Ela ny ela ny fiadanana! rehefa miteny Andriamanitra
“Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. — ISAIA 9:6.
1. Raha mbola miresaka mandrakariva ny amin’ny fiadanana ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao, inona moa no nitranga nandritra ny tantaran’olombelona?
NY mpitondra eo amin’ity izao tontolo izao ity dia miresaka mandrakariva ny amin’ny fiadanana, ary maneho ny faniriany hahita izany hiorina ny vahoaka. Kanefa ny tarehin-javatra misy amin’izao fotoana izao dia mampahatsiahy antsika izay nambaran’i Jeremia mpaminany toy izao: “Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana!” (Jeremia 8:15). Eny, hatramin’ny namonoan’i Kaina an’i Abela, izao tontolo izao dia tsy nahita fandriampahalemana marina, fa voarotidrotiky ny herisetra kosa. Ny taonjato faha-20, nisian’ny ady nahafatesana olona teo amin’ny zato tapitrisa teo ho eo, dia ho ny vanim-potoana feno herisetra indrindra teo amin’ny Tantara. Amin’izao androntsika izao, dia 97 isan-jato amin’ny mponina maneran-tany no tafiditra tao anatin’ny ady iray fara fahakeliny. Tamin’izany fomba izany àry no nitarihan’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao ny vahoaka nanaraka azy tamin’ny loza aman’antambo nisesy, raha mbola miresaka fiadanana izy ireo.
2. Inona no famonoana fanampiny entin’ny herisetra eo amin’ny firenen-drehetra?
2 Miaraka amin’izany herisetra rehetra izany, aoka hampiana ny maty isan’andro noho ny heloka bevava. Ohatra, isan-taona any Etazonia dia olona eo amin’ny 20 000 eo ho eo no misy mamono; vehivavy maherin’ny 80 000 no misy misavika, tsy isaina amin’izany ireo rehetra tsy milazalaza; roa tapitrisa eo ho eo no kapohin’ny lehilahy miara-mipetraka aminy mafy; ary tokantrano iray amin’ny efatra no niharan’ny endriny iray na hafa amin’ny heloka bevava. Izany no antony nahafahana nanoratra izao: “Ny fitambaran’olona misy antsika dia tonga faran’izay feno herisetra.” Mitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ny ankamaroan’ireo tany.
3. Herisetra mbola lehibe kokoa inona no mety hahazo ny fianakavian’olombelona amin’izao androntsika izao?
3 Kanefa, izany rehetra izany dia tsy dia manao ahoana raha oharina amin’izay mety hoentin’ireo fiadiana noklehera nangonina hatramin’izao andro izao. Ampy hamonoana indroa ambin’ny folo ny mponina rehetra eto ambonin’ny tany izany. Araka ny fanambarana nataon’ny mpitsabo iray, “ny fitsaboana amin’izao andro izao dia tsy ho afaka hanampy na amin’inona na amin’inona an’ireo izay hiharam-pahavoazana amin’ny ady noklehera iray.” Nahoana no ho toy izany? Mamaly ny mpitsabo hafa iray hoe: “Ny ankamaroan’ny mpitsabo, sy ny mpanampy ny mpitsabo ary ny teknisiana dia ho faty (...). Ho rava ny hopitaly. Noho izany, dia ho vitsy kely sisa ireo olona manana ny fahalalana sy ny fitaovana ilaina mba hamonjena aina.”
4, 5. a) Inona no nambaran’ny boky iray ny amin’ny tsy fisian’ny fiadanana amin’izao androntsika izao? b) Ao anatin’izany hevitra izany ihany, inona moa no nambaran’ny mpiasam-panjakana ambony iray taloha?
4 Ny lahatsoratra fototra iray nivoaka tao amin’ny diarin’ny Encyclopédie britannique vao haingana dia miresaka ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana amin’izao androntsika izao. Izao no lohateniny: “Miharava izao tontolo izao misy antsika — Ny fandrahonan’ny fikorontanana hatraiza hatraiza”. Izao no azo novakina tao: “Taorian’ny 1945, dia noheverina fa toa tsy azo nialana ny ‘fandrosoana’ ka ho voaforon’ny firaisana sy ny fifanarahana ny ho avin’izao tontolo izao.” Nefa ireny fanombantombanana ireny dia “niharihary fa diso tanteraka”. “Mifanohitra amin’izany, hoy ny nanampiny, (...) izao tontolo izao dia voatarika moramora foana ho amin’ny faharavana tsy azo idifiana. Maro amin’ireo firenena, izay ny firaisana ara-drafitra sy ara-panahy tao aminy avy no toa efa azo, no nivaky (...) [ho] foko, [ho] firazanana, [ho] antoko ara-pivavahana, (...) [ho] andian’olon-dratsy, [ho] antoko miaramila mpamafy fahafatesana, [ho] fihetsiketsehana mpampihorohoro, [ho] fihetsiketsehan’ny mpiady anaty akata, sy [ho] antoko mitady hampanjaka ny tombontsoany manokana ao anatin’ny herisetra.”
5 Mifanaraka amin’izany hevitra izany ihany, ny mpiasam-panjakana ambony amerikana iray teo aloha, dia nanambara hoe: “Ireo zavatra mahatonga ny fikorontanana iraisam-pirenena dia, voalohany teo amin’ny Tantara izao, no mihamahazo vahana eo amin’ireo hery mikendry ny fiaraha-miasa voalamina kokoa. Izay famakafakana hita fototra rehetra ny amin’ny fahatsinjovan-javatra maneran-tany, dia miafara amin’izao fanatsoahan-kevitra tsy azo ialana izao: ny korontana ara-tsosialy, ny fihotakotahana ara-politika, ny fahasahiranana ara-toe-karena sy ny tsy fifanarahana iraisam-pirenena dia azo inoana fa hitatra hatrany ihany mandritra izao fiafaran’ny taonjato izao.” Nanao izao famaranan-teny izao izy: “Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, ny olombelona dia tandindomin’ny (...) fanjakan’ibaroa maneran-tany.”
‘Mpitsidika avy any amin’ny habakabaka’
6. Ahoana no nilazalazan’ny gazety iray mivoaka isan’andro ny amin’ny fihetseham-po mety hananan’ireo mpitsidika avy any amin’ny habakabaka mahita an’izao tontolo izao ankehitriny?
6 Izao no azo novakina tao amin’ny gazety iray mivoaka isan’andro any Cleveland ny amin’izany: “Raha sendra ka tonga amin’ny herinandro ho avy ny mpitsidika avy any amin’ny vahin-danitra lavitra sasany any, ho afaka hiaiky aminy ve isika fa voatery hifamono isika samy isika mba hampiorenana ny maha-ambony ny kaominisma na ny kapitalisma? Azontsika hazavaina aminy ve fa ny karazana misy antsika dia nizarazara ho firenen-tsamihafa ka amin’ny elanelana tsy miovaova dia milofo hifamono amin’izy samy izy ireny firenena lian-dra ireny? Ahoana no hampanekena azy ireny fa avelantsika ho fatin’ny hanoanana ny sasany amintsika raha mbola mihosina ao anatin’ny fietrena sy ny tsy fahalalana kosa ny hafa, izany dia satria ny fanamboarana fitaovam-piadiana mahafaty no eo amin’ny laharana voalohany amintsika? Rehefa ho tafaverina any amin’ny vahin-danitra lavitra misy azy any ireny mpitsidika ireny, dia hilaza antsika tokoa ho toy ny baribariana izy ireny. (...) Angamba hiresaka ny amin’ny asa lehibe vitantsika teo amin’ny zava-kanto sy ny finoantsika ny fahamarinana isika, nefa dia hitsiky amin’alahelo izy ireny ka handao antsika alohan’ny loza.”
7, 8. a) Iza moa ireo mpitsidika mahery mandinika ny olombelona amin’izao androntsika izao? b) Nahoana izy ireo no eto?
7 Hamaly angamba ny sasany hoe: “Tsy misy ‘mpitsidika avy any amin’ny habakabaka’ manao fandinihana toy izany.” Tsia, tsy nisy olona avy any amin’ny habakabaka hita maso; nefa, hatramin’ny taona vitsivitsy izao, dia mandinika akaiky ny fomba itondran’ny olombelona ny tenany sy ny ataony amin’ny tany ny mpitsidika tena mahery sy manan-tsaina. Ankoatr’izany, dia miahy izy ireo mba hotorina “alohan’ny loza” ny hafatra iray mora azo.
8 Iza ireto mpitsidika mahery mandinika ny olombelona efa hatramin’ny fotoana sasany ireto? Milaza amintsika ny Soratra Masina fa solontenan’Andriamanitra any amin’ny faritra ara-panahy izy ireo, anjely mahatoky nirahiny hitodika amin’ny tany mba handinika azy. Manambara izao ny amin’ireny zavaboary ara-panahy ireny ny Salamo 103:20: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny.” Miresaka matetika ny amin’ireny anjely mahery ireny ny Baiboly. Ohatra, ao amin’ny Matio toko faha-25, izay ahitana faminaniana iray momba ny androntsika, dia amakiantsika izao eo amin’ny andininy faha-31 sy 32: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny izy. Ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.”
9. Inona moa no anjara asan’i Kristy Jesosy eo amin’ny fandinihana ny olombelona?
9 Io “Zanak’olona” io no lehibe indrindra amin’ny solontenan’Andriamanitra, Jesosy Kristy izany. Taorian’ny nananganana azy ho any an-danitra, dia niandry ny fanankinan’i Jehovah aminy an’io fanirahana manokana io izy. Araka ny asehon’ny Salamo 110:1, Jehovah dia nilaza taminy hoe: “Mipetraha eo an-tanako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” Araka ny tondroin’ny fahatanterahan’io faminaniana ao amin’ny Baiboly io, dia tamin’ny 1914 no nanombohan’io zavaboary mahery ara-panahy nirahin’Andriamanitra io niasa.
10. Mety ho firy ny isan’ireo anjely eo anilan’i Kristy manampy eo amin’ny asa fanavahana?
10 Nefa ny “Zanak’olona” dia tsy ho avy irery. Araka ny efa nanambarana azy tao amin’ny Matio 25:31, “ny anjely rehetra” dia hiaraka aminy. Firy àry no mety ho isany? Apokalypsy 5:11 dia manambara hoe: “Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana [an’Andriamanitra] (...) ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo.” Iray alina dia 10 000. Iray alina ampitomboina iray alina dia milaza 10 000 ampitomboina 10 000. Izany dia manome anjely 100 tapitrisa! Ambonin’izany, ny Apokalypsy dia mampiasa ny filazana maro (pluriel) ka miresaka ny amin’ny anjely “alinalina sy arivoarivo” manompo an’Andriamanitra. Anjely an-jato tapitrisa na an-davitrisany maro àry na mihoatra no resahina amin’izany. Eo ambanin’ny fitarihan’i Kristy ireny zavaboary ara-panahy ireny dia manampy ny solontenan’Andriamanitra eto an-tany mba hanavaka ny olombelona ho sokajiny roa: ireo izay ho any amin’ny “fampijaliana mandrakizay” [fanesorana mandrakizay, MN ] ary ny hafa kosa ho any amin’ny “fiainana mandrakizay”. — Matio 25:46; jereo Matio 13:41, 42.
“Vaovao tsara mandrakizay”
11. “Vaovao tsara mandrakizay” inona moa no ambaran’ny tafika anjely amin’izao androntsika izao?
11 Inona no hevitra fonosin’ilay hafatra ampitain’ireny anjely mpitsidika ireny amin’izao androntsika izao? Ny Apokalypsy 14:6 dia manome antsika filazalazana momba izany: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara [vaovao tsara, MN ] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” Io “vaovao tsara mandrakizay” io dia mifandray amin’ny asa iray noresahin’i Jesosy. Izany dia tokony ho anankiray amin’ireo porofo maro fa miaina amin’ny andro farany isika. Ao amin’ny Matio 24:14, dia nanambara Jesosy hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsara, MN ] ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”
12, 13. a) Inona no atao hoe Fanjakan’Andriamanitra? b) Nahoana ny hafatra momba ilay Fanjakana no ny tena tsara indrindra amin’ireo vaovao?
12 Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny fitondram-panjakana any an-danitra izay hampihatra ny fahefany eto an-tany aorian’ny fanafoanana ny fanapahan’olombelona (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Ny Mpanjakany dia Kristy Jesosy, izay hanjaka miaraka amin’ny olon-kafa (Apokalypsy 14:1-4; 20:4). Io Fanjakana io dia ilay resahin’ny Daniela 7:14 hoe: “Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra azy. Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.”
13 Nahoana ny hafatra momba ny fanapahan’ilay Fanjakana no vaovao tsara tokoa, ny tena tsara indrindra amin’ireo vaovao? Satria io Fanjakana io dia hanorina izao tontolo izao vaovao iray ka hanome rafitra vaovao ho an’ny fitambaran’olona. Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olombelona dia handray fitahiana tena kanto tokoa ka izao no ambaran’ny Salamo 37:11 ny amin’ireo izay ho velona amin’izany fotoana izany: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Eny, “Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana”. (Salamo 29:11.) Alohan’ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny raharahan’ny tany iray manontolo, ny vaovao tsara momba an’io fitondram-panjakana maharitra sy tia fiadanana tarihin’ilay “Andrian’ny fiadanana” io, dia torina amin’ny firenena rehetra amin’izao fotoana izao. Manatanteraka an’io asa io eo ambany fitarihan’i Kristy sy ny anjely ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany. — Isaia 9:5, 6.
14. a) Inona no iray amin’ireo fomba hamantarana marina ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany? b) Inona no manaporofo fa manana ny fitahian’Andriamanitra izy ireo?
14 Iza moa ireto mpanompon’Andriamanitra eto an-tany ireto? Iza ihany moa, raha ny marina, no mitsidika tsy tapaka ny olona mba hiresaka aminy ny amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? Na dia ireo mpanohitra azy aza dia miaiky fa ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Ny isan’ireny mpitory ilay Fanjakana ireny, izay mihoatra ny telo tapitrisa izao, dia mitombo haingana. Tamin’ny taona lasa dia minisitry ny vaovao tsara 225 868 no vao natokana; tao anatin’izany fotoana izany ihany, dia kongregasiona vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah 2 461 no naorina naneran-tany — maherin’ny enina isan’andro amin’ny ara-keviny, izay manome kongregasiona 52 177 any amin’ny tany 208 amin’ny fitambarany. Azo lazaina tokoa fa tanteraka ny faminaniana voasoratra ao amin’Isaia 60:22: Manafaingana ny asa fitoriana sy fanangonana “amin’ny fotoany” Jehovah. Ary tonga izao ny fotoan’i Jehovah!
15. Ahoana no fomba itsarana ny olona ankehitriny?
15 Ny fomba andraisan’ny olona ny vaovao tsaran’ny Fanjakana no hanapaka na ho voatokana ho amin’ny “fanesorana mandrakizay” izy na ho amin’ny “fiainana mandrakizay” ao amin’izao tontolo izao vaovao. Maro no mitondra tena tahaka ireo olona voalazalaza ao amin’ny II Tantara 36:15, 16 hoe: “(...) Jehovah (...) nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy (...) fa namindra fo (...). Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy.” Ny hafa kosa mandray amim-pankasitrahana ny hafatra ka mitoetra eo ambany fiarovan’i Jehovah. “Fa izay mihaino ahy [izaho, ny tena fahendrena] kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.” — Ohabolana 1:20, 33; Matio 25:34-46.
Miditra an-tsehatra ny tafika any an-danitra
16. Ahoana no itenenan’Andriamanitra amin’ny olombelona tsy mpankatò tsy ho ela?
16 Tsy ho ela, ny asa fitoriana tanterahin’ny mpanompon’i Jehovah dia ho vita ao anatin’ny fetra noheveriny. Ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny olombelona tsy mpankatò dia hifarana. Hiova ny hevitra fonosin’ny hafatra alefany ho an’ny olona amin’izao taranaka misy antsika izao. Ho solon’ny fiadanana, “dia hiteny azy amin’ny fahavinirany izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany.” (Salamo 2:5.) Araka ny lazain’ny tenan’i Jehovah mihitsy, “fa amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no itenenako.” (Ezekiela 38:19.) Amin’izay dia hanome an’i Jesosy Kristy ny fanairana izy mba handefasany ny tafiny any an-danitra hamelezana an’izao tontolo izao iray mpikomy.
17. Ahoana no nampisehoana ny herin’ny anjely iray monja?
17 Ahitana hevitra ny amin’ny herin’ireny tafika ireny ny fandinihana izay nitranga tamin’i Asyria rehefa tonga ny fotoana nanaovan’Andriamanitra zavatra. Ao amin’ny II Mpanjaka 19:35 dia ahitana izao fitantarana manaraka izao: “Ary tamin’ny alin’io dia avy ilay anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana. (...) Dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo!” Izany, dia izay notanterahin’ny anjely iray monja. Hampitahotra lavitra noho izany ny fandraisan’ny anjely miisa an’alinalina sy arivoarivo anjara!
18. Hanao ahoana ny fitaran’ny fandringanana amin’ny fiafaran’ny fandehan-javatra?
18 Jeremia 25:31-33 dia milazalaza izay hiseho amin’izany fotoana izany: “ ‘Jehovah manana ady amin’ny firenena. Mifandahatra amin’ny nofo rehetra izy. Ka ny ratsy fanahy dia hatolony ho an’ny sabatra’ hoy Jehovah. Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: ‘Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ny faran’ny tany. Ary amin’izany andro izany, ny voavonon’i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa. Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny. Fa ho zezika eny ambonin’ny tany.’ ”
19. An-tsipiriany fanampiny inona no omen’ny toko faha-19 amin’ny Apokalypsy antsika?
19 Ny Apokalypsy toko faha-19 dia mampiseho antsika ny fomba hanatanterahan’i Jehovah izany zavatra rehetra izany. Halefany Jesosy Kristy Mpanjakany, izay hiady, harahin’ny “antokon’ny miaramila any an-danitra” araka ny voalazan’ny andininy faha-14. Manampy toy izao ny andininy faha-17 sy 18: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ny masoandro, ary niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ny habakabaka hoe: ‘Avia, ka miangòna ho amin’ny fanasana lehiben’Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpifehy arivo sy ny nofon’ny mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe!’ ” Ary ny andininy faha-19 ka hatramin’ny faha-21 dia milazalaza ny amin’ny fandringanana an’ireo fandaminan’olombelona rehetra, izay hitranga satria tsy nety nihaino izy ireo rehefa niteny tamin’ny alalan’ireo mpitondra hafany teto an-tany Andriamanitra.
20. Nahoana no tsy azo atao ny mihevitra fa hanjavona ao anatin’ny loza noklehera iray izao tontolo izao?
20 Noho izany, tsy ho ela dia ho tonga ny fotoana hamaranan’Andriamanitra izao fandehan-javatra maneran-tany feno herisetra izao, izay eo amoron’ny faharavana. Tsy handringan-tena amin’ny ady noklehera iray hataon’ireo firenena anefa ny olombelona. Raha mitranga izany loza aman’antambo izany, dia ho fongotra miaraka amin’ny ratsy fanahy ny olona marina. Ny “loza” omanin’Andriamanitra ho an’ity izao tontolo izao ity dia tsy hisy hitovizana amin’izany, satria hanavaka tsara izy io. Hisy olona ho tafita velona mba hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao. Araka ny azo amakiana izany ao amin’ny Ohabolana 2:21, 22, “ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao. Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany; ary ny mpivadika hongotana”.
21. Fanontaniana hafa inona no voasan’ny lahatsoratra manaraka?
21 Nahoana izao tontolo izao no tonga amin’izao tarehin-javatra izao ka manakaiky ny fandringanana maneran-tany? Tsy ho afaka hamonjy ny fandehan-javatra ve ny fiezahana ataon’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao mba hitondra fiadanana? Ary raha maniry ho anisan’ny olona “mahitsy” sy “tsy manan-tsiny” isika izay ho tafita velona mba hiditra ao amin’izao tontolo izao vaovao, ahoana no tokony hitondrantsika tena amin’izao fotoana lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona izao? Ireo no fanontaniana hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no havalinao?
◻ Ahoana no isehoan’ny tsy fisian’ny fiadanana, indrindra amin’izao androntsika izao?
◻ Amin’ny ahoana no andraisan’ireo tafika anjely anjara amin’ny fanavahana ny olombelona amin’izao fotoana izao?
◻ Nahoana ny hafatra momba ilay Fanjakana no “vaovao tsara mandrakizay”?
◻ Noho ny inona no andraisan’ny olombelona fitsarana ho fanamelohana na ho fiainana?
[Sary, pejy 13]
Ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahazo ny fanohanan’ireo tafika anjely.