Nivaly fahombiazana ho ahy ny fahatapahan-kevitra
Nataon’i Joseph Oakley
TAMIN’NY 1950, nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena natao tao Yankee Stadium, no nananako fifalian-dehibe ho iray tamin’ny mpanatrika 123 707. Taorian’izany, no nahazoako tombontsoa hanaraka ny fianaran’ny faha-16 amin’ny Sekolin’i Gileada, Sekolin’ny misionera an’ny Fikambanana Watch Tower any New York.
Teo am-pifaranan’ny fianarana, dia nalefa ho any an-tany lavitra, any Pakistan, niaraka tamin’ny Aostraliana hafa aho. Tonga tany izahay tamin’ny fahavaratry ny 1951, ary nitahiry fisedrana mafy ho anay ny taona voalohany nanaraka izany.
Ohatra, nisy ity hafanana maina sy be vovoka ity, samy hafa tanteraka amin’ny hatsiatsiakan’i Victoria sy Tasmanie nonenako, tany atsimon’i Aostralia. Namely tamin’izany toetr’andro izany ny tefoedra, ny tazo vony sy ny aretina maharitra hafa azon’ny ankabeazany taminay raha vao tonga izahay. Ny karazan’aretina toy izany no namoizan’ny iray tamin’ny tanora niara-nianatra taminay ny ainy tamin’io taona io ihany.
Tao koa ny fahantrana sy ny toe-piainana tsy fantatray. Taoriana kelin’ny nahatongavako, dia notendrena ho minisitra mpitety faritany aho, ka nahatonga ahy hanao dia lavitra irery amin’ny fiaran-dalamby izany ary indraindray hatory teny amin’ny toeram-piandrasan’ny gara.
Nisedra toy izany koa ny mifanehatra amin’ny tsy firaikana nasehon’ny mponina, miozilimana ny ankamaroany, tamin’ny hafatr’ilay Fanjakana. Mbola ady sy tolona ho anay koa ny nanambara io hafatra io tamin’ny fiteny sarotra sy vaovao, ny ourdou.
Ho tsotra dia tsotra ny namela ny zava-drehetra ka nandeha nody tany amin’ny tena. Mba hijanonana, dia nilaina ny fahatapahan-kevitra hentitra. Soa ihany, fa nanampy ahy handresy izany fisedrana izany tamim-pahombiazana izay niainako taloha.
Izay namolavola ny fiainako
Nandany ny fahazazako tao amin’ny toeram-piompiana iray tokony ho 18 kilaometatra avy ao Geelong, tanàna amoron-tsiraka iray ao amin’ny Fanjakan’i Victoria, aho. Indray andron’ny aprily 1935 aho dia nifanena tao an-tanàna tamin-dRamatoa iray atao hoe Hudson, izay nanao resaka tamiko ary nanasa ahy tamin-kafanana hanatrika lahateny ampahibemaso iray. Sahiran-tsaina aho nandritra ny herinandro manontolo satria nampanantena an’io vehivavy mahafinaritra, tso-po sy be zotom-po aoka izany io, fa ho tonga tany. Tsy tena nanintona ahy izany, fa tsy tiako ny handiso fanantenana azy.
Tonga ilay andro, nihazona ny teniko àry aho, ary nandeha tao amin’izany fivoriana izany, niaraka tamin’ny fanahiana sasany. Gaga be anefa aho, fa nahafinaritra ahy loatra ny zava-drehetra ka nanohy nanatrika tsy tapaka ireny fivoriana ireny aho. Nandresy lahatra ahy ho nahita ny fahamarinana izay nianarako, ary natao batisa tamin’iny taona iny aho tamin’ny fivoriambe iray tany Geelong.
Volana vitsivitsy taorian’izany, dia nisy tovovavy roa, mpitory maharitra be zotom-po, nandeha an-tongotra kilaometatra iray sy sasany mahery namakivaky saha voasa iray mba hahatongavana hatreo amin’ny toeram-piompiana sy fambolenay. Nanaitra ahy ny finoana sy ny zotom-pon’izy ireo. Ho any amin’ny faritany vaovao iray hono izy ireo, dia Bacchus Marsh, tanàna kely iray tokony ho 55 kilaometatra avy eo aminay, ary tsaroako fa nanontany azy ireo izay handaniany iny alina iny aho.
“Tsy mbola fantatray, hoy ny navalin’izy ireo, nefa tena hahita zavatra foana izahay alohan’ny hilatsahan’ny alina. Raha tsy izany, dia hatsanganay ny lainay.”
Efa maherin’ny tamin’ny 4 ora tamin’izay, ary fohy sy nangatsiaka ireo andro. Hoy aho nieritreritra: ‘Izany marina tokoa ny asan’ny mpitory maharitra!’ Ary nanomboka nisaintsaina aho hoe: ‘Inona moa no ataoko eto amin’ity toeram-piompiana sy fambolena ity, very any amin’ny kilaometatra maro lavitra an’izay mety ho mponina? Inona no manakana ahy tsy ho mpitory maharitra toy ireto tovovavy ireto? Tanora koa aho ary salama tsara. Raha afaka manao izany izy ireo, nahoana aho no tsy ho afaka? Hatramin’izay, dia tapa-kevitra aho: tsy ho ela dia ho lasa mpitory maharitra, izaho koa.
Vonona hifikitra amin’ny fanapahan-kevitro aho
Nanohitra be ny fialako ny trano mba hanao ny asa manontolo andro niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny raiko. Mpitarika ny sekoly alahady nandritra ny telopolo taona izy ary nanana fiheveran-diso maro be manohitra ny Vavolombelona. Nefa efa nihoatra ny 21 taona aho, ary tsy dia mba nampiseho fanoherana loatra ny reniko rehefa nambarako azy ny fikasako. Vitako ihany tamin’ny farany ny namaritra ny andro handaozako ny trano: ny 30 jona 1936.
Niangavy mpanao raharaha be fahefana maro ny raiko mba hampiova hevitra ahy amin’ny fanaovana io “varotra tsy manjary” io, araka ny fiteniny azy. Niezaka mafy nanao izay hijanonako ao an-tranoko ireny lehilahy ireny, nampiasa izao karazana fanaporofoan-kevitra rehetra izao, toy ny hoe: ‘Hanala baraka ny fivavahan’ny fianakavianao ianao’; ‘miditra ao amin’ny fandaminana tsy misy mpahalala sy tena tsy fanta-bahoaka ianao’; na koa: ‘Inona no fiarovana ara-bola hanananao?’
Tsy isalasalana fa tamim-paniriana tsara, no niverimberenany nandritra ny herinandro maro. Kanefa, mifanohitra amin’izany, arakaraka ny nanandramany nampiova hevitra ahy, no nahatapa-kevitra ahy kokoa hamonjy ny laharan’ny mpitory maharitra.
Nigadona ny 30 jona, andro iray nangatsiaka sy be rivotra. Nofeheziko teo ambony motosikiletako ny fananako rehetra, ary niainga ho any Melbourne aho, ka izany dia tokony ho lalana 65 kilaometatra. Nangatahina hiara-miasa tamin’ny antokom-pitory maharitra tao amin’io tanàna io aho. Nisokatra teo anatrehako ny fiainam-baovao tanteraka iray, nisy heviny, nefa nitondra fisedrana betsaka ho ahy.
Mitarika ny fanoherana amim-pahatapahan-kevitra aho
Tamin’izany fotoana izany, mba hampielezana ny hafatr’ilay Fanjakana dia nampiasaina ny fiara misy fanamafisam-peo indrindra, izay nandefasana ny feo noraisina tamin’ny lahateny ara-Baiboly nataon’ny rahalahy Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. Nandritra ny dimy taona teo ho eo, no nitondrako iray tamin’ireny “fiara” ireny, dia karazana mpitondra entana tena ampy fitaovana nantsoina hatraiza hatraiza hoe ilay “Mpampihorohoro mena”.
Ny feo iva sy mafanan’ny rahalahy Rutherford, nivoaka avy tamin’ny vatan’ny fanamafisam-peo, dia toa “nalefaka” ho an’ireo, vitsy ihany, izay nangetaheta ny fahamarinana; nefa toy ny poizina izany, ho an’ireo fahavalon’ny fahamarinana (jereo II Korintiana 2:14-16). Nitranga ny fitifirana rano ahy amin’ny fantsona fanondrahana na ny fitoraham-bato ny fiarakodia.
Tetsy andanin’izany, ny sasany dia tena taitran’ireo lahatenin’ny rahalahy Rutherford, izay namotsipotsitra ny laingan’ny fivavahan-diso. Indray andro, ohatra, dia niangavy ahy ny lehilahy manana ny ampy iray mba hitondra ho azy santionany iray avy amin’ireo lahatenin’ny rahalahy Rutherford noraisina feo sy ny boky nosoratany. Fonosam-boky sy disika goavana iray izany, ka sahirana aoka izany aho nitondra izany hatrany aminy, ao amin’ny tranony lehibe dia lehibe. Faly noho ny nahazoana izany ilay lehilahy, ka nanao sonia taratasim-bola 15 livatra ho anay teo no ho eo. Tsy mbola nisy fametrahan-javatra be indrindra nataoko toy izany!
Tamin’ny 1938, dia nomanina fa ho avy any Aostralia rahalahy Rutherford hanao lahateny ara-Baiboly iray ao amin’ny trano fanaovan-danonana ao Sydney, any Nouvelle-Galles atsimo. Anisan’ireo izay nameno ny lalan’i Sydney tamin’ny fiara misy fanamafisam-peo mba hanambara io fitsidihana io aho. Tao anatin’io fampielezana tokony haharitra enina herinandro io, dia nampihaingoana manokana tamin’ny takelaka fampielezan-kevitra roa lehibe dia lehibe ny “Mpampihorohoro mena”, iray avy teo amin’ny andaniny roa. Fanoherana lehibe no vokatr’izany “ady tselatra” izany ho anay.
Teo ambany fanerena mirehitra nataon’ny klerjy, dia nofoanan’ny manam-pahefana tao Sydney ny fanofanay ny efitrano fanaovan-danonana. Nanana andraikitra hampiasa ny fiarakodia mamoaka feo aho izao mba hangataka sonia amin’ny fitarainana fanoherana. Nihodidina ny antokon’ny mpiasa maro be izahay nandritra ny fiatoana hisakafo, ary na dia tao aza ny fanoherana teny rehetra teny, dia afaka nahazo sonia an-jatony maro manohana ny fahafahanay miteny izahay. Na dia tao aza izany rehetra izany, rehefa nasehonay ny manam-pahefana tao Sydney io fitarainana nanaitra io, dia mbola nihizingizina tsy hamela anay hampiasa ny efitrano izy.
Kanefa, toy izay mpitranga matetika, dia niodina ho tombontsoan’ny vahoakan’i Jehovah izany tsy fahombiazana izany. Eny tokoa, fa nanofa ny Kianja fanaovana fanatanjahan-tena tao Sydney izahay ary, noho ny fampielezan-kevitra lehibe nataon’ny fanoherana ho anay, dia niakatra ho 12 000 ny olona nanatrika ny lahatenin’ny rahalahy Rutherford, araka ny fitambarany notombatombanan’ny polisy. Kanefa ny efitrano fanaovan-danonana tsy mahazaka afa-tsy olona 5 000 eo ho eo fotsiny; nanome fahafahana hampitombo avo roa heny ny mpihaino ny lahateny àry ny fanoherana!
Tapa-kevitra nandritra ny fandrarana
Nihamafy ny fanoherana, tamin’ny 1939, niaraka tamin’ny fipoahan’ny Ady lehibe Faharoa. Avy eo, dia norarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, tamin’ny 1941. Mpitory maharitra tany Melbourne aho tamin’izay, ary nipetraka tao amin’ny toerana fametrahana zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana.
Indray andro, dia niaraka tamin’i Jack Jones, mpiandraikitra ilay toerana aho, raha nahita lehilahy matanjaka enina avy nanodidina anay izahay: polisy aostraliana ireo. Zara raha nomena dimy minitra aho hidinana avy amin’ny efitranoko, any ambony rihina. Efa mba nanandrana nanangona izay rehetra anananao tao anatin’ny dimy minitra ve ianao? Tena tsy mbola ho vitako mihitsy izany raha niditra tao amin’ny efitrano ireo polisy ary nanipy mafy avy eo am-baravarankely izay sisa tavela, akanjo sy fitaovana.
Kanefa, tsy nampitsahatra ny asanay akory ny fandrarana. Nanohy nitory isan-trano, tsy nampiasa afa-tsy Baiboly izahay ary nanao fivoriana tsy tapaka tany Melbourne. Nandritra ny taona 1942, ary faharoa io hatramin’ny nanombohan’ny fandrarana, dia nantsoina tany Sydney aho, ka tamin’ity indray mandeha ity dia mba handamina ny asa tao amin’ny kongregasiona fito an’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay faritany.
Nitoeran’ny mpiasa tao amin’ny fitondram-panjakana aostraliana ny tranon’ny Betela, tamin’izay fotoana izay. Avy ao amin’ny trano lehibe iray misy rihina, lalana lavidavitra kely fotsiny avy eo, no nitantananay ny asa rehetra. Nanana andraikitra hitsidika ny kongregasiona rehetra tao Sydney aho, ary tamin’ny motosikileta nisy fanampiny (Side-car), no nanaterako ho azy ireo ny lahatsoratra amin’ny fivoriana sy izay rehetra nilaina mba hahafahany mandamin-javatra ka manohy mandroso.
Ny asa tany Tasmanie
Nangatahina ny fanampiako mba hanokatra indray ny toerana fametrahana zavatra vita an-tsoratra tao Melbourne, rehefa afaka ny fandrarana tamin’ny jona 1943. Avy eo, tamin’ny 1964, dia notendrena ho mpanompo ny rahalahy (mpiandraikitra ny fizaran-tany amin’izao fotoana izao) tao amin’ny Fanjakan’i Tasmanie, nosy iray any Aostralia, aho. Nosy iray tena tsara tarehy sy be lohasaha i Tasmanie, misy tendrony maro rakotra oram-panala saika mandavan-taona.
Tsy nisy afa-tsy kongregasiona fito sy antokon’olona mitokana maromaro tao amin’ilay nosy manontolo tamin’ny fotoana naha-mpiandraikitra mpitety faritany ahy. Rehefa tsy mifindrafindra toerana isaky ny kongregasiona aho, dia mpitory maharitra tao amin’ny tanàna kelin’i Mole Creek. Tao, dia nahita fanoherana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny ady. Nefa tsy toy izany intsony izao ny toe-javatra, ary olona maro be namelako zavatra vita an-tsoratra no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa tamin’ny farany.
Koa tany Tasmanie àry, tamin’ny 1950, no naharaisako ny fanasana hanatrika ny fianaran’ny kilasy faha-16 amin’i Gileada. Araka izay efa nambarako eo am-piandohan’ity fitantarana ity, dia nafindra toerana tany Pakistan aho taorian’izany.
Nanorina tokantrano aho
Taorian’ny enin-taona lany tany Pakistan, dia nanambady an’i Edna Marsh, izay misionera tany Japon, aho. Rehefa nankany amiko izy, dia nanokatra tranon’ny misionera iray tao Quetta, tanàna iray mihantona any amin’ny havoan’i Pakistan izahay. Nijanona roa taona tao Quetta izahay, nefa raha vao nitsaika ny zanakay voalohany, dia nanapa-kevitra hody any Aostralia izahay. Hanao ahoana ny ho avinay?
Raha ny amin’ny toerana honenanay sy hanabeazanay ny fianakavianay, dia efa tapaka avokoa. Efa nanao teny aho, fa raha voatery handao ny asa misionera aho, dia hitoetra ao Tasmanie. Kanefa, tena tsy nanam-bola mihitsy izahay, ary sarotra ny mahita asa amin’ny faha-45 taona. Nefa tapa-kevitra izahay tsy hamela ny asa tsy ara-pivavahana hampiodina anay amin’ny fivoriana sy ny fitoriana.
Afaka nanangana orin’asa kely mpanadio fitaratra aho, noho ny fanampiana be fiahian’ireo rahalahinay ara-panahy. Nandritra ny 20 taona mahery, dia tsy mbola tapaka mihitsy tamin’ny fivoriana iray na ny fotoana iray ho amin’ny fitoriana noho ny asako aho, na dia nilaina aza ny fahatapahan-kevitra mafy orina tamin’ny fotoana sasany mba handavana fanolorana fanekena sasany sy ny tombontsoa amboniny nasehony. Tamin’izany fomba izany no nahafahanay nitaiza ny zanakay roa tao amin’ny lalan’ny fahamarinana sy nandray anjara tsy tapaka tamin’ny asa teokratika rehetra.
Olon-dehibe ireo zanakay ankehitriny ary efa mikopak’elatra. Miorina mafy tsara ao amin’ny fahamarinana izy mianadahy; mpitory maharitra nandritra ny taona maro ny zanakay vavy talohan’ny nanambadiany. Mivonona hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra any amin’izay ilàna izany bebe kokoa ny zanakay lahy sy ny vadiny.
Fiainana mampanan-karena
Vao haingana izahay no nahazo ny fitsidihan’ny sakaiza hatry ny ela iray: ilay olona nandray ny fahamarinana voalohany tao amin’ny tanànan’i Quetta, tany Pakistan. Taorian’ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakanay tao Launceston, dia notantarainy tamin’ny kongregasiona ny fomba nahafantarany ny fahamarinana. Indroa, raha tonga tany aminy aho, dia nangataka ny mpiasany izy mba hilaza fa tsy tao izy. Kanefa, tamin’ny nanaraka io, dia hitako teo an-jaridainany izy: koa satria tsy nisy nialany mihitsy, dia nametraka fanontaniana tamiko izy ary nanaiky hianatra ny Baiboly tamin’ny farany. Tamin’io fotoana io dia niriny ny hilaza ny haben’ny fankasitrahany ahy noho ny nanehoako fifikirana naharitra tao amin’izany faritany sarotra izany, dia ny Pakistan.
Taona vitsivitsy talohan’io, nandritra ny fivoriambe iray tany Sydney, dia nisy tanora iray nihazakazaka nanatona ahy ary namihina ahy tao amin’ireo sandriny tamin-kafaliana tsy omby tratra. Gagagaga kosa aho, ka nilaza taminy fa angamba nisy fifandisoana teo aminy. “Tsia, hoy ny navaliny. Tsy ianao ve no Joe Oakley? Ianao sy Alex Miller, dia niara-nianatra tamin’ny fianakaviako tao Lahore, tany Pakistan. Ao amin’ny fahamarinana ankehitriny ny reniko, ny rahavaviko sy ny tenako, ary monina eto Sydney izahay.”
Fotoana toy ireny no nahatonga betsaka fahafahampo hitako tamin’ny nandraisana anjara tamin’ny fomba feno tamin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Endrey fa tsara ny mahita fa mitahy ny fiezahantsika Jehovah! Tamin’ny fahatongavako voalohany tany Tasmanie tamin’ny 1946, dia mpitory sivy monja no tao amin’ny tanànan’i Launceston. Misy kongregasiona telo any amin’izao andro izao, izay ahitana mpitory maherin’ny 90 avy!
Rehefa mieritreritra ny fifaliana rehetra nentin’ireo 50 taona nanaovana ny asa kristiana ireo aho, dia afaka milaza fa ny fahatapahan-kevitra no nanampy ahy hahombiazan’ny fiainako.
[Sary, pejy 24]
Fiarakodia iray misy fanamafisam-peo nampiasaina hanambarana ilay Fanjakana tany Sydney.
[Sary, pejy 25]
Joe Oakley miaraka amin’ilay kongregasiona kely tao Quetta, tany Pakistan, ny 15 desambra 1955, andro nanokafana Efitrano Fanjakana vaovao iray.