FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/4 p. 24-25
  • Ny manetry tena sy ny miavonavona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny manetry tena sy ny miavonavona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny miavonavona sy ny manetry tena
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Loza no Hanjo An’ilay Taranaka Tsy Nety Niova
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • ‘Mahità fampaherezana ho an’ny fanahinareo’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Mora ny Ziogako ary Maivana ny Entako”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/4 p. 24-25

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ny manetry tena sy ny miavonavona

REHEFA avy niresaka ny amin’ireo toetran’i Jaona Mpanao batisa i Jesosy, dia nanome tsiny ny vahoaka nieboebo sy nivadibadika nanodidina azy. “Ity taranaka ity, hoy izy, dia tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena, izay miantso ny namany ka manao hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo.”

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo teny ireo? Nanazava ny teniny toy izao izy: “Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.

Tsy azo atao ny manome fahafahampo ny olona. Tsy misy na inona na inona mety amin’izy ireny. Nanana fiainana nisy fihafian’ny nazirita i Jaona, nanda tena sy nanaraka ny fanambaran’ny anjely hoe “tsy hisotro divay na toaka” izy. Nilaza anefa ny olona fa nanana demonia izy. Tetsy an-daniny kosa, Jesosy dia niaina tahaka ny olon-kafa rehetra, tsy nanaraka fihafiana, ary dia nampangaina ho nanao zavatra tafahoatra.

Sarotra ampifalina aoka izany ny olona! Izy ireny dia sahala amin’ny ankizy izay tsy mety mandihy ny sasany rehefa mitsoka sodina ireo namany, na malahelo, rehefa mitoloko ireo. Izao anefa no nolazain’i Jesosy: “Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.” Ny fanambarana tokoa — ny asany — dia mampiseho mazava fa diso daholo ny fiampangana an’i Jaona sy Jesosy.

Nanohy ny teniny i Jesosy tamin’ny fanakianana indrindra ny tanànan’i Korazina sy Betsaida ary Kapernaomy, izay nanatanterahany ny ankamaroan’ireo asany mahagaga. Raha nitranga tany Tyro sy Sidona izany, hoy ny fihiakan’i Jesosy, dia ho nibebaka tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireo tanàna fenisiana ireo. Nanameloka an’i Kapernaomy izay toa nonenany sy hiverimberenany matetika nandritra ny fanompoany i Jesosy ka nanambara hoe: “Ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma amin’ny andro fitsarana noho ny ho aminao.”

Mazava ho azy fa tian’i Jesosy ny hampiseho tamin’izany fa, mandritra ny Andro Fitsarana, rehefa hatsangana amin’ny maty ireo nieboebo tany Kapernaomy, dia ho sarotra amin’izy ireny kokoa ny hanaiky ny fahadisoany sy hanaiky an’i Kristy noho ny hibebahan’ireo mponina taloha tany Sodoma hatsangana amin’ny maty, amim-panetren-tena, sy hianarana ny fahamarinana.

Nanaraka izany, dia nidera ampahibemaso ny Rainy any an-danitra i Jesosy. Voatosika hanao izany izy satria manafina ireo fahamarinana ara-panahy sarobidy amin’ny hendry sy ny manan-tsaina Andriamanitra, fa mampiharihary izany zavatra mahatalanjona izany amin’ny manetry tena, azo lazaina ho amin’ny madinika indrindra.

Farany, dia nandefa izao fanasana nampihetsi-po izao i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [hampahery anareo, MN ] ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”

Fampaherezana inona no atolotr’i Jesosy? Afahany ny olona amin’ny fanandevozan’ny lovantsofina natambesatr’ireo filoha ara-pivavahana eo an-tsorony, toy ireo fitsipika maneritery momba ny sabata. Afa-tsy izany koa, dia asehony ny lalan’ny fanamaivanana amin’ireo izay mahatsapa fitambesaran’ny fanapahan’ireo fahefana ara-politika sy ireo mahatsapa ny havesatry ny fahotany noho ny fanenjehan’ny feon’ny fieritreretana. Asehony an’ireo ory ny fomba mety hamelana ny fahotana sy hoe ahoana no azon’izy ireny ananana fifandraisana sarobidy amin’Andriamanitra.

Ny zioga mampiseho fahamoram-panahy atolotr’i Jesosy antsika dia ny fanolorantsika tena tanteraka ho an’i Jehovah sy ny fahafahana manompo ny Raintsika any an-danitra, izay manana fangoraham-po sy mamindra fo. Fa raha ny amin’ny entana maivana, izany dia mampiseho ny fankatoavana ireo fitsipika mitondra fiainana, ireo Didiny, izay tena tsy mavesatra. Matio 11:16-30; Lioka 1:15; 7:31-35; I Jaona 5:3.

◆ Tamin’ny ahoana moa ny taranaka nisy an’i Jesosy no tahaka ny antokon’ankizy?

◆ Amin’ny heviny ahoana moa ny Andro Fitsarana no ho mora zakaina kokoa ho an’i Sodoma sy Gomora noho ny ho an’i Kanana?

◆ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mavesatra entana ny olona, ary fanamaivanana inona no atolotr’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara