FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/10 p. 15-20
  • Mitaky asa ny vavaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitaky asa ny vavaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony itakian’ny vavaka asa
  • Ohatra vitsivitsy tamin’ny andro taloha
  • Ny ohatra nomen’i Jesosy
  • Aoka hampiharintsika io fotopoto-pitsipika io
  • Ny vavaka sy ny fanambarana ataontsika
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ireo vavaka mahazo valiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/10 p. 15-20

Mitaky asa ny vavaka

“Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” — OHABOLANA 15:29.

1. Inona moa no fepetra tokony hofenointsika raha tiantsika ny hihainoan’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika?

IZAY rehetra takin’i Jehovah dia mifanaraka amin’ny fahendrena sy ny rariny ary ny fitiavana. Tena tsy mavesatra tokoa ny didiny (I Jaona 5:3). Toy izany koa ny amin’ireo fotopoto-pitsipika mifehy ny vavaka. Ohatra, Jehovah Andriamanitra dia mitaky ny hifanarahan’ny fiainantsika amin’ny vavaka ataontsika. Tokony hankasitrahany ny fitondrantenantsika. Raha tsy izany, ahoana no azontsika anantenana ny hihainoany ny hataka sy ny fitalahoana ataontsika?

2, 3. Araka ny asehon’ny tenin’Isaia sy Jeremia ary Mika, nahoana moa no tsy nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataon’ny Isiraelita?

2 Izany dia lafiny iray amin’ny vavaka ataon’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsirambina, toy ny nataon’ireo Isiraelita nivadi-pinoana tamin’ny andron’Isaia. Izany no antony nanambaran’i Jehovah toy izao tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho (...). Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara.” (Isaia 1:15-17). Raha naniry handray soa tamin’ny fankasitrahan’Andriamanitra tokoa ireny Isiraelita ireny, dia tokony hanao zavatra amin’ny fomba ankasitrahany. Araka ny nisy nilaza tsara tokoa, “raha tianao ny hihainoan’Andriamanitra anao rehefa mivavaka ianao, dia tokony hihaino azy ianao rehefa miteny izy”.

3 Noheverin’i Jehovah Andriamanitra imbetsaka fa tsara ny hampahatsiahivana ireo fahamarinana ireo ny vahoakany, dia ny Isiraely. Izany no amakiantsika toy izao: “Izay manentsin-tadìny tsy hihaino ny lalàna, ny fivavahany aza dia fahavetavetana” eo imason’Andriamanitra. “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” (Ohabolana 28:9; 15:29). Nitaraina toy izao noho ny amin’izany tarehin-javatra izany i Jeremia: “Nisarona rahona Hianao [Jehovah], ka dia voasakana ny vavaka.” (Fitomaniana 3:44). Tena tanteraka tokoa ilay faminaniana nambaran’i Mika ara-tsindrimandrin’Andriamanitra manao hoe: “Amin’izany, dia hitaraina amin’i Jehovah izy, nefa tsy hohenoiny; hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy araka ny faharatsian’ny nataon’ireo.” — Mika 3:4; Ohabolana 1:28-32.

4. Inona no mampiseho fa, na dia eo anivon’ny olon’i Jehovah aza, ny sasany dia tsy mahita ny ilàna hanaovan-javatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony?

4 Noho izany, dia ilaina ny hiainantsika mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika. Tena zava-dehibe tokoa ve ny hanantitranterana ny amin’io hevitra io amin’izao androntsika izao? Eny, ary izany dia tsy noho ny tarehin-javatra hitan’ny fivavahana lazaina fa kristiana fotsiny, fa noho izay nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah sasany koa. Tamin’ireo olona telo tapitrisa mahery izay nanambara ny vaovao tsara tamin’ny taona lasa, dia 37 000 no voaroaka satria tsy mendrika ny kristiana ny fitondrantenany. Io tarehimarika io dia mampiseho eo amin’ny iray isaky ny 80 amin’ny ara-keviny. Azo inoana tokoa fa ny ankamaroan’ireny olona ireny dia nivavaka, fara faharatsiny indraindray. Kanefa, moa ve izy ireny nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony? Azo antoka fa tsy izany! Nisy aza loholona vitsivitsy tao amin’ny asa manontolo andro hatramin’ny am-polony taona maromaro, nofehezina tamin’ny fomba isan-karazany. Tarehin-javatra mampalahelo re izany! Marina tokoa fa “izay manao azy fa efa mijoro tsara, aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo” ka hanao zavatra amin’ny fomba hahatonga ny vavaka ataony tsy hekena eo imason’ny Mpamorona azy. — I Korintiana 10:12.

Ny antony itakian’ny vavaka asa

5. Mba hihainoan’i Jehovah ny vavaka ataontsika, ahoana no tokony hanaporofoantsika ny fahatsorantsika?

5 Mba handrenesan’i Jehovah Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tsy vitan’ny hoe tokony ho madio eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena sy ara-panahy isika, fa tokony hanaporofo koa ny fahatsoran’ny vavaka ataontsika amin’ny fiasana ho amin’ny fahatanterahan’izay angatahintsika ao amin’ny vavaka. Tsy ao mba hisolo toerana ny fiezahana amim-pahamarinana sy fahiratan-tsaina akory ny vavaka. Tsy Jehovah no hanao ho antsika izay azontsika atao ho an’ny tenantsika amin’ny fampiharana amim-paharisihana ireo torohevitra voarakitra ao amin’ny Teniny sy amin’ny fanarahana ny fitarihan’ny fanahiny masina. Tokony hanana faniriana ny hanao izay rehetra azontsika atao amin’izany lafiny izany isika, mba hahitan’i Jehovah antony tokony hihainoana ireo vavaka ataontsika. Araka ny nolazaina tsara àry, dia ‘tsy tokony hangataka mihoatra noho izay mahavonona antsika ny hanao fiezahana aminy isika’.

6. Inona moa ireo antony roa tokony hivavahantsika?

6 Mety hanontany tena toy izao anefa ny olona sasany: ‘Inona no antony ivavahana raha tokony hanao zavatra aho mba hahatanterahan’izay angatahiko amin’ny vavaka?’ Misy antony tsara roa fara fahakeliny tokony hivavahantsika. Voalohany indrindra, amin’ny vavaka ataontsika, dia ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara rehetra; izy no Ilay manome ny fanomezana tsara sy tanteraka rehetra: ny masoandro, ny ranonorana, ny vanin-taona manome vokatra be, sy zavatra hafa maro koa (Matio 5:45; Asan’ny apostoly 14:16, 17; Jakoba 1:17). Manaraka izany, ny fahombiazan’ny fiezahantsika dia miankina amin’ny fitahian’i Jehovah. Araka ny vakintsika ao amin’ny Salamo 127:1: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miari-tory foana ny mpiambina.” Mandray izany hevitra izany koa ny tenin’ny apostoly Paoly voasoratra ao amin’ny I Korintiana 3:6, 7, manao hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.”

Ohatra vitsivitsy tamin’ny andro taloha

7, 8. a) Inona moa no fiovan-javatra tampoka teo amin’ny fiainan’i Jakoba, mampiseho fa takany ny amin’ny tokony hampiarahana ny vavaka amin’ny asa? b) Inona moa no ohatra omen’i Davida antsika ny amin’izany?

7 Ao amin’ny fitantarana maro, dia asehon’ny Soratra Masina amintsika fa ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah dia niasa ho amin’ny fahatanterahan’izay nangatahiny tamin’ny vavaka. Aoka isika handinika ohatra vitsivitsy niavaka tamin’izany toe-javatra izany. Koa satria Jakoba zafikelin’i Abrahama nahazo ny tsodrano nifamatotra tamin’ny fizokiana, dia nankahala azy mafy i Esao zokiny lahy (Genesisy 27:41). Rehefa afaka roapolo taona teo ho eo, fony nandao an’i Padana-Arama i Jakoba ka niverina ho any amin’ny tany niaviany niaraka tamin’ny ankohonana maro be sy andiam-biby maro, dia reny fa avy mba hitsena azy Esao. Nahatsiaro ny fahaviniran’ny rahalahiny i Jakoba ka nitalaho tamin’i Jehovah mba hiaro azy tamin’ny fahatezeran’i Esao. Nianina tamin’ny fanaovana vavaka anefa ve izy? Azo antoka fa tsy izany. Nandefa fanomezana be dia be ho eo alohany izy, satria hoy izy anakampo: “Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaiko ireo.” Ary dia izany no nitranga: rehefa tafahaona ireo mpirahalahy, dia namihina an’i Jakoba i Esao ka nanoroka azy. — Genesisy, toko faha-32, 33.

8 Manome antsika ohatra hafa iray koa i Davida raha ny amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ireo vavaka ataontsika. Rehefa naka an-keriny ny seza fiandrianany i Absaloma zanany lahy, ny anankiray tamin’ireo mpanolo-tsaina azy, Ahitofela, dia niandany tamin’i Absaloma. Noho izany, dia nivavaka mafy i Davida mba tsy hahomby ny torohevitr’i Ahitofela. Kanefa, tsy nanao afa-tsy ny nivavaka ve i Davida? Tsia, nandidy an’i Hosay, mpanolo-tsaina tsy nivadika taminy hatrany izy mba hiaraka amin’i Absaloma noho ny fikendrena ny hanao izay tsy hahombiazan’ny torohevitr’i Ahitofela. Ary dia toy izany tokoa ny fitrangan-javatra. Nanaraka ny torohevitra ratsy nomen’i Hosay azy i Absaloma ary nanda ny an’i Ahitofela. — II Samoela 15:31-37; 17:1-14; 18:6-8.

9. Ahoana moa no nampisehoan’i Nehemia fa takany ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka?

9 Mety ho ohatra ho antsika koa ny hita tamin’i Nehemia. Tokony hanao izay hahatomombana fanatanterahan’javatra lehibe i Nehemia: ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema; nisy fahavalo maro niray tetika hanohitra azy anefa. Araka ny azontsika vakina, dia tsy vitan’ny hoe nivavaka izy, fa nanao zavatra koa: “Dia nivavaka tamin’Andriamanitray izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman-alina.” Nanomboka tamin’izay fotoana izay, ny antsasaky ny zatovon’i Nehemia dia nivonona ny hiaro ny antsasany hafa, dia ireo izay nanorina ny manda. — Nehemia 4:3, 10 [4:9, 16, MN ].

Ny ohatra nomen’i Jesosy

10, 11. Ohatra inona avy no mampiseho fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony i Jesosy?

10 Nanome antsika ohatra tsara dia tsara i Jesosy Kristy raha ny amin’ny fiasana ho amin’ny fahatanterahan’ireo vavaka ataontsika. Nampianatra antsika mba hivavaka toy izao izy: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Ary dia nanao izay rehetra azony natao i Jesosy mba hahatonga ireo izay nihaino azy hanamasina ny anaran’ny Rainy. Toy izany koa, Jesosy dia tsy nianina tamin’ny filazana hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” (Jaona 12:28). Nanao izay rehetra azony natao kosa izy mba hankalazana ny anaran’ny Rainy sy mba hanarahan’ny hafa azy ao amin’izany lalana izany. — Lioka 5:23-26; 17:12-15; Jaona 17:4.

11 Rehefa hitan’i Jesosy fa nila zavatra ara-panahy aoka izany ireo mponina nifanehatra taminy, dia hoy izy tamin’ireo mpianany: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra [Jehovah Andriamanitra] mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Nijanona tamin’izany fananarana izany fotsiny ve i Jesosy? Tsy izany velively! Taorian’izany avy hatrany, dia naniraka tsiroaroa ireo apostoliny roa ambin’ny folo izy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny asa fitoriana na “fijinjana”. Tatỳ aoriana, dia mpitory ny filazantsara fitopolo lahy no hirahiny any amin’ny saha ara-panahy. — Matio 10:1-10; Lioka 10:1-9.

Aoka hampiharintsika io fotopoto-pitsipika io

12. Ahoana moa no tokony hiheverantsika ny asa ao anatin’ny faritry ny vavaka angatahantsika amin’Andriamanitra ny hanintsika isan’andro?

12 Mazava fa antenain’i Jehovah Andriamanitra ny hanaovantsika zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, ka izany dia porofon’ny fahatsorantsika. Nilaza tamintsika i Jesosy mba hivavaka hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” (Matio 6:11). Ara-drariny àry raha manao izany tahaka izany amin’Andriamanitra ny mpianany rehetra. Kanefa, moa ve isika manantena ny hihainoan’ny Raintsika any an-danitra izany vavaka izany, kanefa ny tenantsika tsy manao zavatra amin’izany lafiny izany? Azo antoka fa tsy izany. Izany no antony amakiantsika toy izao: “Ny fanahin’ny kamo maniry [ka asehony amin’ny vavaka angamba izany], fa tsy mba mahazo.” (Ohabolana 13:4). Manome hevitra sahala amin’izany ny apostoly Paoly ao amin’ny II Tesaloniana 3:10: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” Koa satria isika mivavaka mba hahazoana ny hanina isan’andro, dia tokony haniry hiasa koa isika. Aoka homarihintsika fa nanambara tamim-pahendrena i Paoly fa izay “tsy mety miasa” dia tsy tokony hihinana. Ny sasany maniry hiasa, nefa angamba tsy manana asa, marary na be taona loatra. Vonona ny hiasa izy ireny, kanefa tsy afaka manao izany. Ara-dalàna àry ny hivavahan’izy ireny mba hahazoana ny haniny isan’andro sy hanantenany ny handray izany.

13. Inona no tokony hataontsika mba hihainoan’i Jehovah ny vavaka angatahantsika aminy ny fanahiny masina?

13 Nanoro hevitra antsika koa i Jesosy mba hangataka tamin’ny Rainy any an-danitra ny fanahiny masina. Manome toky antsika izy fa Andriamanitra dia maniry kokoa ny hanomezany antsika ny fanahiny masina noho ny olombelona manolotra zavatra tsara ho an’ireo zanany (Lioka 11:13). Kanefa, afaka manantena ny hanomezan’i Jehovah Andriamanitra antsika ny fanahiny masina amin’ny fomba mahagaga ve isika, tsy misy fiezahana mihitsy avy amintsika? Tsy izany velively! Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hahazoana izany. Tsy vitan’ny hoe tokony hivavaka isika, fa tokony hamahan-tena tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra koa. Nahoana? Satria tsy manome antsika ny fanahiny masina Jehovah Andriamanitra raha tsy mihevitra ny Teniny isika. Afa-tsy izany koa, dia tsy afaka manantena ny hahazo ny fanahy masina isika raha tsy manaiky ny mpanalalana eto an-tany ampiasain’i Jehovah amin’izao androntsika izao, dia “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, manana ho solontena ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha tsy misy ny fanampian’izany “mpanompo” izany, dia tsy ho afaka hahazo ny hevitr’izay vakintsika ka hampihatra izany isika. — Matio 24:45-47.

14, 15. a) Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hihainoan’i Jehovah ny vavaka ataontsika aminy mba hangatahana fahendrena? b) Ahoana no anamarinana izany toe-javatra izany amin’ny ohatra hita tamin’i Solomona mpanjaka?

14 Ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka, dia mihatra koa amin’ireto tenin’i Jakoba mpianatra, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, ireto: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5; Matio 13:55). Kanefa, moa ve amin’ny alalan’ny fahagagana no anomezan’Andriamanitra izany fahendrena izany? Tsia. Tokony hanana toe-tsaina tsara aloha isika, satria “mampianatra ny mpandefitra ny làlany izy”. (Salamo 25:9.) Ary ahoana no ampianaran’Andriamanitra ny “mpandefitra”? Amin’ny alalan’ny Teniny. Hitantsika indray ny ilàna hanao fiezahana mba hahatakarana sy hampiharana ny Tenin’Andriamanitra, araka ny asehon’ny Ohabolana 2:1-6 hoe: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao (...) dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena.”

15 Nampiharina ve ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra i Solomona mpanjaka mba hanome fahendrena azy ka nihaino tamin’ny fomba mahagaga ny vavaka nataony Andriamanitra? Eny, nihatra tamin’izany toe-javatra izany koa io fotopoto-pitsipika io, satria, tamin’ny naha-panjakan’ny Isiraely azy, dia nanana adidy i Solomona hampanao kopian’ny Lalàna, hamaky izany isan’andro ka hampihatra azy amin’ny fiainany. Na dia izany aza, rehefa nanomboka nanao zavatra nifanohitra tamin’ireny fitsipika ireny i Solomona, ohatra, tamin’ny fampitomboana ny isan’ireo vadiny sy ny soavaliny, dia tsy nifanaraka tamin’ny vavaka nataony intsony ny asany. Noho izany, dia nanjary mpivadi-pinoana i Solomona ary maty “adala”. — Salamo 14:1; Deoteronomia 17:16-20; I Mpanjaka 10:26; 11:3, 4, 11.

16. Fitantarana inona no mampiseho fa ireo vavaka tononintsika mba handresena fahalemen’ny nofo dia tokony hampiarahina amin’ny asa?

16 Ny fotopoto-pitsipika ilazana fa tokony harahina asa ny vavaka dia mihatra koa rehefa mangataka ny fanampiany amin’Andriamanitra isika mba handresena fahazarana iray mampiseho fitiavan-tena, izay sarotra amintsika ny miala aminy. Tamin’izany ny anabavy mpitory maharitra iray dia niaiky fa adalan’ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona izy: nijery tamin’izany isan’andro izy, nanomboka tamin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray, dia nandre lahateny iray nampiharihary ny fanimban’ireny zavatra alefa maloto ireny izy ka noresahiny tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka izany. Nila fotoana elaela anefa izy mba handresena an’io fahazaran-dratsy io. Nahoana? Mitantara toy izao izy: ‘Nivavaka mba handresena an’io fahazarana io aho, kanefa tsy nahasakana ahy tsy hijery ny televiziona izany. Tapa-kevitra àry aho ny hitory nandritra ny andro mba tsy ho voan’ny fakam-panahy. Farany, dia vitako ny namono ny televizionako ny maraina ka tsy namelona azy indray nandritra ny andro manontolo.’ Eny, ankoatra ny vavaka nataony, dia tsy maintsy nanao fiezahana izy mba handresena an’io fahalemena io.

Ny vavaka sy ny fanambarana ataontsika

17-19. a) Inona no manaporofo fa manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ohatra inona no manazava izany zava-misy izany?

17 Tsy mbola marina mihitsy toy ny eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka. Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia mivavaka mba hisian’ny mpamory ny vokatra bebe kokoa, kanefa miasa mafy koa izy ao amin’ny saha ara-panoharana. Noho izany antony izany dia tsapa hatraiza hatraiza ny fitomboana be dia be. Aoka haka ohatra isika: tamin’ny 1930, dia Vavolombelon’i Jehovah iray monja no nitory tany Chili; amin’izao andro izao, io Vavolombelona io dia tonga, tsy arivo, fa efa ho telo alina (Isaia 60:22). Avy amin’ny vavaka fotsiny ve izany vokatra izany? Tsia, satria nandray anjara be dia be tamin’izany ny asan’ireo Vavolombelona. Tamin’ny taona 1986 fotsiny tokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah any Chili dia nanokana 6 492 000 ora mahery tamin’ny fitoriana!

18 Azo atao koa ny milaza toy izany ny amin’ireo tany andrarana ny asa. Any koa, ny Vavolombelona dia tsy mianina amin’ny fivavahana mba hisian’ny fitomboana, satria miaina ao anatin’ny fiafenana izy ireny ary tsy mitsahatra ny mitory. Noho izany, na dia ao aza ny fanoheran’ireo fitondram-panjakana, dia mahita fitomboana ireny tany ireny. Araka izany, any amin’ny tany telo amby telopolo ahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah fanoheran’ireo manam-pahefana, dia 32 600 000 ora mahery no natokana ho amin’ny fitoriana tao anatin’ny taom-piasana 1986, ka izany dia mampiseho fitomboana mahafaly 4,6%.

19 Mazava ho azy fa mihatra amintsika isam-batan’olona koa ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka. Mety hivavaka amin’i Jehovah isika mba hanome antsika fampianarana Baiboly any an-tokantrano, kanefa tsy manao izay rehetra azontsika atao mba hahazoana izany. Jereo izay nitranga tamin’ny anabavy mpitory maharitra iray. Tsy nanana afa-tsy fampianarana Baiboly iray izy ka nivavaka mba hahitana hafa tamin’izany. Nianina tamin’ny vavaka ve izy? Nofakafakainy tamim-pitandremana ny fomba fitoriny ka tsapany izay tsy nety: rehefa niverina nitsidika ny olona izy, dia tsy nanipy hevitra tamin’izy ireny mihitsy mba hianatra ny Baiboly. Nataony izany ka vetivety izy dia nanomboka fianarana ny Baiboly roa hafa.

20. Ahoana no azo amintinana ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka?

20 Ho azo atao ny hahita ohatra maro hafa mba hanaporofoana fa mitaky asa ny vavaka, ho ampy ny hanovozana izany ao amin’ireo fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika na ny kongregasionantsika. Kanefa, ireo vao avy notononintsika dia mahatonga ho afaka hahatakatra mazava fa mitaky asa ny vavaka. Araka ny fandrindran-kevitra tanteraka izany fotopoto-pitsipika izany, satria tsy azontsika atao ny manantena ny hamalian’i Jehovah ireo hataka ataontsika raha manota aminy amin’ny fitondrantenantsika isika. Noho izany, raha tiantsika ny hanaovan’i Jehovah ho antsika izay tsy azontsika atao ho an’ny tenantsika, dia tokony hanao zavatra araka izay rehetra azo atao mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika. Tsy azo lavina fa voamariky ny fahendrena sy ny rariny ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah; araka ny hevitra mety izany, ka mba hahasambatra antsika no anarahantsika izany.

Tadidinao ve?

◻ Fepetra inona mahakasika ny vavaka moa no nataon’ny Isiraelita maro taloha tsirambina?

◻ Nahoana moa no tsy hoe mila voatsiary Andriamanitra rehefa mitaky ny hanaovantsika zavatra sy ny hivavahantsika ny amin’izay irintsika ho azo?

◻ Inona avy no ohatra tamin’ny andro taloha mampiseho amintsika fa niasa ho amin’ny fahatanterahan’izay nangatahiny tamin’ny vavaka ireo mpanompon’i Jehovah?

◻ Inona no tokony hataontsika mba hihainoan’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika aminy mba hahazoana ny fanahiny masina sy ny fahendrena?

◻ Ahoana no iharan’ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka, amin’ny fanompoantsika?

[Sary, pejy 17]

Nananatra ireo mpianany i Jesosy mba hivavaka ny amin’ny hisian’ny mpamory ny vokatra betsaka kokoa, kanefa naniraka azy ireny hitory sy ‘hamory ny vokatra’ koa izy.

[Sary, pejy 18]

Mivavaka mba hampihenana ny fijerena ny televiziona ve ianao? Ampiharo àry ny fotopoto-pitsipika ilazana fa mitaky asa ny vavaka amin’ny famonoana ny televiziona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara