Telo amby sivifolo taona niainako
Nataon’i Frederick Franz
NY 12 SEPTAMBRA 1893, tao amin’ny fanjakan’i Kentucky, no nahaterahan’ny zazalahy iray tany Covington, tanàna miorina eo amin’ny morony ankavia amin’ny renirano mampisaraka azy amin’i Cincinnati, any Ohio. Ireo ray aman-dreny sambatra, Edward Frederick Franz sy Ida Louise, nanana anarana hoe Krueger, dia niantso an’io zanakalahy fahatelo io hoe Frederick William.
Telo amby sivifolo taona mahery àry izay no nahitako masoandro. Ny raiko, teraka tany Alemaina, dia nilaza ho anisan’ny Fiangonana loteriana; koa tao amin’io finoana io ny pretra iray no nanao batisa ahy, tamin’ny fametahana teo amin’ny handriko ny tanany mando. Nomena taratasy fanamarinana ny nahavitako batisa ireo ray aman-dreniko, ka nasiany tranony izany ary nahantony teo amin’ny rindrina efa nahitana ny an’ireo rahalahiko, Albert Edward sy Herman Frederick. Roapolo taona atỳ aoriana, dia ho fantatro fa tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly manamarina io fombafomba ara-pivavahana io.
Tamin’ny fotoana nanorenanay fonenana tany Greenup Street no nahitako voalohany fiara tsy misy soavaly, fiarakodia tsy mitafo, mahalany toerana roa. Mbola hisy taona vitsivitsy atỳ aoriana, dia hahita fiaramanidina koa aho. Tamin’izay izahay dia nonina teo akaikin’ny trano fanaova-mofo Krieger, niasan-draiko alina. Nody tany an-trano izy ny maraina, dia lasa natory. Avy eo, noho izy tsy niasa ny tolakandro, dia afaka nanokana fotoana ho an’ireo rahalahiko sy ny tenako izy.
Rehefa tonga teo amin’ny taona tokony hianarana aho, dia nankao amin’ny sekolim-piangonana aloha ary nanatrika fotoam-pivavahana katolika tao amin’ny eglizy Saint-Joseph, satria teo akaiky kely teo izany, teo amin’ny fihaonan’ny 12 Lalana sy Greenup Street. Mbola tsaroako ny fomba fipetrak’ilay kilasy. Indray andro, ilay “frère” nampianatra anay dia niantso ahy teo anatrehan’ny kilasy ary nampanokatra tsara ahy ny felatanako izay nokapohiny imbetsaka tamin’ny fanipihana telopolo santimetatra; izany dia mba hanasaziana ahy noho ny anankiray tamin’ireo hadalako.
Toa hitako indray ny tenako tao anatin’ny toerana maizina fanaovana konfesy, niresaka tamin’ny pretra avy eo amin’ny makarakara vy, nanao tsianjery vavaka nandeha ho azy taminy, sy niaiky fa zazalahy ratsy tokoa aho. Rehefa vita izany, dia nidina nankeo amin’ny alitara aho ka nandohalika teo anoloany, fa ny pretra kosa nametraka tapa-mofo dipaina tao am-bavako, ka nanome kominio ahy tamin’izany fomba izany, araka ny fitsipiky ny Eglizy, ary nanokana ny divay ho an’ny tenany aoriana kely. Toy izany ny toe-javatra tamin’ireo dingana voalohany nataoko tao amin’ny fivavahana, ary tamin’izany no teraka tao amiko ny fanajana an’Andriamanitra izay tokony hitombo rehefa mandeha ireo taona.
Vao nahavita ny taona iray tao amin’ny sekolim-piangonana aho, tamin’ny 1899, rehefa niainga mba hanorim-ponenana teny amin’ny morony hafa amin’ny ony Ohio, tany Cincinnati, izahay, tao amin’ny 17 Mary Street (antsoina amin’izao andro izao hoe East 15th Street). Tamin’izay, dia nalefa tany amin’ny sekoly lahika iray aho ary nosoratana tao amin’ny kilasy faha-9. Mpianatra nalaina aho; mbola tsaroako koa ny andro izay, rehefa avy nanao sangy ratsy vitsivitsy aho, dia voantso niaraka tamin’ilay namana teo ankavanako, tany amin’ny biraon’ny tale, Atoa Fitzsimmons. Nasainy niondrika izahay roa lahy ary noterena hikasika ny loha kiraronay tamin’ny rantsan-tananay raha mbola nofafazany kapoka hazo ny tao an-damosinay. Araka ny azonareo ampoizina, dia tsy nifindra kilasy aho.
Tsy tian-draiko hamerina indray ilay kilasy anefa aho. Tamin’ny fidirana, dia nentiny tany amin’ny sekoly tany Liberty Street, hatrao amin’ny biraon’ny tale Atoa Logan, izay nangatahiny mba hanoratra ahy tao amin’ny kilasy faha-8. Nandray tsara ahy Atoa Logan, ka nilaza fotsiny hoe: “Tsara! Hotsapaintsika kely ny fahalalan’ny tovolahy.” Nametraka fanontaniana maro tamiko izy; hita ho nahafa-po azy ny valiny nomeko satria hoy ny famaranan-teniny: “Heveriko fa azo raisina ao amin’ny kilasy faha-8 ity zazalahy ity.” Tamin’izany teny izany, dia nampiakatra ahy ho ao amin’ny kilasy ambonin’ilay saika nanajanonana ahy izy. Hatramin’io andro io, dia nihahendry aho ary nanomboka niasa tsara ka nahita fahombiazana foana.
Niova koa ny lafiny ara-pivavahana tamin’ny fahazazako. Tsy fantatro hoe tamin’ny fomba ahoana fa nisy solontenan’ny Fiangonana presbyteriana tany Cincinnati niady hevitra tamin’ny reniko, izay tapa-kevitra ny haniraka anay sy Albert ary Herman, ho any amin’ny sekoly alahadin’io Fiangonana io. Ny talen’ny sekoly tamin’izay dia nantsoina hoe Atoa Fisher, ary ny vehivavy mpampianatra anay dia zazavavy natao hoe Bessie O’Barr. Tamin’izany fomba izany no nifankazarako tamin’ny Baiboly Masina ara-tsindrimandry. Toy inona moa ny fifaliana tsapako tamin’ny Noely rehefa nanome Baiboly iray, Baiboly ho ahy, ilay mpampianatra ahy! Nanao fanapahan-kevitra aho: isan’andro, tsy tapaka, dia horaisiko ho adidy ny hamaky tapany tamin’ny Baiboly. Tamin’izany fomba izany no tena nahatongavako tamin’ny fahalalana tsara an’io boky masina io. Afa-tsy izany koa, ny heriny mahasoa dia nitana ahy tsy hanaraka ny fiteny maloto sy ny fomba ratsin’ireo namako. Tsy mahagaga mihitsy raha hitan’izy ireo ho hafa aho.
Ny sekoly ambaratonga faharoa sy ny oniversite
Tamin’ny 1907, dia nahavita ny dingana voalohany tamin’ny fianarana ambaratonga faharoa aho. Koa satria ny raiko namela ahy tsy hijanona eo, dia niditra tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa Woodward aho, tao amin’ny efa nianaran’ny zokiko lahy nandritra ny herintaona. Sahala aminy, dia nifidy ny sampana “classique” aho. Nanomboka nianatra ny fiteny latina àry aho — fianarana nitohy nandritra ny fito taona.
Tamin’ny lohataonan’ny 1911 aho, dia tokony hanala fanadinana. Voafidy aho hisolo tena ny sekoly Woodward tao amin’ny lahateny iray tamin’ny fizarana diplaoma hatao ao amin’ny Music Hall, ny efitrano fanaovana fampisehoana lehibe indrindra tany Cincinnati.
Tamin’io andro io, ireo sekoly ambaratonga faharoa anankitelo — Woodward, Hughes sy Walnut Hills — dia tafahaona tao amin’ny Music Hall. Ireo mpianatra tamin’ny taona farany dia nipetraka teo amin’ny lampihazo lehibe nanatrika ny efitrano feno hika. Ilay mpianatr’i Woodward dia notendrena mba hanao ny lahateny fanokafana. Nofidiko tamin’io fotoana io ny hamelabelatra ny foto-kevitra hoe “Sekoly sy fiainan’ny olom-pirenena”. Novalian-tsoa tamin’ny tehaka nirefodrefotra naharitra ireo mpandahateny telo. Teo amin’ny fahavalo ambin’ny folo taonako aho tamin’izay.
Koa satria ireo ray aman-dreniko nanaiky ny hanohizako ny fianarako, dia niditra tao amin’ny oniversiten’i Cincinnati aho, tao amin’ny fizarana momba ny hairaha ara-tsaina (arts libéraux). Tapa-kevitra aho tamin’izay ny ho tonga mpitory teny presbyteriana.
Niaraka tamin’ny teny latina, dia nanomboka nianatra ny teny grika aho. Nahavariana ny fianarana teny grika niaraka tamin’ny profesora Arthur Kinsella. Niaraka tamin’i Joseph Harry, “docteur ès lettres”, mpanoratra boky maromaro momba ny teny grika, dia nianatra ny teny grika kilasika koa aho. Fantatro fa raha tiako ny ho tonga mpitondra fivavahana presbyteriana, dia tokony hahay ny teny grika araka ny Baiboly aho. Nilofo mafy tamin’ny asa àry aho mba hahombiazana isaky ny fanadinana.
Ambonin’ny teny latina sy ny teny grika tao anatin’ny faritry ny sekoly, dia nahaliana ahy ny teny espaniola izay hitako ho nanakaiky dia nanakaiky ny teny latina. Tsy noeritreretiko tamin’izany fotoana izany fa tena hampiasa an’io fiteny io tokoa aho eo amin’ny fanompoana kristiana.
Ny anankiray tamin’ireo andro niavaka indrindra teo amin’ny fiainako tamin’ny naha-mpianatra dia ilay nanambaran’ny prezidàn’ny oniversite, Atoa Lyon, tamin’ireo mpianatra tafavory tao amin’ny efitrano fampianarana fa nofidina aho mba hanala miaraka amin’ny hafa, fanadinana fifaninanana mba hahazoana vola fanampiana amin’ny fianarana Cecil Rhodes tao amin’ny oniversiten’ny fanjakan’i Ohio, ka izany dia hanokatra ho ahy ny varavaran’i Oxford, any Angletera. Nihoatra ahy ny anankiray tamin’ireo mpifaninana noho ny fanadinana fanatanjahan-tena, kanefa satria nahazo vokany azo nampitahaina tamin’izany aho tamin’ny zavatra hafa, dia nisy fanapahan-kevitra natao fa hiaraka aminy any Oxford aho. Faly aho nanana ny fari-pahaizana nilaina mba hahazoana izany vola fanampiana izany, izay mandrakariva dia noheverina ho valisoa nahafinaritra tokoa.
“Ity no fahamarinana!”
Fantatsika fa nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy indray andro: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Herintaona talohan’ny hahalalako izany, izany hoe tamin’ny 1913, Albert rahalahiko dia nahalala ny “fahamarinana” tany Chicago. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana?
Indray takarivan-dohataonan’ny 1913, dia vao natory aloha i Albert tao amin’ny trano fandriany tao amin’ny YMCA izay nitoerany fony izy niasa tany Chicago. Vetivety taorian’izay, dia niditra tampoka ilay mpiray efitrano taminy mba hampahafantatra azy zava-nanahirana kely. Tamin’io takariva io izy dia voasa ho any an-tranon’olona natao hoe Atoa Hindman sy ny vadiny; ny zanak’izy ireo vavy natao hoe Nora anefa dia tokony handray namana vavy koa. Sarotra loatra taminy irery ny hiresaka tamin-jazavavy roa. Tsy niandry ny hamerenana ny teniny i Albert fa nanararaotra ny fotoana. Tamin’io takariva io, ilay namany dia nifanaraka tsara tamin’ireo zazavavy roa, fa Atoa sy Rtoa Hindman kosa dia voasintona tamin’i Albert izay nahalala ireo fampianaran’ny Fikambanana Watch Tower, fikambanana nampiasain’ireo izay, tatỳ aoriana, dia ho fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.
Tatỳ aoriana i Albert dia nandefa ho ahy ilay bokikely mitondra ny lohateny hoe Aiza moa ireo maty?, nosoratan’ny Ekose iray, John Edgar, mpikambana tao amin’ny kongregasionan’i Glasgow, an’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly, anaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny voalohany. Napetrako fotsiny aloha io bokikely io. Avy eo, indray takariva, noho izaho nanam-potoana niatoana kely alohan’ny handehanana hamerina rindran-kira, dia nanomboka namaky azy aho. Nahaliana ahy tokoa ilay izy ka tsy voapetrako intsony. Nanohy namaky azy aho sady nandeha ho any amin’ny fiangonana presbyteriana, tany amin’ny iray kilaometatra teo ho eo. Koa satria mbola nihidy ny varavaram-piangonana, dia nipetraka teo amin’ny tohatoha-bato aho ary nanohy ny vakiteniko. Rehefa tonga ny mpitendry orga tamin’ny farany ka nahita ahy variana aoka izany, dia hoy izy tamiko: “Mahaliana ery angamba izy izany!” Ary dia novaliako hoe: “Tena izany mihitsy!”
Nahaliana ahy aoka izany ireny fahamarinana hitako ireny, hany ka tonga tao an-tsaiko ny hevitra hanontany an’ilay mpitory teny natao hoe Watson, “docteur en théologie”, ny fiheverany ilay bokikeliko. Noho izany antony izany, tamin’io takariva io ihany, dia natolotro azy ilay izy tamin’ny fanontaniana hoe: “Fantatrao ve ity Atoa Watson?”
Noraisiny ilay bokikely, nosokafany, ary hoy izy tamiko: “Pff! Tsy maintsy ho zavatra tsinontsinona nataon-Drussell indray ity. Inona koa no mba fantany amin’ny ‘eschatologie’ (fampianarana momba ny anjaran’ny olona aorian’ny fahafatesany)?” Ankona ahy tamin’ny fihetsiny nanaraby. Noraisiko ilay bokikely ary lasa nanalavitra aho sady nieritreritra hoe: “Afaka mihevitra izay tiany hoheverina izy, tsy mampaninona ahy izany. Ity no FAHAMARINANA!”
Fotoana fohy taorian’izany, rehefa nitsidika anay i Albert dia nitondra niaraka taminy ny boky telo voalohany tamin’ny Etudes des Ecritures, nosoratan’i Russell. Nampahafantarin’i Albert ahy koa ny kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly teo an-toerana, ka, fifanandrifian-javatra, teo akaikin’ny fiangonana presbyteriana indrindra no nanaovany ny fivoriany. Nahafinaritra ahy izay nianarako ka tsy ela dia tapa-kevitra aho fa tonga ny fotoana hanapahako izay rehetra mety ho fifamatorana amin’ny fiangonana presbyteriana.
Noho izany, tatỳ aoriana kely, rehefa niverina nitsidika anay i Albert, dia niaraka taminy tao amin’ny fiangonana fanaovan’i Watson mpitory teny, lahateny rehefa alahady hariva aho. Rehefa vita ny famelabelarany, dia nanatona azy izahay sy Albert; vao avy nandray tanana an’ireo mpiangona nandeha izy. Tonga dia niteny aho hoe: “Andriamatoa Watson, handao ny Fiangonana aho.”
Avy hatrany dia nihiaka izy hoe: “Efa fantatro! Tsapako fa hitranga izany raha vao hitako ianao namaky ireny rediredin’i Russell ireny. Ilay Russell iny! Tsy havelako handingana ny tokonam-baravarako akory aza iny!” Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Fred a, tsy heverinao ve fa ho tsaratsara kokoa raha mankao amin’ny sakristia isika mba hiara-hivavaka?” Nanda toy izao anefa aho: “Tsia, Andriamatoa Watson, tsy azo foanana ny fanapahan-kevitro.”
Tamin’izay dia lasa izahay sy Albert. Nahatsiaro fahafenoana lehibe aho rehefa nieritreritra ny hoe tafasaraka tamin’ny fivavahana iray izay nampianatra lainga. Tsara aoka izany ny fandraisan’ny kongregasionan’ny mpianatra ny Baiboly, olona tena tsy nivadika tamin’ny Tenin’Andriamanitra! Ny 15 aprily 1914, tany Chicago, tao amin’ny fanjakan’i Illinois, dia nanamarika ny fanokanana ahy — araka ny niantsoana tamin’izany fotoana izany ny fanoloran-tena — tamin’ny batisa amin’ny rano, aho.
Tamin’izay no nanaovako ny dingana tsy nanenenako mihitsy. Taloha kelin’ny hanambaran’ny manam-pahefana akademika ny vokatry ny fifaninanana hahazoana vola fanampiana Cecil Rhodes tokoa, dia nalefako ho an’ny tale ny taratasy iray nanamarihako fa tsy nahaliana ahy intsony ny fianarana tany amin’ny oniversiten’i Oxford, ary nangataka aho mba hokosehina tsy ho ao amin’ny lisitry ny mpifaninana. Ny mpampianatra teny grika ahy tao amin’ny oniversite, “docteur ès lettres” nantsoina hoe Joseph Harry, anefa, dia nampahafantatra ahy fa afaka aho, kanefa tsy nihemotra aho.
Roa volana tatỳ aoriana, izany hoe ny 28 jona 1914, dia nisy namono ny “archiduc”-n’i Autriche-Hongrie François-Ferdinand sy ny vadiny, tany Sarajevo, any Bosnie. Tamin’io daty io indrindra, ny Mpianatra ny Baiboly dia teo amin’ny andro fahatelo amin’ny fivoriambeny tao amin’ny Memorial Hall any Columbus, any amin’ny fanjakan’i Ohio. Iray volana katroka tatỳ aoriana, izany hoe ny 28 jolay, dia nipoaka ny ady lehibe voalohany teo amin’ny Tantara. Izahay Mpianatra ny Baiboly kosa, dia niandry ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa naharitra 2 520 taona, ho amin’ny 1 oktobra tamin’io taona io.
Navelan’ny raiko aho hiala tao amin’ny oniversiten’i Cincinnati tamin’ny may 1914, herinandro vitsivitsy monja talohan’ny nahataperan’ny telo volana fahatelo nianarako tao. Avy hatrany aho dia nangataka tamin’ny Fikambanana Watch Tower izay tokony hatao mba hahatongavana ho “colporteur”, na mpitory maharitra, satria toy izany amin’izao fotoana izao no iantsoana ny mpitory manontolo andro. Tamin’izany fotoana izany aho dia tonga mpikambana narisika tao amin’ny kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cincinnati.
Tatỳ aoriana, dia voatendry ho loholona tao amin’io kongregasiona io aho. Noho izany antony izany, rehefa niditra hanao ny Ady Lehibe Voalohany teo anilan’ny Mpiray dina i Etazonia ka voantso ho miaramila ireo zazalahy, dia nafahana aho satria minisitry ny filazantsara.
Nifankahalala tamin’ny rahalahy Russell aho
Anisan’ireo pejin’ny fiainako tiako hosokafana indray amim-pahafinaretana, dia tao ireo fotoana nahitako fifaliana tafahaona tamin’ny prezidan’ny Fikambanana voalohany, Charles Russell. Nifankahalala taminy aho ny omalin’ny handefasana voalohany ny Photo-Drame de la Création tao amin’ny Music Hall ny alahady 4 janoary 1914. Tamin’io asabotsy io, dia hitako teo akaikin’ny Music Hall ny loholona iray tao amin’ny kongregasionan’i Cincinnati izay nilaza tamiko hoe: “Ao anatiny ao ny rahalahy Russell; raha mandalo ao ambadiky ny sehatra ianao dia mety hahita azy.” Nihazakazaka nankany aho; fotoana fohy taorian’izay, dia niresaka nifanatrika tamin’ny rahalahy Russell aho. Tonga mba hizaha ireo fiomanana natao tamin’io fampisehoana voalohany ny Photo-Drame de la Création io izy.
Avy eo, tamin’ny 1916, dia tsy maintsy niandry ora maromaro izy mba hitohizan’ny dian’ny fiarandalamby roa tao amin’ny garan’i Cincinnati. Rehefa nahare izany aho sy ny anabavy iray dia nitsoriaka nankany amin’ny gara ka nahita azy niaraka tamin’ny mpitantsorany. Noho izy nitondra ny sakafony, rehefa tonga ny ora fisakafoana, dia nozarainy taminay izany.
Rehefa afaka ny hanoananay, dia nanambara izy fa vonona ny hamaly fanontaniana. Nanontany azy aho raha azo natao ny nanantena ny hahita an’i Adama tafatsangana amin’ny maty, satria izy mpanota tsy nibebaka sy an-tsitrapo. Nisy tara-kafetsena teo amin’ny masony raha nilaza izy hoe: “Ny tenanao ihany no namaly ny fanontanianao, ry rahalahy. Koa inona marina no tianao ho fantatra?”
“Le mystère accompli”
Maty tamin’ny talata 31 oktobra 1916 i Charles Russell, tsy nahavita ny boky fahafito tamin’ny Etudes des Ecritures nitohitohy nataony. Fotoana fohy talohan’ny hahafatesany tao amin’ny fiarandalamby niverina avy any Kalifornia, dia hoy izy tamin’ny mpitantsorany izay nametraka fanontaniana ny amin’ny boky fahafito: “Hisy olon-kafa tsy maintsy hanoratra azy.”
Tamin’ny taona nanaraka, tamin’ny 1917, dia niseho io boky fahafito io, famoaboasana ny bokin’i Ezekiela sy Apokalypsy ara-paminaniana, narahin’ny fanazavana mahafinaritra ny Tonon-kiran’i Solomona. Natsangan’ny Fandaminana ny fandaharana lehibe fizarana boky vaovao. Tamin’izany, dia nandefa baoritra feno an’io boky voalohany io tany amin’ny rahalahy sasany tao amin’ireo kongregasiona nanerana an’i Etazonia manontolo izy. Nisy baoritra maro tonga tao an-tranoko, tao amin’ny 1810 Baymiller Street any Cincinnati, izay nitahirizanay azy teo am-piandrasana toromarika vaovao momba ny fomba hizaranay ny tao anatiny.
Pejy valo tamin’ny boky hoe Le mystère accompli no nanonona fanambarana manohitra ny ady, nataon’olona fanta-daza. Noho ny famporisihan’ireo fandaminana ara-pivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana, katolika sy protestanta, ny fitondram-panjakana amerikana dia nanao fanoherana, ka noho izany dia tsy maintsy nofoanana ny pejy faha-247 ka hatramin’ny 254. Taorian’izany, rehefa natolotra ny vahoaka ny Le mystère accompli, dia nohazavaina tamin’ny olona ny antony nanesorana ireo pejy ireo. Tsy ampy ny fitondram-panjakana anefa izany ary, noho ny fitomboan’ny faneren’ireo fandaminana ara-pivavahana, dia norarany ny famoahana ny boky fahafito manontolo amin’ny Etudes des Ecritures.
Indray alahady maraina, dia niasa tao ambadiky ny tranoko aho rehefa nisy olona tonga; nanodidina ny trano izy ireo mba ho ao amiko. Nampidina ny potra-bozon’ny kapaotiny ilay filoha mba hampisehoana ny marika vy mampiseho fa polisy izy ary nasainy niditra aho. Tsy nisy azoko natao afa-tsy ny namela azy ireo hiditra sy ny nampiseho ireo baoritra nisy boky Le mystère accompli. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandefa kamiao naka azy rehetra izy ireo.
Tamin’izany koa, dia renay fa i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, sy lehilahy enina niara-niasa taminy tao amin’ny foibe tany Brooklyn, dia nampangaina tamin’ny fomba diso ho misakana ny fiezahana hiady tany Etazonia. Nampangaina izy ireo hanala, isaky ny fototry ny fiampangana efatra nanoherana azy ireo, roapolo taona am-ponja tao amin’ny tranomaizina federaly tany Atlanta, tamin’ny fampifangaroana ny sazy. Nifarana ny ady ny 11 novambra 1918, ary ny 25 martsa 1919 ny rahalahy Rutherford sy ireo namany dia nafahana ka nametraka antoka. Tatỳ aoriana, dia nambara tanteraka fa tsy nanan-tsiny izy ireo. Fa raha ny amin’ilay boky hoe Le mystère accompli, dia nofoanana ny fandrarana azy ka azo naely malalaka izy io.
Nanavao ny herinay izahay rehefa nalamin’ny Fikambanana, ny 1 ka hatramin’ny 8 septambra 1919, ny fivoriambenay voalohany taorian’ny ady, tany Cedar Point, tanjona tao amin’ny farihy Erié, ao akaikin’i Sandusky, any Ohio. Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanatrika izany.
Nasaina ho ao amin’ny Betela
Ny taona nanaraka, tamin’ny 1920, ny prezidà Rutherford dia nanaiky fanasana hanao lahateny ampahibemaso tany Cincinnati. “Colporteur” aho tamin’izany fotoana izany, ary nanipy hevitra tamiko ny rahalahy Rutherford mba hanoratra ho azy, taratasy hangatahako hiasa ao amin’ny foiben’ny Fikambanana ao Brooklyn.
Nataoko izany ka, rehefa nahazo valiny manaiky aho, dia nandray ny fiarandalamby ho any New York. Tonga ny alin’ny talata 1 jona 1920 aho, notsenain’i Leo Pelle, namana taloha tao Louisville, tany Kentucky, izay nitondra ahy hatrany amin’ny Betela. Ny ampitso, alarobia, dia nambara tamiko ara-dalàna fa hiara-hipetraka amin’i Hugo Riemer sy Clarence Beatty aho, ao amin’ny efitrano manolotra ny tafontrano, ary tonga ny faha-102 amin’ny mpianakavin’ny Betela tao Brooklyn aho.
Ny Fikambanana dia nanorina ny fanontam-pirintiny voalohany tao amin’ny 35 Myrtle Avenue, ka tao amin’ny efitra ambany tany no nananganana ny fanontam-pirintinay “rotative” voalohany, nomenay anaram-bosotra hoe “sambo mifono vy” noho ny habeny. Navoaka avy amin’izany ny gazety vaovaon’ny Fikambanana nitondra ny lohateny hoe L’Age d’Or — nantsoina tatỳ aoriana hoe Consolation ary Réveillez-vous! amin’izao andro izao. Nandalo tamin’ny lavaka iray tao amin’ny gorodona ireo gazety, ka avy eo izy ireo dia nalefa teo amin’ny faritra misolampy; nanambatra azy ireny sy nampiavosa azy haingana, avy eo dia nandahatra azy aho, vonona ho amin’ny fanapahana sy ny fandefasana.
Ny asabotsy maraina, rehefa tsy niasa ny fanontam-pirinty, ny maromaro taminay dia tonga namono ireo gazety tamin’ny taratasy misy ny anarana sy ny adiresin’ireo mpanao famandrihana. Nasiana lakaoly izany, avy eo dia naterinay tany amin’ny paositra daholo. Nanao an’io asa io aho nandritra ny volana maromaro, mandra-pialan’i Donald Haslett, izay niasa tao amin’ny Biraon’ny “colporteurs”, tsy ho ao amin’ny Betela, mba hanambady an’i Mabel Catel. Niova toeram-piasana aho tamin’izay: avy eo amin’ny 35 Myrtle Avenue aho dia nankany amin’ny 124 Columbia Heights noho ny fanendrena ahy ho ao amin’ny Biraon’ny “colporteurs”.
Ambonin’izany, noho izaho anisan’ny kongregasionan’i New York, dia nankinina tamiko ny andraikitra hitarika fianarana ny boky tao an-tranon’ny fianakaviana Afterman tao Brooklyn, tao amin’ny faritanin’i Ridgewood.
Tao amin’ny fandefasam-peo sy tao amin’ireo fivoriambe
Nijanona tao amin’ny Biraon’ny “colporteurs” aho hatreo amin’ny 1926. Nandritra izany fotoana izany, ny Fikambanana dia nanorina tao amin’ny Staten Island ny foiben’ny fandefasam-peony voalohany, ny WBBR. Ny marimarina kokoa, dia tamin’ny 1924 izany. Nanana tombontsoa aho nandray anjara tamin’ireo fandaharan’ny Fikambanana, tsy hoe mba hanao lahateny fotsiny, fa mba hanao fasin-kira irery koa, ary mba hitendry “mandoline” niaraka tamin’ny piano koa aza. Ambonin’izany, dia fasin-kira faharoa aho tamin’ny hira misy feon-dehilahy efatra tao amin’ny WBBR. Araka ny tokony ho izy, dia ny rahalahy Rutherford, tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana azy, no mpandahateny niverina matetika indrindra tao amin’ny fampielezam-peo ary be dia be ny mpihaino azy.
Tamin’ny taona 1922 no nitranga ny fivoriambe faharoa nataon’ny Fikambanana tany Cedar Point. Tao ny rahalahy Rutherford no nandefa izao famporisihana mahery izao: “Ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny Fanjakany!”
Ny anankiray tamin’ireo tombontsoa nahafinaritra indrindra azoko nandritra ireo taona 1920 dia ny naha-mpiara-niasa tamin’ny rahalahy Rutherford ahy tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena tany Londres, tamin’ny 1926. Tamin’io fotoana io izy dia nanao ny lahateniny ampahibemaso tao amin’ny Royal Albert Hall, teo anoloan’ny mpanatrika maro be. Talohan’izay indrindra, dia nanao fasin-kira irery aho, niaraka tamin’ny orga nalaza tao amin’io efitrano io.
Ny takariva nanaraka, ny rahalahy Rutherford dia niteny tamin’ny mpihaino Jiosy, tao amin’ny lahateny iray nitondra ny lohateny hoe “Palestina ho an’ny Jiosy — Nahoana?”, ary dia nohiraiko irery ny tapany tamin’ny hoe Mesia nataon’i Haendel, “Matokia, ry oloko”. Jiosy an’arivony vitsivitsy no tonga tao amin’io fihaonambe manokana io. Tamin’izany fotoana izany, dia nampiharinay tamin’ny fomba diso tamin’ireo Jiosy voafora araka ny nofo ireo faminaniana ao amin’ny Soratra hebreo. Tamin’ny 1932 anefa, dia nanokatra ny masonay Jehovah mba hampahitana anay fa nihatra tamin’ny Isiraely ara-panahy ireo faminaniana ireo.
Tamin’ny 1931 koa dia nanana fifaliana lehibe aho tonga tao amin’ny fivoriambe tany Columbus, any Ohio, ka tamin’izany ny rahalahy Rutherford dia nanolotra ho an’ny mpanatrika ny ‘anarana vaovao’ hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia anarana noraisinay rehetra tamin-kafanam-po tsara indrindra. Taorian’izany, tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ny kongregasionan’ny olon’i Jehovah teto an-tany rehetra dia nandany an’io “anaram-baovao” io. — Jereo Isaia 62:6.
Ny zoma 31 may 1935, dia tonga filohan’ny orikesitra nitendry teo am-pototry ny lampihazo nanaovan’ny rahalahy Rutherford lahateny nanan-tantara iray nifototra tamin’ny Apokalypsy 7:9-17 aho. Io lahateny io dia nampahafantarana tamin’ny fomba marina kokoa ireo tena anisan’ny “olona betsaka” voalazalaza ao amin’ireo andinin-teny ireo. Ireo anisan’izay nantsoina hoe kilasin’i Jonadaba no nasaina indrindra mba ho tonga daholo. Nanjary niharihary ny anton’izany fanantitranterana izany rehefa nasehon’ny rahalahy Rutherford fa ny “vahoaka maro be” (Ostervald), na “olona betsaka”, dia tokony ho voaforon’ny ‘ondry hafan’ny’ Jesosy Kristy “Mpiandry Tsara” (Jaona 10:14, 16). Fisehoan-javatra tsy nanam-paharoa izany. Nihetsi-po aoka izany aho, ny ampitso, asabotsy 1 jona, rehefa nahita mpamonjy fivoriambe 840 natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, ary izany dia tamin’ny fanantenana paradisa an-tany! Hatramin’izay, ny isan’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy Kristy, Mpiandry tsara, dia tsy nitsahatra ny nihoatra ny an’ny mpianatra nateraky ny fanahy sahala amin’ny ondry koa, izay nahaforona ny “ondry vitsy” ka nihena isa hatrany. — Lioka 12:32.
Kanefa, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1939, dia toa tena vita teo ny fanangonana ny “olona betsaka”. Toa mbola reko ihany ny rahalahy Rutherford nilaza tamiko hoe: “Tena matahotra aho, ry Fred, fa toa tsy dia betsaka araka ny fiheverana azy ny ‘olona betsaka’, rehefa dinihina.” Tsy azonay an-tsaina ny fitomboana lehibe notehirizin’ny ho avy ho anay.
Natomboky ny Fikambanana ny fampiasana fonografy azo entina, tamin’ny 1934, ary nampiasaina ny lahateny noraisina feo nataon’ny prezidà Rutherford mba hampidirana ireo boky momba ny Baiboly. Rehefa azo nampiasaina tamin’ny teny espaniola ireny feo noraisina ireny, dia niezaka hampiasa izany aho mba hahazoana ireo olona niteny espaniola nanodidina ny fanontam-pirintinay tao amin’ny 117 Adams Street. Avy eo, rehefa niverina tany amin’izy ireny aho, dia nanampy ireo tsara fikasa mba hahalala ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly; tamin’izany fomba izany, tamin’ny farany aho dia nanana tombontsoa namorona ny kongregasiona voalohany niteny espaniola tany Brooklyn. Tsy nandao an’io kongregasiona io intsony aho hatramin’ny nahaterahany.
Prezidà vaovao ho an’ny Fikambanana
Rehefa maty ny rahalahy Rutherford ny 8 janoary 1942, dia nandimby azy tamin’ny naha-prezidàn’ny Fikambanana i Nathan Knorr. Na dia nirehitra mafy aza ny Ady Lehibe Faharoa tamin’izay fotoana izay, dia nanova tanteraka ny fiheveranay ny amin’ny ho avy akaiky ny lahateniny ampahibemaso tamin’ny lohataonan’ny 1942 araka ny foto-kevitra hoe “Mety hisy ve ny fandriampahalemana maharitra?” Fotoana fohy taorian’izany, ny alatsinainy 1 febroary 1943, dia nitokana an’i Galaad, Fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watch Tower ny rahalahy Knorr, tao amin’ny toeram-piompian’ilay Fanjakana. Nisy mpianatra teo amin’ny zato tao amin’ny kilasy voalohany. Voninahitra ho ahy ny nandray anjara tamin’ny fandaharam-pitokanana. Ny mpampianatra dia ny rahalahy Eduardo Keller, Maxwell Friend, Victor Blackwell sy Albert Schroeder.
Tamin’ny lahateny fanokafana nataony, dia nilaza mazava taminay ny rahalahy Knorr fa ny vola nananan’ny Fikambanana dia hahatonga ho afaka hanohy ireny fianarana ireny mandritra ny dimy taona. Aoka ny tenanao ihany anefa no hijery! Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha, dia nanao izay hahafahan’io sekoly io hiasa hatramin’izao androntsika izao, izany hoe efa avo sivy heny noho ny vanim-potoana nanombanana azy!
Nanana tombontsoa lehibe aho niara-niasa tamin’i Nathan Knorr. Natao batisa izy tamin’ny 4 jolay 1923, teo amin’ny moron’i Little Lehigh, teo akaikin’i Allentown, tanàna nahabe azy tany Pennsylvanie. Tamin’io andro io, dia tsy noeritreretiko velively, rehefa nanao ny lahateny nialoha ny fandrobohana aho, fa ho tonga prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower fahatelo ny rahalahy Knorr.
Tamin’ny fotoana naha-prezidà azy, dia nandeha foana aho, ary niteny tamin’ny rahalahy maro saika hatraiza hatraiza naneran-tany — anisan’izany i Amerika latina sy Aostralia —, ka namporisika azy ireny tsy hivadika hatrany. Ohatra, tamin’ny 1955, raha mbola voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Espagne, dia nitari-draharaha tao amin’ny fivoriambe iray natao tamim-piafenana tany an’ala akaikin’i Barcelone aho. Nisy polisy nitam-piadiana nanodidina ny antokonay anefa, avy eo dia nampiakariny tao anaty kamiao daholo ny lehilahy rehetra mba hitondrana azy ireo ho any amin’ny paositra niambenany azy ireo sy nanadinany azy. Noho izaho olom-pirenena amerikana, dia mody tsy mahay teny espaniola aho. Tetsy an-daniny koa, ny anabavy roa dia afa-nandositra ka nampahafantatra ny nisamborana ahy tamin’ny masoivohom-panjakana amerikana izay nifandray tamin’ny polisy. Niahy ny amin’ny hisorohana fisehoan-javatra ara-diplomasia sy fahalalan’ny maro tsy tsara ireo polisy ka tamin’ny farany dia nandefa ireo hafa firenena ary, tatỳ aoriana, ny rahalahy hafa rehetra. Taorian’izany, dia nivory maro niaraka izahay tao an-tranon-dry rahalahy Serrano, ka nifaly noho ny fanafahana nomen’i Jehovah ny vahoakany. Tamin’ny 1970, ireo manam-pahefana espaniola dia nanaiky ny maha-ara-dalàna ny asan’ireo rahalahintsika. Amin’izao andro izao isika dia manana sampana any akaikin’i Madrid, ary tamin’ny 1986, dia 65 000 mahery ny isan’ny mpitory ka misy kongregasiona manerana ny tany.
Maty ny rahalahy Knorr tamin’ny 8 jona 1977, rehefa nahavita ny fihazakazahany teto an-tany, ary nandimby azy aho tamin’ny asan’ny prezidàn’ny Fikambanana. Nanao io raharaha io nandritra ny 35 taona mahery ny rahalahy Knorr, naharitra kokoa noho ireo roa teo alohany, dia ny rahalahy Russell sy Rutherford. Tamin’ny naha-anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia notendrena ho anisan’ny Komitin’ny fanontana sy Komitin’ny fanoratana tao amin’io kolejy io aho.
Tena tombontsoa lehibe sy fahafinaretana ho ahy tokoa ny fanohizana miasa ao amin’ireo biraon’ny Fikambanana ao amin’ny 25 Columbia Heights. Izany dia mitaky amiko fandehanana tsy tapaka eo anelanelan’ireo birao sy ny efitranoko — fampiasan-tena tsara dia tsara ho an’ny vatako efa antitra. Na dia 93 taona aza aho ka efa pahina ny masoko, dia faly aoka izany aho noho ny nanomezan’i Jehovah ahy fahasalamana tsara, ka noho izany dia tsy mbola tsy niasa noho ny aretina mihitsy aho na dia indray andro aza tao anatin’ny 66 taona niasako tato amin’ny Betela, ary mbola afaka miasa manontolo andro ihany aho. Andriamanitra koa no isaorako noho ny tombontsoako eto nanomboka tamin’ny 1920 ka mahita ny fitaran’ny fandaminana, na eto Brooklyn na maneran-tany.
Ny ametrahako tanteraka ny fitokisako dia ilay tompom-piandrianantsika eo amin’izao rehetra izao, Jehovah Andriamanitra, sy ilay Mpitari-tafiny, Jesosy Kristy, izay mitarika ny tafiny misy serafima, kerobima sy anjely masina any an-danitra tsy tambo isaina. Amin’ny fotoana anoratako ireto andalan-tsoratra ireto, dia andrasako, sahala amin’ny ataon’ny namana kristiana an-tapitrisany maro, izay mbola ambaran’ny Baiboly fa ho tonga: ny fandravana an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, mbamin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha ao Hara-Magedona. Io ady io dia hiafara amin’ny fandresen’i Jehovah Andriamanitra Tompom-piandrianana, izay “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”. Haleloia! — Salamo 90:2.
[Sary, pejy 24]
Eo afovoany, miaraka amin’ireo namana tao amin’ny Betela, tamin’ny 1920.
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’i N. Knorr tamin’ny 1961.
[Sary, pejy 26]
Tao amin’ny fivoriambe iray tany Japon, tamin’ny 1978.