“Izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”
“Notoraham-bato izy (...), nalaim-panahy (...) nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory.” — HEBREO 11:37, 38.
1, 2. Tao anatin’ny toe-javatra niseho inona avy moa ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andro taloha no tsy nivadika hatrany, ary inona no herin’ny nataon’izy ireny eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?
IREO vavolombelon’i Jehovah taloha dia tsy nivadika hatrany teo anatrehan’Andriamanitra na dia tao aza ny fitsapana maro nihatra tamin’izy ireny avy amin’ny fitambaran’olona tsy marina. Ohatra, ireo mpanompon’Andriamanitra dia notoraham-bato sy nolefonina. Niharan’ny fitondrana ratsy sy ny fampahoriana izy ireny. Tsy nihozongozona tamin’ny finoany anefa izy ireny. Azo antoka àry fa, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly, “izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”. — Hebreo 11:37, 38.
2 Ireo asa mamporisika vitan’ny olona tia fivavahana talohan’ny safodrano sy ireo patriarika ary Mosesy dia manosika ny vavolombelon’i Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao hanompo an’Andriamanitra amim-pinoana. Fa ahoana ny amin’ny olon-kafa resahina ao amin’ny toko faha-11 sy 12 amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo? Ahoana no azontsika andinihana amin’ny fomba mahasoa ireo lafiny kely samihafa amin’ny finoan’izy ireny?
Ny finoan’ireo mpitsara, mpanjaka ary mpaminany
3. Inona avy moa no fisehoan-javatra nitranga tany Jeriko tamin’ny andron-dRahaba, mampiseho fa ny finoana dia tokony hoporofoina amin’ny alalan’ny asa?
3 Tsy zavatra inoana fotsiny akory ny finoana; tokony hoporofoina amin’ny asa, izany hoe amin’ny atao izany? (vakio Hebreo 11:30, 31). Taorian’ny fahafatesan’i Mosesy, ny finoan’ny Isiraelita dia nahatonga azy ireo ho afaka ny handresy imbetsaka tao amin’ny tany Kanana, kanefa nitaky fiezahana avy amin’izy ireny izany. Ohatra, noho ny finoan’i Josoa sy ny Isiraelita hafa, dia “nirodana ny màndan’i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana”. Kanefa, “finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino [ireo mponina tsy nino tany Jeriko]”. Fa nahoana? “Satria nandray ny mpisafo-tany [isiraelita] tamin’ny fihavanana izy” ka nanaporofo ny finoany tamin’ny fanafenana azy ireny rehefa nitady azy ireny ny Kananita. Mafy orina ny finoan-dRahaba, satria reny ny ‘nanamainan’i Jehovah teo anoloan’izy ireo [ny Isiraelita] ny ranon’ny ranomasina Mena’ sy nanomezany azy ireo ny fandresena an’i Sihona sy Oga, mpanjaka amorita. Nitondra teo amin’ny fiainany ireo fiovana nilaina Rahaba ary notahina noho ny finoany niasa; narovana tokoa izy — mbamin’ny fianakaviany — rehefa rava Jeriko, ary nahazo tombontsoa izy anisan’ny taranaka tokony hitarika ho amin’i Jesosy Kristy. — Josoa 2:1-11; 6:20-23; Matio 1:1, 5; Jakoba 2:24-26.
4. Mampiseho inona moa ireo zava-bitan’i Gideona sy Baraka raha ny amin’ny finoana tokony haseho rehefa misetra loza ny tena?
4 Eo anoloan’ny loza, dia mampiseho ny finoana ny tena amin’ny fiankinana tanteraka amin’i Jehovah (vakio Hebreo 11:32). Nasehon’i Paoly fa tsy ho ampy ny fotoana raha tsy maintsy resahiny ny amin’i “Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta (...), Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany”, izay ny zava-bitany dia nampiseho fa nanam-pinoana izy ireny ary niantehitra tamin’Andriamanitra tao anatin’ireo tarehin-javatra nampidi-doza. Tamin’izany, noho ny finoana sy niaraka tamin’ny telonjato lahy monja, Gideona mpitsara dia nahazo avy tamin’Andriamanitra ny hery nilainy mba hanorotoroana ny hery ara-tafiky ny mpampahory midianita (Mpitsara 7:1-25). Nampaherezin’i Debora mpaminanivavy Baraka mpitsara sy ireo lehilahy namany iray alina mpandeha an-tongotra ratsy fitaovana ka nandresy ny tafik’i Jabina mpanjaka nahery lavitra, izay notarihin’i Sisera ary afaka nampiasa kalesy mpiady nisy antsy fijinjana sivinjato. — Mpitsara 4:1 ka hatramin’ny 5:31.
5. Ahoana no nisehoan’ny finoan’i Samsona sy Jefta, ka nampiseho tamin’izany fa niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izy?
5 Ny andron’ny mpitsara teo amin’ny Isiraely dia manome antsika oha-pinoana hafa raha ny amin’i Samsona, fahavalon’ny Filistina nahery. Marina fa tamin’ny farany ireo dia nisambotra azy sy nanapotsitra ny masony, kanefa niteraka fahafatesan’ny maro tamin’izy ireny izy rehefa nanjera ny andrin’ilay trano nisy azy ireo rehefa hanolotra sorona lehibe ho an’i Dagona andriamaniny sandoka izy ireo. Marina koa fa niara-maty tamin’ireny Filistina ireny Samsona, kanefa tsy famonoan-tena nateraky ny famoizampo akory izany. Noho ny finoana, dia niantehitra tamin’i Jehovah izy ary nivavaka taminy mba hanome azy ny hery ilaina mba hampiharana ny famaliany ireo fahavalon’Andriamanitra sy ny Olony (Mpitsara 16:18-30). Jefta, izay nomen’i Jehovah fandresena ny Amalekita, dia nanaporofo koa fa nanam-pinoana izy ary niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Raha tsy nanam-pinoana toy izany izy, dia tsy ho afaka ny hanatanteraka ny voady nataony tamin’Andriamanitra tamin’ny fanolorana ny zanany vavy, izay nijanona ho virijina, tao amin’ny asan’i Jehovah. — Mpitsara 11:29-40.
6. Ahoana no nampisehoan’i Davida ny finoany?
6 Niavaka koa ny finoan’i Davida. Mbola vao zatovolahy izy fony niady tamin’ilay Filistina goavana natao hoe Goliata. “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy”, hoy Davida taminy, “fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Niantehitra tamin’Andriamanitra tokoa i Davida. Namono an’ilay Filistina nahery izy ary taty aoriana dia tonga mpanjaka mpiady izay niady tamin-kerim-po mba hiarovana ny tombontsoan’ny olon’Andriamanitra. Ary ny finoan’i Davida dia nanao azy ho lehilahy araka ny fon’i Jehovah (I Samoela 17:4, 45-51; Asan’ny apostoly 13:22). Nandritra ny andro niainany, Samoela sy ny mpaminany hafa dia nampiseho koa fa nanana finoana lehibe izy ireny ary niantehitra tanteraka tamin’Andriamanitra (I Samoela 1:19-28; 7:15-17). Ohatra tsara dia tsara izany ho an’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao — na firy taona izy na firy taona.
7. a) Iza moa ireo “nandresy fanjakana tamin’ny finoana”? b) Iza moa no “niasa fahamarinana” noho ny finoana?
7 Noho ny finoana, ny tsy fivadihantsika dia afaka mandresy izay rehetra mety ho fitsapana, ary afaka mahomby isika amin’izay rehetra ataontsika mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra (vakio Hebreo 11:33, 34). Ny asam-pinoana hafa notononiny dia toa nolazain’i Paoly koa fa nataon’ny mpitsara, mpanjaka sy mpaminany hebreo, satria vao avy nanonona ny anaran’ny sasantsasany tamin’izy ireny izy. ‘Noho ny finoana’, dia nisy mpitsara tahaka an’i Gideona sy Jefta “nandresy fanjakana”. Nanao toy izany Davida mpanjaka, satria izy nampanaiky ny Filistina, ny Moabita, ny Syriana, ny Edomita mbamin’ny firenena hafa koa (II Samoela 8:1-14). Noho ny finoana koa, dia nisy mpitsara nahatoky “niasa fahamarinana”, ary ireo torohevitra marina nomen’i Samoela mbamin’ny mpaminany hafa dia nanosika, fara faharatsiny, Isiraelita vitsivitsy hifady ny ratsy na hiala amin’izany. — I Samoela 12:20-25; Isaia 1:10-20.
8. Fampanantenana inona no azon’i Davida, ary ahoana no niafaran’izany?
8 Davida dia anisan’ireo izay, noho ny finoana, dia “nahazo teny fikasana”. Nampanantena azy toy izao Jehovah: “Ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (II Samoela 7:11-16). Nitana ny teny nataony izy tamin’ny fanorenana ny Fanjakana mesianika tamin’ny 1914. — Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN ]; Daniela 7:13, 14.
9. Tao anatin’ny toe-javatra niseho inona avy moa no ‘voakombona ny vavan’ny liona noho ny finoana’?
9 Nivoaka nandresy tamin’ny fitsapana sarotra ny tsy fivadihan’i Daniela mpaminany rehefa nanohy nivavaka tamin’Andriamanitra araka ny fanaony isan’andro izy, na dia tao aza ny fandraran’ny mpanjaka. Tamin’ny finoan’ny mpihazona tsy fivadihana, Daniela dia “nanakombona ny vavan’ny liona” tamin’ny heviny hoe niaro azy ho velona Jehovah tao an-davaky ny liona nanipazana azy. — Daniela 6:4-23.
10. Iza moa, noho ny finoana, no “namono ny fidedadedan’afo”, ary hahatonga antsika ho afaka hanao inona moa ny finoana sahala amin’izany?
10 Ireo Hebreo naman’i Daniela, Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpihazona tsy fivadihana, dia azo lazaina hoe “namono ny fidedadedan’afo”. Rehefa norahonan’i Nebokadnezara mpanjaka hatsipy ao anaty lafaoro faran’izay nahamay izy ireo, dia namaly an’ilay mpanjaka Babyloniana fa tsy hanompo ireo andriamaniny ary tsy hivavaka amin’ny sary natsangany — na hanafaka azy ireo ny Andriamaniny na tsia. Tsy namono ny afo nampivaivay an’ilay lafaoro akory Jehovah, fa nataony kosa izay hahatonga ireo Hebreo telo lahy tsy hiharam-pahavoazana mihitsy (Daniela 3:1-30). Ny finoana sahala amin’izany dia mahatonga antsika ho afaka ny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra, na dia misy fahavalo manjary mandrahona ny fiainantsika aza. — Apokalypsy 2:10.
11. a) Iza moa, noho ny finoana, no “afaka tamin’ny lelan-tsabatra”? b) Iza moa no “nampahatanjahina” noho ny finoana? d) Iza no “nahery tamin’ny ady” ka “nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa”?
11 Davida dia ‘afaka tamin’ny lelan-tsabatry’ ny olon’i Saoly (I Samoela 19:9-17). Afa-nandositra ny famonoana tamin’ny sabatra koa Elia sy Elisa mpaminany (I Mpanjaka 19:1-3; II Mpanjaka 6:11-23). Iza anefa ireo izay ‘raha nalemy dia nampahatanjahina noho ny finoana’? Gideona, ohatra, dia nihevitra fa osa loatra ny tenany sy ireo lehilahy niaraka taminy ka tsy hahavonjy ny Isiraely amin’ny Midianita, kanefa ‘nampahatanjahin’Andriamanitra’ izy ka nomeny fandresena, niaraka tamin’ny lehilahy telonjato monja (Mpitsara 6:14-16; 7:2-7, 22). ‘Ilay izy nalemy iny’ rehefa notapahina ny volony, dia ‘nampahatanjahin’i Jehovah’ i Samsona ka niteraka fahafatesan’ny Filistiana maro (Mpitsara 16:19-21, 28-30; jereo Mpitsara 15:13-19). Nety ho noeritreretin’i Paoly ho “nampahatanjahina” koa Hezekia mpanjaka ilay izy nalemy ara-tafika sy ara-batana koa aza (Isaia 37:1 ka hatramin’ny 38:22). Anisan’ireo mpanompon’Andriamanitra “tonga nahery tamin’ny ady” Jefta mpitsara sy Davida mpanjaka (Mpitsara 11:32, 33; II Samoela 22:1, 2, 30-38). Ary raha ny amin’i Baraka mpitsara, izy dia anisan’ireo “nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa”. (Mpitsara 4:14-16.) Izany zava-bita rehetra izany dia tokony hampiaiky antsika fa noho ny finoana dia afaka handresy izay rehetra mety ho fitsapana ny tsy fivadihantsika; afaka mahomby koa isika amin’izay rehetra ataontsika mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah.
Olon-kafa koa nanana finoana faka tahaka
12. a) Iza no “vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray”? b) Amin’ny heviny ahoana moa ny fananganana olona nanam-pinoana sasany no ho “tsara lavitra”?
12 Raha manam-pinoana isika, dia mino ny fanantenana fananganana ny maty izay manampy antsika tsy hivadika hatrany eo anatrehan’Andriamanitra (vakio Hebreo 11:35). Noho ny finoan’izy ireo, dia nisy “vehivavy nandray ny azy efa maty”. Noho ny finoana sy tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra, Elia dia nanangana ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tany Zarefata, ary Elisa, ny an’ny Sonemita iray (I Mpanjaka 17:17-24; II Mpanjaka 4:17-37). “Ny sasany nampijalijalina ho faty [“nokapohina tamin’ny hazo” ara-bakiteny], nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra.” Ireny vavolombelon’i Jehovah ireny, tsy tononin’ny Soratra Masina anarana, dia novonoina ho faty, satria tsy nety nafahana noho ny fanekena lembenana hanimba ny finoany. Ho “tsara lavitra” ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty, satria tsy ho voatery ho faty indray izy ireo — toy ny hita tamin’ireo izay natsangan’i Elia sy Elisa — ary izany dia hitranga eo ambany Fiandrianan’i Jesosy Kristy, “Ray mandrakizay”, izay ny avotra nomeny dia mitondra ho an’ny tsirairay avy, fahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany. — Isaia 9:6, MN; Jaona 5:28, 29.
13. a) Iza no niaritra “fanesoana sy kapoka mafy”? b) Iza no nahita “fatorana sy trano-maizina”?
13 Raha manam-pinoana isika, dia ho afaka hiaritra fanenjehana (vakio Hebreo 11:36-38). Rehefa enjehina isika, dia hanampy tokoa ny hitadidiana ny fanantenana ny fananganana ny maty sy ny hahatsapana fa afaka manohana antsika Andriamanitra toy ny nanohanany “ny sasany [izay] niaritra [noho ny finoany] fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa”. Ireo Isiraelita dia “namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy”. (II Tantara 36:15, 16.) Noho ny finoana, Mikaia, Elisa sy mpanompon’Andriamanitra hafa koa, dia niaritra “fanesoana”. (I Mpanjaka 22:24; II Mpanjaka 2:23, 24; Salamo 42:3.) Ny famelezana ‘kapoka’ dia fahita tamin’ny andron’ireo mpanjaka sy mpaminany teo amin’ny Isiraely; toy izany koa, Jeremia dia ‘nasian’ireo’ fahavalo, ary tsy tehamaina natao mba hanevatevana azy fotsiny akory izany. Ny “fatorana sy trano-maizina” dia mety hampahatsiahy antsika izay niainan’i Jeremia mbamin’i Mikaia sy Hanany mpaminany (Jeremia 20:1, 2; 37:15; I Mpanjaka 12:11; 22:26, 27; II Tantara 16:7, 10). Noho izy ireo nanam-pinoana sahala amin’izany, ireo vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia afaka niaritra fahoriana tahaka izany “noho ny fahamarinana”. — I Petera 3:14.
14. a) Iza moa no anisan’ny “notoraham-bato”? Iza no nety ho “notsofana”?
14 Anisan’ireo olona nanam-pinoana tantarain’ny apostoly Paoly fa “notoraham-bato”, dia tao Zakaria, zanak’i Joiada mpisorona. Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra izy ka niteny tamin-kery nanohitra ireo mpivadi-pinoana tao Joda. Noho izany antony izany, araka ny baikon’i Joasy mpanjaka, dia nisy mpanao teti-dratsy namono azy tamin’ny fitoraham-bato azy tao an-kianjan’ny tranon’i Jehovah (II Tantara 24:20-22; Matio 23:33-35). Hoy ny teny nanampin’i Paoly: “Notsofana, nalaim-panahy” izy ireny. Ny amin’ireo izay “nalaim-panahy”, dia nety ho nieritreritra an’i Mikaia mpaminany izy ireny; afa-tsy izany koa, araka ny lovantsofina jiosy iray tsy azo antoka, dia toa hoe notsofana hizara roa i Isaia tamin’ny andro nanjakan’i Manase. — I Mpanjaka 22:24-28.
15. Iza moa no niharan’ny fitondrana ratsy ka “nirenireny tany an-efitra”?
15 Nisy hafa koa “novonoina tamin’ny sabatra” tahaka ireo mpaminanin’Andriamanitra niara-belona tamin’i Elia, ohatra, izay ‘novonoina tamin’ny sabatra’ tamin’ny andron’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy (I Mpanjaka 19:9, 10). Elia sy Elisa dia anisan’ireo lehilahy nanam-pinoana izay “nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy; efa lao, ory, fadiranovana”. (I Mpanjaka 19:5-8, 19; II Mpanjaka 1:8; 2:13; jereo Jeremia 38:6.) Anisan’ireo izay niharam-panenjehana ka “nirenireny tany an-efitra sy tany an-tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany”, dia tokony hisaina, tsy Elia sy Elisa ihany, fa ireo mpaminany zato nafenin’i Obadia, dimampolo avy, tao amin’ny zohy koa ka novelominy tamin’ny mofo sy rano rehefa nanomboka ‘nandringana ireo mpaminanin’i Jehovah’ i Jezebela vadin’ny mpanjaka mpanompo sampy. (I Mpanjaka 18:4, 13; II Mpanjaka 2:13; 6:13, 30, 31.) Mpihazona tsy fivadihana re izany! Tsy mahagaga raha nilaza i Paoly hoe: “Izao tontolo izao [ny fitambaran’olona tsy marina] tsy miendrika ho nitoerany akory.”
16. a) Nahoana moa ireo vavolombelon’i Jehovah velona talohan’i Kristy no tsy mbola nahazo “ny fahatanterahan’ny fampanantenana”? b) Ho an’ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andro talohan’ny kristianisma, tokony hisy fifandraisana amin’inona moa ny hoe ‘atao tanteraka’?
16 Ny finoana dia mampino mafy antsika fa izay rehetra tia an’Andriamanitra dia hahazo, amin’ny fotoana nofidiny, “ny [teny fikasana fahatanterahan’ny ny fampanantenana”]. (vakio Hebreo 11:39, 40.) Ireo mpihazona tsy fivadihana velona talohan’i Kristy dia “nahazo laza tsara [fanambarana, MN ] noho ny finoana”, dia fanambarana anisan’ny Soratra Masina izao. Izy ireny anefa dia tsy mbola nahazo ‘ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra’ momba ny fananganana azy ho eto an-tany amin’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. Ny antony dia “mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo” ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra izay ‘nanamboaran’Andriamanitra ny tsara lavitra’, izany hoe ny fiainana tsy hahitam-pahafatesana any an-danitra sy ny tombontsoa hananan’ireo izay hiara-hanapaka amin’i Kristy Jesosy. Tamin’ny alalan’ny fananganana azy ireo, izay nanomboka taorian’ny nanorenana ilay Fanjakana tamin’ny 1914, ireo kristiana voahosotra dia ‘atao tanteraka’ any an-danitra alohan’ny hananganana amin’ny maty eto an-tany ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andro talohan’ny kristianisma (I Korintiana 15:50-57; Apokalypsy 12:1-5). Ho an’ireny vavolombelona tamin’ny andro taloha ireny, ny hoe ‘atao tanteraka’ dia tokony hisy fifandraisana amin’ny fananganana azy ireny ho eto an-tany, rehefa ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’ izy ireny ka hahatratra ny fahatanterahan’olombelona noho ny asan’ilay Mpisoronabe, Jesosy Kristy, sy ireo mpisorona lefiny any an-danitra 144 000, mandritra ny Fanjakany arivo taona. — Romana 8:20, 21; Hebreo 7:26; Apokalypsy 14:1; 20:4-6.
Aza hadinoina ilay mitarika ny finoantsika ho amin’ny fahatanterahana
17, 18. a) Raha tiantsika ny hahomby amin’ny fihazakazahantsika ho amin’ny fiainana, inona no tokony hataontsika? b) Amin’ny heviny ahoana moa Jesosy no ‘Mpanefa ny finoantsika’?
17 Rehefa avy nandinika ny nataon’ireo vavolombelon’i Jehovah talohan’ny andro kristiana i Paoly dia mitarika ny saina ho amin’ilay ohatra lehibe indrindra amin’ny finoana (vakio Hebreo 12:1-3). Endrey ny fampaherezana ‘voahodidin’ny olona maro be toy izany izay manao fanambarana! Izany dia manosika antsika hanary ny zavatra mitambesatra rehetra mety hisakana antsika tsy handroso ara-panahy. Izany dia manampy antsika koa tsy hanary ny finoantsika na tsy ho ampy finoana — ka ho fahotana izany — sy hanao amim-piaretana ny fihazakazahana kristiana ho amin’ny fiainana mandrakizay. Mba hanatrarana ny zava-kendrentsika anefa, dia tokony hanao zavatra amboniny isika. Inona izany?
18 Raha tiantsika ny hahomby amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nomanin’Andriamanitra, dia tokony ‘hojerentsika Jesosy, Tompon’ny [Fiasana lehibe indrindra ho an’ny, MN ] [na Mpitarika lehibe indrindra ho amin’ny] finoantsika sy Mpanefa azy’. Ny finoan’i Abrahama mbamin’ireo mpihazona tsy fivadihana hafa velona talohan’ny fanompoan’i Jesosy Kristy teto an-tany dia tsy tanteraka, tsy feno, amin’ny heviny hoe tsy azon’izy ireo ny hevitr’ireo faminaniana momba ny Mesia, satria tsy mbola tanteraka izany (jereo I Petera 1:10-12). Faminaniana mesianika maro anefa no tanteraka tamin’ny fahaterahana, ny fanompoana, ny fahafatesana ary ny fananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Araka izany, ny finoana, amin’ny heviny hoe natao tanteraka izany, dia ‘avy amin’i’ Kristy (Galatiana 3:24, 25). Ambonin’izany, amin’ny toerany any an-danitra, Jesosy dia nanohy nitarika ho amin’ny fahatanterahana ny finoan’ireo mpianany. Ohatra, nalatsany teo amin’izy ireo ny fanahiny masina tamin’ny Pentekosta taona 33, na nampitainy tamin’izy ireo koa ny fanambarana izay nampitombo tsikelikely ny finoan’izy ireo (Asan’ny apostoly 2:32, 33; Romana 10:17; Apokalypsy 1:1, 2; 22:16). Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika noho ny nanomezany an’io “Vavolombelona mahatoky” io, io “Mpitarika lehibe indrindra” io an’ireo vavolombelony! — Apokalypsy 1:5; Matio 23:10.
19. Nahoana moa Jesosy no tokony ‘hojerena tsara’?
19 Tsy mora akory ny miaritra ny fanevatevan’ireo tsy mpino; noho izany antony izany, dia nandefa izao fananarana izao ny apostoly Paoly: “Hevero tsara ilay [Jesosy] naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” Marina tokoa fa raha mibanjina hatrany ilay “Vavolombelona mahatoky”, Jesosy Kristy, isika, dia tsy ho sasatra mihitsy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. — Jaona 4:34.
20. Inona moa no sasantsasany amin’ireo zavatra nianaranao momba ny finoana rehefa nandinika ny Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:3 ianao?
20 Ny “vavolombelona maro be” dia mampahafantatra antsika zavatra betsaka momba ny lafiny kely samihafa amin’ny finoana. Ohatra, ny finoana sahala amin’ny an’i Abela dia mahatonga ny soron’i Jesosy ho mbola sarobidy kokoa ihany amintsika. Noho ny finoana marina, dia tonga vavolombelona be herim-po isika, sahala amin’i Enoka, izay nampita ny hafatr’i Jehovah tamim-pahasahiana. Sahala amin’ny hita tamin’i Noa, ny finoantsika dia manosika antsika hanaraka akaiky ireo toromarik’Andriamanitra sy hiseho ho mpitory ny fahamarinana. Ny finoan’i Abrahama dia mahatonga antsika hahatsapa ny ilàna hankatò an’Andriamanitra sy hino ireo Fampanantenany, na dia tsy mbola tanteraka aza ny sasany amin’izy ireny. Ny ohatra nomen’i Mosesy dia mampiseho amintsika fa ny finoana dia mahatonga antsika ho afaka ny tsy hanaiky ho voaloton’izao tontolo izao sy tsy hivadika hatrany eo anivon’ny olon’i Jehovah. Ny zava-bitan’ireo mpitsara, mpanjaka sy mpaminany teo amin’ny Isiraely dia manaporofo fa ny finoana an’Andriamanitra dia mety hanohana antsika ao anatin’ny fanenjehana sy ny fitsapana. Ary velom-pisaorana an’i Jehovah aoka izany isika noho ny ohatra ambony indrindra nomen’i Jesosy Kristy, izay mampiorina mafy sy tsy mampihozongozona ny finoantsika! Noho izany, amin’ny fananana an’i Jesosy ho Mpitarika, sy noho ny herin’ilay Andriamanitsika, dia aoka isika hanohy hanatanteraka ny anjara asantsika amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fanehoana finoana maharitra.
Ahoana no valinteninao?
◻ Asa inona avy nataon’ireo vavolombelona talohan’ny andro kristiana no manaporofo fa, eo anoloan’ny loza, dia mampiseho finoana ny tena amin’ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa, noho ny finoana, ny tsy fivadihantsika dia mety handresy izay rehetra mety ho fitsapana?
◻ Inona no manaporofo amintsika fa, noho ny finoana, dia afaka miaritra fanenjehana isika?
◻ Nahoana moa Jesosy no antsoina hoe ‘Mpanefa ny finoantsika’?
◻ Tonòny ny sasantsasany amin’ireo lafiny kely maro amin’ny finoana.
[Sary, pejy 16, 17]
Nampiseho ny finoany i Davida tamin’ny fianteherana tanteraka tamin’i Jehovah. Ohatra tsara izany ho an’ny olon’i Jehovah amin’izao andro izao.
[Sary, pejy 18]
Nisy “vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray.” Manampy antsika tsy hivadika hatrany eo anatrehan’i Jehovah ny finoana ny fananganana ny maty.