Fanontanian’ny mpamaky
◼ Mety amin’ny kristiana ve ny hamelana hanaovana fandinihana sy fandidiana (autopsie) ny fatin’ny anankiray amin’ny mpianakaviny?
Ny Soratra Masina dia tsy manome filazalazana hentitra ny amin’ny “autopsie”. Kanefa, azon’ny kristiana iray atao ny mandinika hevitra vitsivitsy araka ny Baiboly izay misy ifandraisany amin’io raharaha io ka mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany, sady mihevitra ny tarehin-javatra manokana.
Ny “autopsie” dia fandinihana atao amin’ny alalan’ny fandidiana — raha ny marimarina kokoa dia fandidiam-paty — atao amin’ny vatan’ny olona iray mba hamantarana izay nety ho nitarika ny fahafatesany. Ankoatr’izany dia mety hahitana hevitra ny amin’ny vokatra na ny fandehan’ny aretina iray izany. Ny fomba fihevitry ny fivavahana sasany ny “autopsie” dia voamariky ny fampianarana tsy araka ny Baiboly. Ohatra, ny “encyclopédie” katolika iray dia manambara izao: “Ny nofon’ny maty dia tokony hokarakaraina amim-panajana, satria nitoeran’ny fanahiny (...). Amin’ny fitsanganana lehibe, dia natao hitsangana miaraka amin’ny fanahiny ho amin’ny fiainana mandrakizay izy io (...). Mety hisy fotoana sasany handeha eo anelanelan’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fiaingan’ny fanahy.” Ny Baiboly anefa dia mampiseho fa rehefa maty ny olona iray — izay fanahy velona iray — dia tonga fanahy maty (Genesisy 2:7; 7:21-23; Levitikosy 21:1, 11, MN ). Fa ahoana ny amin’ny tenany? Raha ny amin’ny “zanak’olombelona” sy ny “biby” kosa dia izao no vakintsika: “Avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra.” (Mpitoriteny 3:18-20). Amin’ny fitsanganan’ny maty, Andriamanitra akory tsy hanangana ny tena, izay ho efa ela be no nody ho vovoka, fa hanome vatana vaovao kosa ho an’ny olona izy araka izay tiany. — Jereo I Korintiana 15:38, 47, 48.
Ny fandinihana io raharaha io dia mamela antsika hihevitra ny amin’ny endrika hafa amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maty. Andriamanitra tokoa dia nanome izao baiko izao ho an’ny Isiraely: “Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo. Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:28; Deoteronomia 14:1, 2; Jeremia 47:5; Mika 5:1, MN ). Ny mpanompon’Andriamanitra dia tsy tokony hanahaka ireo firenena nanodidina azy, izay nandidy ny tenany mba hampisehoana ny alahelony vokatry ny fahafatesana iray, na noho ny antony hafa rehetra mifandray amin’ny fivavahan-diso. Io baiko io dia tsy maintsy namporisika ny Isiraelita haneho fanajana ny tenany, izay anisan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra. — Salamo 100:3; 139:14; Joba 10:8.
Toy izany koa, ny kristiana dia tokony hanaja ny ainy sy ny tenany izay natolony ho an’Andriamanitra (Romana 12:1). Ny sasany mihevitra fa ny fanajana ny tena dia tokony hamolavola ny fomba fiheviny ny amin’ny “autopsie”. Noho izany, raha tsy hoe voatery amin’izany izy angaha, dia aleony tsy kasihina ny tenan’ny havany. Angamba fantany fa any amin’ny tany sasany, ny ran’ny maty dia ampiasaina rehefa misy ilàna fampidiran-dra na noho ny antony hafa, ka tsy tiany ny handray anjara amin’izany fanao izanya.
Koa nahoana àry no nisy kristiana sasany namela ny hanaovana “autopsie”? Satria tsapany fa ny Baiboly dia tsy miresaka amin’ny fomba hentitra an’izany fanaovan-javatra izany. Ambonin’izany, dia angamba nanamarika izy ireny fa ny Isiraelita dia namela ireo mpitsabo egyptiana hanosotra zava-manitra ny fatin’i Jakoba sy Josefa, na dia azo inoana aza fa tsy maintsy nodidiana izy ireo mba hanalana ny taovany (Genesisy 50:2, 3, 26). Ankehitriny, ny lalàna dia mety handidy ny hanaovana “autopsie” ao anatin’ny toe-javatra sasany; ohatra, raha maty tsy misy antony miharihary ny olona iray tanora sady salama tsara. Mazava ho azy, fa rehefa ny lalàna no mitaky ny “autopsie”, ny kristiana dia hitadidy ny torohevitra izay milaza fa ‘tokony hanaiky ny fahefana lehibe’. — Romana 13:1, 7; Matio 22:21.
Fanampin’izany, na dia hoe narahin’ny mpitsabo maso aza ny olona iray ka fantatra ny nety ho antony nahafaty azy, ny “autopsie” dia mety hitondra filazalazana ilaina. Mety haniry hahafantatra ny antony marina nahatonga ny nahafatesany ny zanak’ilay olona maty, mba hahazona mamaritra tsaratsara kokoa ny toe-pahasalaman’ny fianakaviany tamin’ny lasa. Izany dia mety hanosika azy hanova ny fomba fiainany na hanaraka fitsaboana iray manokana. Misy antony hafa koa anefa mahatonga ny sasany hamela ny hanaovana “autopsie”. Araka izany, ny rapaoron’ny “autopsie” hamafisin’ny fandinihana natao tamin’ireo selany dia mety hahafahan’ny fianakaviana iray mahazo fanampiana sasany, satria manaporofo ohatra fa voan’ny “silicose” (aretina mamely ny avokavoka mpahazo ireo mpitrandraka arintany) ilay maty. Ny hafa aza mihevitra fa ny famelany hanaovana “autopsie” dia mety hampilamina ny sainy satria manampy azy hahafantatra ny antony marina nahatonga ny nahafatesan’ny olon-tiany iray. Mety hitranga koa ny hoe liana amin’ilay raharaha ny olona tsy anisan’ny fianakaviana, ka mihevitra amim-pahatsorana ny havan’ilay maty fa raha mamela ny hanaovana “autopsie” izy ireo, dia manampy ny mpitsabo mba hahatakatra tsara kokoa ny fizotran’ny aretina iray ka noho izany dia hitsabo amin’ny fomba mandaitra kokoa ao anatin’ny toe-javatra hafa.
Noho izany, dia mety raha manaja ny tenany ny kristiana. Kanefa rehefa tokony hanapa-kevitra izy na hamela ny hanaovana “autopsie” na tsia, dia azony atao ny mihevitra anton-javatra hafa mifandray amin’ny tarehin-javatra manokana hitany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha maniry hahazo filazalazana ny amin’ny famindrana taovan’olombelona ianao dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra 1980, pejy 30.