Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nampianatra tamin’ny alalan’ny fanoharana izy
TOA tany Kapernaomy i Jesosy fony izy niteny mafy ny Fariseo. Taty aoriana, tamin’io andro io ihany, dia niala tao amin’ny trano nonenany izy ka nandeha an-tongotra nankany amin’ny ranomasina Galilia teo akaiky kely teo. Vory tao ny vahoaka. Koa niditra tao an-tsambokely i Jesosy, nanalavitra ny moron-drano ary nanomboka nampianatra ny olona tafangona teo amoron-dranomasina; nampianatra azy ireo ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy, tamin’ny alalan’ny fanoharana na ohatra fanazavana nifampitohitohy, araka ny faritra nahazatra azy ireo.
Voalohany indrindra, dia noresahin’i Jesosy ny amin’ny mpamafy iray izay namafy voa. Nisy voa latsaka nanaraka ny arabe ka lanin’ny vorona. Ny hafa latsaka teo amin’ny tany be vato. Koa satria tsy lasa lalina ny fakany, dia main’ny hainandro nigaingaina ny tsiriny. Ny hafa koa voafafy teo amin’ny tsilo izay nangeja ny tahony rehefa nitombo izany. Farany, dia latsaka teo amin’ny tany tsara ny voa sasany ka nanome vokatra, ny sasany avo zato heny, ny sasany avo enimpolo heny ary ny hafa avo telopolo heny.
Tao amin’ny fanoharana faharoa, dia nohantitranterin’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny rehefa mamafy voa ny lehilahy iray. Rehefa mandeha ny fotoana, raha mbola matory na mifoha ilay lehilahy, dia mitombo ny voa nafafy. Ary tsy fantatr’io lehilahy io hoe amin’ny fomba ahoana. Mitombo eo ny voa ka manome vokatra. Rehefa masaka ny voa, dia jinjain’ilay lehilahy.
Nilaza fanoharana fahatelo ny amin’ny lehilahy iray namafy voa tsara i Jesosy. Raha mbola natory izy, dia tonga ny fahavalo iray ka namafy ahidratsy teo ambonin’ny vary. Nanontany azy ireo mpanompon’io lehilahy io raha tokony hongotany ny ahidratsy. Hoy ny navalin’io: ‘Tsia. Hanongotra ny vary ianareo raha manao izany. Avelao hiara-haniry izy ireo mandra-pahatongan’ny fararano. Amin’izay dia hilaza amin’ireo mpijinja aho mba hanokana ny ahidratsy, handoro azy sy hampiditra ny vary any an-tsompitra.’
Tamin’ny tohin’ny lahateniny natao ho an’ny vahoaka teo amoron-drano, dia namelabelatra fanoharana roa hafa koa i Jesosy. Nohazavainy fa “ny fanjakan’ny lanitra” dia tahaka ny voan-tsinapy nafafin’ny lehilahy iray. Na dia ny madinika indrindra amin’ny voa rehetra aza izy io, hoy izy, rehefa maniry ny voan-tsinapy dia tonga ny lehibe amin’ny anana rehetra. Tonga hazo ialokalofan’ny voro-manidina izy io.
Ny sasany manohitra amin’izao andro izao amin’ny filazana fa misy voa madinika kokoa noho ny an’ny voan-tsinapy. Tsy manome lesona momba ny zavamaniry anefa i Jesosy. Tena ny kely indrindra tamin’ireo voa fantatry ny Galiliana tamin’ny androny tokoa ny voan-tsinapy. Takatr’ireo àry fa niresaka ny amin’ny fitomboana mahagaga i Jesosy.
Farany, Jesosy dia nampitaha “ny fanjakan’ny lanitra” tamin’ny masirasira nalain’ny vehivavy iray ka nafangarony tamin’ny koba intelon’ny famarana lehibe. Rehefa nandeha ny fotoana, hoy ny nanampiny, dia mahazo ny koba rehetra izany.
Rehefa avy nilaza ireo fanoharana dimy ireo i Jesosy dia nandefa ny vahoaka ary nody tany amin’ny trano nonenany. Nanaraka azy tsy ela ireo apostoliny 12 sy mpianatra hafa. Matio 13:1-9, 24-36; Marka 4:1-9, 26-32; Lioka 8:1-8.
◆ Oviana ary taiza Jesosy no niresaka tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fanoharana?
◆ Inona moa ireo fanoharana dimy nolazain’i Jesosy tamin’ny vahoaka?
◆ Nahoana moa i Jesosy no nanambara fa ny voan-tsinapy no madinika indrindra tamin’ny voa rehetra?