Fanontanian’ny mpamaky
◼ Inona moa no atao hoe “taranaka araka an’Andriamanitra” voalaza ao amin’ny Malakia 2:15?
Milaza toy izao io andininy ankamantatra io, ankoatra ny zavatra hafa: “Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa [satria, MN ] mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ilay anankiray? Taranaka araka an’Andriamanitra.” Azo atao ny mieritreritra fa ny “taranaka” resahina dia manondro ny Isiraely taloha izay, fony nosoratana io andininy io, dia norahonan’ny faharatsiana ara-pivavahana.
Tamin’ny fotoana namakivakian’ilay tany vanim-potoam-pikororosiana ara-pitondrantena no naminanian’i Malakia. Tsy vitan’ny hoe “nanambady zanakavavin’ny andriamani-kafa” ny Isiraelita sasany, fa nisaraka tamin’ny vadiny jiosy voalohany koa izy ireny, dia tamin’ny “vadin’ny fahatanorany”, angamba mba hakana vehivavy mpanompo sampy tanora kokoa. Tsy nanao izany “fahavetavetana” izany daholo anefa ny Isiraely rehetra. (Malakia 2:11, 13, 14; Deoteronomia 7:3, 4.) Toa nanisy fitenenana ny amin’ireo izay tsy nety nanapaka ny fanekem-panambadiana nampifamatotra azy tamin’ny vehivavy iray mpivavaka tamin’i Jehovah i Malakia ka nanoratra hoe: “Ary nisy anankiray tsy nanao izany, satria nanana izay sisa tamin’ny fanahy.” (MN )
Ny “fanahy” resahina eo dia ny fanahy masin’Andriamanitra narotsany teo amin’ilay firenena. Nanohitra izany fanahy izany anefa ireo Isiraelita tsy nankatò, ka noho izany dia nampalahelo azy (Isaia 63:10; Asan’ny apostoly 7:51-53; jereo Efesiana 4:30). Niseho ho tsy nivadika tamin’ireo lalàn’Andriamanitra ny Jiosy vitsivitsy, ary noho ny fankatoavan’izy ireo dia nitahiry “izay sisa tamin’ny fanahy” izy ireo. Tsy nikatsaka tamim-pitiavan-tena ny fahafinaretan’ny tenany ireny lehilahy ireny. Ny amin’ny anankiray tamin’ireny lehilahy ireny, dia izao no nosoratan’i Malakia: “Fa inona andrefa no notadiavin’ilay anankiray? Taranaka araka an’Andriamanitra.” Io “taranaka” io dia ny firenen’ny Isiraely taloha izay, araka ny nilazan’i Malakia azy, dia ‘noharìn’Andriamanitra’. Nitranga izany ‘famoronana’ izany fony Jehovah nampiditra ny Isiraelita hanana fifandraisam-panekena taminy tao an-tendrombohitra Sinay, ka nanao azy ireo tamin’izany ho ‘fananany manokana’ sy “firenena masina”. Ny tena ‘taranak’i Abrahama’ izay hitady olona avy amin’ny firenena rehetra dia tokony ho tonga amin’ny alalan’io firenena io. — Malakia 2:10; Eksodosy 19:5, 6, MN; Genesisy 22:18.
Ny Isiraelita anefa dia tokony hitandrin-tena ho madio eo amin’ny lafiny ara-pivavahana amin’ny tsy fanambadiana mihitsy olona avy amin’ireo firenena izay tsy nivavaka tamin’i Jehovah. Hisy vokany manimba ny faharatsian’ireny olona ireny, araka ny voamarina tamin’ny andron’i Ezra. Ny Isiraelita tamin’izay fotoana izay dia ‘naka tamin’ny zanakavavin’ireo [ny firenena teny amin’ny manododona] ho vadiny sy vadin’ny zananilahy, ka efa niharoharo tamin’ny olona tompon-tany’. (Ezra 9:2.) Nanao indray izany “ratsy lehibe” izany ny Isiraelita tamin’ny andron’i Nehemia, niara-belona tamin’i Malakia. Ireo Jiosy tsy nivadika tamin’Andriamanitra dia nahay nanavaka ny loza ara-panahy nasehon’ny fanambadiana toy izany ho azy ireo sy ho an’ny zanaka teraka avy amin’izany. Nety ho voatarika izy ireny hiala amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah noho ny vehivavy iray tsy nanaraka izany. Notantarain’i Nehemia aza ny amin’ny Jiosy izay nanambady vehivavy hafa firenena, fa tsy nisy na dia iray aza ‘tamin’ireo zanany nahay teny Jiosy’. — Nehemia 13:23-27.
Ireo Jiosy nivadika dia nikatsaka ny fahafinaretany manokana tsy nisy fanahiana ny amin’ny ratsy nataony tamin’ny fireneny, “ny taranaka araka an’Andriamanitra”, teo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Tsy misy mahagaga mihitsy raha niteny azy ireo toy izao i Malakia: “Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.” (Malakia 2:15). Ireo Jiosy tsy nivadika dia niahy ny amin’ny toe-tsainy na ny fihetsiny, mba tsy hivadihana hatrany amin’ireo vadiny jiosy. Ireny lehilahy ireny dia nihevitra ho zava-dehibe ny fahadiovana ara-pivavahan’ny ‘fireneny masina’. Niriny ny hamakian’ireo zanany ny Tenin’Andriamanitra sy ny hitomboany tao amin’ny fitiavana an’i Jehovah, ka handray anjara amin’izany, amin’ny tanjaka ara-pivavahan’ilay Firenena.
Amin’izao andro izao, dia ilain’ny kristiana nanolo-tena ho an’i Jehovah koa ny hitandremana ny toe-tsainy na ny fihetsika mahery eo aminy. Raha manambady izy ireny, dia tsy tokony hisaraka amim-pitaka amin’ny vadiny. Fa raha ny amin’ireo kristiana mpitovo, dia tokony harahiny ny torohevitry ny apostoly Paoly mandidy azy ireny mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” amin’ny fakana ho vady, Vavolombelon’i Jehovah iray nanolo-tena sy vita batisa. — 1 Korintiana 7:39.