FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/11 p. 15-20
  • Ry tanora, manao fandrosoana ara-panahy ve ianareo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry tanora, manao fandrosoana ara-panahy ve ianareo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Asehoy izany amin’ny fanekenao hatao batisa
  • Asehoy amin’ny fitondrantenanao izany
  • Asehoy amin’ny fianarana ny Baiboly izany
  • Asehoy ao amin’ireo fivoriana sy ao amin’ny fanompoana izany
  • Asehoy amin’ny fifandraisanao amin’ny olon-dehibe izany
  • Ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny kristiana hafa
  • Ry tanora, ahoana no hampiasanareo ny fiainanareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Ry Tanora — Inona no Katsahinareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/11 p. 15-20

Ry tanora, manao fandrosoana ara-panahy ve ianareo?

“Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’olona rehetra ny fandrosoanao.” — I TIMOTY 4:15.

1, 2. Midika, ary tsy midika inona moa ny hoe mandroso ara-panahy?

INONA moa no hevitry ny hoe mandroso ara-panahy? Izany dia milaza fanahafana an’i Jesosy sy Timoty, izay nanome ny toerana voalohany ho an’ny zavatra ara-panahy teo amin’ny fiainany. Raha manao fandrosoana ara-panahy ianao, dia ho fantatrao izay tianao hampiasana ny fiainanao. Tsy hilaza ianao hoe: ‘Hoeritreretiko am-pahamaotinana ny hanompo an’i Jehovah rehefa ho lehibe kokoa aho.’ Tsia, fa hanompo azy dieny izao ianao!

2 Amin’ny lafiny hafa, ny hoe mandroso ara-panahy dia tsy milaza fisehoana ho masina na hoe eo am-pototry ny boky lalandava. Tsy midika fakana endrika malahelo na ambony koa izany ary hoe tsy mba miala voly mihitsy miaraka amin’ny sakaizan’ny tena (Jaona 2:1-10). Jehovah dia Andriamanitra falifaly, ka iriny ny hahasambatra ny zanany etỳ an-tany. Noho izany dia azo atao ny manao fanatanjahan-tena na miala voly amin’ny antonony sady mahazo sitraka aminy. — I Timoty 1:11; 4:8.

Asehoy izany amin’ny fanekenao hatao batisa

3. Oviana moa, araka ny tena azo inoana, no natao batisa Timoty?

3 Rehefa miomana ho amin’ny batisa ny tanora iray, ka avy eo dia atao batisa tokoa, izany dia manondro fa mandroso ara-panahy izy. Raha toa, araka ny ieritreretana azy, ka latsaka ny roapolo taona Timoty rehefa nanomboka niaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny fanompoany tamin’ny naha-misionera, dia angamba izy natao batisa teo amin’ny antenatenan’ny fotoana naha-zatovo azy na talohan’izay. Nahazo fanabeazana araka ny Baiboly izy hatramin’ny fahazazany, koa rehefa ampy ny fahalalany sy ny fahatakarany zavatra, dia tsy nisalasala ny hatao batisa izy. — II Timoty 3:15.

4. Fanontaniana inona no napetraky ny lehilahy iray tamin’i Filipo, ary na dia vao avy nahafantatra momba an’i Kristy aza izy io, nahoana Filipo no nanome fahafahampo ny fangatahany?

4 Ary ianareo ry zatovo izay mahazo fampianarana araka ny Baiboly, moa ve efa mba nanontany tena ianareo hoe: “Inona moa no manakana ahy tsy hatao batisa?” Tamin’ny taonjato voalohany, io fanontaniana io dia napetraky ny lehilahy iray mahalala tsara ny Soratra Masina, nefa vao avy nahafantatra ny amin’ny maha-izy an’i Kristy. Marina fa mbola tsy nanana fahalalana feno ny fikasan’Andriamanitra izy, nefa dia nahatsapa fankasitrahana lalina noho izay fantany. Tsy nisy na inona na inona nanakana ny hanaovan’i Filipo mpianatra batisa azy àry. — Asan’ny apostoly 8:26-39.

5. Fepetra inona avy no tokony hofenoinao mba hahafahanao hatao batisa?

5 Inona no manakana anao tsy hatao batisa? Mba hahafahana mameno ny fepetra takina amin’izany dia mazava ho azy fa tokony ho fantatrao ny hevitra rehetra fonosin’ny batisa sady maniry amim-pahatsorana ny hanompo an’i Jehovah ianao satria tianao izy. Tokony hanolo-tena ho azy manokana koa ianao amin’ny alalan’ny vavaka. Ankoatr’izany, dia tokony hanaraka akaiky ireo fepetra ara-pitondrantena takin’Andriamanitra ianao ary hampahafantatra efa hatramin’ny fotoana sasany ny finoanao amin’ny hafa. Raha toa fenonao ireo fepetra ireo, dia iankinan’ny aina ny handrosoana kokoa mba hanekenao hatao batisa. — Matio 28:19, 20; Asan’ny apostoly 2:38.

6. Azo oharina amin’inona moa ny batisa, ary inona moa no tokony hanaraka izany?

6 Marina fa rehefa atao batisa ianao dia asehonao fa mandroso ara-panahy ianao, nefa tadidio fa vao fanombohana izany. Amin’ny fanoloranao tena ho an’i Jehovah, dia tonga mpivahiny eto amin’ity izao tontolo izao tranainy tapahin’i Satana ity ianao; toy ny hoe mametraka ny filatsahanao ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenain’Andriamanitra ianao, ary ny fotoan-dehibe amin’ny batisa dia mahaforona fampisehoana izany eo imason’ny vavolombelona (Jaona 12:31; Hebreo 11:13). Aorian’izany dia tokony tsy hivadika amin’ny fanoloran-tena nataonao tamin’Andriamanitra ianao mba hahazoana ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. — Romana 6:23.

Asehoy amin’ny fitondrantenanao izany

7. Inona moa no ifandraisan’ny fihetsikao eo anoloan’ireo zavatra fanaon’ity izao tontolo izao ity amin’ny fandrosoanao ara-panahy?

7 Ny fihetsikao eo anoloan’ireo zavatra fanaon’izao tontolo izao dia mampiseho raha toa mandroso ara-panahy ianao na tsia. Inona àry ireo zavatra ireo? Ankoatra ny zavatra hafa, fomba fiaina voamariky ny fanaranam-po, fampiasana zavatra mahadomelina, fijangajangana, sarimihetsika maloto, mozika mampietry, teny mahamenatra, dihy manaitaitra ny filan’ny nofo, fireharehana ara-pirazanana na ara-pirenena, ets... (I Jaona 2:16; Efesiana 5:3-5.) Ry tanora, tokony hitandrina indrindra ianareo. Aza hadinoina fa ny fihetsika arahinareo eo anoloan’ireny zavatra ireny dia mampiharihary ny toe-pahasalamanareo ara-panahy. — Ohabolana 20:11.

8. Nahoana moa no misalasala hatao batisa ny tanora sasany?

8 Ataon’i Satana izay hahatonga ny lalana tsy madion’izao tontolo izao ho mahasodoka ery. Ny zatovolahy iray 15 taona dia nilaza izao indray andro: “Arakaraka ny ampisehoana ny fahalotoana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy sy ny fampiasana zava-mahadomelina ao amin’ny televiziona no toa maha-ara-dalàna azy ireny eo amin’ny fitambaran’olona.” Tiana ny hampino ireo zatovo izay tsy manaraka ny lalan’izao tontolo izao fa lany andro izy ireo ary mihafy amin’ny zavatra mahafinaritra. Moa ve efa nahatsapa izany fihetseham-po izany ianao? Izany no nitranga tamin’ny tanora sasany izay mifanerasera amin’ny kongregasiona kristiana; misalasala àry izy ireny. Rehefa nanontaniana tokoa ny tanora iray raha mihevitra ny hatao batisa izy, dia izao no navaliny: ‘Tsy amin’izao fotoana izao satria mety hanao zavatra izay mendrika ny fandroahana aho.’ Kanefa, tsy afaka ny hanao boloky mihinam-boatseva ianao ka sady tia ny atsy no tia ny aroa. Nilaza ny mpaminanin’Andriamanitra iray indray andro hoe: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy, fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” — I Mpanjaka 18:21.

9. Voaro amin’inona moa ny tena rehefa mandroso ara-panahy?

9 Raha ny marina, izay rehetra afoinao amin’ny fanariana ny lalana maloton’izao tontolo izao, dia fijaliana be dia be. “Nitambesaran’ny nenina sy ny fahatsapana mahatsiravina fankahalana ny fiainana nananako aho, hoy ny fiaiken’ny vehivavy iray. Nanala baraka sy namitaka ny tenako sy ny zaza naterako aho.” Eny ny famirapiratr’izao tontolo izaon’i Satana dia tsy inona fa fisehoana mamita-maso fotsiny. Tsy misy vidiny mihitsy izany. Ny lalan’izao tontolo izao dia mitarika fananana anaka tsy ara-dalàna, tokantrano rava, aretin-dratsy eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy mifindra, fatiantoka sy loza mahatsiravina. Henoy àry ny torohevitra, manaova fandrosoana ara-panahy. ‘Aoka ianao hiala amin’ny ratsy ka hanao soa.’ — I Petera 3:11.

10. Famporisihana sy ohatra inona avy moa no harahin’ny tanora iray manao fandrosoana ara-panahy?

10 Ny zatovolahy na ny zatovovavy iray izay mandroso ara-panahy dia hanaraka izao famporisihana nataon’ny apostoly Paoly izao: “Raha amin’ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin’ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa.” (I Korintiana 14:20). Timoty tanora dia azo antoka fa nampihatra io torohevitra io. Azonao atao ve ny mieritreritra azy eo am-pitadiavana fiarahana amin’ny zatovo mpanaram-po amin’ny ratsy sy sakaizan’izao tontolo izao tamin’ny androny? Tsia dia tsia! Ny namany dia mpanompon’Andriamanitra tahaka azy (Ohabolana 13:20). Araho ny ohatra navelany. Raha sendra voan’ny fakam-panahy hanaraka fitondrantena mampisalasala ianao, dia manontania tena hoe: Hanao toy izany ve Timoty na Jesosy?

Asehoy amin’ny fianarana ny Baiboly izany

11. Zavatra inona avy moa no tsy hitan’ny zatovo manaraka an’izao tontolo izao, ary ahoana no mety hananana fomba fahitan-javatra mazava foana?

11 Ny lahatsoratra iray avy tany Italia ary navoaka tao amin’ny revio iray amin’ny teny anglisy (World Press Review) dia nanambara izao: “Ny fahadisoam-panantenana sy ny famoizam-pon’ny tanora dia mitombo isan’andro, ary tsy misy olona afaka manao izay hahatsinjovan’izy ireny ho avy mampahery.” Koa satria nohajambaina izy ireo, ny olona anisan’izao tontolo izao tapahin’i Satana dia tsy mahita an’izao tontolo izao vaovao ampanantenain’Andriamanitra na ny ho avy mahatalanjona atokana ho an’ireo olona mendrika hiaina ao (II Korintiana 4:4; Ohabolana 29:18; II Petera 3:13). Noho ny fianarany tsy tapaka ny Baiboly kosa, ny zatovo izay mandroso ara-panahy, dia manana fahitana izany zavatra izany mazava foana.

12. a) Mba hahazoana ny fahalalana an’Andriamanitra, amin’ny fomba ahoana no tokony hitadiavana izany? b) Nahoana no mendrika ny fiezahana atao hitadiavana azy io fahalalana io?

12 Tena izy aminao ve izao tontolo izao vaovao ampanantenain’Andriamanitra? Mety ho toy izany no izy, nefa tokony hanao fiezahana tokoa ianao amin’izany. Mila mampitombo faniriana mafy hahazo fahatakarana ny Baiboly ianao mba ‘hitadiavana azy toy ny fitady volafotsy ary hikatsahana azy mandrakariva toy ny fikatsaka harena afenina’. (Ohabolana 2:1-6.) Inona moa no manosika ny mpikaroka harena iray hisava sy hihady, indraindray mandritra ny taona maro? Ny faniriany mivaivay hahazo harena. Ary anefa ny fahalalana dia mbola sarobidy lavitra noho ny harenan’izao tontolo izao. “Izao no fiainana mandrakizay, hoy Jesosy, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Raha mino marina an’ireo tenin’i Jesosy ireo ianao, dia hianatra amim-pahazotoana ny Baiboly, ary izany dia hahitanao soa sarobidy lavitra noho ny vatosoa. — Ohabolana 3:13-18.

13. Fanipazan-kevitra inona avy momba ny fianarana moa no harahin’ny zatovo izay mandroso ara-panahy?

13 Ho hitanao fa arakaraka ny hianaranao no hitomboan’ny fahazotoanao homana ny sakafo ara-panahy. Manàna fomba fianarana tsara. Aza mianina amin’ny fanipihana ny valiny fotsiny, fa raiso ireo andinin-tenin’ny Baiboly voalaza, avy eo dia mitadiava andininy mitovy amin’izany, amin’ny fampiasana ny Baiboly misy fanamarihana. Azonao atao koa ny manao fikarohana fanampiny amin’ny alalan’ny Index an’ny Fikambanana. Fantaro hoe amin’ny ahoana ireo hevitra novelabelarina no mahakasika anao ary amin’ny fomba ahoana no azo ampiharana izany. Resaho amin’ny manodidina anao izay nianaranao. Izany dia hanoritra ao an-tsainao hevitra sasantsasany ka hamporisika ny hafa hanao fikarohana. Amin’ny fahazotoanao mianatra tokoa, dia hanaraka ity torohevitra nomena an’i Timoty tanora ity ianao: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — I Timoty 4:15; II Timoty 2:15.

Asehoy ao amin’ireo fivoriana sy ao amin’ny fanompoana izany

14. Inona no azonao atao mba hahatonga ireo fivoriana kristiana hahafinaritra kokoa aminao, ary amin’ny fomba ahoana no azonao amporisihana ny olon-kafa izay manatrika azy ireny?

14 Rehefa mianatra ny Baiboly amim-pahafinaretana ianao ary manomana tsara ireo fivoriana kristiana, dia hahafinaritra anao kokoa izany (Salamo 122:1; Hebreo 2:12). Mbola ho faly kokoa ihany ianao amin’ny fieritreretana ny handray anjara amin’ireo foto-kevitra aseho amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny sy amin’ny fanaovana famelabelarana ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Nefa any am-pivoriana dia mbola azontsika ampiharina amin’ny fomba hafa ny torohevitra milaza amintsika mba ‘hifananatra’ sy “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10:24, 25.) Ohatra, moa ve ianao mba mitari-javatra, amin’ny firesahana amin’ireo mpanatrika hafa? Ny fiarahabana amim-pisakaizana toy ny hoe “Manao ahoana! Faly aho mahita anao!” na ny fiheverana amim-pahatsorana miseho amin’ny hoe “Manao ahoana ny fahasalamanao?”, dia mety hampahery tokoa, indrindra raha avy amin’ny zatovo izy ireny.

15. Ahoana no azonao anolorana ny fanampianao mba hanao asa samihafa, ary nahoana no tsara ny hitadidiana ao an-tsaina ny ohatr’i Kristy

15 Betsaka ny asa tokony hatao eo anivon’ny kongregasiona iray. Ho azonao atao ve ny handray anjara amin’izany? Timoty tanora dia azo inoana fa nanampy tamin’ny fomba maro an’i Paoly — tamin’ny fanatanterahana iraka maika, fividianan-javatra, tamin’ny fanaterana taratasy, ets. Raha tsy efa nataonao izany, nahoana moa raha manatona an’ireo loholona mba hilaza aminy fa vonona ny hitondra ny fanampianao ianao? Angamba izy ireo hangataka anao hizara ireo anjara amin’ny fandaharan’ny fivoriana, hanadio ny efitrano na hanatanteraka asa hafa ilaina. Tadidio fa Kristy dia nanasa ny tongotry ny mpianany; noho izany dia tsy misy mihitsy asa tsy mendrika ho an’ny olona iray mandroso ara-panahy. — Jaona 13:4, 5.

16. Araka ny revio katolika iray, asa inona moa no tokony hotanterahin’ny kristiana?

16 Raha oharina amin’izay miseho ao amin’ireo fivavahana hafa, dia afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fampiofanana azontsika ao amin’ny faritry ny fivoriana kristiana. Izany dia manampy antsika hanatanteraka ny asa lehibe indrindra amin’ny hafa rehetra, dia ny fitoriana. Tao amin’ny revio U.S. Catholic tamin’ny septambra lasa, Kenneth Guentert dia nanao izao fanambarana izao: “Nihalehibe tamin’ny fotoana izay tsy namporisihana ny katolika amin’ny ankapobeny hamaky Baiboly ny tenako, sao hanana saina hafahafa izy ireo — ohatra, hihevitra izy ireo fa ny kristiana dia tokony handondòna isam-baravarana mba hanandrana hanova ny mpiara-belona aminy. Avy eo dia nisy ny Vatican II, ary nanomboka namaky Baiboly aho. Voatery niaiky aho: ny kristiana dia tokony handeha handondòna isam-baravarana mba hanandrana hanova ny mpiara-belona aminy.” Hoy ny nanampiny: “Tsy hoe mahafinaritra ahy akory izany hevitra izany; fa rehefa vakina ny Testamenta Vaovao, dia saika tsy azo atao ny hiala amin’izany famaranan-kevitra izany.” — Matio 10:11-13; Lioka 10:1-6; Asan’ny apostoly 20:20, 21.

17. Inona no azonao atao mba hahatonga ny fanompoana hitondra ho anao fifaliana bebe kokoa?

17 Eny, ireo kristiana voalohany dia nitory tamim-paharisihana isan-trano, ary azo inoana fa nisy zatovo toa an’i Timoty nandray anjara tamin’ny fanompoana niaraka tamin’ireo zokinjokiny. Kanefa dia tokony hekena fa tsy mahita an’io asa io ho ny mahafinaritra indrindra ny sasany ankehitriny. Inona no antony? Tafiditra amin’izany ny fahakingana azo. Moa ve tsy ahitana fahafinaretana kokoa ny manao kilalao na fanatanjahan-tena iray rehefa mpilalao mahay ny tena? Dia tahaka izany koa ny amin’ny fanompoana. Arakaraka ny hahaizanao mampiasa ny Baiboly sy hamelabelaranao foto-dresaka mora foana, no hahatonga ny fanompoana ho loharanom-pahafinaretana ho anao, indrindra rehefa hahita olona izay ho azonao ampitana ny fahalalana mamelombelona ao amin’ny Baiboly ianao. Manaova àry fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-panahy! Manaova fanazaran-tena amin’ny fampisehoana ny hafatra isam-baravarana. Mandraisa fanipazan-kevitra eo amin’ireo kristiana namanao. Mangataha ny fanampian’i Jehovah. — Lioka 11:13.

Asehoy amin’ny fifandraisanao amin’ny olon-dehibe izany

18. Karazana fifandraisana inona no tian’i Jesosy sy Timoty hananana tamin’ny olon-dehibe?

18 Raha mbola vao 12 taona Jesosy, dia nahita fahafinaretana nandany fotoana niaraka tamin’ny olon-dehibe mba hiresadresaka ny amin’ny zavatra ara-panahy tamin’izy ireny. Indray andro, ny ray aman-dreniny dia “nahita azy teo an-kianjan’ny tempoly, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy”. (Lioka 2:46.) Tahaka izany koa ny amin’i Timoty. Rehefa tonga tao Lystra ny apostoly Paoly sy ireo namany, dia azo antoka fa nankafy ny fiarahana tamin’izy ireo Timoty sady nihevitra tamim-pitandremana ny fampianarany. Nanana fifandraisana tsara tamin’ireo rahalahy teo an-toerana izy, ka natolotr’izy ireo tamin-kafanana. — Asan’ny apostoly 16:1-3.

19. Noho ny antony lehibe inona indrindra no nifidianan’i Paoly an’i Timoty ho mpiara-dia taminy, ary nanampy tamin’inona moa i Timoty?

19 Marina fa nanampy an-tsitrapo ny hafa tamin’ny lafiny ara-nofo Timoty, nefa matoa nifidy azy ho mpiara-dia taminy i Paoly, dia satria indrindra afaka nanome izay nilain’ny olona tamin’ny lafiny ara-panahy izy. Toy izany, rehefa noteren’ny vahoaka tsy tia azy handao an’i Tesalonika Paoly, dia naniraka an’i Timoty tanora izy hampahery sy hanatanjaka ireo mpianatra vaovao. Timoty àry dia tsy naniry hampianarin’ny olon-dehibe sy hiaraka aminy fotsiny, fa naniry hitondra ny tena fanampiana ara-panahy ho azy ireny koa izy. — Asan’ny apostoly 17:1-10; I Tesaloniana 3:1-3.

20. Inona no hataonao amim-pahendrena, ary asa inona avy no azonao atao ho an’ireo be taona?

20 Am-pahendrena, dia tahafo Jesosy sy Timoty amin’ny fanehoanao faniriana handray soa avy amin’ny fanandraman-javatra sy ny fahalalan’ny olon-dehibe. Tadiavo ny fiarahana aminy sady ametraho fanontaniana izy. Nefa asehoy koa fa mandroso ara-panahy ianao, amin’ny fitondrana ho azy ny fanampianao. Mahafantatra olona be taona na kilemaina ve ianao izay ho faly ny hanaovanao ho azy ireny fiantsenana sasany na asa hafa? Angamba ianao ho afaka hitsidika azy fotsiny mba hamaky zavatra aminy sy hizara aminy ny fifaliana azonao tany amin’ny fanompoanao.

Ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy ny kristiana hafa

21. Manao ahoana ny halehiben’ny anjara asan’ny ray aman-dreny, ary inona no tsy ampy mihitsy ny fanantitranterana azy?

21 Ny fahasalamana ara-panahin’ny zatovo dia miankina betsaka amin’ny fampianarana sy ny ohatra omen’ireo ray aman-dreniny azy (Ohabolana 22:6). Tia fivavahana ny ray aman-drenin’i Jesosy, ary tsy isalasalana fa nandray soa lehibe avy tamin’ny fitarihana nomen’izy ireo izy (Lioka 2:51, 52). Raha ny amin’i Timoty, dia azo antoka fa tsy ho tonga ilay tovolahy ara-panahy nahalalana azy izy raha tsy nobeazin’ny reniny sy ny renibeny (II Timoty 1:5; 3:15). Tsy ho ampy mihitsy ny fanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny hanomezana fampianarana araka ny Baiboly tsy tapaka ho an’ny ankizy! Ry Ray aman-dreny, moa ve izany no ataonareo? Sa manao tsirambina kosa ianareo amin’io lafiny io?

22. a) Rehefa mihevitra ho zava-dehibe ny fianarana Baiboly ireo ray aman-dreny, vokatra inona no entin’izany eo amin’ny ankizy? b) Fitarihana inona no tokony homen’ny ray aman-dreny kristiana ny zanany?

22 Tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanazava ny tovolahy iray fa ny fianarana Baiboly isan-kerinandro niaraka tamin’ny ankizy dia fahazarana foana tao amin’ny fianakaviany. “Indraindray dia reraka loatra i dada rehefa avy niasa ka sarotra taminy ny nifoha, nefa nanao ny fianarana ihany izy, ka izany tsy fahatapahana izany dia nanampy anay hahatakatra ny maha-maotina ny fianarana.” Ry ray aman-dreny, ho sarotra inoana ny hanomezan’ny zanakareo toerana lehibe ho an’ny zavatra ara-panahy raha toa ny tenanareo koa tsy manao torak’izany. Amporisiho izy ireny hametra ho zava-kendrena ny hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra, misionera na mpikambana ao amin’ny Betela. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fanompoana no raharaha misy antenaina amin’ny ho avy fa ny raharaha ivelan’ny fivavahana kosa dia tsy mitondra ho amin’ny lalana marina mihitsy. — Jereo I Samoela 1:26-28.

23. Ahoana no azon’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona hanampiana ny zatovo mba handroso ara-panahy?

23 Ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona dia afaka mitondra ny fanampiany mba hampandrosoana ny zatovo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Azonao raisina ho adidy ny miresadresaka amin’izy ireny aloha na aorian’ny fivoriana. Miezaha koa mampiditra azy ireny ao anatin’ny asa sasany ataonao. Ny loholona iray, ohatra, dia afaka manasa ny kristiana tanora iray, sady miera amin’ny ray aman-dreniny, hiaraka aminy any amin’ny kongregasiona hafa iray, izay tokony hanaovany lahateny, na hitsangatsangana miaraka (Joba 31:16-18). Ny zavatra iray toa kely indraindray dia mitondra vokany lehibe. Indray andro, raha nanao lahateny ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, dia nahamarika zazalahy kely izay nihaino azy tamim-pitandremana, nefa tsy nanana Baiboly; notolorany iray izy rehefa nifarana ny fivoriana. Voatohina ny fon’ilay zaza, tsy noho ny fanomezana fotsiny, fa noho ny fiheverana nasehon’io mpiandraikitra io taminy koa. Telopolo taona mahery tatỳ aoriana, rehefa tonga loholona koa ny tenany, dia mahatsiaro foana amim-pihetseham-po an’izany fiheverana feno fitiavana naseho taminy izany izy.

24. Inona moa no mahafaly ny mahafantatra azy, ary inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika?

24 Moa ve tsy mahafaly ny mahafantatra fa “zatovo tahaka ny ando ateraky ny maraina” ana hetsiny maro no mitory ny hafatra mamelombelon’ilay Fanjakana, ary fara fahakeliny zatovovavy mitovy isa amin’izany, no mahaforona ‘antokony lehibe mpilaza soa’? Enga anie izy rehetra hiezaka handroso ara-panahy, ary isika rehetra hanampy azy ireo amin’izany lafiny izany! — Salamo 110:3; 68:11.

Famerenana

◻ Inona moa no afaka hanampy ny tanora kristiana iray hamantatra hoe rahoviana no tokony hatao batisa izy?

◻ Ahoana moa no ahitana amin’ny fitondrantenan’ny tanora kristiana iray hoe hatraiza izy no nandroso ara-panahy?

◻ Inona moa no mety hanampy ny zatovo handray anjara amim-pahafinaretana amin’ireo fivoriana sy fitoriana?

◻ Fifandraisana manao ahoana no tokony hananan’ny tanora kristiana amin’ny mpikambana olon-dehibe ao amin’ny kongregasiona?

◻ Ahoana no azon’ny ray aman-dreny sy ny kristiana olon-dehibe anampiana ny zatovo?

[Sary, pejy 16]

Inona no manakana anao tsy hatao batisa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara