FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/9 p. 20-23
  • ‘Feno ny kapoakako’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Feno ny kapoakako’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ho aiza izahay?
  • Mbola namely indray ny loza
  • Ny fiarahabana saina
  • Ny Sekolin’ilay Fanjakana nanananay
  • Fitompoan-teny fantatra sy famalifaliana
  • ‘Feno ny kapoakako’
  • Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Izy Ireo!
    Mifohaza!—2012
  • Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza
    Mifohaza!—2004
  • Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/9 p. 20-23

‘Feno ny kapoakako’

Nataon’i Tarissa Gott

“NAHOANA no tsy maintsy nitranga izao?” Nampijaly anay mivady io fanontaniana io. Tao amin’ny kalesy fitondrana faty nitondra anay araka ny dian-tsoavaly, dia niampofo vatampaty kely izahay, ny an’ny zanako kely matin’ny aretin-kibo tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja. Tamin’izany fotoana izany, tamin’ny 1914, dia somary nahavery hevitra io aretina io. Zavatra mahatsiravina izany hoe tia zaza iray nandritra ny enim-bolana, nijery tamim-pahafinaretana ireo tsikiny voalohany, avy eo dia nahita ny fahafatesana naka azy an-keriny teo an-trotroanao! Torotoro ny foko.

Tao anatin’ireo andro nanjombona nanaraka izany, dia nitsidika anay ny reniko ary nampahery anay tamin’ny fanazavana taminay izay lazain’ny Baiboly momba ny fananganana ny maty. Nanohina mafy ny fonay izany. Endrey izany fampiononana ho an’i Walter vadiko sy ny tenako, rehefa nahafantatra fa ho afaka ny hahita indray an’i Stanley kelinay izahay!

Tsy vao voalohany no nandrenesako ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’izay. Tsy ela talohan’izay, ny raibeko dia nahazo ny boky telo voalohany amin’ny Etudes des Ecritures nataon’i Charles Russell. Izay novakiny tao, nampiana ny fianarany Baiboly, dia nanosika azy hitory. Ny klerjy, nisafoaka, dia nanakatona taminy ny varavaran’ny eglizy tao an-tanànany, Providence, any Rhode Island, Etazonia. Taorian’izany, ny reniko koa dia tsy nankany am-piangonana intsony; nefa kosa, niaraka tamin’ny raibeko, hatreo izy dia nanatrika ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Fa raha ny amiko, dia nahatsiaro ho tsy voakasiky ny fahamarinana firy aho tamin’izany fotoana izany.

Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonako aho, dia nanambady an’i Walter Skillings, ary nanorim-ponenana tao Providence izahay. Samy naniry fatratra ny hifanerasera tamin’olona tia ny Tenin’Andriamanitra izahay mivady. Tamin’ny 1914 izahay dia efa nanana zanakavavy enin-taona, Lillian, nefa taorian’ny nahafatesan’ny zanakay lahy kely vao nisy akony teo aminay ireo tenin-dreniko momba ny fahamarinana. Tamin’ny taona nanaraka, 1915, dia nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly batisa izahay sy Walter. Tamin’ny lohataona no nitrangan’izany, teo amin’ny moron-tsiraka teo akaiky teo; tamin’io fotoana io aho dia nanao akanjo ambony lava mainty nihidy hatreo amin’ny tendany sy ny loha tanany, izay tsy nisy nifandraisana mihitsy amin’ireo akanjo kely fitondra milomano ankehitriny. Tsy fomba fitafy teny amoron-dranomasina tamin’izay fotoana izay anefa izany: nomena manokana ho amin’ny batisa izany.

Fiolahana teo amin’ny fiainanay izany. Niasa ho an’ny fikambanam-barotra momba ny gaza sy ny herimbaratra tao an-tanànan’i Lynn i Walter. Tamin’ireo andron-dririnina namirifiry, dia nirahina ho any amin’ireo fiangonana izy indraindray mba hanala ny ranomandry tamin’ireo fantsona. Nanararaotra izany fotoana izany izy mba hanoratana teo amin’ny tabilaon’ny eglizy, andinin-teny nampiseho izay vakina ao amin’ny Baiboly momba ny tsy fahafatesana, ny Trinite, ny afobe... — Ezekiela 18:4; Jaona 14:28; Mpitoriteny 9:5, 10.

Ho aiza izahay?

Ny taona 1916 no nahafatesan’ny anadahy Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany; toa nirodana ny zavatra rehetra. Maro tamin’ireo izay hita ho natanjaka sy be fandavan-tena aoka izany ho an’ny Tompo tokoa no nanomboka niala tamin’izany. Nanjary niharihary fa tsy Jehovah sy Kristy Jesosy no narahin’ny sasany, fa olona iray.

Ny loholona roa izay nitondra ny kongregasionanay dia nanaraka antokon’olona mpanohitra iray ary tamin’izany mihitsy dia nilahatra ho anisan’ny kilasin’ny “mpanompo ratsy fanahy”. (Matio 24:48.) Tsy nilaza zavatra tsara na inona na inona ho anay izany; tsy maintsy niaiky anefa, ka izany dia nitana ny saina. Nieritreritra toy izao anefa aho: ‘Moa ve ity fandaminana ity tsy izay nampiasain’i Jehovah mba hanafahana anay tamin’ny fatoran’ny fivavahan-diso? Raha miala izahay izao, dia ho aiza? Moa ve amin’ny farany izahay tsy hanaraka olona?’ Tsy nanana antony mihitsy nanarahana ireo mpivadi-pinoana izahay, koa dia nijanona. — Jaona 6:68; Hebreo 6:4-6.

Mbola namely indray ny loza

Voan’ny gripa espaniola ny vadiko, ka nahafaty azy izany tamin’ny 9 janoary 1919, raha mbola tsy afa-nitsangana teo am-pandriana aho noho io aretina io. Sitrana tamin’ny gripa aho, nefa mafy tamiko ny tsy naha-teo intsony an’i Walter.

Rehefa maty i Walter, dia voatery niasa aho. Namidiko àry ny tranoko ary niara-nipetraka tamin’ny namana kristiana iray aho. Notehiriziko tany amin’ny rahavavy hafa iray tany Saugus, any amin’ny fanjakan’i Massachusetts, ireo fanako. Tatỳ aoriana, ny zanany lahy, Fred Gott, dia tonga vadiko faharoa, tamin’ny 1921 raha ny marimarina kokoa. Taorian’izany, tao anatin’ny telo taona, dia niteraka an’i Fred sy Shirley aho.

Ny fiarahabana saina

Tatỳ aoriana, rehefa nianatra i Fred sy Shirley, dia nipetraka ny zava-manahirana ny amin’ny fiarahabana saina. Ny fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tafiditra dia ny ‘fandosirana ny fanompoan-tsampy’. (I Korintiana 10:14.) Ny rahalahy tanora iray tao amin’ny kongregasionan’i Lynn dia tsy nety niarahaba saina sy nanao fianianana. Tao anatin’ny iray volana, dia ankizy fito tao amin’ny kongregasiona, anisan’izany Fred sy Shirley, no noroahina tsy ho any an-tsekoly.

Miaiky aho fa gaga ihany izahay nahita ireo zanakay nijoro toy ny nataony tany an-tsekoly. Marina fa nampianarinay azy ny fanajana ilay tany sy ny saina, ary nampianarinay azy koa ireo didin’Andriamanitra mibaiko ny tsy hiondrehana eo anoloan’ny sary sy ny sampy. Nalahelo ny fonay ray aman-dreny nahita ireo zanakay noroahina tsy ho any an-tsekoly. Kanefa noho ny toe-javatra niseho nanosika azy ireo ho amin’izany, dia hitanay fa ny fiandaniana tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fitsipi-pitondrantena tsara. Noho izany antony izany, rehefa nataonay ny fandanjalanjana, dia niaiky izahay fa nanao araka ny tokony ho natao ireo zanakay ka raha matoky hatrany an’i Jehovah izahay, ny zavatra rehetra dia hiasa ho an’ny fanaovana fanambarana ho an’ny anarany.

Ny Sekolin’ilay Fanjakana nanananay

Ny hany tokony ho fantatra izao dia ny hoe fianarana inona no horaisin’ireo ankizy. Nandritra ny fotoana kelikely izahay sy Fred dia niezaka hampianatra azy ireo tao an-trano tamin’ny boky rehetra nety ho azonay nangonina. Sarotra dia sarotra taminay anefa ny nanaraka fomba toy izany tamin’io taona io. Niasa manontolo andro tokoa ny vadiko, ary ny tenako nanasa lamba sy nipasoka mba hisy hohaninay hatramin’ny faran’ny herinandro. Ambonin’izany, dia tsy maintsy nikarakara ny zanako farany, Robert, izay dimy taona, aho.

Avy eo, tamin’ny lohataonan’ny 1936, Cora Foster, vehivavy kristiana tao amin’ny kongregasionanay sady mpampianatra nandritra ny 40 taona tao amin’ireo sekolin’i Lynn, dia noroahina satria tsy niarahaba saina ary tsy nanao ny fianianan’ireo mpampianatra fanao tamin’izany fotoana izany. Natao àry ny fandaharana mba hahatonga an’i Cora ho mpampianatra ireo ankizy noroahina tsy ho any an-tsekoly, ka hampiasaina ho Sekolin’ilay Fanjakana ny tranonay. Nentin’i Cora tao an-tranonay ny piano sy boky fianarana vitsivitsy ho an’ny mpianatra, ary ireo zazalahy lehibe indrindra dia nanamboatra birao tamin’ny kesika fasiana laoranjy sy tamin’ny “contre-plaqué”. Tamin’ny fararano nanaraka, ny sekoly dia nisokatra tamin’ny ankizy folo.

Robert, zanako faralahy, dia nahazo ny fianarany voalohany tamin’ny fanarahana ny ambaratonga voalohany tamin’ny Sekolin’ilay Fanjakana. “Talohan’ny hanombohana ny asa tao an-tsekoly, hoy ny fitadidian’i Robert, ny fianarana ny Sekolin’ilay Fanjakana dia nanomboka isa-maraina tamin’ny fanaovana fihirana; rehefa avy eo, dia nandany antsasa-kadiny izahay nianarana ny lesona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ho amin’ny herinandro manaraka.” Tamin’izany fotoana izany, ny Fikambanana dia tsy nanome ireo fanontaniana mifandray amin’ny fehintsoratra ao amin’ny lahatsoratra natao hianarana. Nankinina tamin’ny ankizy àry ny andraikitra hamorona ireo fanontaniana hapetraka amin’ny fandinihana ny lahatsoratra miaraka amin’ny kongregasiona.

Mpampianatra be fandavan-tena i Cora. “Fony aho voan’ny kohadavareny”, hoy ny fitantaran’i Robert, ka nakatona ny sekoly mandra-pahafak’io areti-mifindra io, dia “lasa nankany amin’ny mpianany rehetra tany an-trano ny anabavy Foster ka nanome azy ireo fampiasana”. Na dia tao aza ny fandavan-tenany, indraindray izy dia tsy maintsy nahita fotoan-tsarotra, satria nampianatra ankizy avy amin’ny fari-pahaizana roa ambin’ny folo samy hafa tao amin’ny efitrano fianarana iray ihany. Tamin’ny taona fahadimy farany nanaovana ny Sekolin’ilay Fanjakana tao an-tranonay, dia ankizy roa amby roapolo no nanatrika ny fianarana.

Fitompoan-teny fantatra sy famalifaliana

Tsy vitan’ny hoe niteraka vanim-potoam-pitsapana sy fihenjanana ny raharaha momba ny fiarahabana saina, fa nisy akony tao amin’ireo gazety sy tao amin’ny radiao koa izany. Nanjary nahazatra ny nahita mpaka sary nijoro teo anoloan’ny tranonay mba haka sary ankizy tonga tao amin’ny Sekolin’ilay Fanjakana. Maro tamin’ireo namanay, niseho ho sakaizanay tokoa teo aloha, no nanjary nankahala. Araka ny hevitr’izy ireny, dia nahatafintohina ny tsy netezan’ireo zanakay nitsaoka ny saina amerikana. ‘Rehefa dinihina, hoy izy ireo, moa ve tsy noho ny fanjakana no anananareo mofo eo an-databatrareo?’ Ny tsy takatr’izy ireo dia ny hoe raha tsy nisy ny fahamoram-panahin’i Jehovah dia tsy hisy ny mofo.

Ny hafa kosa anefa nahatakatra ny raharaha tafiditra ka nanohana anay. Rehefa tsy nety nividy zavatra tao amin’ny fivarotana niandraiketan’ny mpiandraikitra-prezidàn’ny kongregasionanay ny olona teny amin’ny manodidina, ny olona nanan-karena iray, tia ny fahafahana sivily, dia nividy ny ankamaroan’ny zava-pihinana tao amin’ilay magazay ary nizara izany maimaimpoana tamin’ireo rahalahy tao amin’ny kongregasiona.

Nilaina ny hiandrasana ny taona 1943, daty nanovan’ny Fitsarana tampony any Etazonia ny toerana notanany ny amin’ny raharahan’ny fiarahabana saina, mba hanomezan-dalana an’i Robert zanako hianatra tany amin’ny sekolim-bahoaka.

‘Feno ny kapoakako’

Toy inona moa ny fifaliako rehefa nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah i Robert ary natao batisa! Tany amin’ny fivoriamben’i Saint Louis izany, tamin’ny 1941. Tamin’io fivoriambe io koa ny zanako telo no nanana tombontsoa ho anisan’ireo tanora maro nizaran’ny rahalahy Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany maimaimpoana, anankiray tamin’ny boky Enfants.

Tamin’ny 1943, ny zanako lahimatoa, Fred dia niditra hanao ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory maharitra. Volana vitsivitsy monja anefa no naha-toy izany azy, satria nirehitra ny Ady Lehibe Faharoa ary teo amin’ny taona naha-voantso izy. Koa satria ny tafika nanda ny fangatahany ho afaka satria minisitra ara-pivavahana, dia nomelohina telo taona hotanana tao amin’ny tranomaizina federalin’i Danbury, tao amin’ny Fanjakan’i Connecticut, izy. Tafavoaka tao izy tamin’ny 1946; vao tamin’ny faran’io taona io izy dia niditra hanao ny asa manontolo andro tao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watch Tower ao Brooklyn (Etazonia). Rehefa avy nandany taona maromaro nahafinaritra tao izy, dia monina ao Providence miaraka amin’ny ankohonany izao ary mpiandraikitra ao amin’ny kongregasionany.

Tamin’ny 1951 koa i Robert dia nasaina ho ao amin’ny Betela ka mbola ao foana ankehitriny, miaraka amin’i Alice vadiny. Mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona iray any New York koa izy.

Farany dia tao Shirley malalako, izay nijanona teto an-trano. Mandra-mahafatin’ny vadiko tamin’ny 1972, dia nikarakara anay mivady izy; taorian’izany izy, dia nampahery ahy foana. Tena tsy fantatro izay ho nataoko raha tsy nisy azy, ary misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanehoany fitiavana sy fandavan-tena lehibe toy izany.

95 taona aho izao, kanefa mbola mafy tsy misy toy izany ny fanantenako ny fandehan-javatra nampanantenain’i Jehovah. Indraindray dia mahatratra ny tenako mieritreritra toy izao aho: “Raha mbola mba nananako mantsy ny heriko taona maro lasa izay!” Tsy afaka mandeha isan-trano intsony aho; kanefa, raha mbola misy lela koa aho, dia hanohy hidera an’i Jehovah. Mbola mamiko ihany io tombontsoa io mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny fiainako. Eny, ‘feno ny kapoakako’. — Salamo 23:5.

[Sary, pejy 21]

Ny Sekolin’ilay Fanjakana natao tao an-tranonay nandritra ireo taona telopolo.

[Sary, pejy 23]

Tarissa Gott miaraka amin’i Robert, Shirley sy Fred.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara