Ny fahendren’Andriamanitra: Hitanao ve izany?
HEVERO hoe mahita lapan’ny mpanjaka iray fahiny ianao. Ny mpanapaka, manao fihaingoan’ny mpanjaka, dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana marevaka. Fanta-daza, tsy noho ny harena fotsiny, fa amin’ny fahendrena koa ilay mpanjaka. Ary raha ny amin’ireo mpanotrona azy, izy ireo dia voalamina amin’ny fomba lavorary. Maharevo fatratra ny fisehoan-javatra. Indro Solomona mpanjaka. — I Mpanjaka 10:1-9, 18-20.
Henoy izao ny lehilahy izay fantatra ho Mpampianatra lehibe, Jesosy Kristy: “Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny”. — Matio 6:28, 29.
Inona moa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo teny ireo? Tsy azo lavina, fa nanoro hevitra izy, mba tsy ho tia zavatra ara-nofo. Nefa izay nambarany momba an’i Solomona ve azo raisina amin’ny heviny ara-bakiteny? Tadidio fa Jesosy dia naka ireo fanoharana avy tamin’ny zava-nisy. Koa ireo mpamorona sy mpanao akanjo ho an’i Solomona dia tsy afaka, na dia teo aza ny fahaizany, nanahaka ny endrika, ny fifangaroan-doko sy ny zara mitovin’ny “voninkazo any an-tsaha” mipetraka ao amin’ny faritra voajanahary.
Ny fisehoan’ny fahendren’i Jehovah
Ampy ho anao ny mandinika voninkazo mba hampiray hevitra amin’ny fanambaran’i Jesosy. Tsy fantatsika marina hoe karazam-boninkazo inona no noheverin’i Jesosy, nefa maro be ny voninkazo any amin’ny ankamaroan’ny faritra amin’ny gilaoby. Jereo amim-pitandremana ny voninkazo iray, na inona na inona; lisy iray, raozy iray, hazomiavona (orchidée) iray. Fahasamihafan-doko mahavariana sy endrika be kojakojany no hitan’ny masonao, fikambanam-pelana, ravina sy faritra hafa amin’ny zavamaniry! Hitanao ve ny porofo mangina nefa mahery atolotr’ireo voninkazo? Manaporofo izy ireo fa nisy Mpamorona lehibe iray manam-pahendrena sy fiheverana tsy manam-petra niandohan’ireo asa mahavariana ireo. Ankoatra ny faharavoan’ny masontsika amin’ny hakantony, ny orontsika dia mifoka ny hanitra mambabo aeliny eny amin’ny rivotra.
Nasain’ny apostoly Paoly nomarihina fa ny “toetrany (Jehovah Andriamanitra) tsy hita dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20). Kanefa, tsy norakofan’Andriamanitra voninkazo fotsiny akory ny tany; nahary hazo lehibe sy hazo madinika tsy tambo isaina izy, izay ny fitambarany dia mahaforona fanjakana sady ilaina no maitso mahafinaritra. Raha mba mitsidika ny saham-pirenen’i Humboldt, any Kalifornia ianao, dia ho hitanao ny sekoia goavana izay tena ny hazo avo indrindra maneran-tany. Raha mijoro eo amin’ny fotony ianao ka mitazana ny tendrony, any amin’ny 111 metatra any, moa ve ianao tsy hidera mangina Ilay nahay nanao io hazo io?
Ny fahendrena tonga ho azy ao amin’ny biby
Eto ambonin’ny tany sy any anaty ranomasina dia iainan’ny biby, lehibe sy kely, izay ahitantsika ny fahendren’Andriamanitra. Tao noforonina ho amin’ny fikasana nataon’ny Mpamorona azy ny tsirairay. Namela izao torohevitra izao i Solomona mpanjaka hendry: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina, diniho ny fanaony, ka mba hendre.” (Ohabolana 6:6). Izay mandinika ny vitsika dia variana amin’ny talentan’ny mpandamina ananany. Tsy mba mitokantokana ny vitsika fa miaina andiany. Mpamboly ny sasany aminy ary manangona voa. Eo ambanin’ny tropika, dia misy vitsika manapaka amim-paharisihana sila-dravina ary mitondra azy ho ao an-tranony. Ahoana no nianarany izany? Agora, iray amin’ny mpanoratra ny bokin’ny ohabolana, dia mamaly fa “hendry sady mahay” ny vitsika. Iza àry no nanome azy izany fahendrena izany? Tsy nisy afa-tsy Jehovah, izay nanao ny lanitra sy ny tany. — Ohabolana 30:24, 25.
Eny, ny zavaboary biby dia nomena fahendrena tonga ho azy. Tena hita miharihary izany fahendrena izany amin’ny fifindra-monin’ny voromanidina. Angamba ianao efa nandre resaka momba ny fifindra-monin’ny sidintsidin’i Kapistrano. Amin’ny fotoana voafetra iray, isan-taona, izy ireo dia mandeha an’arivony kilaometatra maro hatrany amin’ny tanin’i Amerika Atsimo izay andaniany ny ririnina mba hahatongavana any San Juan Kapistrano any Kalifornia. Mandeha ho azy sy amin’ny fomba tsy mety diso, izy ireo dia tonga amin’ny toerana iray ihany amin’ny fotoana iray ihany, amin’ny volana martsa.
Ny amin’ny ranomasina midadasika, dia manambara toy izao ny mpanao Salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany. Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina.” (Salamo 104:24, 25). Manomboka amin’ny hazandrano madinika kely ka hatramin’ny trozona goavana, ny fahendren’Andriamanitra dia hita taratra amin’ny bikany sy ny asany.
Ny olona no namaranana ny famoronan’Andriamanitra teto an-tany. Io zavaboary io akory tsy netsehin’ny fahendrena hatry ny fahakely na tonga ho azy fotsiny. Ny olona dia nanana fahafahana hanahaka an’Andriamanitra amin’ny lafiny maro. Toy inona moa ny maha-marina fa, “mahatahotra sy mahatalanjona”, ny nanaovana azy tamin’ny fomba mahavariana! Na dia tsy manam-pahaizana ara-pitsaboana aza isika, dia azontsika atao ny mamanta-javatra avy amin’ny fahitana ara-pitsaboana sy manao fanatsoahan-kevitra mitovy amin’ny an’ny mpanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Ny asan’ny Mpamorona miharihary ao amin’ny tenan’olombelona dia mahavariana. — Salamo 139:14.
Ny fahendren’i Jehovah eny amin’ny lanitra
Ny Salamo 19:1 dia manamafy fa ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra. Marina amin’ny fomba miavaka izany. Davida mpanao salamo dia tsy mba nanana masolavitra goavana na fitaovana elektronika, nefa nandinika tamim-pahatalanjonana sy nanaja izay hitany izy. Amin’izao andro izao, na iza na iza dia mahalala mihoatra noho Davida ny amin’ny fandaharana masoandro sy ny vahindanitra lehibe antsoina hoe ny “Voie Lactée”. Mahalala koa ny tsirairay fa misy vahindanitra lehibe hafa tsy voatanisa eny amin’ny habakabaka tsy hita fetra. Inona no tsapanao rehefa mandinika ny fahendren’ny Mpamorona lehibe tsy manan-tsahala ianao? Mihiaka toy izao amim-panajana ve ianao: “Jehovah ô! ianao no manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa”? Tokony hataonao izany. — Joba 9:10.
Tany amin’ireo mandrakizay lasa tsy fantatsika, Jehovah dia nanohy ny asam-pamoronany. Nahary ny zanany Lahitokana aloha izy, avy eo dia ny zavaboary ara-panahy hafa, ary taorian’izany dia nanao izao rehetra izao hita maso. Nizotra tao anatin’ny fahatoniana sy filaminana izany rehetra izany ka nahatonga ireo anjely zanak’Andriamanitra hampiseho ny fahatalanjonany ary hihoby tamin’ny fanorenana ny tany (Joba 38:4-7). Namorona ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra; napetrany tao amin’ny saha lavorary iray izy ireo. Nefa nisy zavatra mampalahelo nitranga. Nisy feo avy amin’ny tsy hita maso, niteny tamin’ny alalan’ny menarana, nanendrikendrika ny Mpamorona lehibe. Nilaza tamim-pihamboana izy fa ratsy fanapaka Jehovah ary niampanga an’Andriamanitra ho mpandainga. Izany no antony iantsoana ny tompon’ilay feo tamin’ny anarana somary manebaka mampiseho azy ho: Devoly, Menarana sy Satana. Inona ary no hataon’Ilay Hendry indrindra? Inona no azony atao? Voatery naneho endriny vaovao iray tamin’ny fahendreny Andriamanitra, ka izany dia hihoatra noho ireo zava-bita efa lehibe noho ny voninahitr’i Solomona. — Genesisy 3:1-5.
[Teny notsongaina, pejy 4]
Manomboka amin’ny hazandrano madinika kely ka hatramin’ny trozona goavana, ny fahendren’Andriamanitra, dia hita taratra amin’ny bikany sy ny asany.