Mahafindra tendrombohitra ny finoana!
GINA ny vahoaka. Vao avy nitondra ny zanany lahy voan’ny androbe teo anatrehan’ireo olona noheverina fa afaka hanasitrana azy ny ray iray. Midobodoboka ny fon’ireo mpitazana eo am-piandrasana fanasitranana iray. Sasa-poana anefa izy ireo satria tsy nisy na inona na inona nitranga! Nanomboka niverina ilay ray, diso fanantenana.
Indro anefa fa niseho i Jesosy avy tany Nazareta narahin’ny lehilahy telo. Nihazakazaka nanatona azy ilay ray ka nitalaho hoe: “Mamindrà fo amin’ny zanako-lahy, fa mararin’ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ny afo, ary matetika ao amin’ny rano. Ary nitondra azy tamin’ny mpianatrao aho fa tsy nahay nahasitrana azy izy.”
“Ento atỳ amiko izy”, hoy Jesosy. Inona no hataony? “Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’izay ora izay.” Fahagagana iray koa izany! Nahoana anefa ireo mpianatr’i Jesosy no tsy afaka nanao na inona na inona?
Manome antsika ny antony Jesosy: “Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany.” Dia nanohy toy izao izy: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho hainareo atao.” — Matio 17:14-20.
Mampiseho miharihary io fitantarana tena marina io fa mahery ny finoana. Fa inona marina tokoa moa ny finoana? Azo atao ve ny mamboly sy manatanjaka azy io? Marina ve fa mahafindra tendrombohitra izy io?
Inona no atao hoe finoana?
Ny apostoly Paoly dia namaritra ny finoana ho “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana [na porofo mampiaiky] ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1.) Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny finoana dia porofo mampiaiky ny amin’ny zavatra tsy hita maso. Tsy miorina amin’ny honohono fotsiny izy io fa amin’ny fototra mafy; amin’izay lafiny izay izy dia miavaka amin’ny fetezana hinohino zavatra foana. Ny diksionera dia mamaritra ny finoanoam-poana ho toy ny “fahatokiana mora foana, indrindra, zavatra tsy marim-pototra na azo antoka”. Mifanohitra amin’izany kosa fa izay manana ny finoana dia manana fanorenana mafy mba hanohanana ny zavatra inoany. Araka izany, dia afaka manazava aminao izy ny antony inoany mafy fa hitranga ny zavatra toy izao na izao. Ilay ray voatonona tetsy aloha dia niaiky, noho ireo porofo, fa afaka nanasitrana ny zanany lahy i Jesosy. Porofo inona avy izany? Ireo fahagagana nataon’i Jesosy hatramin’ny roa taona mahery ary nahatonga ny lazany hiely saika nanerana an’i Palestina. — Lioka 7:17; Jaona 10:25.
Nofaritana koa ny finoana ho “ny taratasy milaza fananana zavatra mbola antenaina.” Ny lehilahy iray izay mividy tany any lavitra any ary manana ny taratasy milaza ny fananany azy, dia manana porofo mampiaiky fa misy io tany io ary izy tokoa no tena tompony, na dia mbola tsy nahita izany mihitsy aza ny tenany. Toy izany koa, izay manana finoana dia afaka manome porofo azo tsapaina ny amin’ny zavatra inoany. Ohatra, aoka hataontsika hoe mino mafy izy fa Jehovah dia hanorina ny tena fiadanana etỳ ambonin’ny tany amin’ny alalan’ny Fanjakany. Io olona io dia tsy maintsy manana porofo fa misy Andriamanitra, manana ny hery, ny faniriana sy ny fahendrena ilaina mba hitondrana ny fiadanana izy, ary nanendry ilay Fanjakana ho amin’izany antony izany. Ireo porofo voalaza dia tokony ho ampy fahamafisana mba hampiaiky, tsy ny tenan’ilay manam-pinoana fotsiny, fa ireo olon-kafa izay mety ‘hanontany azy ny amin’ny anton’ny fanantenany’ fiadanana koa. — I Petera 3:15.
Mahafindra tendrombohitra ny finoana
Misy fanontaniana mipetraka anefa: ‘Te-hilaza ve Jesosy fa izany karazana finoana izany dia mahafindra tendrombohitra ara-bakiteny?’ Angamba nihevitra izany Jesosy ankoatra ny zavatra hafa; kanefa matetika izy no miteny an’ohatra (Matio 13:34). Raha izany no izy dia azo inoana fa Jesosy dia nampahatsiahy ny amin’ireo vato misakana izay lehibe aoka izany hany ka hita ho toy ny tendrombohitra ho an’ny mpino. Raha ny marina ny teny hoe “tendrombohitra” dia manondro matetika habetsahan-javatra, ohatra ao amin’ny fitenenana hoe “asa misavovona toy ny tendrombohitra”. Ankehitriny, maro no afaka manamarina, satria niaina izany ny tenany, fa ny tena finoana dia afaka mamindra na manaisotra vato misakana izay mitovy habe amin’ny tendrombohitra.
Ohatra, tsy tendrombohitra iray ve ny fahalemena tanteraka? Izany tokoa. Tany Vancouver anefa, ny Kanadiana iray malemy rantsambatana efatra dia nianatra nanao hoso-doko na tamin’ny alalan’ny borosy izany na tamin’ny alalan’ny antsy kely izay hazoniny amin’ny vavany, ary mivelona amin’ny fivarotana ireo sary hoso-doko vitany izy. Ambonin’izany, ny finoany dia manosika azy hizara amin’ny hafa izay nianarany tao amin’ny Baiboly. Mba hanaovana izany dia mbetika izy mandeha amin’ny seza mikisaka, mbetika izy manoratra taratasy amin’ny milina fanoratana amin’ny fikapohana ny fitendrena tsirairay amin’ny hazo kely izay hazoniny amin’ny nifiny. Ankoatra izany dia manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary manao famelabelarana ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Ny ohatra omeny eo amin’ny finoany, eo amin’ny asa mafy sy eo amin’ny fikirizana dia fampaherezana ho an’ireo rehetra manodidina azy.
Ny hafa koa nanovo fanampiana tao amin’ny finoan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fampanantenany. Aoka hotononintsika ireo izay nomen’ny finoana hery mba hiala amin’ny fahazarana na fomba fanao tsy kristiana toa an’ireo hafetsena ara-barotra mampiahiahy, ny halatra, ny fampiasana paraky na sigara, ny filokana, ny fimamoana, ny spiritisma, ny faharatsiam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fanompoam-pivavahan-diso. Ny zavatra iombonan’ireo olona rehetra ireo dia ny nahazoan’izy ireo porofo mampiaiky fa misy Jehovah Andriamanitra, ny Baiboly no Teniny voasoratra, ary farany, fa ireo fampanantenany velabelarina ao amin’ny Soratra masina dia azo antoka sady tsy maintsy ho tanteraka. Izany karazana finoana izany dia tena afaka mamindra tendrombohitra tokoa.