‘Mijanona eo ambonin’ny fitazanana aho’
“Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: ‘Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.’ ” — ISAIA 21:8.
1, 2. a) Nametra zava-kendrena inona moa i Charles Russell? b) Amin’ny ahoana ny famoahana zavatra nosoratana momba ny Baiboly no hanampy azy hahatratra ny zava-kendreny?
NY LEHILAHY iray iraika amby roapolo taona, nonina tany avaratra atsinanan’i Etazonia dia nanana asa nanirahana hotanterahina. Io lehilahy natahotra an’Andriamanitra io dia nametra ho zava-kendrena ny hanala sarona ny fahadisoan’ireo fampianarana ara-pivavahana tamin’ny androny, indrindra ny fampianarana momba ny fampijaliana mandrakizay sy ny amin’ny lahatra. Ankoatr’izany dia naniry izy hiaro ny fahamarinana ny amin’ny avotra naloan’i Kristy sy ny antony nahatongavany teto an-tany ary ny fomba hitrangan’izany. Mba hanatanterahana izany zavatra rehetra izany, dia hampamirapiratra ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, eo amin’ireo zavatra inoana ara-pivavahana, izy. — Salamo 43:3; 119:105.
2 Ny anaran’io lehilahy io dia Charles Russell. Prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower izy. Tamin’ny 1873, dia nanapa-kevitra hamoaka zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana izy mba hiposahan’ny fahamarinana araka ny Baiboly ampahibemaso. Ireny boky ireny dia hampiharihary amin’ny mpamaky tso-po ny tsy mety tamin’ny fampianaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay ny tsirairay aminy, na dia ny tsara afina indrindra aza, dia tsy ho afaka hiala amin’ny fahazavana maherin’ny Baiboly (Efesiana 5:13). Miaraka amin’izany koa, ireny boky ireny dia hampahafantatra “fampianarana tsy misy kilema [mahasoa, MN ]”, izay mampiorina ny finoana (Titosy 1:9; 2:11; II Timoty 1:13). Kanefa, mety hisy hanontany tena raha toa ny zotom-po nanetsika an’i Russell tamin’ny fitadiavany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ka nisy tandindony. — Jereo II Mpanjaka 19:31.
Ny kristiana voalohany: mpiaro ny Tenin’Andriamanitra
3. Raha ny amin’ny fiarovana ny fahamarinana, ahoana no nanoroan’i Kristy Jesosy ny lalana?
3 Ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia niaro ny tenin’Andriamanitra teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa. Toy ny hoe nijoro teo amin’ny tilikambo fiambenana iray izy, nanambara ny fahamarinana tamin’izay rehetra naniry handre izany (Matio 10:27). Ny mpitarika azy ireo, Jesosy Kristy, dia nanoro ny lalana. Moa tokoa ve tsy nilaza izy hoe: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina”? (Jaona 18:37.) Na dia olona lavorary aza izy dia tsy niantehitra tamin’ny fahendreny sy ny heviny manokana. Ny fampianarany kosa dia avy amin’ny Mpampianatra azy ambony, Jehovah Andriamanitra. “Tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28; jereo Jaona 7:14-18). Araka ny fitantarana omen’ireo Filazantsara antsika ny amin’ny fanompoany teto an-tany, izy dia nanonona na nanazava andalan-teny nalaina avy tamin’ny antsasany eo ho eo tamin’ireo boky anisan’ny Soratra hebreo. — Lioka 4:18, 19 (Isaia 61:1, 2); Lioka 23:46 (Salamo 31:5).
4. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fomba nampiasan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra mba hampianarana ny fahamarinana?
4 Na dia taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany aza Kristy dia nampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hampianarana ny fahamarinana. Ohatra, rehefa nifanena tamin’i Kleopasy sy ny namany izay niala tany Jerosalema mba ho any Emaosy i Jesosy, dia nanampy azy ireo hisaintsaina ny amin’ny Soratra masina. “Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra”, hoy ny filazan’ny Filazantsara amintsika. (Lioka 24:25-27). Taorian’izay, tamin’io andro io ihany, dia niseho tamin’ny apostoliny iraika ambin’ny folo sy tamin’ny sasany tamin’ireo mpianany Jesosy mba hampiorina ny finoan’izy ireo, ary nanao izany tamin’ny fampiasana tamim-pahakingana ny Soratra masina izy. Izao no fitantarana nataon’i Lioka: “Dia nanokatra ny sain’ireo Izy [Jesosy] hahalala ny Soratra Masina, ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.” — Lioka 24:45, 46.
5. Tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, tamin’ny fomba ahoana no nanarahan’i Petera ny ohatr’i Kristy raha ny amin’ny fampiasana ny Soratra Masina?
5 Tamin’ny fampiasana ny Soratra masina, tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ho fanarahana ilay Ohatra notahafiny, ny kongregasiona kristiana dia nanomboka ny fanompoany ampahibemaso. Tao Jerosalema no nisehoan’izany. Raha nahare ny feon’ny “rivotra mahery mifofofofo” avy teo amin’ny trano iray tao an-tanàna ny vahoaka jiosy an’arivony maro, mponina tao Jerosalema sy mpivahiny, dia nankeo amin’ilay toerana ka niangona teo. Nandroso àry Petera, nohodidinin’ny apostoly iraika ambin’ny folo; avy eo, tamin’ny feo mahery dia nanomboka niteny izy hoe: “Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko.” Nampahatsiahy izay “nampilazaina an’i Joela mpaminany” sy izay ‘nolazain’i Davida’ Petera avy eo ka nanome ny anton’ilay fahagagana vao nitranga, ary nanambara izy hoe: “Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy!” — Asan’ny apostoly 2:2, 14, 16, 25, 36.
6. a) Hazavao izay niseho nandritra ny fivoriana iray nataon’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany. b) Ahoana moa no nampandrenesana an’ireo kongregasiona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny kolejy foibe, ary soa inona no nentin’izany ho azy ireo?
6 Rehefa nila fanazavana momba ny raharaha mahakasika ny finoana sy ny fitondrantena ny kristiana voalohany, ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany koa dia nampiasa tamin’ny fomba tsara ny Soratra masina. Aoka haka ohatra iray isika. Rehefa nivory ny mpikambana tamin’ny kolejy foibe tamin’ny taona 49, Jakoba mpianatra izay nitarika ny fivoriana, dia nanintona ny sain’izy ireo tamin’ny andalana iray tao amin’ny Soratra masina (Amosa 9:11, 12) izay nifanentana indrindra tamin’ilay resadresaka. “Ry rahalahy, mihainoa ahy, hoy izy. Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra.” (Asan’ny apostoly 15:13-17). Tamin’ny fitambarany ny kolejy dia nankasitraka ny fanoloran’i Jakoba, ka nanao an-tsoratra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana tao aminy mifanaraka amin’ny Soratra masina, mba hoentina any amin’ny kongregasiona rehetra izany ka hovakina any. Inona no vokatra azo tamin’izany fomba izany? Ny Soratra masina dia mampiseho amintsika fa “nifaly noho ny anatra tsara” ny kristiana, ka “nihanahery finoana ny fiangonana [kongregasiona, MN ] sady nihamaro isan-andro.” (Asan’ny apostoly 15:22-31; 16:4, 5.) Araka izany, ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia tonga “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. Fa raha ny amin’ny tantara ankehitriny, moa ve Charles Russell sy ireo izay nianatra ny Baiboly niaraka taminy hanaraka ny ohatra tsaran’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany? Amin’ny fomba ahoana no hiarovany ny fahamarinana? — I Timoty 3:15.
Gazety nahita lavitra
7. a) Inona moa no zava-kendren’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona? b) Niantehitra tamin’ny fanohanan’iza moa io gazety io?
7 Tamin’ny jolay 1879, dia voaforona ny fitaovana lehibe indrindra hampiasain’i Russell mba hampielezana ny fahalalana ny Baiboly: Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy (anglisy). Ny nomerao voalohany tamin’io gazety io dia namelabelatra ny zava-kendreny mendri-kaja: “Araka ny ambaran’ny anarany, ny kendreny dia ny ho toeram-pitazanana izay hampitana filazalazana ilaina ho an’ny ‘ondry vitsy’, ary amin’ny maha-‘Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy’ azy, dia maniry hanome ‘hanina amin’ny fotoana’ ho an’ny ‘mpianakavin’ny finoana’ izy”. Ny herin’io gazety io lehibe indrindra dia tao amin’ny fitokisany tamin’ilay Andriamanitra Tsitoha. Nanambara izao tao amin’ny nomeraony faharoa izy: “ ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, dia manana, araka ny inoany, an’i JEHOVAH ho mpanohana azy, ary raha mbola toy izany ihany izy, dia tsy hangataka na hiangavy na oviana na oviana ny fanohanan’ny olona. Rehefa Ilay nilaza hoe: ‘Ahy ny volamena sy ny volafotsy rehetra avy any an-tendrombohitra’ no tsy maniry intsony hanome ny vola ilaina, dia ho tsapanay fa tonga ny fotoana hampiatoana ny famoahana azy.”
8. Hazavao ny firoboroboan’ny Ny Tilikambo Fiambenana araka ny fahazavan’ny Isaia 60:22 sy Zakaria 4:10.
8 Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona, izay antsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenana amin’izao fotoana izao, dia avoaka tsy misy fahatapahana efa nandritra ny 107 taona mahery. Io gazety io izay niisa 6 000 ny indray nivoaka taminy indray mandeha isam-bolana tamin’ny fiteny tokana, teo am-boalohany, dia mivoaka indroa isam-bolana amin’ny fiteny 103 ankehitriny, ary ny isan’ny indray mivoaka aminy dia 12 315 000. — Jereo Isaia 60:22; Zakaria 4:10.
9. Nahoana no azo lazaina fa ny lohateny hoe Ny Tilikambo Fiambenana dia nifanentana tokoa?
9 Io lohateny io, Ny Tilikambo Fiambenana, dia nofidin’i Russell tamim-pahaiza-mitsara tokoa. Ny teny hebreo mahazatra ny mandika azy hoe “tilikambo fiambenana” dia midika hoe “toeram-piambenana”, “toeram-pitazanana”, izay nahafahan’ny mpiambina iray nahita mora foana ny fahavalo eny lavitra ka nanaovany fanairana tamin’ny fahantomoran’ny loza. Nandritra ny sivy amby dimampolo taona taorian’ny namoronana azy, dia nety tokoa àry ny nitondran’ny pejy voalohany tamin’io gazety io ity teny manana endrika fanaingana ity, izay notsoahana avy tao amin’ny Isaia 21:11, 12 (Crampon) manao hoe: “Ry mpiambina ô, aiza ho aiza amin’ny alina izao?” “Avy ny maraina.”
10. Iza moa izao ankehitriny no manao ny anjara asan’ny mpiambina voalaza ao amin’ny Isaia 21:11, ary hafatra inona no ambarany?
10 Ilay mpiambina na mpitily tao amin’ny faminanian’Isaia dia teo an-dalam-piasana. Nanely tamim-pifaliana ny vaovao tsaran’ny “maraina” ho avy eto an-tany izay nanjakan’ny haizina sy ny faharatsiana izy. Ny foto-kevitr’io vaovao io, izay noraisina tsara, dia ny Fanjakana arivo taona hisian’ny fiadanana eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy. Nefa alohan’ny hahatongavan’ny “maraina”, ny kilasin’ny mpiambina, ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, dia mampiomana amim-pahasahiana ny amin’ny fandrosoan’ny “alina”, izay hahatratra ny fara fahamaizinany amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-Magedona. — Apokalypsy 16:14-16.
11, 12. a) Amin’ny ahoana ny teny voalazalaza ao amin’ny Isaia 21:8 no mampiseho fa ny kilasin’ny mpiambina dia sady mahatoky no malina? b) Avy amin’iza ankehitriny no iavian’ny fampitandremana, ary amin’ny fomba ahoana indrindra no ampielezana azy?
11 Eo aloha kely, eo amin’ny Isaia 21:8, ilay mpiambina mahatoky dia aseho amintsika amin’izao teny izao: “Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: ‘Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina.’ ”
12 Alao sary an-tsaina ny mpiambina iray eny an-tampon’ny tilikambo avo iray: miondrika manoloana, mandinika ny faravodilanitra izy ny maraina, miezaka mamaky ny haizina izy amin’ny alina. Miambina foana izy. Izany no hevi-dehibe voalaza ao amin’ny teny hebreo mitspèh, izay adika hoe “tilikambo fiambenana” ao amin’ny Isaia 21:8. Koa satria tena miambina tokoa ny mpitily, iza moa, amin’izay misaina rehetra, no tsy hatoky ny fiantsoany manakoako? Toy izany koa, fa amin’izao androntsika izao ny kilasin’ny mpiambina dia miezaka mandinika ny Soratra masina mba hahitana izay atokan’i Jehovah ho an’izao fandehan-javatra izao (Jakoba 1:25). Noho izany no anambarany amin-kery sy amim-pahasahiana an’io hafatra io, indrindra fa amin’ny alalan’ny Ny Tilikambo Fiambenana (jereo Amosa 3:4, 8). Ny tahotra dia tsy hampihemotra na oviana na oviana an’io gazety io eo amin’ny fiarovany ny fahamarinana. — Isaia 43:9, 10.
13. Gazety hafa inona no nivoaka tamin’ny 1919, ary zava-kendrena mitovy inona no natolony?
13 Ny 1 oktobra 1919, ny gazety vaovao iray dia nipoitra teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao: L’Age d’Ora. Ny kilasin’ny mpiambina dia hampiaraka an’io fitaovana io amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Na dia tsy mandalina an’ireo foto-kevitra araka ny Baiboly toa azy aza ity gazety ity, dia hampiomana ny olombelona kosa amin’ireo fampianaran-diso ara-pivavahana sady hanambara ny fandringanana tsy ho ela ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, izay harahin’ny fanorenana ny tany vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Eny, izy io koa dia hiaro ny fahamarinana.
14. Inona moa no zava-kendren’ny Consolation, ary taty aoriana ny Réveillez-vous!?
14 Ny anarana hoe L’Age d’Or dia novana hoe Consolation, valo ambin’ny folo taona taty aoriana. “Io anarana vaovao io dia mampiseho ny fahamarinana”, hoy ny fanambaran’ny nomerao tamin’ny 6 oktobra 1937 (fanontana amin’ny fiteny anglisy). Consolation dia tonga Réveillez-vous! tamin’ny nomeraon’ny 22 aogositra 1946 (fanontana amin’ny teny anglisy). Izao no fanapahan-kevitra noraisina tamin’izay: “Ny anton’ny gazety avoakanay dia ny fanambarana ny fahamarinana manontolo”, fanapahan-kevitra izay voatazony hatramin’izao. Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ny hany gazety manangana avo ny fanevan’ny fahamarinana amin’ny fomba miharihary ho an’ny rehetra. Amin’ny fanaovana toy izany dia manaraka ny lalana nosoritan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany izy ireo. — III Jaona 3, 4, 8.
Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! mpiaro ny fahamarinana
15. a) Inona moa no fomba fizarana ny sakafo ara-panahy amin’izao androntsika izao, izay mitovy amin’ny nampiasain’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no ilaina mihoatra noho ny fanononana andininy ao amin’ny Baiboly? Manomeza ohatra.
15 Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ny “mpiambina”, eo ambany fitarihan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hizarana ny “hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana”. (Matio 24:45.) Amin’izany izy dia manaraka ny ohatra navelan’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, izay nanao an-tsoratra ireo fanazavana nentiny tamin’ny hevitra sasantsasany momba ny fampianarana na ny fitondrantena, mba “hovakina amin’ny rahalahy rehetra” izany. (I Tesaloniana 5:27.) Vao tamin’ny fiandohany Ny Tilikambo Fiambenana dia nampiasa sy nampianatra ny Baiboly. Ohatra, ny nomerao voalohany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona dia naka teny na nanonona andalana maherin’ny roanjato nalaina avy tao amin’ny boky telopolo fara fahakeliny amin’ny Baiboly. Nefa tsy ampy fotsiny ny manonona andininy ao amin’ny Baiboly, ilaina koa ny manampy ny olona hahatakatra ny heviny. Ary Ny Tilikambo Fiambenana dia nanao foana izay hampandrosoana ny fahazoana ny hevitry ny Baiboly. Teo amin’ny 1892 ka hatramin’ny 1927, ny nomerao tsirairay taminy dia nirakitra famakiana isan-kerinandro ny Baiboly, ary ny andininy lehibe iray tamin’izany dia nohalalinina. Ohatra hafa amin’izany fomba fanao izany no omena ao anatin’ny tabilao voafefy mitondra ny lohateny hoe “Lahatsoratra tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nanamarika fotoan-dehibe”.
16, 17. Inona no nataon’ny tale voalohan’ny Ny Tilikambo Fiambenana mba hiarovan’io gazety io foana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
16 Amin’ny fomba ahoana no hihazonan’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny fahadiovan’ny hafatra avoakany? Charles Russell, tale voalohan’io gazety io, dia nametraka fefy fiarovana mba ho ny fahamarinana izay nahatakarana azy tamin’ny androny no havoakan’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Ahitana iray amin’ireny fiantohana ireny ao amin’ny hafatrafany nosoratana tamin’ny 27 jona 1907 (Russell dia maty tamin’ny 31 oktobra 1916). Manambara toy izao io hafatrafatra io:
“Ny sitrapoko dia ny mba hanankinana ny andraikitra manontolo amin’ny fanoratana NY TILIKAMBON’NY ZIONA amin’ny komity voaforon’ny rahalahy dimy, izay hamporisihiko mba hampiseho fitandremana sy fahatokiana lehibe indrindra manoloana ny fahamarinana. Ny lahatsoratra rehetra avoaka ao amin’ny pejin’ny NY TILIKAMBON’I ZIONA dia tokony heken’ny mpikambana telo amin’ny komity fara fahakeliny ary izany dia amin’ny fomba feno. Ankoatr’izany, raha ohatra ny lahatsoratra iray ka ankasitrahan’ny mpikambana telo amin’ny komity, nefa tsy mahazo ny fanekena feno avy amin’ny iray na ny mpikambana roa, dia mangataka indrindra aho mba hampihemorana ny famoahana azy mandritra ny telo volana mba hahafahana misaintsaina sy mivavaka ary miresaka ny amin’ilay raharaha. Amin’izany fomba izany, araka izay azo atao, dia ho voaro ny firaisan’ny finoana sy ny fatoran’ny fiadanana eo anivon’ny komity mpitantana an’io gazety io.”
17 Araka ny hafatrafatr’i Russell, ny mpikambana tsirairay amin’ny komitin’ny fanoratana dia tokony “tsy hivadika tanteraka amin’ireo fampianarana rehetra ao amin’ny Soratra Masina” sady hiavaka indrindra amin’ny “fiainana madio, ny fahitana mazava ny fahamarinana, ny zotom-po ho an’Andriamanitra, ny fitiavan-drahalahy sy ny fahatokiana eo anatrehan’ilay Mpanavotra”. Russell dia namepetra koa hoe: “Na manao ahoana na manao ahoana, ny anaran’ireo izay nanao ny lahatsoratra samihafa dia tsy tokony hosoratana ao amin’ny gazety (...) mba hekena sy hankasitrahana amin’ny maha-izy azy ny fahamarinana, sady mba hekena ho toy ny Filohan’ny Fiangonana sy Loharanon’ny fahamarinana indrindra ny Tompo.”
18. Nahoana no azontsika vakina amin-toky tanteraka ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!?
18 Hatramin’izao andro izao, ny Kolejy foibe dia nanaraka fitsipi-pitondrantena mitovy amin’izany. Ny lahatsoratra tsirairay avy amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!, ny pejy tsirairay avy aminy ary ny sary tsirairay dia dinihin’ny mpikambana maromaro amin’ny Kolejy foibe amim-pitandremana tsara alohan’ny hanontana azy. Ankoatr’izany, ireo izay mandray anjara amin’ny fanoratana an’ireo lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia loholona mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny asany (jereo II Tantara 19:7). Nandany ora maro nanaovana fikarohana tao amin’ny Baiboly sy ireo boky samihafa fakana teny izy ireo mba hahazoana antoka fa izay nosoratana dia ny fahamarinana tokoa sady manaraka am-pahatokiana ny Soratra Masina (Mpitoriteny 12:9, 10; II Timoty 1:13). Tsy mahalana no ahitana fa ny lahatsoratra iray ho voavakinao ao anatin’ny fahefatr’adiny angamba dia nila fanomanana eo amin’ny tapa-bolana ka hatramin’ny iray volana mahery eo.
19. Inona no azonao atao mba hiarovana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
19 Noho izany dia azonao atao ny mamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! amin-toky. Nefa azonao atao ny manao mihoatra noho izany. Nahoana raha manolotra amin-kafanam-po an’ireo gazety ireo amin’ny olon-kafa mba hahafahany mahafantatra ny fahamarinana sy mandray soa avy amin’ireo hafatra avoakan’ny ‘mpiambina mijanona eo amin’ny tilikambo fiambenana’? (Isaia 21:8.) Eny, miaraka amin’ny mpiambina amin’izao androntsika izao, dia azon’ny tenanao atao koa, ny miaro ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aoka homarihintsika fa tamin’ny fiandohany ny mpamaky sasany dia diso fanantenana noho ny pejy voalohany tamin’ny L’Age d’Or. Toa tsy misy endriny ny fahitany ny nanaovana azy. Izao ny valin-teny nomen’ny Fikambanana Watch Tower tao amin’ny rapaorony isan-taona: “Amin’izay lafiny izay dia tianay ny milaza mazava fa ny fitokonan’ny mpiasa amin’ny fanontam-pirinty dia nitranga tamin’ny fotoana namoahana indrindra ny L’Age d’Or tao amin’ny tanànan’i New York. Andro vitsivitsy monja talohan’izay anefa, dia vao nanao fifanarahana ny amin’ny fanontana ny L’Age d’Or izahay, ary hita tamin’izay fa ireo mpiasa mpitarika ny milina fanontam-pirinty mampiasa ny karazana taratasy sy fonony nilainay dia tsy nitokona. Toa niharihary noho izany fa nety ny nifidiananay an’io karazana fonony sy taratasy io, satria raha nifidy hafa izahay, na manao ahoana na manao ahoana izany, dia tsy ho azo natao mihitsy ny namoaka an’io gazety io. Noho izany, dia toa ny Tompo mihitsy no nanohana an’io gazety vao teraka io.”
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa i Charles Russell no nanomboka namoaka zavatra voasoratra momba ny Baiboly?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no niarovan’ireo kristiana voalohany ny fahamarinana?
◻ Nahoana moa ny fitenenana hoe “Tilikambo Fiambenana no misoratra eo amin’ny lohatenin’ity gazety ity?
◻ Iza moa ankehitriny no “mpiambina”, ary inona no fitaovana ampiasainy indrindra mba hampandrenesana ny feony?
◻ Amin’ny ahoana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! no miaro ny fahamarinana?
[Tabilao, pejy 13]
Lahatsoratra tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nanamarika fotoan-dehibe
1879: “Andriamanitra dia fitiavana” — nampiseho fa noho ny sorom-panavotan’i Jesosy no nanavotana ny olombelona.
1879: “Nahoana no navela hisy ny faharatsiana?” — nanazava ny antony tsy hahitana maso ny fanatrehan’i Jesosy Kristy.
1880: “Iray ny tena, iray ny fanahy, iray ny fanantenana” — nanondro fa 1914 no hanamarika ny fiafaran’ny andron’ny Jentilisa.
1882: “Ny tambin’ny ota, ny fahafatesana” — nanaporofo fa ny fampoianarana ny amin’ny fampijaliana mandrakizay dia mandà ny fitiavan’Andriamanitra.
1885: “Ny fivoarana miandalana sy ny taonjaton’ny fahaizana” — nampiseho fa ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana dia diso.
1897: “Inona no ambaran’ny Soratra Masina ny amin’ny spiritisma?” — nanaporofo ny maha-avy amin’ny demonia ny spiritisma.
1902: “Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany. Ny didiny” — nanipika ny amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra eo anivon’ny fianakaviana sy eo amin’ny raharaha atao.
1919: “Sambatra ireo izay tsy matahotra” — nitondra aim-baovao ho an’ny fandaminan’ny mpivavaka mahery fo izay nifoha mba hiasa.
1925: “Ny fahaterahan’ilay firenena” — nanazava ny faminaniana mampiseho fa teraka tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra.
1931: “Anarana vaovao iray” — nanomboka hatreo, ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah dia hanavaka tsara ny kristiana marina amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nivadi-pinoana.
1935: “Ny vahoaka betsaka” — nampiseho fa nanomboka ny fanangonana an’ireo izay hiaina mandrakizay eto an-tany.
1938: “Fandaminana” — nanome ireo fomba fandaminana tena teokratika ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah.
1939: “Fialanalanana” — nanatanjaka ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany hiatrika ireo fisedrana hoentin’ny Ady Lehibe faharoa.
1942: “Ny fahazavana tokana” — nampanakoako ny fanairana ho amin’ny fandehanana mba hitohy ny asa fanambarana ilàna herim-po.
1945: “Tsy mihozongozona ho an’ny fanompoam-pivavahana marina” — nanazava fa ny kristiana dia tokony hifady ny fampidiran-dra.
1952: “Mitahiry ny fahamarinana ho madio” — nampiseho fa ny fandroahana ataon’ny kongregasiona dia mifanaraka amin’ny Soratra masina.
1962: “Nahoana no tokony hanaiky ‘ny fahefana lehibe’ ” — namelabelatra ireo antony ilàna hanaiky amin’ny fomba voafetra an’ireo fahefan’olombelona.
1973: “Aoka hohazonintsika ho madio ny kongregasion’Andriamanitra amin’ny andro fitsarany” — namporisika ny hanariana ny sigara sy ny paraky.
1979: “Ny zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah” — nanamafy indray fa ny fitoriana isan-trano dia mifanaraka amin’ny ohatra navelan’ny apostoly.
1982: “Ry malala, (...) tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra” — nampitandrina ny kristiana amin’ireo fomba ampiasain’ny mpivadi-pinoana.
1983: “Ny fomba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao feno herisetra” — nanamafy ny tsy tokony handraisan’ny kristiana anjara amin’ny herisetra mihitsy.
1984: “Vala vaovao iray ho an’ny ‘ondry hafa’ ” — nanome fanazavana ny amin’ny fomba hampiraisana an’io kilasy eto an-tany io amin’ireo izay ao anatin’ny ‘valan’ny’ fanekena vaovao.
1987: “Ny Jobily kristiana dia hiravoravoana amim-pandresena mandritra ny Arivo taona” — nampiseho ny fomba handraisan’ny kristiana mahatoky rehetra soa avy amin’ny fanafahana sy ny fiainana.