FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/12 p. 29
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Anaran’iza no Misoratra ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana”?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana” ve ny Anaranao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ao Anaty “Boky Fahatsiarovana” ve ny Anaranao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ambara fa marina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/12 p. 29

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Inona moa no atao hoe “bokin’ny fiainana” an’Andriamanitra, ary inona no tokony hataoko mba ho voasoratra sy voatahiry ao ny anarako?

Andinin-teny samihafa ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa Jehovah Andriamanitra dia manana “boky”, na “horonamboky”, izay anoratany ny anaran’ny olona mahatoky afaka manantena ny hahazo ny fiainana mandrakizay, any an-danitra na eto an-tany.

Avy any an-danitra, ilay Andriamanitra marina dia mahamarika ireo olona manam-pinoana mendrika ny hahazo sitraka aminy sy ho ao amin’ny fitadidiany. Izao no vakintsika ny amin’ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Malakia: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” — Malakia 3:16.

Hatramin’ny andron’i Abela, dia toa marihin’Andriamanitra, toy ny hoe manoratra ao amin’ny boky iray izy, ny olona azo avotana izay hotsarovany mba hanomezana azy ireny ny fiainana mandrakizay (Matio 23:35; Lioka 11:50, 51). Ireo kristiana voahosotra koa dia nanana ny anarany ‘voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana’, na boky fahatsiarovana. Izany dia hahatonga azy ireny hahazo ny fiainana mandrakizay; raha ny amin’izy ireo, izany dia ho fiainana any an-danitra (Filipiana 4:3; 3:14, 20). Nefa kosa, raha ny amin’ireo izay “gaga raha mijery ilay bibi-dia”, dia izao no ambaran’ny Apokalypsy 17:8: “Tsy voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” ny anarany.

Tsy hoe satria Andriamanitra tapa-kevitra ny hahatsiaro olona iray sy ny hankasitraka azy (hanoratra ny anarany “eo amin’ny bokin’ny fiainana”) dia hoe azony antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy, toy ny hoe voalahatra ny fiainany ka tsy afaka miova lalana intsony izy. Nanao izao hataka izao tamin’i Jehovah ho an’ny Isiraelita i Mosesy: “Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.” Namaly azy toy izao Andriamanitra: “Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.” (Eksodosy 32:32, 33). Eny, na dia taorian’ny nanoratan’Andriamanitra tao amin’ny ‘bokiny’ ny anaran’ny olona iray ankasitrahany aza, dia mety hanjary tsy hankatò io na handa ny finoany. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ‘hovonoin’Andriamanitra eo amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany’. — Apokalypsy 3:5.

Amin’izao fotoana izao, raha voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” na “boky fahatsiarovana” an’Andriamanitra ny anarantsika, dia tokony hanohy haneho finoana isika. Izany no fepetra takina mba hahavoatahiry ny anarantsika ao. Toy izany koa, ireo izay hatsangana amin’ny ‘fananganana ny tsy marina’ dia hanana fahafahana haneho finoana sy hanana ny anarany voasoratra ao amin’io boky io (Asan’ny apostoly 24:15, MN ). Ny olona voamarika toy izany dia ho afaka, amin’ny farany, hanao izay hahatonga ny anarany ho voasoratra eo foana mandrakizay. Toy izany ny amin’ireo kristiana voahosotra izay miseho ho “mahatoky hatramin’ny fahafatesana”. (Apokalypsy 2:10; 3:5.) Fa raha ny amin’ireo izay manana fanantenana ny hiaina eto an-tany, raha miseho ho tsy mivadika dieny izao izy ireny, avy eo dia mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy sy ao anatin’ny fitsapana farany raikitra hanaraka izany, amin’izay ny anarany dia hijanona mandrakizay ho “voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana”. — Apokalypsy 20:5-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara