FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/7 p. 30
  • Tadidinao ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Jobilin’i Jehovah: fotoam-pifaliana ho antsika izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mandresy ny Jobily kristiana amin’ny Fanjakana arivo taona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Nataon’i Jehovah Izay Hahazoanao Fahafahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/7 p. 30

Tadidinao ve?

Novakinao tamim-pitandremana ve ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia azo inoana fa hotsaroanao ny hevitra vitsivitsy voambara eto ambany:

◻ Nahoana moa ny kristiana iray no tsy tokony hankalaza ny Noely?

Ankoatra ny antony hafa, dia satria ny Noely niandoha avy amin’ny satiorinaly, fetin’ny mpanompo sampy, fety romana ho fanomezam-boninahitra an’i Saturne, andriamanitry ny fambolena. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” (II Korintiana 6:14-17). Tsy misaraka amin’ny tsy mpino ny kristiana iray raha manohy mankalaza fetin’ny mpanompo sampy.

◻ Inona moa ny jobily kristiana?

Izany dia fanafahana mifandray amin’ny “fahamarinana” izay amin’ny alalan’izany no mety hahafaka ny olombelona amin’ny “lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana”. Izany fahamarinana izany dia mahakasika “ny Zanaka”, Jesosy Kristy. — Jaona 8:31-36; Romana 8:1, 2, 21.

◻ Oviana moa ny Jobily kristiana no nankalazaina?

Tamin’ny Pentekosta taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny Jobily kristiana dia nanomboka nankalazain’ireo izay natao ho amin’ny fiainana any an-danitra. Fa raha ny amin’ireo olona mpino izay hanana ny fiainana mandrakizay eto an-tany, izy ireo dia hahita Jobily kristiana lehibe ao anatin’ny Fanjakana arivo taona, dia vanim-potoana hanjavonan’izay rehetra mety ho soritry ny fandovana fahotana sy tsy fahatanterahana.

◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manokatra sekoly ho an’ny ankizy any Azia sy an-toeran-kafa?

Noho izay lazain’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hiahy voalohany indrindra ny amin’ny asa lehibe nanirahana azy, dia ny fitoriana ny hafatra iankinan’ny aina momba ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 24:14; 28:19, 20). Tsy miafina aminy ny fahoriana sy ny tsy rariny eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, ka manao zavatra araka izay azony atao izy. Tsapany anefa fa ny tena fanafodin’ireny zava-manahirana lehibe ireny dia tsy ao amin’ny herin’ny olona, fa amin’ny fanafahana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela — Salamo 146:3-10.

◻ Lafiny madinika inona avy amin’ny finoana no azontsika fantarina amin’ny ohatra nomen’i Abela, Enoka, Noa, Abrahama sy Mosesy?

Ny finoana sahala amin’ny an’i Abela dia mahatonga ho sarobidy kokoa ihany amintsika ny soron’i Jesosy. Ny tena finoana dia manampy antsika ho vavolombelona be herim-po sahala amin’i Enoka. Sahala amin’ny hita tamin’i Noa, ny finoana dia manosika antsika hanaraka akaiky ireo toromarik’Andriamanitra. Ny finoan’i Abrahama dia tena mahatonga antsika hahatsapa ny ilàna hankatò an’Andriamanitra sy hino ireo Fampanantenany. Ny amin’ny tokony tsy hampisy pentimpentina hatrany antsika avy amin’izao tontolo izao sy ny hitoerana ho mahatoky eo anivon’ny olon’Andriamanitra, dia izany no asehon’ny ohatra nomen’i Mosesy.

◻ Amin’ny heviny ahoana moa ny fahalianana hahafanta-javatra no mety ho tsara, na ho ratsy?

Ny faniriana mahasoa ny hahalala ny Mpamorona antsika, ny sitrapony sy ny fikasany dia mety hahafa-po tanteraka sy hahasoa amin’ny fitondrana fifaliana sy zava-baovao eo amin’ny fiainantsika. Etsy an-daniny, ny fitiavana hahafanta-javatra miteraka fikorontanan-tsaina sy tsy fefena, dia mety hitarika antsika ao amin’ny lalana miolikolika misy ny hevi-dravina sy ny tsangan-kevitr’olombelona, tsy hahafahan’ny tena finoana sy ny fitiavam-pivavahana ho velona.

◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nihiaka izy hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity!” (Matio 26:39).

Ny nitana ny sain’i Jesosy dia ny fiampangana ho niteny ratsy an’Andriamanitra natao taminy. Izany dia heloka nahatsiravina indrindra nety ho nataon’ny Jiosy iray. Ao amin’io toe-javatra io àry, ny fahafatesany dia mety ho toa fanalam-baraka ny Rainy any an-danitra.

◻ Raha tsy maintsy miaritra fanaintainana na fahoriana ny olona iray, manoro azy hanao inona moa ny fahendrena?

Ny tsara indrindra ho azy dia ny hananana faharetana, ny hitadiavana amim-panantenana, fanamaivanana eo anilan’Andriamanitra amin’ny fanatonana azy. Ho moramora kokoa aminy any aoriana ny hiharan’ny fitsapana karazan’izany ka tsy ho very fanantenana. — Fitomaniana 3:25-31.

◻ Iza moa ireo “firenen’Isiraely [fokon’Isiraely, MN ] roa ambin’ny folo noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 22:28-30?

Izany dia mampiseho ny vahoaka rehetra eo amin’ny olombelona izay hotsarain’i Kristy mbamin’ny mpisorona lefiny 144 000, ao anatin’ny faritry ny fanavaozana izay rehetra nomanin’i Jehovah ho an’ny tany. — Matio 19:28.

◻ Fomba inona avy no azontsika ampiasaina amin’izao andro izao mba hianarana hahafantatra akaiky an’Andriamanitra?

Manana ny Baiboly isika ary afaka mihevitra taonjato maro nahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, dia manana ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara isika, ka lazaina amintsika amin’izany ny fiainana, ny asa sy ny tenin’i Jesosy Kristy, izay ny aminy no nanambaran’i Paoly hoe: “Fa ao amin’ny tenany [Kristy] no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra.” — Kolosiana 2:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara