Endriny vaovao iray amin’ny fahendren’Andriamanitra
“ARY hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Isiraely: Izaho Izay Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo.” (Eksodosy 3:14). Nohazavain’i Jehovah tamin’i Mosesy fa talohan’io andro io ihany ireo mpanompony dia tsy tena nahatakatra ny hevitry ny anarany. Izy no ilay Andriamanitra manao fikasana sy manatanteraka mandrakariva ny sitrapony. Raha izany no takin’ny toe-javatra, dia azony ovana ny fomba hanatrarana ny zava-kendreny, satria hendry aoka izany izy.
Na dia Satana koa aza dia tsy mahatakatra ny hevitra manontolon’ny anaran’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa fantany ny hoe nisy hazon’aina tao amin’ny sahan’i Edena. Raha nitarika an’i Adama sy Eva hihinana tamin’ny voan’io hazo io izy, dia angamba ho toa nametraka an’i Jehovah nanoloana raharaha mahasanganehana iray: na ho nitana ny teniny nataony manameloka ho faty ny mpivady olombelona Andriamanitra noho ny otany, na Andriamanitra hitana ny teniny ny amin’ny hazon’aina (Genesisy 2:9; 3:1-6). Na manao ahoana na manao ahoana anefa, ny fikasan’i Satana dia voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana.
Tamin’izay àry Andriamanitra dia nanomboka nampiseho ny endriny iray tamin’ny fahendreny izay tsy nampoizin’ireo zanany ara-panahy sy tsy nambara taminy tany aloha (jereo Efesiana 3:10). Nitokana fitohitohizam-panambarana sy fitrangan-javatra izy izay hampiharihary amin’ny fomba mahavariana, mandritra ny vanim-potoana lava ny fahendreny lehibe sy ny fahaizany manatanteraka ny fikasany mandrakizay. Io fikasana io dia ny hamenoana ny tany amin’ny olombelona sambatra sy mahatoky miaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa (Genesisy 1:27, 28). Imbetsaka, Andriamanitra no hanafoana ny fanandramana hataon’i Satana hisakanana ny fikasany.
Miseho ny zava-miafina masina
Taorian’ny fikomiana voalohany avy hatrany, Andriamanitra dia nanao zavatra. Teo no ho eo dia notsarainy ny mpivady meloka ary nohamafisiny fa ny fahafatesana no sazin’ny tsy fankatoavana. Andeha hihinana ny hazon’aina ve izao i Adama sy Eva? “Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy, ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy”. — Genesisy 3:17-23.
Tamin’izay fotoana izay, Andriamanitra dia nanao ny andraikitry ny Mpitory filazantsara koa, noho izy manambara vaovao tsara. Nanonona ny faminaniana voalohany izy: “Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: (...) Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”. (Genesisy 3:14, 15). Taonjato maro taty aoriana, dia nanazava ny apostoly Paoly hoe: “Fa izao zavatra ary [olombelona] rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho Izay nampanaiky azy — noho ny fanantenana —”. — Romana 8:20.
Eny, raha mbola hihatra tsy misy fanafana amin’ny olombelona ny fahafatesana nolovana avy tamin’ny lehilahy voalohany, Andriamanitra dia nanambara ny fikasany hanafaka ny taranak’i Adama izay hanaiky azy. Nefa inona moa no fototr’ilay fanantenana? Ahoana no nahafahan’Andriamanitra nanafaka ny olombelona sady mitana ny sazy fahafatesana notononiny hanoherana ny fahotana? Amin’io no hisy ny fahendrena miafin’Andriamanitra; tafiditra amin’izany “ny zava-miafina [masina, MN ], ilay voafina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro”. (Kolosiana 1:26; I Korintiana 2:7, 8). Na dia tsy nahatakatra ny zava-miafina aza ireo olo-mahatoky fahiny, dia nanantena izy ireo fa hanafaka azy Andriamanitra na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Na dia ireo anjely koa aza dia naniry hahafantatra ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany (I Petera 1:10-12). Takatrao ve io zava-miafina masina io?
Novidina tamin’ny avotra
Tsikelikely nandritra ireo taonjato, Jehovah dia nanome fanamarihana hentitra ny amin’ny fampanantenany tany am-boalohany. Abrahama nahatoky dia nampanantenainy taranaka iray hitahiana ny olombelona mankatò rehetra (Genesisy 22:15-18). Tamin’ny alalan’i Jakoba, dia nambarany fa ho mpanjaka amin’ny fokon’i Joda io taranaka io (Genesisy 49:10). Tamin’izany fotoana izany, ny mpivavaka dia nino ny fananganana ny maty, na dia tsy fantany marina aza ny fomba hahatanterahan’izany (Joba 14:14, 15; Hebreo 11:19). Farany, nampanantena an’i Davida Andriamanitra fa ilay mpanjaka ho avy, ny Mesia, dia ho anankiray amin’ny taranany, ary hanjaka mandrakizay. — II Samoela 7:16.
Ireo mpaminany rehetra dia nanampy tsikelikely tamin’ny fahatakarana ny zava-miafina masina, nefa tsy tena hitan’ny olombelona tamin’ny fomba feno izany. Avy eo dia tonga ny fotoana tokony hisehoan’ny Mesia. Tamin’izay, ny fahendrena samihafan’Andriamanitra tamin’ny farany dia nanjary nazava bebe kokoa. Nihodinkodina manodidina an’i Jesosy Kristy sy ny fanolorana ny fiainan’olombelona tanteraka nananany ho avotra mifanitsy ho an’ny olombelona izany. Rehefa voapetraka izany fototra izany, ny fikasana be voninahitr’i Jehovah mifandray amin’ilay Fanjakana dia ho eo an-dalam-pahatanterahana. Takatrao ve ny atao hoe avotra?
Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, eo amin’ny toko 5 sy 6, Paoly dia manome fanazavana tsara dia tsara ny amin’izany. Ao amin’ny Romana 5:12, dia velabelariny ny fizotran-javatra nahatonga antsika handova ny ota sy ny fahafatesana. Lavidavitra kokoa avy eo, no ampisehoany fa ny vokatry ny fahotana nataon’i Adama lehilahy tanteraka sy ny fahaverezan’ny fiainana ho an’ny taranany dia azo onerana amin’ny fiainan’olombelona tanteraka hafa iray. Izany fiainana izany dia miharihary ho ny an’ny “olona iray, dia Jesosy Kristy”. (Ro 5:15-21Andininy 15 hatramin’ny 21; jereo koa I Timoty 2:5, 6). Afaka nanome izany avotra izany Jesosy satria amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra azy, izy dia “masina [mahatoky, MN ], tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota”. (Hebreo 7:26; Lioka 1:32, 33). Tsy ilaintsika ny mitady hanazava ny antsipirian’ny firafitry ny tena tamin’ny fahaterahan’i Jesosy. Ny anjely Gabriela dia nanome toky an’i Maria, renin’i Jesosy, sy ho antsika koa, fa tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra (Lioka 1:37). Araka izany, na dia nateraky ny taranak’i Adama aza Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, tena lehilahy tanteraka. Ny rany, ny fiainany, dia sarobidy lavitra noho ny ran’ny biby tsy hita isa nataon’ny mpisoron’Isiraely taranak’i Arona sorona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. — Jaona 1:29; 3:16.
Moa ve Andriamanitra afaka nandray izany fandaharana izany tamin’ny alalan’i Jesosy ka mitoetra ho marina? Raha namerina ny Zanany ho amin’ny fiainana Andriamanitra tamin’ny andro fahatelo, nanao ahoana ny niafaran’ny avotra? Hamarinin’i Paoly amintsika fa tena marina tokoa Andriamanitra. Izao no famakafakany “Nefa Andriamanitra noho ny hatsaram-pony, no manamarina azy eo imasony, maimaimpoana, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay manafaka azy ireo amin’ny fahotana. Natolotr’Andriamanitra ho sorona izy mba, amin’ny fahafatesany, no hahazoan’ny Kristy famelan-keloka ho an’ny olona izay mino azy. Tian’Andriamanitra haseho tamin’izany ny fahamarinany. Amin’ny tsy namaliany ny fahotany tamin’ny lasa tamin’ny nandeferany; nefa ankehitriny, dia asehony ny fomba hanamarinany ny olona eo imasony, satria sady te-ho marina izy no ta-hanamarina izay rehetra manana finoana an’i Jesosy”. (Romana 3:24-26, La Bible en français courant). Inona no dikan’ireo andinin-teny ireo? Tsotra ihany: fa Jesosy dia maty tokoa tamin’ny naha-olombelona raha mbola olona nofo aman-dra tanteraka, ary nijanona maty mandrakizay tamin’ny maha-olombelona. Maty izy “indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy”. (Hebreo 7:27). Ara-dalàna àry ny avotra: novonoina tamin’ny nofo Jesosy; tamin’ny andro fahatelo, izy dia “novelomina tamin’ny fanahy”. — I Petera 3:18.
Ny fanekena vaovao sy ny olom-baovao
Haintsika izao ny manavaka ny endriny miavaka indrindra amin’ny zava-miafina masina. Jesosy dia mendrika ny ho Mpisoronabe sy Mpanjakan’i Jehovah satria izy dia nitoetra ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana. Tamin’ny rany, izy dia nampanan-kery ny fanekena vaovao, izay ny zava-kendreny dia ny hampisy mpanjaka sy mpisorona hafa hanao ireo asa ireo any an-danitra miaraka aminy (Apokalypsy 5:9, 10; 20:4, 6). Mahaforona firenena vaovao iray izy ireo, “olom-baovao”, ary izany, azo antoka tokoa, “dia tena zavatra”. — Galatiana 6:15, 16, MN.
Eritrereto ange: Tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, Andriamanitra dia nifidy lehilahy sy vehivavy sasantsasany solontenan’ny olombelona. Azony atao ara-dalàna ny manamarina azy ireo sy miantso azy ho tonga zanaka ara-panahy. Aorian’ny fahafatesan’izy ireo, amin’ny fotoana aniriany izany, Andriamanitra dia manangana azy ho any an-danitra ary manome azy ireo ny tsy fahafatesana, toy ny nanomezany valisoa an’i Jesosy (I Petera 1:3, 4). Itokisany tokoa ireo anisan’ny “Olom-baovaony” sy ny fahatokian’izy ireo amin’ny toerany tsara! Valin-teny manao ahoana izany ho an’ilay miampanga azy ireo amin’ny fomba diso eo anatrehan’i Jehovah (Apokalypsy 12:10)! Na dia mety maty aza izy ireo, toa an’i Jesosy Kristy, dia tsy mba hivadika amin’i Jehovah na oviana na oviana. Nefa tsy izay ihany.
Ny Paradisa an-tany
Kristy Jesosy, ampian’ireo mpanjaka sady mpisorona any an-danitra izay hakambana aminy, dia hiahy ny hahatanteraka manontolo ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny olona sy ny tany mandritra ny Fanjakany arivo taona. Hampihatra ny soa avy amin’ny avotra i Jesosy, ka hanangana ny maty ary ireo izay hiseho ho mahatoky dia hotarihiny ho amin’ny fahatanterahan’olombelona miaraka amin’izay ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy. Amin’izay fotoana izay ihany, ny tany dia hovana ho paradisa. Izay rehetra hahatohitra amin’ny fanafihana farany hataon’i Satana hikendry ny hanimbana azy dia homena ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fahatanterahana. Satana sy ny mpiandany aminy mamoafady rehetra dia holevonina mandrakizay. Hanjaka eo amin’ny voary manontolo ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina, izany dia hanamarina tanteraka ny fiandrianan’i Jehovah sy hanaporofo fa mampihatra ny fanapahany amim-pitiavana izy. Ireo anjely sy ny olombelona dia ho efa nanaporofo ny fitiavany sy ny fahatokiany ny Mpamorona azy sady Andriamaniny. — Apokalypsy toko 20.
Azontsika atao tsara izao ny mahatakatra ny zava-miafina masina. Hitantsika ankehitriny ny fahendren’Andriamanitra izay mihoatra mihitsy ny asam-pamoronany tsy hita maso eo amin’izao tontolo izaon’ny biby sy ny zavamaniry. Manana antony tsara hihobiana toy izao isika: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany (...)! Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena”. — Romana 11:33-36.
[Sary, pejy 7]
Ny vokatry ny fahotana nataon’i Adama lehilahy tanteraka sy ny fahaverezan’ny fiainana dia azo onerana. Amin’inona? Amin’ny fiainan’olombelona tanteraka hafa iray, ny an’i Jesosy