Mifikitra hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah aho
Nataon’i John Barr
VOLANA jona 1986 isika izao; tonga eo amin’ny dingana farany amin’ny fitsidihana ny taniko aho, handao an’i Glasgow mba ho any Aberdeen. Raha mbola nisidina avo teo ambonin’ny ambanivohitra ekose lalovan’ny onin’i Clyde miolakolaka sy tony ny fiaramanidina, ny eritreritro dia nitondra ahy an-tsaina ho any amin’ny valopolo taona lasa, any Bishopton, tanàna kely iray miorina any an-dohan’ny ony any ho any.
Tao no nanomboka namaky ilay bokin’i Charles Russell, Le divin plan des âges, ny renibeko, Emily Jewel, tamin’ny 1906. Nampahiratra ny masony ny vakiteny nataony: tsy azo lavina fa tsy mampianatra ny foto-pampianarana momba ny afobe ny Baiboly. Tsy ela koa ireo zanany vavy roa lehibe, Bessie sy Emily (izay tonga reniko), dia nahita ny hazavan’ny fahamarinana nampisava ny zavona izay nandentehan’ny Fiangonana malalaka nampiraisina tao Ecosse azy. Tamin’ny 1908, dia natao batisa nenibe mba hanambarana ny voadiny hanompo an’Andriamanitra, ary tsy niandry ela dia nanahaka azy koa ireo zanany vavy.
Nanana andraikitra tao amin’io Fiangonana tao Bishopton io ny raiko; Sarotra taminy hatramin’izay ny nanaiky ny fampianarana ny amin’ny Trinite; koa nanolotra hevitra ny hanao toriteny manokana ho azy àry ny minisitry ny fanompoam-pivavahana indray alahady. Tsy afaka nahita zavatra tsara kokoa noho izany izy! Ny fanazavana sarintsariny nataony, dia nampiaiky ny raiko ny amin’ny fahadisoan’io fampianarana io. Nandao ny Fiangonana izy ary natao batisa tamin’ny 1912 mba hanaporofoana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Fotoana fohy tato aoriana, ny ray aman-dreniko sy ny zanany roa voalohany, Louie sy James, dia nifindra ho any Aberdeen, any avaratra kokoa, izay toerana nahaterahako tamin’ny 1913.
Nanomboka ny fidinany mankeny amin’ny havoana sy renirano ary lohasaha toeran’ny fahazazako izao ny fiaramanidina. Mbola variana tao anatin’ireo fahatsiarovako tamin’izany fotoana izany aho, ary indrindra, fa ny fiezahana nataon’ny ray aman-dreniko mba hitaizana anay, ny rahalahiko, ny anabaviko ary ny tenako, tao “amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [fanabeazana ara-tsain’i Jehovah, MN ].” (Efesiana 6:4.) Amin’izao maraina mahafinaritra nampibaliaka ny masoandro izao, dia isaorako Jehovah nanome ahy ray aman-dreny toy izany. Fantatro fa matoa aho mifikitra hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia nanampy tamin’izany ny fanabeazana azoko.
Ny vidin’ny fanabeazana atomboka aloha be
Nahaforona fianakaviana sambatra sy tafaray foana izahay. Raha sendra nitranga ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny raiko sy ny reniko, dia niezaka ny tsy hampiseho izany taminay mihitsy izy ireo. Tamin’izany dia tsy vitan’ny hoe nampianatra anay ny fanajana ny ray aman-dreny izy ireo, fa nanao ny tokantranonay ho fialofana nisy filaminana sy fiadanana koa.
Ny fahatsiarovana tsara indrindra tamiko, dia ireo takariva nolanianay niaraka. Nahay niala voly tamin’izay kely izahay, ohatra tamin’ny fihirana miaraka tamin-javamaneno, na tamin’ny fanaovana kilalao iarahan’ny maro toy ny Monopoly. Ankoatr’izany, na be na kely ny asan-draiko, dia tsy nohadinoiny mihitsy ny nanokana fotoana isan’andro na saika isan’andro ho anay, hamakiana mafy ny Baiboly na ireo bokin’ny Fikambanana, na boky hafa koa izay manala voly na maotina kokoa. Noho izany rehetra izany, dia nitombo tao anatin’ny fianakaviana tafaray akaiky izahay.
Tamin’izany fotoana lavitra izany, dia izahay irery no fianakaviana “tao anatin’ny fahamarinana” tany avaratr’i Ecosse. Noho izany, dia tonga fantatr’ireo mpitety faritany nalefan’ny Fikambanana Watch Tower tsara ny tokantranonay (nantsoina hoe “pèlerins” izy ireny tamin’izany), anisan’ireny Albert Lloyd, Herbert Senior ary Fred Scott. Ny sasany toa an-drahalahy Van Amburgh sy Macmillan aza, dia tonga avy tany amin’ny foiben’ny Fikambanana, any Brooklyn (Etazonia) mihitsy. Ny fitsidihan’izy ireny dia samy marika nanoritra ny fahazazako.
Ankehitriny dia mbola isaorako ireo ray aman-dreniko noho ny nahaizany nampiseho fitiavana fampiantranoam-bahiny, ka izany dia nanatsara ny toetry ny fiainam-pianakavianay ary nanampy ahy, na dia mbola kely aza aho, hahafantatra tsara kokoa ny fianakaviana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy. Betsaka tokoa no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiforonan’ny firaisana feno fitiavana sy mafana eo amin’ireo zanany sy io fianakaviana maneran-tanin’ny mpirahalahy io.
Zava-misakana iray tokony horesena
Teo am-piandohan’ny fotoana naha-zatovo ahy dia nanjary nihasaro-kenatra sy tsy dia be teny aho. Arakaraka ny fandehan’ireo taona dia vao mainka sarotra tamiko ny manatona ny hafa sy manombo-dresaka taminy. Nanembantsembana ahy tokoa tamin’ny lafiny maro izany tahotra izany, indrindra fa rehefa tokony haneho ny finoako tamin’ny fanambarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana aho.
Tatỳ aoriana kelin’ny Ady Lehibe Voalohany dia ny renibeko sy ny reniko no tonga Vavolombelona voalohany tao Aberdeen nandray anjara tamin’ny fanompoana isan-trano. Izahay ankizy kosa, dia nizara taratasy mivalona. Kanefa rehefa hoe handeha hitsidika ny olona any an-tranony kosa, dia ... zavatra hafa izany! Nitaky fiezahana be izany! Tamin’ny farany anefa dia vitako ihany ilay izy. Tsy hohadinoiko haingana mihitsy ilay alahady tolakandron’ny novambra 1927, rehefa nanambara tamin-draiko fa hiaraka aminy any amin’ny asa isan-trano aho. Voalohany no nahitako ranomaso nitsororoka teo amin’ny takolany — ranomasom-pifaliana izany!
Loza iray nampivarahontsana ahy
Enina ambin’ny folo taona aho rehefa nitranga ny loza iray nanapaka ny fiadanam-pianakavianay, ny 25 jona 1929. Teo am-piafaran’ny androm-pitoriana iray, dia nody faingana tany an-trano niaraka tamin’ny anabaviko ny reniko, hanomana ny sakafo hariva ho an-draiko, raha voasinton’ny moto iray tampoka izy, izay nirimorimo mafy ary notaritaritiny teo amin’ny efapolo metatra teo. Lehibe tokoa ny ratra tamin’ny lohany, ka nahina ny fiainany. Noho ny fikarakarana tamim-pitandremana nataon’i Louie anabaviko azy nandritra ny volana maro anefa, dia velona ihany izy. Tsikelikely, dia nanana fiainana azo atao hoe ara-dalàna indray izy, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1952.
Nahatonga ahy haka fanapahan-kevitra lehibe io loza io: nandinika tamim-pahamaotinana ny fiainako sy izay nampiasako izany aho. Nanomboka tamin’io fahavaratra io ihany aho, dia nianatra ny Baiboly lalina kokoa noho ny nataoko teo aloha; noraisiko am-po ny fahamarinana. Izany no fiolahana lehibe indrindra teo amin’ny fiainako, satria nanolo-tena ho an’ny fanompoana an’i Jehovah aho. Voatery niandry taona vitsivitsy anefa aho vao nanana fahafahana hampiseho io voady io tamin’ny batisa tao anaty rano.
Ny fanompoana manontolo andro
Rehefa nahavita ny fianarako aho tamin’ny 1932, dia nanaraka fiofanana momba ny fanamboarana milina sy ny elektrisite. Tamin’izany fotoana izany tany Grande-Bretagne, dia tsy namporisihina loatra toy ny amin’izao fotoana izao ny tanora mba ho tonga mpitory maharitra, na mpanompo manontolo andro. Na izany aza, rehefa nandeha ny taona, dia tsapako hoe aiza no tokony handaniako ny heriko: ao amin’ny fanompoana manontolo andro.
Tamin’ny fiandohan’ny 1938, dia nianatra foto-kevitra iray izahay izay tsy ho voakosoka na oviana na oviana ato amin’ny fitadidiako; nanantitrantitra izy io ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifikirana hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny fampiharana manokana ireo toromarika omena. Ireo lahatsoratra voaresaka, nalaina avy tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, dia nanazava izay rehetra niaretan’i Jona noho izy nandositra ny asa nanirahana azy. Noraisiko ho ahy ny lesona ka nanapa-kevitra aho ny tsy handa na oviana na oviana izay mety ho fanendrena avy amin’ny Fandaminan’i Jehovah. Mbola tsy fantatro mihitsy fa niandry ahy ny andraikitra teokratika maro izay hisedra ny fahatapahan-kevitro.
Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hitarihany ahy, ka tonga tamin’ny alalan’ny taratasy iray nitondra ny fitomboka avy any Londres ny valiny avy aminy: taitra tokoa aho nahalala fa nasain’ny sampan’ny Fikambanana aho, mba ho tonga mpianakavin’ny Betela. Noraisiko faingana ny fahafahana hiditra tamin’ny varavarana lehibe izay nisokatra tamin’ny tombontsoam-panompoana lehibe kokoa hatrany. Tamin’izany no niarahako niasa teo anilan’i Harold King tamin’ny aprily 1939, izay tatỳ aoriana dia notendrena ho misionera tany Chine, avy eo dia notanana noho ny fitoriana ka nogadraina nandritra ny taona maro tao anatin’ny fonja kaominista iray. Ny asanay dia ny fanambàrana fônôgrafy, izay hampihainoan’ireo mpitory isam-baravarana toriteny natao an-kapila.
Tianay sy Harold ny maka sary an-tsaina ny karazan’olona hihaino ny hafatr’ilay Fanjakana amin’ny alalan’ireny milina natambatray ireny. Tamin’izany fomba izany, dia tsy nanadino mihitsy ny zava-kendren’ny asanay izahay. Hatreo, dia niezaka nitana izany fomba fijery izany foana aho tamin’ireo asa rehetra nankinina tamiko tao amin’ny Betela. Noho izany dia mitondra fahafinaretana marina ho ahy ny asako ary heveriko ho sarobidy foana izany raha ampitahaina amin’ny asa fitoriana ny Fanjakana.
Tombontsoam-panompoana
Taoriana kelin’ny nahatongavako tao amin’ny Betelan’i Londres, dia notendrena ho mpanompon’ny antokon’olona (mpiandraikitra-prezidà no ilazana azy amin’izao fotoana izao) teo amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory 200 mahery aho. Teo aloha dia efa niantsoroka an’io andraikitra io aho, fa tao amin’ny kongregasiona iray zara raha nisy mpitory folo! Avy eo dia nanankinana ny fanamafisam-peo aho nandritra ny fivoriambem-pirenena nahafinaritra iray natao tao Leicester tamin’ny 1941. Hatreo aho dia tsy mbola nanana afa-tsy fanandramana voafetra ny amin’ny fanamafisam-peo.
Tatỳ aoriana dia notendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany tamin’ny naha-mpanompon’ny rahalahy aho, ka izany dia mifanitsy amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ankehitriny. Enina monja no isan’ireo mpanompon’ny rahalahy tany Grande-Bretagne, raha vao nanomboka ny asan’izy ireo tamin’ny janoary 1943. Tokony ho iray volana ihany ny faharetan’ny fanendrena ahy, nefa dia nitsidika ireo kongregasiona nandritra ny telo taona mahery aho tamin’ny farany. Nandritra ireny taona nampahory nisian’ny Ady Lehibe Faharoa ireny, dia tsy maintsy nandamina fivoriambe lehibe telo aho — zavatra izay tsy mbola nataoko tamin’ny fiainako mihitsy.
Tamin’izany fotoana izany, ny asan’ny mpitety faritany dia tena samy hafa amin’izay misy amin’izao fotoana izao. Teny an-dalana foana izahay; nefa ny fitetezana an’i Grande-Bretagne nandritra ny fotoan’ny ady dia sarotra tokoa tamin’ny fotoana sasany. Nihoatra ny indray mandeha aho no voatery nanao am-bisikileta ny tapany tamin’ny lalana mampisaraka kongregasiona iray amin’ny hafa. Ho solon’ny fitsidihana kongregasiona iray isan-kerinandro toy ny amin’izao fotoana izao, raha kely ireo kongregasiona dia nitsidika hatramin’ny enina tamin’izy ireny tao anatin’ny herinandro iray izahay!
Indro ohatra ny amin’ny fandaharam-potoana amin’ny andro iray: nifoha tamin’ny 5 ora sy sasany, avy eo dia nisakafo maraina aho ary niainga ho any amin’ny kongregasiona manaraka. Amin’ny 8 ora aho, dia tokony ho efa eo am-pandinihana ny antontan-taratasy. Ny tolakandro amin’ny ankapobeny, dia natokana ho an’ny fitoriana. Farany, ny hariva, dia nitarika fivoriana naharitra adiny iray niaraka tamin’ireo mpanompon’ny kongregasiona aho, avy eo dia nanao lahateny ho an’ny kongregasiona iray manontolo aho. Nahalana raha matory alohan’ny amin’ny 11 alina aho, na mihoatra izany aza, rehefa tsy maintsy manoratra ny tatitra isan’andro momba ilay kongregasiona aho, ny harivan’iny ihany. Ny alatsinainy no natokako mba hamenoana ireo tatitra tamin’ny herinandro, hianarana manokana sy hanomanana ny asako rehetra ny herinandro manaraka.
‘Fandaharam-potoana feno tokoa’, hoy angamba ianao. Marina fa izany tokoa; nefa valisoa toy inona moa ny mahatsapa fa nanatanjaka ny rahalahy tamin’izany fotoan’ny ady izany, izay tsy nahafahana foana nifandray akaiky tamin’ny fandaminana! Amin’ny heviny tena ara-bakiteny dia nanana fahafahampo nanampy ny kongregasiona ‘hihanahery finoana’ izahay. — Asan’ny apostoly 16:5.
Fiverenana tao amin’ny Betela
Nantsoina hiverina tao amin’ny Betela indray aho ny aprily 1946. Faly noho izany aho, nefa araka ny hevitro ireo telo taona sy tapany tamin’ny fanompoana fitetezam-paritany dia nanatsara ny fiainako ara-panahy. Fantatro tsara kokoa ny fandaminana sady nahatsapa aho fa nanao izay voasoratra amin’ny teny ara-panoharana toy izao, ao amin’ny Salamo 48:12, 13: “Manodidìna an’i Ziona hianareo, ary mandehana manodidina azy, isao ny tilikambony. (...) Diniho ny tranon’andrianany.” Noho ny fifandraisako matetika kokoa tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia nitombo ny fitiavako ny “fianakavian’ny rahalahy rehetra”. — I Petera 2:17, MN.
Rehefa niverina tao amin’ny Betela aho, dia nanankinana tapany lehibe tamin’ny fanontam-pirinty, avy eo tatỳ aoriana, ny fanamboarana ireo metaly. Tamin’ny septambra 1977, dia nandray ny tombontsoa lehibe ho anisan’ny mpikambana amin’ny Kolejy Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary noho izany dia hanainga ho eto Brooklyn, Etazonia.
Ekeko fa indraindray teo anoloan’ny fahasarotan’ny andraikitra sasany nankinina tamiko, dia naniry ‘handositra’ aho. Nefa tamin’izany dia notadidiako indray Jona sy ny fahadisoana nataony, ka naverimberiko tamin’ny tenako indray ity fampanantenana kanto hita ao amin’ny Salamo 55:22 ity: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” Azoko lazaina noho ny fanandramana, fa marina ireo teny ireo!
Jehovah dia tsy mitaky mihitsy ny hanaovantsika zavatra izay fantany fa mihoatra ny herintsika. Kanefa noho ny heriny ihany no ahafahantsika manatanteraka izay takiny amintsika. Zavatra hafa iray koa: raha tianao marina ireo rahalahy miara-miasa aminao, dia hanohana anao izy, ka hiara-miasa aminao “amin’ny firaisan-kina [soroka iray, MN ]” mba hanampiana antsika hitondra ny entantsika. — Zefania 3:9.
Fisakaizana sarobidy
Marina fa misy rahalahy kristiana sasany foana ananantsika firaiketana manokana. Tamiko dia nisy an’i Pryce Hugues, izay nodimandry tamin’ny 1978. Ny tantaram-piainany dia navoaka tao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 15 novambra 1963. Nandritra ny taona maro dia izy no mpikarakara ny sampana, ary taty aoriana dia anisan’ny Komitin’ny sampana. Ny rahalahy tany Grande-Bretagne dia tia azy lalina noho ny fanajana lehibe nananany tamin’ny fandaminan’i Jehovah sy ny fahatokiany teo anatrehany, ary noho ny fitiavana nasehony tamin’ny rahalahy. Teo koa ny fitiavany ny fitoriana. Tsy nihena tao aminy mihitsy ireo toetra ireo, na inona na inona andraikitra niantsorohany. Ny fiarahana tamin’ny rahalahy mahatoky toa an’i Pryce dia nahazoako zavatra be dia be ka nanatanjaka ahy tamin’ny fahatapahan-kevitro hifikitra foana amin’ny fandaminan’i Jehovah sy hiasa hatrany ao amin’ny fanompoana.
Ny 29 oktobra 1960, dia namatotra fifandraisana tena sarobidy tamin’ny anabavy iray, be zotom-po sy mpitory maharitra efa ela aho, misionera tamin’ny kilasin’i Gileada faha-11, izay tany Irlande tamin’izay. Tamin’io andro io tokoa dia nampakatra an’i Mildred Willett aho, ary hatramin’izay dia nanampy ahy tamim-pahatokiana tamin’ny fanompoana tao amin’ny Betela foana izy.
Talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1965, ny renin’i Mildred dia nanoro hevitra an-janany mba tsy “hialona an’i Jehovah” mihitsy. Koa satria nitadidy an’ireo teny ireo izy, Mildred dia tsy latsaka mihitsy tao amin’ny tsy fahafaliana mahita ahy matetika manao ora fanampiny. Tamin’izay dia nanampy ahy betsaka tamin’ny fahafahako nanaiky an-tsitrapo izay rehetra asa fanampiny izy. Niara-niaina fotoana tsy azo hadinoina izahay tao amin’ny fanompoana.
Ohatra, nampianatra tovolahy iray sy ny vadiny izahay, ka nanao fandrosoana izy ireo hatramin’ny fanolorana ny fiainany ho an’i Jehovah, sy ny fanaovana batisa ary ny fandraisana anjara tsy tapaka tamin’ny fitoriana. Nifaly noho izany ery izahay! Kanjo tampotampoka avy eo, tsy nisy antony niharihary, dia nitsahatra tsy nanatrika ireo fivoriana izy ireo. Fahadisoam-panantenana ho anay sy Mildred tokoa izany! Notadiavinay foana izay tsy nety amin’ny fampianarana nataonay. Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hanokafany ny fony ihany, hanaporofoan’izy ireo ny fitiavany ny fahamarinana. Alao sary an-tsaina àry ny hafalianay rehefa naharay taratasy avy tamin’io rahalahy sy anabavy io izahay, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana! Niverina niasa indray izy ireo ary nampiantrano fianarana ny boky tao aminy.
Will, ilay lehilahy, dia nanoratra hoe: “Iriko ny hisaotra anareo noho ny fanampianareo sy ny fiheverana feno fitiavana nasehonareo taminay (...). Raha solafaka aho, dia fahadisoako izany; tsy nanana fomba fijery marina ny zavatra aho (...). Faly tokoa izahay tafaverina indray ao amin’ny fandaminan’i Jehovah (...). Fahatsiarovana tsara be dia be no miverina ato an-tsaiko raha manoratra ho anareo aho izao hariva izao. Enga anie Jehovah hanohy hitahy ny fanompoana ataonareo ho azy.”
Tao amin’ny taratasiny koa, ny reny iray dia niresaka taminay ny amin’i Mike zanany lahy: “Fahasambarana tokoa ny nametrahan’ny anjely azy hipetraka teo anilanareo!” Inona no tiany holazaina? Fotoana sasany teo aloha, Mike dia niaraka tamin-dreniny sy ny zandriny lahy tao amin’ny fivoriambe iray, nefa tsy dia liana loatra tamin’ny fahamarinana. Voamarik’i Mildred ilay tovolahy nitokantokana ka nifanakalo hevitra taminy izy. Nasainay izy sy ny rahalahiny avy eo hijery izay nataonay tao amin’ny Betelan’i Londres.
Tatỳ aoriana dia namaly ny fanasanay i Mike; izay hitany, dia ampy nanairana ny fahalianany mba hanohizany mianatra ny Baiboly. Ary tatỳ aoriana indray? Ankehitriny dia loholona ao amin’ny kongregasionany izy; ny vadiny sy ny zanany roa lahy, dia mpitory marisika daholo. Tsy ela izay, ny vadiny dia nanoratra ireto teny ireto taminay: “Noresahiny Mike taminay matetika ny nihaonany taminareo (...). Nanohina azy tokoa ny hatsaram-panahinareo sy ny fiheverana nasehonareo taminy!”
Rehefa maharay fanehoam-pankasitrahana izahay mivady avy amin’ny olona izay noraisinay ho tombontsoa ny fanampiana azy, toa an’i Will na i Mike, ny fonay dia diboky ny fisaorana an’i Jehovah. Valisoa tsy hay tombanana tokoa ireny “epistily filazan-tsoa” velona ireny, sady antom-pifaliana raisina rehefa mifikitra amin’ny Fandaminan’i Jehovah ny tena. — II Korintiana 3:1-3.
Ao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana
“Firenena iray mahavita tena”. Tamin’ireo teny ireo no nilazalazan’ny mpiandraikitra ny fanoratana ny gazety mivoaka isan’andro iray tao Brooklyn Heights, ny amin’ny fianakaviamben’ny Vavolombelona mihoatra ny 3 500, izay monina ao amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ao Brooklyn izany, ao anatin’ny Fanjakan’i New York, na ao amin’ny Toeram-piompiana sy fambolen’ny Fikambanana izay any amin’ny 160 kilaometatra any avaratr’io Fanjakana io ihany. Tsy azo lavina fa mahaforona firenena ara-panahy iray eo imason’i Jehovah ireo voahosotra! Ankehitriny dia vahoaka betsaka avy amin’ny firenena maro eto amin’ity izao tontolo izao ity no tonga sy milaza amin’ireo anisan’io firenena io hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” — Zakaria 8:23; I Petera 2:9.
Takatrao ve izao ny hafanam-po tsapanay mivady, rehefa renay fa ho anisan’izany fianakaviamben’ny Betela izany tanteraka izahay? Tsy misalasala aho milaza fa ireo valo taona farany no tsara indrindra tamin’ny fiainako amin’ny maha-kristiana. Ao amin’ny Betela no andrenesana ny fitepon’ny fon’ny fandaminana hita mason’i Jehovah; ao no omanina ny sakafo ara-panahy izay alefa any amin’ny vazan-tany efatra; ao no hita miasa ny fanahin’i Jehovah izay mitarika sy manoro lalana ireo izay tokony hanao fanapahan-kevitra lehibe; farany dia ao koa, ary tsy any amin’ny toeran-kafa mihitsy, no ahitana eo ambany maso ny porofo misavovona fa mitahy ny asa fitoriana ny Fanjakana sy fanangonana ny mpianatra Jehovah. Izay rehetra niainako tao tamin’izao fotoana faramparany izao, ny fihetseham-po rehetra nandalovako dia samy famporisihana ho ahy mba hifikitra akaikikaiky kokoa hatrany ihany amin’ny vahoakan’i Jehovah.
Tsy nanome anareo afa-tsy fahitana fohy ny amin’ny fiainako aho teto. Nefa tsapanareo tsara kokoa ny hoe nahoana aho, raha teo am-pitodiana tao Aberdeen izahay tamin’ity maraina mibaliakan’ny jona ity, no velom-pankasitrahana an’i Jehovah aoka izany mbola anisan’ny fianakaviana maneran-tanin’ny rahalahy ampiraisin’ny fitiavana. Ny fotoana rehetra nisidinana, dia nolaniako tamin’ny fitadidiana ireo taona naha-tao anatin’ny fahamarinana ahy, ka mbola nampahatsiahy ahy indray mandeha izany, fa tsara ny mieritreritra indraindray ny amin’ireo fitahiana azontsika avy amin’i Jehovah. — Salamo 40:5.
Louie anabaviko dia nandray ahy teo am-pidinako ny fiaramanidina — mahatoky foana, be zotom-po sy mahafoy tena hatramin’ny enimpolo taona mahery nanompoany an’Andriamanitra izy. Izy koa dia fitahiana hafa iray ho ahy, izay hisaorako an’i Jehovah; moa tokoa ve ny apostoly Paoly tsy nilaza fa ny fahatokiana no tadiavin’i Jehovah ao amin’ireo “mpitandrina” rehetra? (I Korintiana 4:2.) Amin’ny maha-mpianakavy iray anay, dia mifamporisika betsaka izahay amin’ny fijanonana ho mahatoky.
Nanao izao vavaka izao i Mosesy indray andro: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” (Salamo 90:12). Raha mbola mandroso fahalehibeazana izahay sy Mildred, dia mahatsapa foana ny ilàna ny ianteherana amin’ny fahendren’i Jehovah, mba ho fampisehoana ny fitiavanay azy sy ny rahalahy ny fiainanay. Amim-pitiavana Jehovah dia manoro antsika ny lalana raha mifikitra amin’ny fandaminany isika.
[Sary, pejy 28]
John Barr (eo anoloana ankavia) tany amin’ny 1930, miaraka amin’ny anabaviny, ny rahalahiny sy ireo ray aman-dreniny.
[Sary, pejy 31]
John Barr ankehitriny miaraka amin’i Mildred vadiny.