FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/4 p. 30
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nataon’i Jehovah Izay Hahazoanao Fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Ny Jobilin’i Jehovah: fotoam-pifaliana ho antsika izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Jobily
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/4 p. 30

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Teo amin’ny Isiraely fahizay, ny fihodinkodinan’ny 49 taona tsirairay avy dia narahin’ny taona iray nolazaina hoe an’ny Jobily (faha-50 taona). Moa ve io Jobily io tandindon’ny vanim-potoana hanaraka ireo 49 000 taona amin’ny herinandron’ny famoronan’Andriamanitra?

Koa satria ahitana ny isa 49 ao amin’ireo toe-javatra roa ireo, ny Jobily dia mety ho toa tandindon’ny vanim-potoana hanaraka ny fahataperan’ny herinandro famoronana izay mitatra eo amin’ny 49 000 taona. Kanefa, ho an’ny olombelona mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, izay nitranga nandritra ny Jobily teo amin’ny Isiraely dia mifanitsy bebe kokoa amin’izany hitranga mandritra ny Fanjakana arivo taona, izany hoe ireo arivo taona farany amin’ny herinandro famoronana, fa tsy izay hitranga aorian’izany. Aoka hojerentsika hoe nahoana.

Voalohany indrindra, ny lalàn’i Mosesy dia nitaky ny haha-sabata ho an’ny tany ny taona fahafito tsirairay avy: tsy tokony hisy famafazana, fambolena, na fijinjana. Taorian’ny taona sabata fahafito (ny taona faha-49), dia nisy taona nanokana, ny taona faha-50, izay taona Jobily. Izy io koa dia taona sabata tokony tsy hiasana ny tany indray. Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia nambara ny fahafahana. Ireo Hebreo nivaro-tena ho andevo dia nafahana tamin’ny fanandevozana azy ireo sy ny trosany. Afa-tsy izany koa, ireo fananana nolovana dia niverina tamin’ireo fianakaviana izay voatery nivarotra izany. Ho an’ny Isiraelita àry, ny Jobily dia fotoam-panafahana sy famerenana indray. — Levitikosy 25:1-46.

Ankoatr’izany, ny fandinihana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ny fahatanterahany, amin’ny fijerena hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny Tantara, dia mampahafantatra mazava fa ny ‘andro famoronana’ tsirairay avy (Genesisy toko 1) dia maharitra 7 000 taona. Rariny tokoa ny hiheverana fa ireo 1 000 taona amin’ny fanjakan’i Kristy dia hamarana ny ‘andro fitsaharan’Andriamanitra’, izay maharitra 7 000 taona ary ‘andro’ farany amin’ny ‘herinandro famoronana (Apokalypsy 20:6; Genesisy 2:2, 3). Araka io fanazavana io, ny ‘herinandro famoronana’ àry dia tokony haharitra 49 000 taona.

Rehefa nahamarika ny fifanahafan’ireo tarehi-marika roa ireo ny olona sasany dia nampitaha ny 49 taona mifandray amin’ny Jobily taloha, tamin’ireo 49 000 taona amin’ny herinandro famoronana. Nanazava toy izany izy ka nieritreritra fa ny taona Jobily (ny faha-50) teo amin’ny Isiraely dia tandindon’izay hitranga aorian’ny fahataperan’ny herinandro famoronana.

Aza hadinoina anefa fa ny Jobily dia taom-panafahana sy famerenana indray indrindra ho an’ny olona. Ny herinandro famoronana anefa dia mahakasika indrindra ny tany sy ny fanamboarana azy. Ambonin’izany, ao anatin’ny fanatanterahana ny fikasany ny amin’ny olombelona eto an-tany, ny Mpamorona dia tsy nanomana ny hivarotana ny planetantsika mihitsy ho andevo, noho izany, dia tsy mila ny hafahana izy. Ny olombelona no mila izany fanafahana izany. Ambonin’izany, ny olombelona dia tsy nisy hatramin’ny 49 000 taona, fa hatramin’ny 6 000 taona eo ho eo. Asehon’ny Baiboly fa, fotoana fohy taorian’ny namoronana azy ireo, dia nikomy tamin’Andriamanitra Adama sy Eva, ka izany dia nahatonga azy ireo ho andevon’ny ota, ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana. Araka ny Romana 8:20, 21, Jehovah dia manam-pikasana ny hanafaka avy amin’izany fanandevozana izany ireo olona izay maneho finoana. Amin’izay ireo mpivavaka marina aminy dia “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. — Jereo Romana 6:23.

Ny olom-bitsy nofidina hiaina any an-danitra dia nahita ny fahotany voavela nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ary noho izany dia efa mifaly amin’ny Jobily; ahariharin’ny Soratra Masina anefa fa ny fanafahana ny olombelona hafa izay maneho finoana dia hitranga mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy rehefa hampihatra ho azy ireo ny soa avy amin’ny sorom-panavotany Kristy. Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, ireny olona ireny dia ho nasandratra ho amin’ny fahatanterahan’olombelona ary hafahana tanteraka amin’ny fahotana nolovana sy ny fahafatesana. Rehefa avy nanafoana toy izany ny fahavalo farany (ny fahafatesana nolovana avy amin’i Adama), Kristy dia hamerina ny Fanjakana amin’ny Rainy amin’ny faran’ny 49 000 taona ho naharetan’ny herinandro famoronana. — I Korintiana 15:24-26.

Noho izany, ho an’ny olombelona manana fanantenana ny ho eto an-tany, ny fanafahana sy ny fampiverenana tamin’ny laoniny nampiavaka ny taona Jobily teo amin’ny Isiraely fahiny dia hahita ny mifanitsy aminy araka ny mety mandritra ny Sabata arivo taona ho avy handraisan’izy ireo soa amin’ny fanafahana sy ny fampiverenana amin’ny laoniny. Hitranga izany eo ambany fanapahan’i Kristy, satria “Tompon’ny Sabata ny Zanak’olona”. — Matio 12:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara