Afa-po amin’ireo fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah ve ianao?
“Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” — MALAKIA 3:10.
1. Fomba fivelomana inona no ampy ny ankamaroan’ny zavaboary velona?
RAHA toa mitsahatra ny miaina ianao dia ho faty rehefa afaka minitra vitsivitsy. Raha mijanona tsy misotro rano ianao, dia ho faty rehefa afaka andro vitsivitsy. Raha toa tsy mihinan-kanina ianao, dia ho faty rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Raha toa tsy manararaotra ireo fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah ianao, ny andro hahafatesanao dia ho mandrakizay tokoa. Jehovah dia nanome ho an’ny zavaboary velona rehetra ny rivotra sy ny rano ary ny sakafo ilainy. Izany no antony nilazan’ny mpanao salamo momba azy toy izao: “Manokatra ny tànanao hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:16). Ampy hahafa-po ny fanirian’ny ankamaroan’ny zava-miaina ireo fomba ahafahana mivelona ara-nofo. Fa tsy toy izany kosa no izy ho an’ny zavaboary olombelona.
2. Inona moa no faniriana lalina ananan’ny olombelona, ary inona no sakafo ilainy mba hahazoana fahafahampo amin’izany?
2 Izany no nosoritan’i Jesosy tamin’ireto teny ireto: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4). Ny zavaboary ambany dia tsy mba manana fahalalana ny amin’ny mandrakizay, ny olombelona kosa dia tsy toy izany, araka ny anambaran’ny Mpitoriteny 3:11 azy amin’izao teny izao: “Ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony.” Ny fandikan-teny Segond dia mandika toy izao an’io andininy io: “Nataony tao am-pony ny fieritreretana ny mandrakizay.” Araka izany, ny olombelona dia manana faniriana lalina ny hiaina foana, mandrakizay. Nefa tsy ampy ny fananana rivotra sy rano ary mofo fotsiny mba hanomezana fahafahampo io faniriana io. Mba hiainana mandrakizay dia tokony handray ny sakafo ara-panahy miorina amin’ny “teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra [Jehovah, MN ]” ny tena. Amin’izao androntsika izao, dia hita amin’ny fetra tsy mety lany ao anatin’ny boky iray, ny Baiboly, izany sakafo izany. Ananan’io boky io araka izay ilàna azy izany, mihoatra noho izay azo raisina amin’izany aza. Tsy mety foana mihitsy io fitehirizan-kanina io.
3. Araka ny filazan’i Jesosy, karazan-tsakafo inona no lehibe indrindra, ary inona no zava-miafina nianaran’i Paoly?
3 Jesosy dia nampianatra ny mpianany hivavaka mba hahazoany ny sakafo ara-nofo ilaina. Tokony hiteny toy izao izy ireo: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” Nefa avy eo dia nanoro hevitra azy ireo mba hametraka ny raharaha ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany izy tamin’ny filazana hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” (Matio 6:11, 33). Ny hanina ara-nofo dia mamelona ny aintsika isaky ny iray andro ihany; ny sakafo ara-panahy raisina tsy tapaka dia afaka mamelona azy mandritra ny fiainana manontolo, mandrakizay mihitsy aza. Aoka àry isika tsy hanahy ny amin’ny zavatra ara-nofo. Tsy be fanahiana tamin’izany i Paoly. Momba ireo harena ara-panahy izay nitondra ho azy ny fahafahampo na nanao ahoana na nanao ahoana tarehin-javatra hitany teo amin’ny lafiny ara-nofo, dia nanambara izy hoe: “Nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:12, 13.
Miandry ireo izay tsy afa-po ny loza
4. Fanomezana inona avy no tsy nahafa-po ny mpivady olombelona voalohany, ary inona no niriny ambonin’izany?
4 Kanefa dia betsaka no tsy afa-po amin’ireo fanomezana avy amin’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany. Niaina tao amin’ny zaridaina iray nahafinaritra izy ireo: toerana manodidina kanto naharavo ny masony, voninkazo nidorehitra namerovero tao amin’ny rivotra nofohiny, sakafo fy nahafaly ny lanilaniny ary kalon’ireo vorona nahafinaritra ny sofiny. Ankoatr’izany, dia nomena asa nahavariana izy ireo, ny hikarakara io zaridaina io, ary andraikitra feno fitahiana iray: hameno ny tany amin’ny taranany lavorary. Tia tena anefa izy ireo. Tsy ampy azy ireo izay nomen’Andriamanitra azy. Mbola nitady nihoatra izy ireo. Naniry hanapaka izay ho tsara sy ho ratsy ho an’ny tenany izy ireo. Izany no nataony, ka ny fanapahan-kevitra voalohany indrindra noraisiny dia nitondra loza. Nampanary azy ny zava-drehetra izany, tsy ho an’ny tenany ihany fa ho an’ny zanany koa. — Genesisy 3:1-7, 16-19.
5. Tamin’ny fomba ahoana avy no nitahian’i Jehovah ny Isiraelita, nefa nanao ahoana ny fandraisan’izy ireo izany?
5 Ny Isiraelita dia nanaraka ny ohatra ratsy navelany. Nafahan’Andriamanitra avy tamin’ny fanandevozana tany Egypta izy ireo, nataony ho firenena, nomeny lalàna iray tanteraka, notarihiny namakivaky ny efitra, nataony izay tsy hahasimba ny akanjony, ary nofahanany tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny mana nilatsaka avy tany an-danitra izy ireo sy ny rano nivoaka avy tamin’ny vatolampy. Kanefa dia tsy nahafapo azy ireny fanomezana avy tamin’i Jehovah ireny (1 Korintiana 10:1-5). Nandritra ny fivahiniany tany an’efitra, dia nitaraina imbetsaka tokoa izy ireo. — Eksodosy 13:21, 22; Nomery 11:1-6; Deoteronomia 29:4.
6. Inona no fitondrantena nahatonga ny Isiraelita hofoanana tamin’ny naha-firenena?
6 Nimonomonona hatrany izy ireo taorian’ny nanorenany fonenana tao amin’ny Tany nampanantenaina — tany iray nahavokatra, lonaka tsara, “tondra-dronono sy tantely”. Tsy nankasitraka sy tsy afa-po foana tamin’ireo fanomezan’i Jehovah izy ireo ka nahafoy ny fanompoam-pivavahana taminy, ary nanaraka ny fanompoan-tsampy ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, nanao sorona ny zanany ho an’i Moloka, ka nitarika ny fandringanana ny fireneny. Taorian’ny fahababoany tany Babylona dia nanaraka ny lovantsofina izay nanafoana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Tonga hatramin’ny famonoana an’i Jesosy Kristy, ny Mesiany nampanantenaina, izy ireo. — Deoteronomia 6:3; 8:7-9; Mpitsara 10:6; 1 Mpanjaka 14:22-24; 2 Mpanjaka 21:1-16; Isaia 24:1-6; Matio 15:3-9; 27:17-26.
7. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa amin’izao andro izao ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia manao zavatra sahala amin’ny nataon’ireo mpisorona tsy mahatoky tamin’ny andron’i Malakia?
7 Hatramin’ny andro ankehitriny, ny olombelona amin’ny ankapobeny dia mbola tia tokoa ireo fampianaran-diso ara-pivavahana noho ny fahamarinana. Ny klerjy dia manamavo ny anaran’i Jehovah, izay tsy ampiasainy akory. Manala baraka an’Andriamanitra izy amin’ireo fampianarany tsy araka ny Baiboly, toy ny Trinite (andriamanitra telo izay iray), ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. Tsy vitan’ny hoe voaloto amin’ireo lainga nindramina tamin’ireo fivavahana tranainy tany Babylona sy Egypta ny fotopoto-pampianarany, fa amin’ny toe-javatra maro koa amin’ny fandavana ny avotra naloan’i Kristy sy amin’ny fanekena ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana. Tsy nomeny ny haja tokony ho an’i Jehovah, sahala amin’ny nataon’ny mpisorona tamin’ny andron’i Malakia. — Malakia 1:6-8; 3:7-9.
8. a) Fanasana inona moa no nolavin’ireo mpisorona tamin’ny andron’i Malakia sy ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana amin’izao andro izao? b) Iza no nanaiky izany fanasana izany, ary inona no vokany?
8 Tamin’izany fotoana izany Jehovah dia namporisika ny Isiraelita hanadio ny tenany ka hiverina aminy. “Miverena amiko, dia mba hiverina aminareo kosa Aho”, hoy izy taminy. Avy eo dia nanao taminy izao fanasana izao izy: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:7, 10). Ambiny tamin’ny firenena jiosy ihany no niverina tamin’i Jehovah; amin’izao androntsika izao, dia sisa mahatoky amin’ny Isiraely ara-panahy no nivoaka avy tamin’ireo fivavahan-dison’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa” eo am-pitomboana isa hatrany, ny anisan’io sisa io dia midera an’i Jehovah amin’ny maha-Vavolombelona (Jaona 10:16). Nitana ny fampanantenana nataony taminy Jehovah: ‘novohany ho azy ny varavaran’ny lanitra ka nampidina fitahiana manana amby ampy ho azy’ izy. Nandroso ho azy sakafo ara-panahy tena matavy izy. — Isaia 25:6.
Sakafo ara-panahy tondraka
9. Sakafo inona no manjary azo omena malalaka amin’izao androntsika izao, noho ny asa inona, ary miaraka amin’ny vokatra manao ahoana?
9 “Ny mpanompo mahatoky sy malina” izay nambaran’i Jesosy ho amin’izao androntsika izao ny fisiany, dia mikely aina manome ny sakafo ara-panahy tondraka (Matio 24:45). Tamin’ny taon-dasa fotsiny, tany amin’ny tany sy nosy 208 ary tamin’ny fiteny eo amin’ny 200, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo tapitrisa no nitondra ireny hanina ara-panahy ireny ho an’ny mpiara-belona taminy. Nizara boky sy gazety ary Baiboly an-jatony tapitrisa maro isan-trano izy ireny. Betsaka no nanaiky izany sakafo ara-panahy izany ka afa-po: Tao anatin’ny herintaona, dia mpianatra vaovao maherin’ny 225 000 no natao batisa!
10. Inona avy moa no fandaharana natao mba hanomezana antsika fahafahana hivory araka ny fananaran’i Paoly antsika?
10 Ny fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah dia zaraina koa amin’ny alalan’ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary ireo fivoriana dimy isan-kerinandro atao tsy tapaka ao amin’ny kongregasion’ny Vavolombelon’i Jehovah miisa ho 52 000 eo ho eo — izany rehetra izany dia ho fanarahana ny famporisihan’i Paoly ao amin’ny Hebreo 10:25, famporisihana mba tsy ‘hahafoy ny fiarahantsika miangona’.
11. Hazavao ny fomba mety mba hanomanana ny sakafo ara-panahy.
11 Rehefa manasa olona hisakafo ny vehivavy tompon-trano iray, dia tsy mianina amin’ny fanendasana sombin-kena fotsiny izy ka manao izany ao an-dovia. Manatsara ny tsiron’izany amin’ny alalan’ny zava-manitra sy ny lasaosy izy ary mandravaka izany mba hahatonga azy hampazoto homana kokoa. Amin’ny fijerena izany sy fandrenesana ny fofony fotsiny, dia mitelin-drora ireo nasaina. Tahaka izany no anomanana ireo fanomezana ara-panahy avy amin’i Jehovah — tsy amin’ny fomba fanoratra tsy manintona sy be andinindininy fotsiny, fa amin’ny fomba mahaliana, mba hahafinaritra ny saina sy hanohinana ny fo. Ny kristiana tsirairay avy dia tokony hanahaka an’io ohatra io. “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny, ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” — Joba 12:11.
12. Olona iza avy voalaza ao amin’ny Baiboly no nanolotra sakafo ara-panahy voaomana mba hampahazoto homana?
12 Ny fianarana voalohany amin’ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique dia manipika ny maha-zava-dehibe ny hampiasana teny mahafinaritra. Solomona dia tsy vitan’ny hoe nampiasa teny marina fotsiny, fa teny mahafinaritra koa (Mpitoriteny 12:10). Ny Salamo 45:2 dia nanambara izao momba ny Mesia, Jesosy Kristy: “Fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao.” Izany tokoa no nitranga. Ireo mpihaino azy dia “talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany”. Nihaino azy tamim-pitandremana izy ireo, tonga maraina teo amin’ny tempoly hihaino azy, talanjona noho ny fomba fampianarany ka nihaino azy tamin-kafaliana. Ny mpiandry raharaha nirahina hisambotra azy dia nanambara hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” (Lioka 4:22; 19:48; 21:38; Marka 12:37; Matio 7:28; Jaona 7:46). Ny Manuel pour l’Ecole dia natonta mba hanampiana antsika hilaza teny fahamarinana amin’ny fomba mahafinaritra. Mampiasa azy io araka izay farany azo atao ve ianao?
13. Manao ahoana ny herin’ny fananaran’ny teny ao amin’ny Efesiana 5:15-17 antsika mba ‘hanararaotra ny fotoana’, ary nahoana no soritany io hevitra io?
13 Ahitana izao famporisihana izao ao amin’ny Efesiana 5:15-17: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN ].” Ny teny grika adika hoe “andro” eto dia tsy manondro ny fotoana amin’ny ankapobeny, fa fotoana voafetra kosa, fotoana iray mety hanatanterahana fikasana hentitra iray. Ny matoanteny grika nadika hoe “hararaoty” dia amin’ny endriny manamafy, ary “ao anatin’io toe-javatra io izy dia azo inoana fa midika hoe: ‘manararaotra fatratra’; izany hoe manararaotra ny fahafahana rehetra miseho”a. Maka fotoana avy amin’ny fandaharam-potoananao mba hahatongavana ho hendry ve ianao amin’ny fandraisana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah? Tokony hanao izany ianao. Tokony hanao izany koa isika rehetra. Nahoana? Satria “ratsy izao fiainana izao”.
Eo amin’ny efitra ara-panahy mankeo amin’ny paradisa ara-panahy
14. Andininy inona ao amin’ny Baiboly no hojerentsika izao, ary izany dia mba hanazavana zavatra inona mampiavaka ny fanontana vaovao ny Traduction du monde nouveau?
14 Ny fanontana vaovao ny Saintes Ecritures — Traduction du monde nouveau tamin’izao 1987 izao, dia fanomezana ara-panahy iray miavaka tokoa. Manana endrika manokana izay azontsika andraisan-tsoa mba hampitomboana ny fahalalantsika izy io, amin’ny ‘fanararaotana ny andro’: misy fanamarihana ao anatiny. Raiso, ohatra, ny Salamo 1:3. Io andininy io dia milaza amin’ireto teny ireto ny toeran’ny olona izay misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’Andriamanitra: “Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo, ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Ireo teny ireo dia lalina lavitra noho izay toa mety hahitana azy rehefa vakina haingana.
15. Fanontaniana inona avy no mipetraka rehefa mamaky ny Salamo 1:3, ary filazana inona no omen’ny Isaia 44:4?
15 Voavoly àry ilay hazo. Iza anefa no namboly azy? Ary eo amoron’ny rano izany, io teny farany io dia amin’ny endriny milaza maro. Efa nahita hazo iray naniry teny amoron’ny rano maro ve ianao? Tsia, mazava ho azy. Ampitomboy ny fitiavanao ta-hahafanta-javatra, ka apetraho amin’ny tenanao izao fanontaniana izao: Inona no tena mety hasehon’io hazo io? Ireo fanamarihana dia mahatonga antsika ho afaka hahalala izany. Ireo andininy voatonona dia ny Isaia 44:4, 61:3 ary Jeremia 17:8. Ao amin’ny Isaia 44:4, dia voalaza fa ireo mpanompon’i Jehovah dia ho tahaka ny hazo “eny anilan’ny rano mandeha eo amoron’ny [lakan-drano, MN ]”. Lakan-drano maro hoe? Izany tokoa, satria ireo rano mandeha resahina eo dia lakan-drano tarihina mba hanondrahana ireo hazo fihinam-boa ao amin’ny saha iray!
16. Filazana amboniny inona no hitantsika ao amin’ny Isaia 61:3 sy ao amin’ny Jeremia 17:8?
16 Isaia 61:3 dia miantso ny sasany amin’ireny hazo ireny ho “hazon’ny fahamarinana, nambolen’i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra”. Jehovah àry no mamboly sy manondraka ireny hazo ireny, ka mahazo voninahitra amin’ny voa entin’izy ireo izy. Jeremia 17:8 dia mampitaha ny olona izay misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’Andriamanitra amin’ny “hazo ambolena eo amoron-drano (...), izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; ka tsy hatahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny. Ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany”. Tsy mihamalazo ny raviny; izay ataony rehetra dia mahomby!
17. Sary inona no voavatsika tsara izao ao amin’ny Salamo 1:3, ary inona no anjara raisintsika mifandray amin’izany?
17 Mazava amintsika tsaratsara kokoa izao! Ny Salamo 1:3 dia manome sary iray kanto. Ireo izay misaintsaina andro aman’alina ny lalàn’i Jehovah dia sahala amin’ny hazo ambolena eo amoron’ny loharano iray tsy mety ritra. Tsy anisan’ireo fandaminana tsy mahavokatra eo amin’ity izao tontolo izao ity intsony izy ireo, fa miara-miasa amin’ny fandaminan’Andriamanitra, izay tondrahan’ireo ranon’ny fahamarinana mamelombelona amin’ny fomba feno tokoa kosa izao. Tena ao anatin’ny paradisa ara-panahy iray izy ireo ka velombelona sady mamoa voa ara-panahy ho fiderana an’i Jehovah. Ary eritrereto kely ange! Andriamanitra dia mampiasa ireo Vavolombelony mba hitondra olona sasany hivoaka avy amin’ireo fandaminana maina eo amin’ity izao tontolo izao ity ka hampiditra azy ireny ao amin’io paradisa ara-panahy mamelombelona sy voatondraka tsara io.
18. Inona no lazain’ny Vavolombelona sasany rehefa mahita ny fahaizan’ireo namany amin’ny asa fanambarana, ary mety ho noho ny antony inona no tsy ahombiazan’izy ireny amin’io lafiny io.
18 Mba hahatanterahana amin’ny fomba mandaitra an’io asa io, dia tokony hanitsy ny saina sy ny fontsika isika mba hahazoana soa avy amin’ireo fanomezana ara-panahy rehetra avy amin’i Jehovah. Rehefa mandre Vavolombelona hafa iray manazava andini-teny ao amin’ny Baiboly ny sasany, dia mihiaka hoe: “Mba ho tiako koa ny hahalala tsara ny Baiboly tahaka azy!” Raha mifehy tena anefa izy ireny mba hianatra ny Baiboly, dia afaka mampitombo ny fahalalany koa. Rehefa mihaino ny iray amin’ireo namany mitory isan-trano ny sasany, dia miteny hoe: “Ho tiako ny hanao fanambarana tsara tahaka azy koa!” Raha mifehy tena mba handray anjara matetika amin’ny fitoriana anefa izy ireny, amin’ny fampiasana ny boky Comment raisonner à partir des Ecritures, dia ho tonga Vavolombelona kinga kokoa koa. Amin’ny fandrenesana ny anankiray amin’ireo namany manao lahateny ara-Baiboly, dia misento toy izao ny sasany: “Mba ho tiako ny hanao lahateny mahafinaritra tahaka azy koa!” Eo indray koa anefa, raha manomana amim-pitandremana ny lahateniny ireo izay milaza toy izany ka mampihatra ireo torohevitra omena ao amin’ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique, dia afaka mandroso koa amin’ny fahaiza-mandahateny.
19. Inona no fanalahidin’ny fitomboan’ny fahakingantsika eo amin’ny asa fanambarana?
19 Kanefa, raha tsara ny haniriana handroso, dia tsy ho tonga amin’izany tsy misy fiezahana ianao. Amin’ny fiasana ihany no mety hahatratraranao ireo zava-kendrenao. Mifeheza tena àry mba hanararaotana ny fotoana ary manaova ireo fiezahana ilaina mba hanatanterahana ireo zava-kendrenao. Raha tsy ampiasainao ny nofo aman-kozatra iray, dia hihakely izany. Raha tsy ampiasainao ny fahaizana iray, dia hanjavona izany. Raha tsy ampiasainao ny sainao, dia hihena ny fahaizanao ara-tsaina. Raha tsy ampiasainao ny fahalalanao, dia hafoinao. Amin’ny toe-javatra rehetra, dia izao no fitsipika: “Mampiasa na mamoy.” ‘Amin’ny fampiasana azy no anazarana ny fahaiza-mahataka-javatra’. Amin’izany, “dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana”. — Hebreo 5:14, MN; Ohabolana 2:11.
20. Amin’ny fandraisan-tsoa avy amin’ireo fanomezana ara-panahin’i Jehovah, dia ho afaka amin’ny inona isika, ary soa inona no hananantsika?
20 Mandraisa àry soa avy amin’ireo fanomezana ara-panahin’i Jehovah. Miaraha mifaly amin’ireo izay mankamamy izany. Mandosira ny mosary nambaran’i Amosa tamin’izao teny izao: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah.” (Amosa 8:11). Aoka ianao ho anisan’ireo izay mihinana sy mifaly, fa tsy ireo izay mandà ny sakafo ka mahatsiaro henatra: “Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra.” — Isaia 65:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny diksionera vaovao iraisam-pirenen’ny teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy), boky I, pejy faha-268, nataon’i Colin Brown.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no nampisehoan’ny firenen’Isiraely fa tsy afa-po tamin’ny fanomezan’i Jehovah izy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahatanterahan’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Malakia 3:10 eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Inona no hevi-dalin’ny Salamo 1:3?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe ny hampiasantsika ireo zavatra ianarantsika noho ny fanomezana ara-panahin’i Jehovah?
[Sary, pejy 15]
Ireo izay misaintsaina ny lalàn’i Jehovah dia sahala amin’ny hazo ambolena eo akaikin’ny loharano tsy mety ritra iray.