe: “Kanefa, ny raharaha sarotra indrindra dia ny ahafantarana izay ataon’ny zodiaka iray sy ny andriamanitra grika iray ao anatin’ny synagoga anankiray. (...) Vao mainka sarotra io raharaha io noho ny zodiaka sy Hélios misy fototra hita ao anatin’ny synagoga maromaro fahiny, ka ny hany tranainy indrindra dia ny an’i Hammath Tiberias.”
Kanefa moa ve vao voalohany ireo Jiosy fahiny no nampifangaro amin’ny fanompoam-pivavahany, marika sy andriamanitry ny mpanompo sampy? Tsia, satria asehon’ny Baiboly fa tamin’ny andron’i Manase mpanjaka 716-661 alohan’ny fanisan-taona iraisana), ny fanandroana dia efa nahazo ny fivavahana jiosy. Milaza amintsika ny fitantaran’ny Baiboly hoe: “Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan’i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra izy ka nanompo ireny.” — II Mpanjaka 21:3.
Taty aoriana, Josia mpanjaka, mpanao fanavaozana be zotom-po, dia nanadio tanteraka ilay tany tamin’ireo fomba amam-panaon’ny fivavahan-diso. “Ary ny mpanjaka nandidy an’i Hilkia mpisoronabe sy mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’i Bala sy Astarta ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra hiala amin’ny tempolin’i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’i Jerosalema tena amin’ny saha amoron’i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony. Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ny andriamani-tsy-izy, izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ny fitoerana avo tany amin’ny tanànan’ny Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ny volana sy ny kintana amin’ny Zodiaka ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.” — II Mpanjaka 23:4, 5.
Inona no ampahafantarin’ireo fisehoan-javatra ara-tantara ireo antsika? Voalohany indrindra, fa tsy misy toerana ho an’ny fanandroana, ny “horoscopes” (tombantombam-bintana) ary fomba amam-panao hafa misy ifandraisany amin’ny hery tsy hita maso ao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Manaraka izany, fa tena mora ny ho tafalatsaka ao amin’ireny fomba amam-panao ireny raha atao an-tsirambina ny fitanana fifandraisana amin’i Jehovah ary raha mampiseho fahalianana amin’ny filozofian’olombelona sy ny fahendrena sandoka ny tena. Mora amin’izay ny ‘manaja sy manompo amin’ny alalan’ny fanompoana masina, ny zavatra noforonina fa tsy ny Mpamorona’. Mba hiarovan-tena amin’ny fomba amam-panao toy izany, dia ilaina ny ‘mitana ny fahalalana marina an’Andriamanitra’, mahafantatra marina an’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, sy Kristy Jesosy, Zanany. — Romana 1:20-25, 28; Jaona 17:3.