Hevitra araka ny Baiboly mahaliana Mpitoriteny 1:1 ka hatramin’ny 12:14
“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo”
Amin’izao androntsika izao, dia heverina fa tsy fiheverana ny zavatra tena misy fara faharatsiny ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fankatoavana azy. Kanefa ny bokin’ny Mpitoriteny (qohèlèth, mpamory, amin’ny teny hebreo), izay nosoratan’i Solomona mpanjaka, tokony ho telo arivo taona lasa izay (1:1), dia milaza ny maha-tsinontsinona ny fiezahan’olombelona izay tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra.
Ny mahafinaritra amin’io boky io, dia ny fahamaroan-karazan’ny foto-kevitra fakafakain’ny mpanoratra azy: ny fahendrena sy ny fanapahan’olombelona, ny harena sy ny fahafinaretana, fanompoam-pivavahana ara-pomba, ets. Zava-poana ireo rehetra ireo, hoy ny fanazavany, satria mihelina. Ny saina mahiratra izay misaintsaina ireo foto-kevitra ireo kosa anefa dia tonga amin’izao fanatsoahan-kevitra izao: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13.
“Zava-poana ny zavatra rehetra”
Mba vakio ny toko 1 sy 2. Raha oharina amin’ny fitsingerenan-javatra tsy misy farany eo amin’ny natiora, ny zavatra ataon’ny olombelona rehetra dia tsy maharitra, mihelina (1:4-7). Na dia ilay mpamory aza indray andro any dia tsy maintsy hamela an’ireo zava-bitany lehibe amin’olona izay angamba tsy hanana fahamendrehana tahaka ny azy (2:18, 19). Ara-bakiteny, ny hevitry ny teny hebreo nadika hoe “zava-poana” dia “etona” na “fofonaina”.
◆ 1:9 — Amin’ny heviny ahoana moa no hoe “tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ny masoandro”?
Ao amin’ireo fitsingerenan-javatra araka ny natiora mitana ny fiainana isan’andro isan’andro atỳ ambanin’ny masoandro, dia tsy misy zava-baovao tanteraka. Na dia ireo famoronan-javatra ‘vaovao’ aza dia fampiharana indrindra fotopoto-pitsipika efa nampiasain’i Jehovah tamin’ny famoronana. Jehovah anefa dia nampiditra “atỳ ambanin’ny masoandro”, zava-nitranga vaovao amin’ny lafiny ara-panahy izay mahakasika ny olombelona. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 jona 1987, pejy 27 ka hatramin’ny 29.
◆ 2:2 — Ratsy ve ny miala voly?
Tsia. Azo atao ny manadino vetivety ny fahasahiranan’ny tena amin’ny fihomehezana, izany hoe amin’ny fialana voly, kanefa tsy hahalamina azy ireny akory izany. Hadalana àry ny hanandramana mitady ny tena fahasambarana ao amin’ny fialam-boly; “fahadalana” izany. Toy izany koa, ny “fifaliana” dia tsy manafoana ireo fanahiana eo amin’ny fiainana. Ny Mpitoriteny àry dia mampifanohitra ny fialam-boly sy ny fahafinaretana amin’ny fahasambarana tsapan’izay tahin’i Jehovah ny asany. — 2:24.
Fianarana ho antsika: Aoka isika hanaraka ny torohevitr’i Solomona amin’ny tsy fananana ho hany zava-kendrena eo amin’ny fiainana, ny fikatsahana fananana ara-nofo sy fahafinaretana. Aoka kosa isika ‘hahita sitraka amin’Andriamanitra’ amin’ny fankatoavana azy. Amin’izany no hanandramantsika ny fitahiany, homeny “fahendrena sy fahalalana ary fifaliana” isika. — 2:26.
Misy fotoanany ny zavatra rehetra
Vakio ny toko faha-3 sy 4. Tsy namporisika ny hijerena ny fiainana ho araka ny lahatra akory i Solomona (3:1-9). Raha ny marina, dia nosoritany fa tena tsy azon’ny olombelona atao ny hanova izay natombok’i Jehovah (3:14). Amin’io lafiny io dia tsy ambony noho ny biby ny olombelona (3:19-21). Noho izany, dia mahafa-po lavitra ny miara-miasa amin’ny hafa (4:9-12) noho ny mamboly toe-tsaina tia fifaninanana. — 4:4.
◆ 3:11 — Amin’ny heviny ahoana no hoe nanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho “miendrika amin’ny fotoany avy”?
Ny mpamaritra anarana “miendrika” dia manana heviny koa hoe “tsara, sahaza, mety”. Amin’ny fotoana mety, dia ho fantatsika ny hoe inona no tena toerana atokan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy amin’ny asany, ao anatin’ny fikasany. Nanao zavatra “miendrika” be dia be ho an’ny olombelona izy. Ohatra, nomeny fiaingana tanteraka izy tao Edena. Rehefa latsaka tao anatin’ny fahotana ny olombelona, dia naminany ny hahatongavan’ny Taranaka hanavotra iray izy. Tamin’ny fotoana nety, dia nirahin’Andriamanitra ho etỳ an-tany io Taranaka io. Ary nanao ny zavatra ‘miendrika indrindra’ Jehovah tamin’ny fanendrena an’io Taranaka io ho Mpanjaka ao amin’ny Fanjakany.
◆ 4:6 — Moa ve i Solomona namporisika ny hananana fiainana feno tsy firaikana?
Tsia, voamariny kosa fa ny asa mafy sy ny fahakingana manosika noho ny fitiavana tombony dia matetika no mitarika ho amin’ny fifaninanana sy ny fifandrafiana (4:4), izay mety hiteraka fahasahiranana kosa, na fahafatesana aloha be aza (1 Timoty 6:9, 10). Raha izany no izy, ahoana no mety hahaiza-mandanjalanja amin’io lafiny io? Amin’ny fianinana amin’ny vola miditra kely sy amin’ny fiainana ao anatin’ny fihavanana, toy izay hitady hampitombo ny tombombarotry ny tena amin’ny asa mafy sy ny fifandirana.
Fianarana ho antsika: Izao no fotoana tokony hametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy ny fanatanterahana ireo faniriantsika laza manokana, ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika (3:1). Tsy tokony hitokana isika, fa aoka hiara-hiasa amin’ireo namantsika kristiana (4:9-12). Raha manao toy izany isika, dia handray soa amin’ny fanampiana sy ny fampaherezana ilaintsika mba hisetrana ireo fitsapana sy ny fanoherana.
Mitondra fahafahampo ny fanompoam-pivavahana marina
Vakio ny toko faha-5 sy 6. Koa satria tsitoha Jehovah, dia tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny fifandraisantsika aminy. Tsy tokony hanao zavatra amin-kadalana isika ka hieritreritra fa hanaiky ny “fanatitra” aterintsika izy. (4:17; 5:1 [5:1, 2, MN ]. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mandray fahafahampo amin’ny fampiasana izay ananany, fa tsy izany kosa ny amin’ny olona izay manangona ho an’ny tenany ihany. — Ampitahao 5:17-19 [5:18-20, MN ] sy 6:2, 3.
◆ 5:1 [5:2, MN ] — Ahoana no azo ampiharana an’io torohevitra io?
Tokony hamboraka ny ao am-pontsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, nefa noho ny fahalehibeazany sy ny fahamboniany, dia aoka isika hitandrina mba tsy hiresaka aminy amin’ny fomba tsy voahevitra sy tsy noeritreretina (Salamo 62:8). Aoka isika hilaza hevitra amim-pahatsorana sy tsy misy olakolaka fa tsy hanao teny maro fotsiny (Matio 6:7). Rehefa nitalaho tamin’Andriamanitra ho an’i Miriama i Mosesy, dia tsy nampiasa afa-tsy teny fohy dimy amin’ny teny hebreo izy, nefa nahazo valiny tsara. — Nomery 12:13.
◆ 6:9 — Inona moa no atao hoe “firenirenen’ny faniriana [fanahy, MN ]”?
Ny hevitry ny teny hoe “fanahy” eo dia “fanirian’ny fanahy”. Ny dikan’io fitenenana io àry dia fikatsahana foana izay hanomezana fahafahampo ny faniriana tsy mety tanterana. Ampifanoherina amin’ny “fahitan’ny maso”, izany hoe ny zavatra tena misy, izany. Noho ny fahafantarana fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra ny tena fiovana, dia aoka isika hamboly fahafahampo ka tsy hamela ny faniriana tsy mety tanteraka hanaisotra ny fiadanantsika.
Fianarana ho antsika: Ao amin’ny toerana fanaovantsika fanompoam-pivavahana, dia aoka isika hitondra tena amim-pahamendrehana araka ny mety ka hihaino tsara izay lazaina (4:17 [5:1, MN ]. Afa-tsy izany koa, dia aoka hotontosaintsika haingana ny adidintsika amin’i Jehovah. Raha manambady isika, dia voafaoka amin’izany ny fanajana ny voady nataontsika tamin’ny andron’ny fampakaram-badintsika. — 5:3 [5:4, MN ].
Tenim-pahendrena
Vakio ny toko faha-7 sy 8. Nofakafakain’ny mpamory fa mampieritreritra tokoa ny fahafatesana (7:1-4) ary nodinihiny ny hasarobidin’ny fahendrena (7:11, 12, 16-19); mampitandrina ny mpamaky amin’ny vehivavy ratsy koa izy (7:26). Ankoatra ny zavatra hafa dia manoro hevitra koa izy mba hanao zavatra amim-pahendrena eo anatrehan’ireo manam-pahefana (8:2-4) ary tsy ho sosotra noho ny tsy rariny. — 8:11-14.
◆ 7:28 — Amin’ireo teny ireo, moa ve Solomona nanambany ny vehivavy?
Tamin’izany fotoana izany, dia toa ambany dia ambany ny fari-pitondrantena. Nilaza àry Solomona tao amin’io andininy io fa nahalana ny nahitana lehilahy sy vehivavy marina tamin’ny androny. Tamin’ny olona arivo, dia sarotra ny nahita lehilahy marina iray, indrindra ka hoe vehivavy marina iray. Any amin’ny toeran-kafa anefa ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “vehivavy tsara” sy ny “vady mahay”. (Rota 3:11; Ohabolana 31:10, MN.) Mety ho ara-paminaniana koa io andininy io, satria tsy nisy vehivavy nampiseho tsy fivadihana tanteraka tamin’i Jehovah mihitsy, fa nisy lehilahy nanao izany kosa, dia: Jesosy Kristy.
◆ 8:8 — Inona no tian’ny mpamory holazaina eo?
Ny amin’ny fahafatesana no resahiny. Tsy misy mihitsy tokoa afaka, mba hampihemorana ny andro hahafatesany, misakana ny herim-piainana tsy handao ireo sela. Amin’ny ady ataontsika amin’ilay fahavalontsika iombonana, dia ny fahafatesana, dia tsy misy fahafahana na mpisolo toerana na ho an’iza na ho an’iza (Salamo 49:7-9). Na dia ny ratsy fanahy izay mamorona volavolan-kevitra feno hafetsen-dratsy aza dia tsy ho afa-mandositra ny fahafatesana.
Fianarana ho antsika: Na dia be dia be aza no manao ny harena ho zava-kendrena eo amin’ny fiainany, dia ny fahendren’Andriamanitra ihany no mety hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay (7:12; Lioka 12:15). Tsy mitondra zavatra tsara kokoa na inona na inona ho antsika ny fanembonana ny ‘andro tsara taloha’ (7:10). Tsy “hisy soa” ho antsika raha tsy manohy matahotra an’Andriamanitra isika. — 8:5, 12.
Ny fivadibadihan’ny fiainana
Vakio ny toko faha-9 sy 10. Sarobidy ny fiainana, ka tian’Andriamanitra ny hifaliantsika amin’izany (9:4, 7). Koa satria tsy afaka manova ny fandehan’ny fiainana isika (9:11, 12), dia aleo mihevitra ny fahendren’Andriamanitra, na dia maro be aza no tsy mihevitra izany ho misy vidiny mihitsy (9:17). Noho ny fivadibadihan’ny fiainana, dia tokony hitandrina ny fontsika isika (10:2), haneho fahamalinana eo amin’ny ataontsika rehetra ka hitondra tena amim-pahendrena ampiharina. — 10:8-10.
◆ 9:1 — Amin’ny heviny ahoana moa no hoe eo an-tanan’Andriamanitra ny asan’ny marina?
Na dia mamely ny hendry sy ny marina aza ny fahoriana, dia tsy mitranga izany raha tsy avelan’Andriamanitra hisy ary tsy hahafoy azy ireny mihitsy Andriamanitra. Rehefa ampian’ny ‘tanan’Andriamanitra’, izany hoe ny heriny miasa, ny marina dia, na afahana amin’ny fitsapana, na hatanjahina mba hiaritra izany (1 Korintiana 10:13). Rehefa tojo fahasahiranana ny mpanompon’Andriamanitra iray, dia mety hampahery azy izany fanomezan-toky izany.
◆ 10:2 — Amin’ny heviny ahoana moa no hoe eo ankavanany ny fon’ny hendry?
Matetika ny “ankavanana” no manondro toeram-pankasitrahana (Matio 25:33). Noho izany, ny maha-“eo ankavanany” ny fon’ny olona hendry iray dia mampiseho fa ny fony dia manosika azy hanaraka fitondrantena tsara izay mitondra fahombiazana ho azy. Nefa kosa, noho ny olona adala tsy manana antony tsara manosika, dia manao zavatra amin-kadalana sy tsy mahafa-po loatra izy. “Eo ankaviany” ny fony, izany hoe manosika azy hanaraka lalan-dratsy izany.
Fianarana ho antsika: Koa satria mety hifaoka na iza na iza amintsika ny fahafatesana tampoka (9:12), dia aoka isika hampiasa ny herintsika hanompoana an’i Jehovah, raha hamarana ny asantsika rehetra ny fahafatesantsika (9:10). Ilaina koa ny hahazoana fahakingana amin’ny asantsika, satria ny tsy fahaizana, na dia amin’ny zavatra tsotra toy ny fihadiana lavaka na ny fikapana hazo aza, dia mety hanimba antsika sy ny hafa. — 10:8, 9.
Ny fahatanorana sy ny zava-kendrena eo amin’ny fiainana
Vakio ny toko faha-11 sy 12. Aoka halala-tanana isika rehetra ka hanao zavatra amim-pahavononana (11:1-6). Tsy hanenina mihitsy ny tanora izay mampiasa amin’ny fomba tsara ny fotoanany sy ny heriny amin’ny fanompoana ny Mpamorona (11:9, 10). Hanana fahafahampo kosa izy ireny satria nanao zavatra tamin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra, alohan’ny tsy hahitana intsony ny fahasalamany sy ny tanjany. — 12:1-7; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aogositra 1978, pejy faha-31.
◆ 11:1 — Inona no dikan’ny hoe ‘manipy ny hanin’ny tena’?
Fanohanana ny aina ny hanina. Ny fanipazana azy eny ambony “rano” ary dia mitovy amin’ny fisarahana amin’ny zavatra sarobidy iray. Izay manao toy izany anefa dia ‘hahita azy indray’, satria amin’ny fomba tsy ampoizina, dia valian-tsoa foana ny olona malala-tanana. — Lioka 6:38.
◆ 12:12 (MN ) — Nahoana moa i Solomona no dia nanana fiheverana tsy manorina toy izany ny amin’ny boky?
Raha oharina amin’ny Tenin’i Jehovah, ireo zavatra voasoratra “tsy misy farany” eo amin’izao tontolo izao dia tsy mirakitra afa-tsy fiheveran’olombelona. Amin’ny ankamaroany, izy ireny dia ahitana taratry ny toe-tsain’i Satana (2 Korintiana 4:4). Noho izany, dia kely ny soa maharitra entin’ny “fifaneraserana betsaka” amin’ireny boky tsy ara-pivavahana ireny.
Fianarana ho antsika: Sahala amin’ny nataon’i Solomona, dia aoka isika hisaintsaina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra ny amin’ny fiainana. Amin’izany isika dia ho tapa-kevitra kokoa ny hatahotra an’Andriamanitra sy hankatò azy. Ny fahazoana antoka fa miahy ny amin’ny tsirairay avy amintsika isam-batan’olona Jehovah (12:13, 14) dia mampanatona antsika bebe kokoa ihany azy.
Enga anie àry isika ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny’! Izany no adidintsika ka, raha manao izany isika, izany dia hahatonga antsika hahita fahasambarana maharitra.