Ny fomba hahazoana tena sakaiza
“NY HANY fomba hahazoana sakaiza iray dia ny hisehoana ho anankiray amin’izany”, hoy ny nosoratan’i Ralph Emerson, poeta amerikana. Tsy mandeha irery akory ny fisakaizana; mitaky ny fahavononan’ny tsirairay hanome izy. Ny olona mpitsetra ny tenany sy ireo izay manam-pironana ho tia tena dia sahirana mahazo tena sakaiza. Afaka ho tonga amin’izany anefa izy, araka ny ho hitantsika.
Miandoha avy amin’ny fitiavana ny tena fisakaizana, satria manintona ny fitiavana. Ary anefa sahirana ny sasany mampifamatotra fisakaizana. Ahoana no fomba hisetrana izany fahasahiranana izany?
“Mahaiza mihaino, hoy ny torohevitra nomen’i Dale Carnegie. Amporisiho ny hafa hiresaka ny amin’ny tenany.” Rehefa tafahaona ny olona tsy mifankahalala sasany, amin’ny fivoriana fialam-boly iray ohatra, iza moa ireo mahazo fisakaizana? Tsy ireo izay miteny tsy an-kijanona, fa ireo izay miahy ny hafa amin-kafanam-po, mitarika azy ireny hilaza ny heviny ary tena mihaino azy. Afaka ho tonga sakaizantsika ihany koa ireo olom-pantatsika raha tsaroantsika ny anarany na ireo tsipirian-javatra mahaliana mahakasika azy.
Ao amin’ny boky iray momba ny fifandraisan’olombelona (Fundamentals of Interpersonal Communication), Kim Giffin sy Bobby Patton dia manoro hevitra mba ho mora ifandraisana sy tsotra ny tena. “Mba hampisy vidiny ny olona iray eo imasonao, hoy izy ireo, dia tsy maintsy mahalala zavatra izay misy vidiny aminao momba azy ianao (...). [Aoka ianao] ho mora hatonina sy tsotra foana (...). Tokony handray amim-pahatsorana izay lazain’ilay olon-kafa ianao.”
Tsy mahatoky fotsiny ny tena mpisakaiza, fa be fiheverana koa; tsy mifanery na oviana na oviana izy ireo ary tsy mihevitra tafahoatra ho manana zo amin’ny anankiray. Mifampahatakatra fihevitra izy. Mahay manavaka ny fomba fahitan’ny anankiray zavatra ny tsirairay; mahay mipetraka eo amin’ny toerany àry izy. Arakaraka ny itomboan’ny fisakaizan’izy ireo, dia mifamboraka ny ao am-pony izy, manjary mihoatra noho ny tena mpisakaiza: mpisakaiza tsy mifankafoy. Tsy mpisakaiza tsy mifankafoy daholo tokoa ny tena mpisakaiza rehetra. Jesosy Kristy, ny olona mora nisakaizana indrindra teto an-tany, dia nanan-tsakaiza maro be, saingy vitsy monja no tena sakaiza tsy foiny. — Marka 9:1-10; Lioka 8:51.
Ny bokin’ny tena fisakaizana
Hatramin’ny ela ny Baiboly no boky miresaka tsaratsara kokoa ny amin’ny fisakaizana. Hoy izy hoe: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17). Be fangoraham-po sy vonona hitondra ny fanampiany ireo tena sakaiza rehefa mitranga ny zava-manahirana. Inty misy ohatra tsara iray, izay niandoha tamin’ny andron’ny Isiraely fahiny ny tantarany.
Noho ny mosary, ny lehilahy iray avy tao Joda dia nandeha niorim-ponenana tany Moaba, niaraka tamin’i Naomy vadiny. Tatỳ aoriana dia maty io lehilahy io. Taoriana kelin’izay, ireo zanany lahy roa dia nanambady an-dRota sy Orpa, vehivavy Moabita, kanefa maty koa izy ireo tamin’ny farany, namela ho irery vehivavy mpitondratena telo. Nanapa-kevitra tamin’izay Naomy, ilay reny, fa hody any Joda, ary niara-niainga taminy ireo vinantovaviny roa. Teny an-dalana anefa, dia noteren’i Naomy ireo vehivavy tanora mba hiverina any aminy ary hitady vady vaovao eo amin’ireo lehilahy mpiray firenena aminy. Izany no nataon’i Orpa, fa i Rota kosa nikiry hanaraka an’i Naomy. Nahoana? Satria mihoatra noho ny vinantovavy izy; tena sakaiza koa izy. Teo sahady, ny toetrany be fangoraham-po dia tsy namela azy hamela handeha irery io vehivavy mpitondratena be taona io, izay namoy ny fianakaviany manontolo. — Rota 1:1-17.
Niseho ho nahay nahatakatra ny fihevitry ny hafa, tsara fanahy, mahatoky ary be fitiavana tamin’i Naomy i Rota. Ireo toetra ireo no fototra mafy orin’ny tena fisakaizana. Kanefa, nisy lafin-javatra hafa iray koa nandray anjara tamin’ny fifandraisana nampifamatotra an-dRota sy Naomy.
Fanorenana iray ambony kokoa
Rehefa nanery azy hody any aminy i Naomy, dia hoy Rota taminy: “Aza manery ahy handao anao, (...) fa izay alehanao no halehako (...), ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16). Nanampy an-dRota, mpanompo sampy teo aloha, i Naomy, mba hahafantatra sy ho tia an’ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah. Nanjary fatorana ara-panahy nahery izay nahatonga ireo vehivavy roa ireo ho tena mpisakaiza ny finoana niombonany. Ary Jehovah dia nanolotra ho azy ireo fianakaviana iray vaovao. Rota tokoa dia nanambady an’i Boaza, lehilahy mpanan-karena iray tao Joda, izay niterahany zazalahy iray, Obeda, ho raiben’i Davida mpanjaka. — Rota 4:13-22; Matio 1:5, 6.
Io lafiny ara-panahy io dia nametraka ny fisakaizana teo amin’ny faritra ambony kokoa. Tamin’ny fomba ahoana? Rota sy Naomy dia samy nanompo an’i Jehovah, ‘Andriamanitra iray mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana’. (Eksodosy 34:6.) “Andriamanitra dia fitiavana”, ary raha manompo azy amim-pahatsorana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana isika, dia afaka mahazo antoka fa hahita ny fitomboan’ny fitiavantsika azy sy ireo zavaboariny, dia ny mpiara-belona amintsika (1 Jaona 4:8; Jaona 4:24). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia miova isika. Mamboly fiahiana amim-pisakaizana ny hafa isika, indrindra fa ny olona manetry tena mijaly, na inona na inona firazanany. Amin’izany, ny tsy mampiseho fahalianana amin’ny hafa dia manjary tsy hihevi-tena be loatra. Ny tia tena mianatra ho tia ny hafa. Manomboka hampiseho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra isika — “ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. — Galatiana 5:22, 23.
Ireo toetra ireo dia manampy antsika hampiasa ny fahaizana fototra natao hamelana ny kileman-toetra sy ny fahadisoan’ny hafa — ‘tsy hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo’, araka ny nilazan’i Jesosy azy (Matio 18:21, 22). Eo matetika no mahatonga ny raharaha hanafintohina sy ny fisakaizana ho tapaka. Nanome io fotopoto-pitsipika io anefa Jesosy Kristy sady nampihatra azy mihitsy ny tenany. Impiry akory moa izy no namela ny fahadisoan’ireo mpianany tsy tanteraka sy diso hevitra, na dia i Petera izay nanda azy tamin’ny fomba nahafa-baraka aza, dia izy Tompo! — Matio 26:69-75.
Arakaraka ny itomboantsika ara-panahy amin’ireo lafiny rehetra ireo, no itaran’ny fitambaran-tsakaizantsika. Raha ny tena izy, dia tsapantsika fa anisan’ny fianakaviana iray voaforon’ny sakaiza lehibe dia lehibe sy maneran-tany isika. Tsikarintsika koa fa ny faritra ankapobeny misy ireo sakaizantsika dia ambony lavitra. Ohatra, Bertrand, izay manompo an’i Jehovah vao haingana izao, dia mahatsiaro fa namporisika azy himamo sy tsy hiraharaha ny vady aman-janany ireo namany taloha. Mifanohitra amin’izany, amin’izao fotoana izao izy dia mikarakara be ny fianakaviany. Raha niresaka ny amin’ireo namany vaovao rehetra mpiray finoana an’i Jehovah aminy izy, dia nilaza hoe: “Raha manan-java-manahirana aho, dia fantatro fa afaka hampaneno ny telefaonina aho ary hiantso na iza na iza amin’izy ireo: ho faly izy io hanampy ahy.”
Alain dia nanan-tsakaiza maro izay ny resaka nifanaovany dia nihodinkodina mandrakariva teo amin’ny fiarakodia sy ny ankizivavy. Kanefa hitany ho “tsy mendrika sy tsy nisy antony” ireny foto-dresaka ireny rehefa nahazo sakaiza maro vaovao, izay tia an’i Jehovah tahaka azy koa izy. Nanao soa be dia be tamin’i Alain tamin’ny “fiahiana an-tsitrapo, tamim-pahatsorana sy tamim-piraiketampo” nasehony taminy izy ireny.
Ireo sakaizantsika tsara indrindra
Ireny olona rehetra ireny sy an-tapitrisany maro hafa koa dia mahaforona fianakaviana iray misy sakaiza, fianakaviana iraisam-pirenena sy tsy manao politika izay tsy mahalala fefy ara-pirenena, ara-pirazanana na ara-tsosialy na dia kely akory aza — tena fianakavian’ny mpirahalahy, sahala amin’ireo kristiana voalohany (3 Jaona 14). Ny fatorana nampiray an-dRota tamin’i Naomy dia mitovy amin’izay mampiray an’io fianakaviana io: Izany dia ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra. Manaiky amim-panetren-tena sy amim-pankasitrahana an’i Jehovah sy Jesosy ho toy ny sakaizany tsara indrindra avokoa izy rehetra.
‘Sakaizany hoe ilay Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanany? hoy angamba ny eritreritrao amim-pahagagana. Ahoana no hetezan’izany? Moa ve tsy somary fieboeboana izany?’ Milaza ny Baiboly hoe: “Abrahama nino an’Andriamanitra, (...) ary natao hoe ‘sakaizan’Andriamanitra’ izy”, ka izany dia tombontsoa marina tokoa ho an’izay tsy mendrika akory. Ary anefa ny Tenin’Andriamanitra dia milaza hoe: “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” — Jakoba 2:23; 4:6.
Angamba mahatsiaro tena ho mpanota loatra ny sasany ka tsy ho afaka handray tombontsoa toy izany. Nanohy ny teniny anefa Jakoba tamin’ny filazana hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.” — Jakoba 4:8, 10.
Nilaza Jesosy hoe: “Hianareo no sakaizako raha manao araka izay andidiako anareo.” Nosoritany koa fa ny didy lehibe indrindra dia ny ‘fitiavana an’i Jehovah amin’ny fon’ny tena rehetra, amin’ny fanahin’ny tena rehetra, ary amin’ny sain’ny tena rehetra, sy ny fitiavana ny namana sahala amin’ny tena’. (Jaona 15:14; Matio 22:37-40.) Raha izany no ataontsika, dia hahazo tena sakaiza maro isika. Ambonin’izany, dia hiseho ho mendrika ny tombontsoa malaza iray hafa koa isika: dia ny hiaina mandrakizay eo ambonin’ny tany voadio, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 6:9, 10). Araka ny nilazan’i Jesosy azy dia “fiainana mandrakizay ny didiny [ny an’i Jehovah]”. — Jaona 12:50.
Hanaiky ny fanampiana atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah anao ve ianao? Olona miahy anao amim-pahatsorana izy ireny. Vonona ho tonga any an-tranonao izy mba hiara-mandinika aminao maimaimpoana izany foto-kevitra lehibe izany. Afaka manampy anao hahazo tena sakaiza maro be izy.
[Efajoro, pejy 6]
Torohevitra vitsivitsy mba hahazoana ny tena fisakaizana
Fidio tsara ny fifaneraseranao.
Miahia amin-kafanam-po ny hafa ary mahaiza mihaino.
Miaraha manao zavatra — manamafy ny fisakaizana ny fiaraha-manandran-javatra.
Aoka ianao ho tsotra hatrany, mora atonina ary tsy mihatsaravelatsihy.
Misehoa ho mahay mahatakatra ny fihevitry ny hafa sy be fangoraham-po amin’izay mahita fahasahiranana.
Raha misy sakaiza manao fahadisoana na manohitra anao, dia manàna fahavononana hamela heloka — “hatramin’ny impito amby fito-polo” raha ilaina izany. — Matio 18:22.
Raha endrikendrehina na kianina amin’ny fomba diso eo imasonao ny sakaiza iray, dia aoka ianao ho mahatoky; arovy izy.
Mafy orina lavitra ny fisakaizana raha tafaray amin’ny fifikirana amin’i Jehovah miaraka ireo olon-droa mpisakaiza.
[Sary, pejy 7]
Tsy nandao an’i Naomy i Rota satria nanana fototra ara-panahy mafy orina ny fisakaizana namatotra azy ireo. Manan-tsakaiza toy izany ve ianao?