Aoka isika haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ireo havantsika be taona
“Aoka ireo [ny zanaka sy ny zafy] hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” — I TIMOTY 5:4.
1, 2. a) Araka ny Baiboly, iza no manana andraikitra hikarakara olona be taona? b) Nahoana moa no ho ratsy raha tsy miraharaha an’io adidy io ny kristiana iray?
FONY MBOLA zaza ianao, dia nitaiza anao izy ireny ary niaro anao. Rehefa tonga olon-dehibe ianao, dia nitady ny torohevitr’izy ireo sy ny fanohanany. Antitra izy ireo ankehitriny ary mila ny hotohanana. Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — I Timoty 5:4, 8.
2 Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no mikarakara ireo ray aman-dreniny be taona. Ny fihetseham-po manosika azy ireny ho amin’izany dia tsy ny hatsaram-po fotsiny na ny adidy, fa ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra”, izany hoe ny fifikirana amin’Andriamanitra. Fantany fa ny fanariana ireo ray aman-dreniny sahirana dia hitovy amin’ny ‘fandavana ny finoana’ kristiana. — Jereo Titosy 1:16.
‘Iantsorohy ny andraikitrao’
3. Nahoana moa no tsy tena mora ny hikarakarana ray aman-dreny be taona?
3 Tena tsy mora akory ny mikarakara ray aman-dreny be taona, indrindra fa any amin’ireo tany any andrefana. Matetika no miely patrana ireo fianakaviana. Tsy mitsahatra ny mitombo ny vidim-piainana. Mihamaro ny vehivavy miasa. Mety ho raharaha lehibe àry ny fikarakarana ray aman-dreny be taona iray, indrindra fa raha tsy tanora loatra intsony koa ny tena. “Efa mihoatra ny fahadimampolo taona izahay izao, ary tsy maintsy manampy ireo zanakay sy zafinay koa izahay”, hoy ny nambaran’ny anabavy iray izay nikarakara tamim-pahasahiranana ny anankiray tamin’ireo ray aman-dreniny.
4, 5. a) Araka ny Baiboly, amin’iza moa matetika no azo izarana ny adidy, na andraikitra hikarakara ray aman-dreny be taona? b) Ahoana moa, tamin’ny andron’i Jesosy, no nandosiran’ny sasany ny andraikiny tamin’ireo ray aman-dreniny?
4 Nasehon’i Paoly fa ny andraikitra dia nety ho niantsorohan’ny “zanaka na zafy”. (I Timoty 5:4.) Indraindray anefa ny zanaka sasany dia tsy vonona ny ‘hitondra ny entany [hiantsoroka ny andraikiny, MN ]’ amin’io lafiny io (jereo Galatiana 6:5). Nitaraina ny loholona iray satria ‘tsy nihevitra an’io raharaha io fotsiny ny zokiny vavy’. Kanefa mety hankasitrahan’i Jehovah ve izany fitondrantena izany? Tadidio ny teny nataon’i Jesosy indray andro tamin’ireo Fariseo: “Fa hoy Mosesy: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’, (...). Fa hoy kosa hianareo: Raha misy olona milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy, ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo.” — Marka 7:10-13.
5 Raha tsy naniry hanampy ireo ray aman-dreniny nahantra ny Jiosy iray, dia ampy taminy ny nilaza ny fananany ho “korbana”, izany hoe natokana hampiasaina tao amin’ny tempoly (jereo Levitikosy 27:1-24). Kanefa, toa tsy voatery izy hanatitra avy hatrany tao amin’ny tempoly izay nolazainy ho fanomezana; araka izany, dia azony natao ny nitana izany (ary azo inoana koa fa hanana izany) tsy misy fetra. Tamin’izany, raha nila fanampiana ara-bola ireo ray aman-dreniny, dia nety hiala tamin’ny adidiny izy tamin’ny fanambarana amim-pihatsarambelatsihy fa “korbana” izay rehetra nananany. Nomelohin’i Jesosy izany famitahana izany.
6. Noho ny antony inona avy moa, amin’izao androntsika izao, no mety hahatonga ny sasany ho voan’ny fakam-panahy hiala amin’ny adidiny amin’ny maha-zanaka? Hankasitrahan’Andriamanitra ve izany?
6 Ny kristiana iray izay hanao fialan-tsiny ratsy mba handosirana ny adidiny dia tsy ho afaka hamitaka an’Andriamanitra (Jeremia 17:9, 10). Ny fahasahiranana ara-bola, ny tsy fahasalamana manorisory mbamin’ny fanahiana hafa dia marina fa mametra be dia be izay azontsika atao ho an’ireo ray aman-drenintsika. Ary ny sasany angamba dia mihevitra ny fananana ara-nofo, ny fotoana sy ny fifankazarana ho zavatra sarobidy kokoa noho izay hahasoa ireo ray aman-dreniny. Ho fihatsarambelatsihy anefa ny hitoriana ny tenin’Andriamanitra sy ny ‘hanafoanana’ izany amin’ny tsy fanaovana na inona na inona ho an’ireo ray aman-drenintsika!
Fiarahan’ny fianakaviana miasa
7. Ahoana moa no azon’ny mpianakavy rehetra iaraha-miasa mba hikarakarana ray aman-dreny be taona iray?
7 Rehefa misy fahasahiranana mitranga momba ny ray aman-dreny be taona iray, ny manam-pahaizana manokana sasany ny amin’io raharaha io dia manoro hevitra mba hamory ny mpianakavy. Ny anankiray amin’izy ireo angamba dia tokony hiantsoroka ny andraikitra lehibe indrindra, kanefa, noho ny “fiaraha-midinika mangina”, atao amim-pahatoniana sy tsy misy fiangarana, dia matetika ireo voakasika no hahita fomba hizarana ny andraikitra (Ohabolana 15:22, MN ). Ireo izay monina lavitra dia ho afaka hanampy ara-bola ny ray aman-dreniny be taona iray sy hitsidika azy indraindray, fa ny hafa kosa hikarakara ny raharaha ao an-tokantrano sy hanome ny fiarakodiany hampiasainy. Raha ny marina, ny fitsidihana tsy tapaka ilay ray aman-dreny fotsiny dia mety ho fandraisana anjara sarobidy amin’ny fiezahana iombonana. Izao no nolazain’ny anabavy iray valopolo taona mahery ny amin’ny fitsidihan’ireo zanany azy: “Mahasoa ahy tokoa izany!”
8. a) Moa ve ireo mpanompo manontolo andro afaka amin’ny fikarakarana ireo ray aman-dreniny? b) Tonga hatraiza moa ny mpitory manontolo andro sasany mba hiantsorohana ny adidiny amin’ireo ray aman-dreniny?
8 Sarotra kokoa anefa ny tarehin-javatra rehefa manao asa manontolo andro ny anankiray amin’ny mpianakavy. Ireo mpanompo manontolo andro dia tsy mandray ho fahazarana ny miala amin’ny andraikitra toy izany, ary maro amin’izy ireny no nanao fiezahana lehibe mba hikarakarana ireo ray aman-dreniny. Nanambara toy izao ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “Tsy azonay nalaina sary an-tsaina mihitsy fa tena fisedrana ara-batana sy ara-tsaina ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena, indrindra fa rehefa tsy maintsy miatrika ireo fepetra takina amin’ny asa manontolo andro koa. Niaritra mafy tokoa izahay ary nahatsapa fa nila ‘hery mihoatra noho ny hery fahita’.” (II Korintiana 4:7, MN ). Enga anie Jehovah hanohana hatrany ny kristiana toy izany!
9. Inona moa no fampaherezana azo omena an’ireo izay tsy mahita fanafodiny afa-tsy ny fialana amin’ny asa manontolo andro mba hikarakarana ireo ray aman-dreniny?
9 Indraindray anefa, rehefa avy nandinika izay rehetra mety ho fahafahana atolotra azy ny kristiana iray dia tsy mahita fanafodiny hafa afa-tsy ny fialana amin’ny asa manontolo andro. Takatra ny mety hifangaroan’ny fihetseham-po ao anatin’ny toe-javatra toy izany: ‘Fantatray fa amin’ny maha-kristiana anay dia manana andraikitra izahay hikarakara ny reniko izay be taona sy marary, hoy ny misionera taloha iray, nefa toa sarotra aminay izany indraindray.’ Tadidio anefa fa ‘ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanehoana izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranon’ny tena’. (I Timoty 5:4.) Afa-tsy izany koa, “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany”. (Hebreo 6:10.) Ny mpivady mpitory izay namela taona maro lasa nanaovana ny asa manontolo andro dia nanambara toy izao: “Ankehitriny dia lehibe eo imasonay ny fikarakarana ireo ray aman-dreninay toy ny tamin’ny fotoana nanompoanay manontolo andro. Toy izany no fijerinay ny zavatra.”
10. a) Nahoana moa ny sasany no nandao ny asa manontolo andro haingana loatra? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny fianakaviana ny asa manontolo andro?
10 Mety ho nisy niala haingana tamin’ny asa manontolo andro izao, satria nisy mpianakavy nanana fiheverana toy izao: ‘Tsy manana andraikitra ara-pianakaviana na amin’ny asa ianao. Nahoana ianao no tsy afaka mikarakara an’i Dada sy Neny?’ Kanefa, moa ve tsy ny fitoriana no asa lehibe indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao (Matio 24:14; 28:19, 20)? Niditra hanao asa tena lehibe àry ireo mpitory manontolo andro (I Timoty 4:16). Ambonin’izany, dia nasehon’i Jesosy fa amin’ny toe-javatra sasany, ny asa ho an’Andriamanitra dia nety ho nitana toerana alohan’ny raharaha ara-pianakaviana.
11, 12. a) Nahoana moa i Jesosy no nanoro hevitra lehilahy iray mba ‘hamela ny maty handevina ny maty eo aminy’? b) Inona moa no fandaharana nataon’ny fianakaviana sasany izay ny anankiray aminy dia mpitory manontolo andro?
11 Ohatra, rehefa nanasa lehilahy iray hanaraka azy i Jesosy ka nanda io tamin’ny filazana hoe: “Aoka aho aloha handeha handevina ny raiko”, dia hoy ny navaliny: “Aoka ny maty [ara-panahy] handevina ny maty ao aminy; fa hianao kosa, mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:59, 60). Koa satria ny Jiosy nandevina ny maty teo aminy ny androtriny ihany, dia tsy azo inoana loatra fa hoe maty ny rain’io lehilahy io; tsy maintsy ho be taona izy io, ka tian’ilay zanany lahy ny hijanona eo anilany mandra-pifaran’ny androny. Azo inoana anefa fa nanana fianakaviana hikarakara azy io lehilahy be taona io, koa namporisika ilay olona niresahany i Jesosy mba ‘hitory ny fanjakan’Andriamanitra’.
12 Nahatsapa ny fianakaviana sasany fa raha miara-miasa ny rehetra, dia matetika no azo atao ny manao fandaharana mba hanaovan’ilay ao amin’ny asa manontolo andro ny anjarany sy hikarakarany ny ray aman-dreniny sady tsy hiala amin’ny fanompoany. Misy, ohatra, manokana ny faran’ny herinandrony na ny fotoana fialany sasatra ho an’ny ray aman-dreniny. Azo atao ny manamarika fa na dia mitaky fahafoizan-tena lehibe ho azy ireo aza izany, ny ray aman-dreny be taona sasany dia tia ny hijanonan’ireo zanany ao amin’ny asa manontolo andro. Mitahy be dia be ireo izay mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany Jehovah. — Matio 6:33.
Aoka isika haneho “fahendrena” sy “fahaiza-manavaka” raha tonga miara-monina amintsika ireo ray aman-drenintsika
13. Inona avy no fahasahiranana mety hitranga rehefa asaina honina ao amin’ireo zanany ny olona iray?
13 Nanao fandaharana i Jesosy mba handehanan’ny reniny izay mpitondratena honina tany amin’ireo havany mpino (Jaona 19:25-27). Toy izany koa, Vavolombelona maro no nanasa ireo ray aman-dreniny ho tonga honina ao an-tranony, ka izany dia nitondra fifaliana sy soa maro ho azy ireo. Kanefa, ny fomba fiaina tsy mitovy, ny tsy fisian’ny fifankazarana sy ny faneriterena mety hoentin’ny fitandremana isan’andro dia miteraka tarehin-javatra izay matetika no mandiso fanantenana ny voakasika rehetra. “Hatramin’ny nikarakaranay an’i Neny, dia mihenjana kokoa aho”, hoy Anne, izay ny rafozambaviny dia voan’ny aretin’i Alzheimer. “Indraindray aza dia tsy manana faharetana aho ka miteny amim-pahasiahana amin’i Neny, rehefa avy eo dia mahatsiaro ho meloka aho.”
14, 15. Ahoana no mety hanampian’ny “fahendrena” sy ny “fahalalinan-tsaina” ‘hanorina’ fianakaviana?
14 Hoy Solomona: “Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.” (Ohabolana 24:3). Anne, ohatra, dia miezaka hahatakatra kokoa ny fahasorisorenan’ny rafozambaviny. “Manandrana mitadidy aho fa marary izy ka tsy fanahy iniany no anaovany toy izany.” Ambonin’izany, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka”. (Jakoba 3:2.) Koa rehefa mipoaka ny tsy fifanarahana, dia manehoa fahendrena amin’ny tsy fetezana ho voatarika hitana lolompo na ho sosotra (Efesiana 4:31, 32). Resaho amin’ny fianakaviana izany ary manandrama mitady fomba handaminana azy.
15 Afa-tsy izany koa, ny fahaiza-manavaka dia mahatonga ho afaka hifampiresaka (Ohabolana 25:11). Angamba somary sarotra amin’ny ray aman-dreny be taona iray ny mizatra amin’ny fanao ao an-trano. Na koa, noho ny fihenan’ny fahiratan-tsainy, dia sarotra aminy ny manaraka ny fihetsiketsehana. Amin’ny toe-javatra sasany, dia tsy misy fanafodiny afa-tsy ny fitenenana amin’ny fomba hentitra (jereo Genesisy 43:6-11). “Raha tsy nanara-maso ny reniko aho, hoy ny anabavy iray, dia ho nolaniany ny volany rehetra.” Etsy an-daniny koa, dia mihevitra ny loholona iray fa azony atao indraindray ny mampiasa ny firaiketam-pon-dreniny aminy. “Matetika, rehefa tsy azo atao intsony ny mampieritreritra, dia hoy fotsiny aho: ‘Neny a, ataovy izany mba hahafaly ahy fotsiny’, ary dia mihaino ahy izy.”
16. Nahoana moa ny lehilahy tia iray no tokony haneho “fahalalinan-tsaina”? Ahoana no mety hahatongavany amin’izany?
16 Koa satria ny vehivavy no mitondra ny andraikitra lehibe indrindra rehefa hoe hikarakara ray aman-dreny be taona iray, ny lehilahy iray dia maneho fahaiza-manavaka amin’ny fitandremana mba tsy ho trotraka izy eo amin’ny lafiny ara-tsaina, ara-batana na ara-panahy. Manambara toy izao ny Ohabolana 24:10: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” Ahoana no azon’ny lehilahy amelomana indray ny hafanam-pon’ny vadiny? “Rehefa tonga tao an-trano ny vadiko, hoy ny anabavy iray, dia misakambina ahy izy ary milaza amiko fa mankasitraka ahy tokoa izy. Raha tsy misy azy, dia tsy ho vitako.” (Efesiana 5:25, 28, 29). Afaka mianatra ny Baiboly sy mivavaka tsy tapaka miaraka amin’ny vadiny koa izy. Eny, na dia ao anatin’izany toe-javatra sarotra izany aza, dia afaka ‘mifampandroso’ ny fianakaviana iray.
Ny trano fitokanana
17, 18. a) Inona moa no fanapahan-kevitra tsy maintsy nataon’ny fianakaviana sasany? b) Amin’izany toe-javatra izany, inona no azonao atao mba hanampiana ireo ray aman-dreninao hizatra amin’izany fiainana vaovao izany?
17 Araka ny hevitry ny mpandinika ny fisehoan’ny fahanterana iray, “indraindray ny fianakaviana dia tsy manana fahaizana na fahafahana ara-bola hitanana [ray aman-dreny be taona] ao an-trano”. Hoy ny nambaran’ny lehilahy iray: “Ny vadiko izay nanandrana niahy an’i Neny efatra amby roapolo ora tao anatin’ny efatra amby roapolo ora, dia narary tamin’ny farany. Tsy nahita fanafodiny afa-tsy ny fametrahana an’i Neny tany amin’ny trano fitokanana izahay. Voatery nanao izany izahay, nefa nahavaky fo anay izany.”
18 Indraindray, amin’ny toe-javatra sasany, ny trano fitokanana dia manolotra ny fikarakarana tsara indrindra mety ho azo. Matetika anefa ny olona be taona apetraka ao amin’ireny trano ireny no very hevitra sy sorisorena; heveriny fa ariana izy. “Tamim-pahaiza-mandanjalanja, dia nohazavainay tamin’i Neny ny antony nahavoatery anay” hametraka azy tao amin’ny trano fitokanana iray, hoy ny nambaran’ny anabavy iray hantsointsika hoe Marguerite. “Zatra an’io trano io izy, ary mihevitra azy ho an’ny tenany izao.” Hampahery an’ireo ray aman-dreninao ny fitsidihana tsy tapaka mandritra ny vanim-potoana fanazarana ary hanaporofo ny fahatsoran’ny fitiavanao azy ireny (jereo II Korintiana 8:8). Raha vato misakana ny halaviran-toerana, dia tano ihany ny fifandraisana: mandefasa telefaonina, manorata ary mitsidiha ara-potoana ireo ray aman-dreninao (jereo II Jaona 12). Na dia izany aza, dia azo antoka fa ny fiainana eo amin’ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia misy tsininy. Aoka àry ianao ‘hahatsapa izay ilain’ireo ray aman-dreninao amin’ny ara-panahy’ (Matio 5:3, MN ). “Mitondra zavatra vita an-tsoratra ho an’i Neny izahay ary manandrana araka izay azo atao mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra ara-panahy”, hoy ny fanazavan’i Marguerite.
19. a) Inona no fitandremana tokony hataonao amin’ny fifidianana trano fitokanana iray sy amin’ny fomba fikarakarana ireo ray aman-dreninao? b) Raha manao betsaka araka izay azonao atao amin’ireo ray aman-dreninao ianao, inona no soa horaisinao avy amin’izany?
19 Ny Wall Street Journal dia nanao tatitra ny amin’ny fandinihana natao tamin’ny trano fitokanana enina amby efajato any Etazonia: “Ny roapolo isan-jato aminy dia noheverina ho mety hampidi-doza ary mihoatra ny antsasany no tsy nahafeno ireo fitsipika tsotra indrindra.” Mampalahelo fa tsy maningana velively akory io fandinihana io. Koa raha maniry hanankina ireo ray aman-dreninao amin’ny trano fitokanana ianao, dia fidio amim-pitandremana izany. Aoka ny tenanao mihitsy no handeha hizaha izany mba hahitana raha madio izy, voakarakara tsara, raha mahay ny mpiasa ao, raha feno hafanana ny rivo-piainana ao ary raha tsara ny sakafo. Araho akaiky araka izay azo atao ny fomba fikarakarana ireo ray aman-dreninao. Arovy izy ireny, ampio izy hisetra ireo tarehin-javatra sarotra ateraky ny fety na asa melohin’ny Soratra Masina, ohatra. Raha manao betsaka araka izay azonao atao ianao mba hahatonga ireo ray aman-dreninao handray soa amin’ny fikarakarana tsara indrindra mety hisy, dia hitsimbina ny tenanao amin’ny fahatsiarovana ho meloka mety hahazo anao raha tsy izany. — Jereo II Korintiana 1:12.
Ny sasany manome amim-pifaliana, ny hafa mandray amim-pifaliana
20. Nahoana moa no zava-dehibe ny ‘hanomezan’ny zanaka amim-pifaliana’?
20 “Sarotra izany, hoy ny vehivavy kristiana iray izay nikarakara ireo ray aman-dreniny. Tsy maintsy nahandro ny sakafon’izy ireo aho, nikarakara ny tokantranony, nizaka ranomaso, nanova ireo lamba firakony rehefa nandena tsy nahy izy.” “Izay rehetra nataonay ho azy ireo,” hoy ny vadiny, “dia nataonay tamim-pifaliana. Niezaka izahay mba tsy hampiseho tamin’ireo ray aman-dreninay mihitsy fa tsy fidiny ny nikarakaranay azy ireo.” (II Korintiana 9:7). Matetika ny olona be taona no tsy tia ny hampiana, tsy tiany ny ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. Zava-dehibe àry ny fihetsika asehonao.
21. a) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny andraisana amim-pifaliana? b) Nahoana moa no fahendrena ny hieritreretana ny fahanteran’ny tena?
21 Toy izany koa, zava-dehibe ny fihetsiky ny ray aman-dreny. Nanambara toy izao ny anabavy iray: “Na inona na inona nataoko ho an’i Neny, dia tsy ampy mihitsy.” Araka izany àry, aoka ireo ray aman-dreny hiezaka tsy hila voatsiary na hitaky zavatra be loatra. Moa ve ny Baiboly tsy milaza hoe: “Tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany”? Ny olona sasany dia mandanilany foana ny fananany ka rehefa avy eo dia manjary enta-mavesatra ho an’ireo zanany. Milaza kosa ny Ohabolana 13:22 hoe: “Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny.” Araka izay azo atao àry, dia tokony hoeritreretina ny fahanteran’ny tena amin’ny fitehirizam-bola sy amin’ny fanaovana fiantohana sasany. — Ohabolana 21:5.
22. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fiezahana ataontsika mba hikarakarana ireo ray aman-drenintsika be taona?
22 Marina tokoa ny nolazain’i Paoly rehefa nanambara izy fa ny fikarakarana ireo ray aman-dreny dia ‘famalian-tsoa’ azy ireny. (I Timoty 5:4.) Niaiky toy izao ny rahalahy iray: “Nikarakara ahy nandritra ny roapolo taona i Neny. Inona kosa no nataoko, raha ampitahaina amin’izany?” Aoka ny kristiana rehetra izay manana ray aman-dreny be taona hahatsiaro ho voatosika “haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony”, noho ny fahafantarana fa hamaly soa azy be dia be ilay Andriamanitra izay manome izao fampanantenana izao an’izay manaja ny ray aman-dreniny: “Ho maro andro [hianao] ambonin’ny tany.” — Efesiana 6:3.
Hevitra hotadidiana
◻ Ahoana moa, tamin’ny andron’i Jesosy, no nanandraman’ny sasany nandositra ny andraikiny teo anatrehan’ny ray aman-dreniny?
◻ Iza no tokony hikarakara ireo ray aman-dreny be taona, ary nahoana?
◻ Mety ho tojo fahasahiranana inona ianao rehefa tonga monina ao an-tranonao ny anankiray amin’ny mpianakavinao, ary ahoana no azonao iatrehana izany?
◻ Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa ny trano fitokanana no manjary ilaina, ary ahoana no azo anampiana ray aman-dreny hizatra ao?
[Sary, pejy 15]
Azo atao ny mamory filan-kevi-pianakaviana mba hiara-midinika ny amin’ny fomba hizarana ny fanampiana.
[Sary, pejy 17]
Raha manjary ilaina ny trano fitokanana, dia tsidiho tsy tapaka ireo ray aman-dreninao. Tena ilaina izany amin’ny fahasalamany ara-tsaina sy ara-panahy.