Inona no zava-kendrena amin’ireo faminaniana?
IREO izay manantitrantitra fa ny karazam-panompoam-pivavahany samihafa dia fanambarana avy amin’ny loharano mahery noho ny olombelona dia manaiky koa fa misy hery hafa noho ny an’ny olombelona tsara sy ratsy. Izany dia mitarika fanontaniana sasany toy ireto: Moa ve ireny karazam-panompoam-pivavahana rehetra ireny nambaran’ny loharano tsara sa avy amin’ny ratsy? Karazam-panompoam-pivavahana inona no avy amin’ny tsindrimandrin’ilay Andriamanitra marina?
Ny fivavahana voalohany
Ekena fa mahaforona fianakaviana iray ihany ny olombelona. Io hevitra io dia mifanaraka amin’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly ilazana fa avy amin’ny mpivady iray ihany, Adama sy Eva, ny olombelona. Ny tenan’i Jehovah Mpamorona mihitsy no nampahafantatra ny aminy tamin’izy ireo. Naharihariny tamin’izy ireo ny hoe inona no anjara asa noraisin’izy ireo tao anatin’ny fikasany sy ny tena fifandraisana tokony hotanan’izy ireo aminy. Nanao an’i Adama ho mpaminaniny voalohany Andriamanitra: notendreny izy hampita ireo fanambaran’Andriamanitra tamin’ny vadiny ary tatỳ aoriana dia tamin’ireo taranany, raha lazaina amin’ny teny hafa dia tamin’ny olona rehetra. — Genesisy 1:27-30; 2:15-17.
Io no hany fivavahana, ny hany karazam-panompoam-pivavahana nambaran’i Jehovah Andriamanitra. Ny fanarahana azy dia fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nitaky fombafomba, na sorona, na fitoerana masina, na sampy nanontaniana izany.
Niseho ny fivavahan-diso
Ny “fanambarana” voalohany nanohitra dia avy amin’ny anjely iray izay nitady ny hanolorana fanompoam-pivavahana aminy. Nanolotra fivavahana iray hafa noho ny marina izy ary nitarika an’i Adama sy Eva tao amin’ny fikomiany tamin’ny Mpamorona azy ireo. Tamin’ny fanaovana izany, dia nanao ny tenany ho Satana izy, ho mpanohitra an’i Jehovah. Ny ‘faminaniany’ dia nampamirapiratra tamin’ny olona ny fahefany hanapaka ny zavatra rehetra irery sy tsy misy fiankinana amin’Andriamanitra. Tsy izany no nataony fa ny hahatonga azy ireo ho andevon’i Satana sy ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana. — Genesisy 3:1-19; Matio 4:8-10; Romana 5:12.
Nisy anjely mpikomy hafa na demonia, nanaraka an’i Satana tatỳ aoriana. Tsy isalasalana mihitsy fa namorona fampianaran-diso ara-pivavahana izay nitondra fanimbana ny olombelona izy ireny. Tamin’ny andron’i Enosy, zafikelin’i Adama, “no vao niantsoana ny anaran’i Jehovah”. Araka ny Targum de Palestine, izany fiantsoana izany dia natao tamin’ny fomba ratsy tao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy tamin’izany andro izany. — Genesisy 4:26; 6:1-8; I Petera 3:19, 20; II Petera 2:1-4.
Voakosoka tamin’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa ny fivavahan-diso; ny hany naharitra dia ny fanompoam-pivavahana marina narahin’io mpaminanin’i Jehovah io (Genesisy 1:5-9, 13; 7:23; II Petera 2:5). Mbola velona ihany anefa ireo demonia ka nampiditra indray faminaniana sy fampianarana ara-pivavahana mamitaka. Nitarika an’ireo taranak’i Noa hanota tamin’i Jehovah izy ireny tamin’ny fanosehana azy ireny hanorina ny tanànan’i Babela, foiben’ny fanompoam-pivavahan-diso. Nanorokoro ny fitenin’izy ireny anefa Andriamanitra ary ‘nampiely azy ho eny ambonin’ny tany rehetra’. — Genesisy 11:1-9.
Mampahafantatra inona antsika izany zavatra tena nisy ara-tantara izany? Taranak’i Noa sy Adama daholo isika rehetra. Iray fiandohana daholo àry ny fanao mahazatra rehetra ary somary nitana hevitra ny amin’Andriamanitra, soritry ny fahalalana mbola velona ihany tamin’ny andron’i Noa. Izany hevitra fototra izany anefa dia simban’ireo fampianaran-diso ara-pivavahana nolovana tamin’ireny razambe ireny izay, avy tany Babela (natsangana tatỳ aoriana tamin’ny anarana hoe Babylona), ka niely patrana tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Miharihary izany amin’ireo finoanoam-poana miely momba ny fanahin’ny maty, ny fivavahana amin’ny razana, ny fanandroana, ny fankatovana sy ny fanaovana ody ratsy. — Daniela 2:1, 2.
Ny zava-kendren’ny faminaniana
Milaza ve izany fa ireo fivavahana ankehitriny dia tsy mifototra afa-tsy amin’ireo fampianarana nolovana avy amin’izany fotoana lavitra izany? Tsia. Manohy manolo-tsaina hilaza faminaniana sandoka Satana sy ireo demonia mba hamitahana sy hampisaratsarahana ny olombelona, mba hampisafotofotoana ireo tena fanambarana ny amin’Andriamanitra sy mba hanorenana hevitra sy fivavahan-diso (I Timoty 4:1; I Jaona 4:1-3; Apokalypsy 16:13-16). Izao no ambaran’ny Baiboly: “Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery.” — II Petera 2:1.
Tetsy an-daniny koa, Jehovah dia niaro ny fivavahana marina nomeny tany Edena. Nanome fanazavana hentitra vaovao ho antsika izy mba hahafantarantsika azy tsaratsara kokoa sy hahalalantsika kokoa ny anjara raisintsika ao amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Ny faminaniana marina àry dia mampahafantatra ny fahamarinana ny amin’Andriamanitra, ny amin’ny sitrapony sy ireo fiheverany momba ny fitondrantena. Hazavainy ny amin’ny fifandraisana tokony hotanan’ny olona aminy mba hanarahana indray ny fikasany, izay mety ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izany. — Isaia 1:18-20; 2:1-5; 55:8-11.
Raha vao tamin’ny fikomian’ny olombelona voalohany, Jehovah dia nanonona faminaniana iray izay nanome fanantenana ho an’ireo taranak’i Adama sy Eva. Naharihariny fa ny mpanafaka iray, ny “taranaka” iray, dia handringana an’i Satana sy ny taranany (Genesisy 3:15). Nisy faminaniana tatỳ aoriana nanampy hamantatra io “taranaka” nampanantenaina na ‘voahosotr’Andriamanitra’ io, ary nampiseho fa handray ny anjara lehibe indrindra izy io eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. — Salamo 2:2; 45:7; Isaia 61:6.
Araka izany, ny anankiray amin’ireo zava-kendren’ny faminaniana lehibe indrindra dia ny hampahafantarana ireo fikasan’Andriamanitra sy ny “voahosotra”, na “Kristy”, izay noho ny aminy no hahatontosa tsara izany. Koa satria niharihary fa Jesosy io voafidy io, dia hoy ny anjelin’i Jehovah: “Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana [no nanomezana ara-tsindrimandry ireo fanambarana ara-paminaniana, MN ].” (Apokalypsy 19:10). Manaporofo toe-javatra roa ireo teny ireo. Etsy an-daniny, dia tsy misy mihitsy zavaboary voatendry hampita faminaniana marina, hitaky ny hivavahana aminy, satria ny fanompoam-pivavahana marina dia tokony hatolotra ho an’i Jehovah Andriamanitra irery ihany (Matio 4:4; Jaona 4:23, 24). Etsy an-kilany, ny zava-kendrena faran’ny faminaniana marina rehetra dia tokony ho ny fampiharihariana fisehoan-javatra mifandray amin’i Jesosy. Izany dia mampisongadina ny anjara asa lehibe indrindra nankinin’i Jehovah taminy teo amin’ny fanatanterahana ny fikasany, dia ny hanamasina ny Anarany sy ny hamerina indray ny tany ho eo amin’ny toerana tandrifina azy eo amin’ny fandaharany izao rehetra izao. — Jaona 14:6; Kolosiana 1:19, 20.
Noho izany antony izany, ireo hafatra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia nanintona ny saina ho amin’i Jesosy talohan’ny zavatra rehetra. Ny zava-nokendren’ireny faminaniana marina ireny lehibe indrindra dia ny hanao fanambarana ny aminy. Ambonin’izany, ny fahatanterahan’ireo faminaniana momba an’i Jesosy dia manaporofo fa marina daholo izy rehetra. Noho izany antony izany no anantitranteran’ny Baiboly fa ‘ny fahamarinana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy’. “Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’.” — Jaona 1:17; II Korintiana 1:20; Asan’ny apostoly 10:43; 28:23.
Nahoana no amin’ny Isiraelita?
Jehovah dia nanomboka nanao “fanambarana ny amin’i Jesosy” rehefa nilaza ny faminaniany momba ny “taranaka” nampanantenaina. Naharihariny tatỳ aoriana fa ny fiavian’ilay “taranaka” eto an-tany dia handalo amin’i Noa, Sema, Abrahama, Isaka (fa tsy Isimaela), ary Jakoba. Noho ny fifikirany hatrany tamin’ny fivavahana marina, ireo lehilahy ireo dia niseho ho mpaminanin’i Jehovah nahatoky, raha mbola simban’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanitra sandoka daholo ireo firenena (Genesisy 6:9; 22:15-18; Hebreo 11:8-10, 16). Nitohy lalandava ny fiaviana tao amin’ny taranak’ireo lehilahy ireo, dia ny firenen’Isiraely, indrindra fa tao amin’ny fianakavian’i Davida, ilay mpanjaka nanan-daza indrindra tao amin’io firenena io. — II Samoela 7:12-16.
Nohazavain’i Jehovah tamin’izao teny izao ny antony nifidianany ny Isiraely: “Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no (...) nifidianany [Jehovah] anareo, fa (...) ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo”, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Deoteronomia 7:6-8; 29:13). Mazava ho azy fa ny fiavian’ilay “taranaka” nampanantenaina dia tsy nety afa-tsy ho avy amin’ny firenena iray ihany. Tsy voatokana ho an’ny Isiraelita anefa ny fivavahana marina. Na dia tsy nomena ireo firenena hafa mihitsy aza ny fanambarana ny fahamarinana, dia azon’ireo anisany natao ny niaraka tamin’ny Isiraely mba hivavaka tamin’Andriamanitra, ary ny sasany tamin’izy ireny aza dia anisan’ny niavian’ilay “taranaka”. (Nomery 9:14; Rota 4:10-22; Matio 1:5, 6.) Ny fanambarana homena mitokantokana ho an’ireo firenena dia ho nanipika fotsiny ny fisaratsarahana ara-pivavahana, kanefa ny sitrapon’i Jehovah dia ny hanangona ny olombelona ho ao anatin’ny fanompoam-pivavahana tokana. — Genesisy 22:18; Efesiana 1:8-10; 2:11-16.
Mitovy ny fepetra takin’Andriamanitra ho an’ny firazanana rehetra. Koa satria tsy miova ireo fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena sy ireo fikasany, ny nataony tamin’ny Isiraely dia nampiseho ny fomba harahiny ao anatin’ny toe-javatra toy izany amin’ny fotoana rehetra (Malakia 3:6). Noho izany, ny Isiraely dia nampiasaina ho ohatra ho an’ny firenena rehetra. Tamin’ny alalany, dia nasehon’i Jehovah fa ny fanompoam-pivavahana marina dia mitondra soa ary hadalana ny fanarahana fanompoam-pivavahan-diso. Raha mbola tsy nivadika taminy koa ny Isiraelita, dia niaro azy ireny sy nitahy azy Jehovah. Rehefa nitodika tany amin’ireo andriamanitra sandok’ireo firenena hafa izy ireny, dia nampahorin’ireo, tsy nisy diso tamin’ny nampitandreman’Andriamanitra azy ireny. — Deoteronomia 30:15-20; Daniela 9:2-14.
Nampiasaina ho ohatra ara-paminaniana koa ny Isiraely, ary Davida dia nanjary tandindon’i Jesosy izay nandova ny fanekena momba ny Fanjakan’Andriamanitra nifanaovana tamin’i Davida (I Tantara 17:11, 14; Lioka 1:32). Ny Lalàna nomena ny Isiraely, niaraka tamin’ny fanatiny sy ny fisoronany, dia tandindon’ny soron’i Jesosy ary nanambara ny fiandrianany sy ny fisoronany tany an-danitra. Tamin’izany ny Lalàna dia tonga “mpitaiza antsika ho amin’i Kristy”. — Galatiana 3:19, 24; Asan’ny apostoly 2:25-36; Hebreo 10:1-10; Apokalypsy 20:4-6.
Ny bokin’ny faminaniana marina
Izany filazana tena lehibe izany dia tsy nety ho voatahiry tanteraka tamin’ny alalan’ny lovantsofina am-bava na tamin’ny fanambarana mitokantokana natao tamin’ny firenena samy hafa. Ny fomba tsara indrindra fitehirizana hafatra iray sy fampitana azy amin’ny firenena rehetra dia ny fanaovana azy an-tsoratra. Mahafeno an’io fepetra io anefa ny Baiboly. Izy irery ihany no mitahiry filazana ara-tantara sy ara-paminaniana ny amin’ny fifandraisany amin’ny olombelona. Izy irery ihany no manondro an’i Jesosy Kristy ho fiasan’Andriamanitra ho amin’ny famonjena. Izy io ihany no mirakitra ireo faminaniana farany momba ny hahatanterahan’ny asa nanirahana ny Mesia amin’ny ho avy. Izy io àry dia ny Tenin’Andriamanitra rehetra, nosoratana ara-tsindrimandriny. — Romana 15:4; I Korintiana 10:11; II Petera 1:20, 21.
Ireo izay nampiditra “faminaniana”, fivavahana sy antokom-pivavahana vaovao hatramin’ny nahavitana ny fanoratana ny Baiboly dia tsy nety ho nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra. Ireo faminaniana marina tokoa dia tsy nomena mba hanambarana fivavahana vaovao. Izy ireny dia nanamafy orina ny hany fivavahana marina ary nampahafantatra ny fomba hitohizan’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Ny fahatanterahany dia manaporofo fa tsy manam-paharoa ny maha-Andriamanitra azy sy ny heriny, satria izy irery ihany no afaka manambara zavatra hiseho, taonjato maro mialoha sy manao izay tsy maintsy hahatongavan’izany. — Isaia 41:21-26; 46:9-11.
Amin’izany, izay rehetra maniry hahita ireo faminaniana marina sy hanaraka ny fivavahana marina dia tokony hitodika any amin’ny Baiboly. Izy io no bokin’ireo faminanian’Andriamanitra, ny hafatra manontolo alefany ho an’ny olombelona. — II Timoty 3:16, 17.
[Sary, pejy 7]
Ny fiavian’ilay “taranaka” nampanantenaina
Noa
Sema
Abrahama
Isaka
Jakoba
Davida
Jesosy